Tahirim-pitaovana
Lesona 10: 1 Nefia 6 sy 9


Lesona 10

1 Nefia 6 sy 9

Fampidirana

Hoy i Nefia hoe: “Fa ny tena fikasako dia ny hahazoako mandresy lahatra ny olona hanatona ny Andriamanitr’ i Abrahama sy ny Andriamanitr’ i Isaka ary ny Andriamanitr’ i Jakoba mba hovonjena” (1 Nefia 6:4). Nitana rakitsoratra roa karazana izy: Ny takelaka kelin’i Nefia sy ny takelaka lehiben’i Nefia. Nandidy azy hamintina ny tantaran’i Lehia tao amin’ireo takelaka kely ny Tompo (jereo ny 2 Nefia 5:28–31). Taty aoriana, dia nahazo fitaomam-panahy i Môrmôna hampiditra ireo takelaka kely tamin’ny fanangonany ireo boky handrafetana ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:6–7). Samy tsy nahalala na i Nefia na i Môrmona hoe nahoana, kanefa dia samy nanaraka ny fitarihan’ny Tompo izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 6

Nanoratra mba handresy lahatra ny rehetra hanatona an’i Jesoa Kristy i Nefia

Manehoa boky na tantara an-tsary tsara maromaro izay malaza amin’ny tanora ankehitriny. Anontanio ireo mpianatra izay zavatra tsapany fa tanjon’ny mpanoratra na ny mpamorona an’ireo boky tsirairay na tantara an-tsary ireo. Hazony eny amin’ny tanana ny Bokin’i Môrmôna iray. Lazao amin’ny mpianatra fa i Nefia dia manazava ao amin’ny 1 Nefia 6 ny tanjony tamin’ny nanoratany ny rakitsorany, izay lasa ampahany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny farany.

Angataho ny mpianatra hamaky ny 1 Nefia 6:3–6 ary hikaroka ireo teny na fehezanteny izay manambara ny fikasan’i Nefia tamin’ny nanaovany ny rakitsorany. (Azonao atao ny manome sosokevitra ny hanisian’ireo mpianatra marika ireo teny ireo.)

  • Nahoana no zava-dehibe ny nanoratan’i Nefia zavatra “izay mahafaly an’ Andriamanitra” fa tsy zavatra “izay mahafinaritra izao tontolo izao”?

  • Ahoana no hilazanao ny fikasan’i Nefia amin’ny teninao manokana? (Mety hanampy tokoa ny manazava ny andian-teny hoe: “ny Andriamanitr’ i Abrahama, sy ny Andriamanitr’ i Isaka, ary ny Andriamanitr’ i Jakoba” dia manondro an’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanoratra hoe Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny 1 Nefia 6:4. Azonao atao ihany koa ny manazava fa ny anarana hoe Jehovah dia manondro an’i Jesoa Kristy ihany koa. [Jereo ny 1 Nefia 19:10; 2 Nefia 11:4, 6–7; jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Kristy”])

Mba hanampiana ireo mpianatra hankasitraka fa ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy dia asao izy ireo hamadika ny boky any amin’ireo pejy misy ny lisitr’ireo teny any amin’ny faran’ny boky ary handinika ireo lohateny mifandray amin’i Jesoa Kristy. Asao izy ireo hamantatra vitsivitsy amin’ireo fomba ampianaran’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra iray hanoratra ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Iray amin’ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna ny handresy lahatra ny olon-drehetra hanatona an’i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no fiantraikan’ny fahatakarana ny tanjon’i Nefia tamin’ny nanoratany amin’ny fomba hanaovanao drafitra mba handalina ny Bokin’i Môrmôna amin’ity taona ity?

Zarao ny fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao hanakaiky bebe kokoa ny Ray any an-danitra sy ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hizara ny fomba niantraikan’ny Bokin’ny Môrmôna teo amin’ny fiainany sy ny nitondrany azy ireo nanakaiky bebe kokoa ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Amporisiho izy ireo hizara ny fahatsapany mikasika ny Bokin’i Môrmôna sy ny fijoroany ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy amin’ny namana na olona ao amin’ny fianakaviana ao anatin’ireo andro maromaro manaraka.

