Tahirim-pitaovana
1 Nefia


Teny fampidirana NY Boky Voalohany an’i Nefia

Nahoana no halalinina ity boky ity?

Rehefa mandalina ny 1 Nefia ireo mpianatra dia hahita fa ny “halehiben’ ny famindram-pon’ ny Tompo dia amin’ ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany, ka mampahery azy” (1 Nefia1:20). Hianatra ihany koa izy ireo fa maniry ny hitahy ireo zanany Andriamanitra. Niaina traikefa mikasika ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fitahiany i Lehia sy ny olony rehefa nitandrina ny didiny. Nikatsaka fitarihana avy amin’Andriamanitra i Lehia sy i Nefia ary nahazo izany avy tamin’ny alalan’ny nofy, ny fahitana, ny Liahona, ary ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Nahita sy nirakitra an-tsoratra fahitana mifono fahatakarana mivelatra iray mikasika ny tantaran’ny tany i Nefia izay naneho ny fahalalan’Andriamanitra ny zava-drehetra, ny batisa, sy ny asa fanompoana, ary ny fanomboana an’i Jesoa Kristy; ny faharavan’ny Nefita; ary ny andro farany. Nanampy an’i Nefia sy ireo rahalahiny Andriamanitra mba hahazo ireo takela-barahina hahafahany manana ny soratra masina. Namonjy an’i Lehia sy ny olony tamin’ny mosary tany an-tany foana sy ny faharavana teny ambonin’ny ranomasina ihany koa Izy, ary nitondra azy ireo tsy niharam-boina tany amin’ny tany nampanantenaina. Afaka mianatra sy mikatsaka ary mandray ireo fitahian’ny lanitra ireo mpianatra rehefa mandalina ireo zavatra niainan’i Nefia sy i Lehia ao amin’ity boky ity.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Nefia zanak’i Lehia no nanoratra ity boky ity ho fankatoavany ny didin’ny Tompo dia ny mba hanaovany rakitsoratra mikasika ny olony. Mety ho teraka tao na tany akaikin’i Jerosalema i Nefia. Niaina tao nandritra ny asa fanompoan’ny mpaminany Jeremia sy ny fotoana nanjakan’i Zedekia Mpanjaka i Nefia. Nikatsaka fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenany manokana mikasika ny tenin’ny rainy momba ny faharavan’i Jerosalema sy ny tsy maintsy nialan’ny fianakaviany tao i Nefia. Nanjary fitaovana teo am-pelatanan’Andriamanitra i Nefia rehefa nanohy nikatsaka sy nanaraka ny torohevitry ny Tompo. Niverina indroa tamim-pankatoavana tany Jerosalema niaraka tamin’ireo rahalahiny izy—mba haka ireo takela-barahina tamin’ny voalohany, ary taorian’izay dia mba handresy lahatra ny fianakavian’i Ismaela hiaraka amin’ny fianakavian’i Lehia tany an-tany foana. Niampy ny fanampian’ny Tompo, dia nanamboatra ny sambo izay nitondra ny fianakaviany sy ny maro hafa niampita ny ranomasina ho any amin’ny tany nampanantenaina i Nefia. Nofinidin’ny Tompo ho mpitarika ireo olony i Nefia rehefa maty i Lehia.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary inona no antony?

Vondron’olona telo no tao an-tsain’i Nefia rehefa nanoratra izy, dia ireo taranaky ny rainy, sy ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo amin’ny andro farany, ary ireo olona rehetra eto amin’izao tontolo izao (jereo ny 2 Nefia 33:3, 13). Nanoratra izy mba handresy lahatra ny rehetra hanatona an’i Kristy mba hovonjena (jereo ny 1 Nefia 6:4).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

I Nefia dia nanoratra ny tantara izay lasa 1 Nefia, teo ho eo amin’ny 570 Talohan’i Kristy.—30 taona taorian’ny nandaozan’izy sy ny fianakaviany an’i Jerosalema (jereo ny 2 Nefia 5:30). Nanoratra izany i Nefia fony izy tao amin’ny tanin’i Nefia.

Inona avy ireo zava-dehibe miavaka ao amin’ity boky ity?

