Tahirim-pitaovana
Lesona 118: 3 Nefia 6–7


Lesona 118

3 Nefia 6–7

Fampidirana

Taorian’ny fanafahana mahagaga azy ireo tamin’ireo jirik’i Gadiantôna, dia niaina tao anatin’ny fandriampahalemana nandritra ny telo taona teo ho eo ireo Nefita. Saingy nipoitra teo amin’ny vahoaka ny avonavona, ny tsy fitovian-tsaranga, sy ny fanenjehana. Raha toa ny sasany ka nijanona ho mahatoky tao amin’ny Tompo dia maro kosa no niditra tamin’ny tsikombakomba miafina. Noho ireo tsikombakomba miafina dia nisy namono ny lohan’ny mpitsara ary noravana ny governemanta Nefita. Nizarazara ho foko ny vahoaka ary samy nanendry izay ho mpitarika azy. Nanao asa fanompoana teo anivon’ny vahoaka tamin-kery sy fahefana lehibe i Nefia.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nefia 6:1–18

Taorian’ny vanim-potoana nampiroborobo azy ireo dia nanjary feno avonavona ireo Nefita ary nisara-bazana ny Fiangonana

Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana ireto fanontaniana manaraka ireto. Asao hanome valiny ireo mpianatra sady hanazava ny valinteniny.

Moa ve ny olona iray afaka ny ho …

Mpanankarena sady manetry tena?

Mahantra sady miavonavona?

Manam-pahalalàna sady manetry tena?

Tsy manam-pahalalàna sady miavonavona?

Amporisiho ireo mpianatra mba hanohy hieritreritra ireo fanontaniana ireo eo am-pandalinany ny 3 Nefia 6. Fintino ny 3 Nefia 6:1–9 amin’ny fanazavana fa taorian’ny nandresen’ireo Nefita sy Lamanita ireo jirik’i Gadiantôna, dia nampiorina fandriampahalemana teo amin’ny tany izy ireo ka nanomboka niroborobo. Fotoana fohy taty aoriana anefa dia voahozongozona ny fandriampahalemany sy ny firoboroboany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 6:5, 10–12 , ary asao ny mpianatra rehetra hitady ny zavatra nanomboka nanozongozona ny fandriampahalemana sy ny firoboroboan’ny vahoaka.

  • Inona no nanomboka nitranga ka nanozongozona ny fandriampahalemana sy ny firoboroboana?

  • Moa ve ianao nahita fa ny fanangonana harena na ny fandrantoana fianarana misimisy kokoa dia niteraka olana mitovy amin’izany ao amin’ny sekoly, na fiarahamonina, na firenena misy anao? Raha izay no izy, dia tamin’ny fomba ahoana?

Manorita tsipika iray mitsangana eo afovoan’ny solaitrabe mba hahazoana tsanganana roa. Manorata hoe Miavonavona eo amin’ny faratampon’ny tsanganana iray ary Manetry tena eo amin’ny faratampon’ilay tsanganana iray hafa. Asao ny mpianatra handalina ny 3 Nefia 6:13–14 mba hitady ireo teny na andianteny izay milaza ny fomba fihetsiky ny vahoaka rehefa nanomboka nampizarazara azy ireo ny harena sy ny fianarana. (Mety ilaina ny hanazavanao fa ny manompa na maniratsira dia midika hoe mitsikera amim-pahatezerana na miteny ratsy fatratra amin’ny olona iray.) Rehefa avy mamaky ny mpianatra, dia asao izy ireo hanoratra ny teny na andianteny hitany ao amin’ny tsanganana mifanandrify amin’izany eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona no porofo hitanao ao amin’ny 3 Nefia 6:13 fa ny sasany izay nenjehin’ireo mpiavonavona dia namaly tamin’ny avonavona ihany koa?

  • Nahoana araka ny hevitrao no fanehoana avonavona ny mamaly “ompa ny ompa” (na tsikera ny tsikera).