1 Nefia 9

Nitana rakitsoratra roa karazana i Nefia

Asehoy ny mpianatra ny boky iray mikasika ny tantara, ary lazao ny fotoana izay voarakitra ao anatin’ilay boky. Avy eo dia asehoy ny mpianatra ny diary iray misy tantaran’ny olona iray manokana izay mirakitra ny ampahany amin’ny fotoana mitovy amin’izay hita tao amin’ny bokin’ny tantara. (Mamakia traikefa ara-panahy araka izay mifanentana amin’izany avy amin’ilay diary.)

  • Inona no maha samy hafa ireo lahatsoratra amin’ny fomba niraiketany an-tsoratra ny tantara?

  • Sarobidy kokoa noho ilay iray hafa ve ny lahatsoratra iray? Amin’ny fomba ahoana? (Samy sarobidy avokoa ny tsirairay avy amin’ireo noho ny antony samihafa.)

  • Inona no hitovian’ireo lahatsoratra ireo amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Hazavao fa ao amin’ny 1 Nefia 9:1–5, dia mitantara mikasika ny ezaka nataony mba hitana rakitsoratra amin’ny takelaka roa karazana i Nefia.

Ao amin’ny karazany iray amin’ireo takelaka, izay fantatra amin’ny hoe takelaka lehiben’i Nefia ankehitriny, dia nirakitra “ny tantaran’ny olo[ny]” i Nefia (1 Nefia 9:2). Hita ao anatin’ity tantara ity ny “tantaran’ny fitondran’ny mpanjaka sy ny ady ary ny fifandirana teo amin’ny olo[ny]” (1 Nefia 9:4). Izany no rakitsoratra voalohany nataon’i Nefia saingy tsy tafiditra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay ananantsika ankehitriny izany.

Ao amin’ilay karazany iray hafa amin’ireo takelaka, izay fantatra amin’ny hoe takelaka kelin’i Nefia ankehitriny, dia nirakitra “ny asa fanompoan’ny olo[ny]” izy (1 Nefia 9:3). Mety ilainao ny hanazava fa ny teny hoe fanompoana dia entina hilazana ny fampianarana ny filazantsara sy ireo asa atao amin’izany. Hita ao amin’ny bokin’i 1 Nefia sy 2 Nefia ankehitriny ny rakitsoratr’i Nefia ao amin’ireo takelaka kely.

Mba hanampiana ireo mpianatra hanavaka ireo takelaka kely sy ireo takelaka lehibe rehefa mamaky ny 1 Nefia 9 izy ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: “ireto takelaka ireto” = takelaka kely sy “ireo takelaka hafa” = takelaka lehibe. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra ireo teny ireo ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ireo andininy mifandraika amin’izany.) Ao amin’ny 1 Nefia 9, dia entina hilazana mandrakariva ireo takelaka kely ny andian-teny hoe “ireto takelaka ireto.” Ny andian-teny hoe “ireo takelaka hafa” dia entina hilazana ireo takelaka lehibe.

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 9:3, 5–6 ny mpianatra iray.

  • Inona no antony nolazain’i Nefia tamin’ny nanaovany ireo takelaka kely ankoatra ireo takelaka lehibe? Ahoana no hanehoan’ireo fanazavana ireo ny finoan’i Nefia ny Tompo?

Hazavao fa nanakaiky ny 1.000 taona taty aoriana dia nanao boky famintinana na fanafohezana ireo rakitsoratra rehetra nosoratan’ireo olony i Môrmôna. Izany dia lasa ilay fantatsika ankehitriny amin’ny hoe ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa nanao ity boky voafintina ity izy dia nahita ireo takelaka kelin’i Nefia ary nampiditra izany tao anatin’ny rakitsorany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Tenin’i Môrmôna 1:3–7. Hazavao fa i Môrmôna dia nanoratra ireo teny ireo teo ho eo amin’ny 385taorian’i J.K., tamin’ny fotoan’ny ady farany teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ny mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo antony izay nolazain’i Môrmôna fa nahatonga azy hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia tao amin’ny famintinana nataony.

Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona Marvin J. Ashton ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Marvin J. Ashton

“Indraindray rehefa asaina mankatò isika dia tsy fantatsika hoe nahoana afa-tsy ny hoe ny Tompo no nandidy antsika. … Nanaraka ireo toromarika i Nefia na dia tsy takany tanteraka aza ilay fikasana feno fahendrena. Fitahiana ho an’ny olona rehetra manerana izao tontolo izao no vokatra azo avy amin’ny fankatoavany” (“Who Will Forfeit the Harvest?” Ensign, Nôv. 1978, 51).

Asehoy fa isika dia mianatra fa tokony hankatò ny didin’Andriamanitra sy hanaraka ny fitaomana avy amin’ny Fanahy isika na dia tsy mahatakatra tanteraka ny antony hanaovana izany aza avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia sy i Môrmôna.

  • Nahoana no zava-dehibe ny mankatò ny didin’ny Tompo sy ny manaraka ny fitaomana avy amin’ny Fanahy na dia tsy mahafantatra tanteraka ireo antony hanaovana izany aza isika?

  • Oviana ianao no nankatò ny Tompo na nanaraka fahatsapana miavaka iray kanefa tsy nahatakatra feno ny antony tokony nanaovana izany?

  • Ahoana no ahafahantsika mampitombo fahatokian-tena sy risi-po bebe kokoa mba ho mahatoky amin’ny fitarihan’Andriamanitra?

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mankatò ny didin’Andriamanitra sy ny fitaoman’ny Fanahy Masina isika dia hitombo ny fahatakarantsika ireo tanjona ao ambadik’izany,ary hitahy antsika ny Tompo noho ny fankatoavantsika.

Asao hamaky mafy ity fanazavana manaraka ity ny mpianatra iray. (Azonao atao ny manome izany amin’ny taratasy kely ho an’ny mpianatra tsirairay mba hahafahan’izy ireo hanaraka izany sy hametraka ilay taratasy ao anatin’ny soratra masin’izy ireo mba ho azony ampiasaina any aoriana.)

Farafahakeliny, ny ampahany tamin’ny “fikasana hendry” izay an’ny Tompo (1 Nefia 9:5; Tenin’i Môrmôna 1:7) tamin’ny nandidiany an’i Nefia hitana rakitsoratra roa karazana dia hita niharihary rehefa nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith. Tany ampiandohana dia ny famintinan’i Môrmôna ireo takelaka lehiben’i Nefia no nadikan’i Joseph. I Martin Harris, izay nanampy an’i Joseph dia naniry ny haneho ilay teny voadika tamin’ny vadiny sy ny fianakaviany. Nanome alalana tamim-pisalasalana an’i Martin mba hindrana ireo sora-tanana 116 takila izay vita dika tanteraka tamin’izany fotoana izany ny Mpaminany. Nisy nangalatra tao amin’i Martin Harris ireo 116 takila ireo ary vokatr’izany dia nesorina tao anatin’ny fotoana fohy tamin’i Joseph Smith ireo takelaka, sy ny Orima sy Tomima, ary ny fanomezam-pahasoavana handika teny (jereo ny F&F 3:14).

Rehefa avy nandalo fibebahana i Joseph (jereo ny F&F 3:10), dia nandidy azy tsy handika indray ilay ampahany very ny Tompo (jereo ny F&F 10:30). Ho solon’izay kosa dia nandidy azy handika ireo takelaka kelin’i Nefia Izy (jereo ny F&F 10:41), izay mirakitra ny zava-nitranga tamin’ny vanim-potoana mitovy amin’izay voalaza tao amin’ireo takelaka lehibe. Nampahafantatra an’i Joseph ny Tompo fa novain’ireo izay naka izany ny teny tao amin’ireo 116 takila ary nanao drafitra ny hampiasa izany izy ireo mba tsy hinoan’ny olona izany asa izany (jereo ny F&F 10:10–19). Efa hitan’ny Tompo mialoha tao anatin’ny taon-jato maro tany aloha tany ireo trangan-javatra ireo ary nanomana ilay rakitsoratra faharoa Izy mba hanoherana ny drafitr’i Satana. (Jereo ny Histoire de L’Église, 1:20–23; F&F 10:38–46.)