Mirakitra tantara maro mikasika ireo fanambarana avy any an-danitra niseho tamin’ny alalan’ny nofy, ny fahitana, ary fanambarana mivantana ny 1 Nefia. Maneho ireo fanambarana ireo fa mampianatra, sy mitarika, ary miaro ireo izay mikatsaka Azy Andriamanitra:

  • Raha mbola nivavaka i Lehia, dia nisy andry afo nipoitra, ary nahita sy nandre zavatra betsaka izay nampihararetra azy izy (jereo ny 1 Nefia 1:6–7).

  • Nahita fahitana izay nahitany an’Andriamanitra sy namakiany tao amin’ny boky iray izay naminany mikasika ny faharavan’i Jerosalema sy ny fahababoan’ireo mponina tao aminy i Lehia (jereo ny 1 Nefia 1:8–14).

  • Nandidy an’i Lehia hiainga ho any an-tany foana miaraka amin’ny fianakaviany ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 2:1–2).

  • Nanoro hevitra an’i Lehia haniraka ny zanany hiverina tany Jerosalema Andriamanitra haka ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 3:2–4).

  • Nisy anjely nirotsaka an-tsehatra rehefa nikapoka an’i Nefia sy i Samy i Lamàna sy i Lemoela (jereo ny 1 Nefia 3:29).

  • Ny Tompo dia nandidy ny mba hiverenan’i Nefia sy ny rahalahiny tany Jerosalema haka an’i Ismaela sy ny fianakaviany (jereo ny 1 Nefia 7:1–2).

  • I Lehia sy i Nefia dia nahita fahitana izay hahitana ny hazon’aina, ny fahaterahana, sy ny asa fanompoana, ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny tantaran’ny tany nampanantenaina, ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, ary ny ady eo amin’ny herin’ny devoly sy ny fiangonan’ny Zanakondrin’Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 8; 11–14).

  • Naseho an’i Nefia ny fomba hanamboarana sambo izay hitondra ny olony ho any amin’ny tany nampanantenaina (jereo ny 1 Nefia 18:1).

Mirakitra ny tantara voalohany indrindra momba ireo olona izay nanao dia lavitra nankany amin’ny tany nampanantenaina ny 1 Nefia. Ary aorian’izay dia mitanisa vondron’olona roa hafa nandeha tany amin’ny tany nampanantenaina ny Bokin’i Môrmôna: ny Miolekita (jereo ny Ômnia 1:14–17) sy ny Jaredita (jereo ny Etera 6:4–12).

Mampahafantatra zavatra roa manan-danja ihany koa ny 1 Nefia dia: ny sabatr’i Labàna sy ny kômpà iray, na mpanoro lalana, antsoina hoe Liahôna (jereo ny 1 Nefia 18:12; Almà 37:38). Tamin’ny alalan’ny Liahôna no nitarihan’ny Tompo ny fianakavian’i Lehia tany an-tany foana sy niampita ny ranomasina. Nampitampitaina tamin’ireo taranaka maro nifandimby mandra-pahalany tamingana ny vahoaka Nefita ny sabatr’i Labàna. Niara-nalevina tamin’ireo takela-bolamena ny Liahôna sy ny sabatr’i Labàna, ary naseho an’i Joseph Smith sy ireo Vavolombelona Telo izany (Jereo ny F&F 17:1–2).

Votoatin-kevitra

1 Nefia 1–7 Nitondra ny fianakaviany ho any an-tany foana i Lehia. Nitandrina ny didin’ny Tompo mba hiverina tany Jerosalema sy haka ireo takela-barahina ireo zanany ary ny hiverina indray handresy lahatra an’i Ismaela sy ny fianakaviany hiaraka amin’izy ireo tany an-tany foana.

1 Nefia 8–15 Samy nahita fahitana mikasika ny hazon’aina i Lehia sy i Nefia. Mitantara ny fahitany mikasika ny asa fanompoan’ny Mpamonjy sy ireo fotoan-dehibe ara-tantara izay mitondra mankany amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany i Nefia.

1 Nefia 16–18 Nitarika an’i Lehia sy ny fianakaviany tamin’ny diany tany an-tany foana sy niampita ny ranomasina nihazo ny tany nampanantenaina ny Tompo.

1 Nefia 19–22 Naminany mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny fanaparitahana ary ny fampodiana an’i Isiraely i Nefia.

Hamoaka printy