  • Inona no manaitra anao amin’ny fomba fihetsik’ireo Lamanita niova fo nandritra io fotoana io?

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika hianarana avy amin’ny 3 Nefia 6:13–14? (Mety hiovaova ny valintenin’ireo mpianatra, saingy tokony ho hitan’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Afaka misafidy ny hanetry tena sy hahatoky isika na inona na inona toe-javatra iainantsika.)

Asao ny mpianatra hijery ilay tsanganana ahitana ireo fihetsika manetry tena eny amin’ny solaitrabe. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no asa azontsika hatao mba hanampiantsika ny tenantsika hijanona ho feno fanetren-tena sy mahatoky na inona na inona toe-javatra iainantsika? (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra ka ataovy ao amin’ilay tsanganana mitondra ny lohateny hoe Manetry tena.)

  • Mieritrereta olona iray izay tsapanao fa ohatra tsara amin’ny fisafidianana ny ho manetry tena sy ho mahatoky, na inona na inona toe-javatra iainany. Ahoana no maha ohatra tsara io olona io amin’ny fanetren-tena?

Hazavao fa noho ny tsy fibebahan’ny ankamaroan’ireo Nefita tamin’ny fiavonavonany, dia niharatsy ny toe-javatra niainan’izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 6:15–18. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fomba nahatonga ny fiavonavonan’ny vahoaka hamela azy ireo ho voatarik’i Satana.

  • Inona no ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fifandraisan’ny fiavonavonana sy ny fahefan’i Satana haka fanahy antsika? (Rehefa mamaly fanontaniana ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahita izao fahamarinana manaraka izao: Rehefa miavonavona isika dia mamela an’i Satana hanana fahefana bebe kokoa haka fanahy antsika sy hitarika antsika hanota bebe kokoa. Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanoratra io fitsipika io ao anatin’ny soratra masiny na ao anaty kahieny na ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 6:15–18, inona avy ireo teny na andianteny mamaritra ilay fiovam-po ratsy niainan’ireo vahoaka ireo noho ny avonavona? (Izy ireo dia “navela … havezivez[y] … na taiza na taiza nirian’i [Satana] hitondrana azy, mba hanao ny heloka rehetra niriany hataony.” Izy ireo dia tao “amin’ny toetry ny faharatsiana mahatsiravina” sy “nikomy an-kitsirano tokoa tamin’Andriamanitra.”)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no misy fiantraikany eo amin’ny halehibehin’ny fahafahan’i Satana mitarika antsika ny avonavona?

Sary
Ny Filoha Henry B. Eyring

Ho fanampin’ny valinteny omen’ireo mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Asao ny mpianatra hihaino ny iray amin’ireo zavatra mampidi-doza avy amin’ny avonavona izay nampitandreman’ny Filoha Eyring.

“Ny avonavona dia miteraka tabataba ao anatintsika izay mahatonga ilay feo malefaky ny Fanahy ho sarotra henoina. Tsy ela, dia tsy mihaino izany intsony isika noho ny fianjonanjontsika. Mety ho vevivety dia heverintsika fa tsy mila izany isika” (“Prayer,” Ensign, Nôv. 2001, 16).

  • Nahoana no mampidi-doza ny tsy fihainoana intsony ny feon’ny Fanahy Masina? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa rehefa tsy miraharaha ny bitsiky ny Fanahy Masina isika, dia ho mora handairan’ireo fakampanahin’ny devoly kokoa.)

Asao ny mpianatra hijery indray ilay lisitr’ireo fihetsika maneho fanetren-tena eo amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo hisafidy fihetsika maneho fanetren-tena iray izay tsapany fa tena mety hanampy azy manokana. Omeo minitra vitsivitsy izy ireo hanoratany ny fomba ahafahany manomboka mampihatra avy hatrany ilay sosonkevitra any an-tsekoly na any an-trano.