Asao hamaky tsirairay ny 1 Nefia 9:6 ny mpianatra. Asaivo mamantatra ny fotopampianarana ampianarin’i Nefia ao amin’io andininy io izy ireo. Mangataha mpianatra iray hanoratra ity fitsipika manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Mahafantatra ny zava-drehetra Andriamanitra ary manomana ny fomba hanatanterahana ny asany rehetra.

  • Nahoana no manampy ny fahafantarana fa “ny Tompo [dia] mahafantatra ny zavatra rehetra hatrany am-piandohana”? (1 Nefia 9:6; jereo ihany koa ny 2 Nefia 9:20; Tenin’i Môrmôna 1:7.)

  • Ahoana no ahafahan’izany fotopampianarana izany hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fiainanao? (Rehefa mamaly izany fanontaniana izany ny mpianatra dia azonao atao ny mizara ny eritreritrao mikasika ny fomba nampitomboan’ity fotopampianarana ity ny finoanao sy ny fanantenanao ary ny fahatokianao an’Andriamanitra.)

  • Ahoana no ahafahan’ity fotopampianarana ity manampy anareo rehefa miatrika fizahan-toetra ianareo? (Valiny iray mety ho azo ny hoe afaka mahazo fampiononana amin’ny fahazoana antoka isika fa mahita ny fiafaran’ireo fizahan-toetra sy fanamby atrehantsika Andriamanitra, eny fa na dia tsy afaka mahita izany aza isika. Ary amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, dia afaka manome hery sy mampionona ary mitarika antsika mba handresy na haharitra amin’ireo fahasarotana eo amin’ny fiainana Izy.)

Ambarao ny faharesenao lahatra fa mahafantatra ny zavatra rehetra Andriamanitra, ao anatin’izany ny zavatra mahasoa indrindra ny tsirairay avy amin’ireo zanany. Ampio ny mpianatra hahita fa eo amin’ny fianany iray manontolo, izy ireo dia hifanehitra amin’ny didy sy hahazo fitaomam-panahy avy amin’Andriamanitra izay mety tsy ho takatr’izy ireo tanteraka any am-piandohana. Ny fankatoavan’izy ireo ny didin’ny Tompo sy ny itaoman’ny Fanahy Masina dia hitahy ny fiainany manokana sy ny fiainan’ny hafa.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 6:4. “Ny Andriamanitr’ i Abrahama sy ny Andriamanitr’ i Isaka ary ny Andriamanitr’ i Jakoba”

Nanazava ny Filoha Ezra Taft Benson fa rehefa miresaka mikasika ny Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary i Jakôba ny soratra masina dia i Jesoa Kristy no tiany holazaina: “Tokony hotsaroantsika hatrany hoe iza moa i Jesoa talohan’ny nahaterahany. Izy no ilay Mpahary ny zava-drehetra, ilay Jehovah lehibe, ilay zanak’ondry novonoina talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, ilay Andriamanitr’i Abrahama, sy Isaka, ary i Jakôba. Izy no ilay Iray Masin’ny Isiraely fahiny sy ankehitriny” (“Five Marks of the Divinity of Jesus Christ,” Ensign, Des. 2001, 10).

1 Nefia 9:6. Mahafantatra ny zavatra rehetra hatrany am-piandohana Andriamanitra

Afaka mahazo toky isika fa mahafantatra ny zavatra rehetra Andriamanitra. “Raha tsy nahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra dia tsy afaka ny hanavotra na dia ampahany kely aza amin’ireo zava-boahariny Izy; satria noho ny fahalalana izay ananany momba ny zavatra rehetra, hatrany am-piandohana ka hatrany amin’ny farany no mahatonga azy ho afaka manome ireo zava-boahariny izany fahatakarana izany izay ahafahan’izy ireo mandova ny fiainana mandrakizay; ary raha tsy manana ny fahalalana ao an-tsainy ny olona fa mahay ny zavatra rehetra Andriamanitra dia tsy ho afaka ny hino Azy izy ireo” (Lectures on Faith [1985], 51–52).

Hamoaka printy