3 Nefia 6:19–7:14

Nandrava ny governemantan’ny Nefita ireo tsikombakomba miafina, ary nizarazara ho foko ny vahoaka

Adikao eny amin’ny solaitrabe izao fisehoan-javatra ara-banimpotoana manaraka izao:

Sary
Fisehoan-javatra Ara-banimpotoana

Zarao ho vondrona efatra ny mpianatra, ary omeo iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny andinintsoratra masina nomena azy mba itadiavany ireo zava-dehibe izay nitranga teo anivon’ny Nefita. Rehefa nomena fotoana namakiana ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay hanoratra ireo zava-dehibe nitranga tao amin’ny soratra masina nomena azy eo ambanin’ny faritra mifanandrify amin’izany amin’ilay fisehoan-javatra ara-banipotoana (afaka manampy ireo mpianatra hafa avy amin’ny vondrona tsirairay). Rehefa mahavita izy ireo dia hazavao fa ny lisitry ny zava-nitranga dia maneho ny fomba nitondran’ny tsikombakomba miafina ho amin’ny faharavan’ny governemanta Nefita sy ny fizarazaran’ny vahoaka ho foko.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 6:27–30. Asao ireo mpianatra hanaraka sy hamaky ary hitady ilay olona mpanorina ny tsikombakomba miafina sy ny tanjon’izany. Rehefa hitan’ireo mpianatra ilay nanorina ny tsikombakomba miafina (ny devoly), dia manontania hoe:

  • Inona avy ireo teny sy andianteny izay mamaritra ny tanjon’ny tsikombakomba miafina? (Mety ahitana ireto ny valiny “hanoherana ny fahamarinana rehetra,” “hamongotra” ny vahoakan’ny Tompo, “nanao fihantsiana ny lalàna sy ny satan’ny taniny,” ary “ny tany dia tsy ho ao amin’ny fahafahana intsony.”)

  • Ahoana no nahatonga ireo izay namono ireo mpaminany ho afaka amin’ny fanasaziana? (Ireo namany sy fianakaviany, izay mpikambana ao amin’ilay tsikombakomba miafina ihany koa, dia niray hina mba hanampy azy ireo hitazona ho tsiambaratelo ny zavatra ataony ary hiala amin’ny vokatry ny zavatra ataony.)

  • Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana vitsivitsy ianao, izay te hiala amin’ny vokatry ny zavatra ataony. Ahoana no hanampianao azy ireo hiaina kosa ny filazantsara sy ny fitsipika ao anatin’izany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 7:1–8. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fiantraikan’ireo tsikombakomba miafina ireo teo anivon’ny Nefita. Hazavao fa ny devoly dia mitarika ny olona hiditra amin’ny tsikombakomba miafina mba handravana ny fahamarinana sy hampitomboana ny faharatsiana. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny fomba fiasa sy ny antom-pisian’ny tsikombakomba miafina dia matetika no feno hafetsena ary tsy mora hita hatrany. Amporisiho izy ireo mba tsy hikambana amin’ny vondron’olona na olona izay manana endrika tsikombakomba miafina.

3 Nefia 7:15–26

Nandritra ny fotoana izay naha vitsy an’isa ireo mpino, dia nanohy nanao asa fanompoana i Nefia, ary nisy sasantsasany niova fo

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fahatsapana nananao raha toa ianao ka niaina teo anivon’ny Nefita taorian’ny faharavan’ny fitondram-panjakany? Nahoana?

  • Araka ny hevitrao, mety ho taiza ianao no nitodika mba hahazoana mpitarika sy toro lalana?

Angataho ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 7:15–20. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ireo antony mety ho nahatonga azy ireo haniry ny hanaraka an’i Nefia tao anatin’izany toe-javatra izany. Asao hiato ireo mpianatra isaky ny mahavita andininy iray na roa mba hahafahanao mangataka ireo mpianatra hanazava ny antony mety ho nahatonga azy ireo ho voataona hanaraka an’i Nefia.

  • Inona no hafatr’i Nefia ho an’ny vahoaka tamin’izany fotoana izany? (Jereo ny 3 Nefia 7:16.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hitovizan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao amin’i Nefia?

  • Oviana no nahitanao mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana izay “nampianatra tamin-kery sy fahefana lehibe”? 3 Nefia 7:17).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 7:21–26 mba hitady ny fomba nahazoan’ireo izay niova fo fiahiana noho ny fanarahany an’i Nefia sy ny fibebahany tamin’ny fahotany. Asao ny mpianatra maromaro hanazava izay zavatra hitany.

  • Inona avy ireo fitsipika azontsika hianarana avy amin’ny ohatra nasehon’ireo izay nibebaka sy nanaraka an’i Nefia?

Mety hizara fahamarinana isan-karazany ireo mpianatra, kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha toa isika ka mibebaka sy manaraka ireo mpanompon’ny Tompo dia hahazo ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

  • Nahoana no ilaina ny fibebahana mba hananantsika ny Fanahy Masina miaraka amintsika?

  • Araka ny hevitrao, nahoana no manampy antsika ho mora mandray ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fanarahantsika ireo mpanompon’ny Tompo?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

Sary
Filoha James E. Faust

“Hitako fa ny fitarihana ara-panahy amin’ny ankapobeny dia miankina amin’ny fananana fiainana mifanaraka tsara amin’izay lazain’ny Filohan’ny Fiangonana, sy ny Fiadidiana Voalohany, ary ny Kôlejin’ny Roambinifololahy—ireo rehetra ireo dia notohanana … ho mpaminany, sy mpahita, ary mpanambara. Tsy fantatro hoe ahoana no hiandrasantsika hanana fiainana mifanaraka amin’ny Fanahin’ny Tompo raha toa isika ka tsy manaraka izay lazain’ny Filohan’ny Fiangonana sy ireo mpaminany, sy mpahita, ary mpanambara hafa” (“Called and Chosen,” Ensign na Liahona, Nôv. 2005, 53).

  • Oviana no nahatsapanao ny fitaoman’ny Fanahy Masina noho ny safidinao hankatò ireo mpanompon’ny Tompo?

Amporisiho ireo mpianatra hanoratra ireo fahatsapana nananany mikasika ny zavatra azony hatao mba hampiharana ireo fahamarinana nianarany androany. Antitrantero fa afaka misafidy ny hanaraka an’Andriamanitra sy ireo mpanompo nofinidiny amim-panetrentena isika, na dia misafidy ny hiaina mifanohitra amin’ny didin’ny Tompo aza ireo hafa, tahaka izay nitranga teo anivon’ny Nefita.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 6:10–18. Ny vokatry ny avonavona

Ao amin’ny 3 Nefia 6:10–18, no ahitantsika ny fomba itondran’ny avonavona ny vahoaka ho amin’ny fizarazarana. Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson fa ny fahazarana mampitaha ny tenantsika amin’ny hafa dia mety ho fisehon’ny avonavona. Nampitandrina ihany koa izy mikasika ny fomba fiantraikan’ny avonavona eo amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy amin’ny hafa:

“Ny mpiavonavona dia manao ny olon-drehetra ho fahavalony amin’ny fampitahana amin’ny an’ny hafa ny fahaizany, ny heviny, ny asany, ny hareny, ny talentany, na izay zavatra hafa rehetra an’izao tontolo izao izay azo refesina. Raha ny filazan’i C. S. Lewis: ’Ny avonavona dia tsy mahazo fahafinaretana avy amin’ny fananana zavatra iray, fa avy amin’ny fananana mihoatra noho ny ananan’ny hafa fotsiny ihany. … Ny fanaovana fampitahana no mahatonga anao ho mpiavonavona: ilay fahafinaretana azo avy amin’ny maha ambony ny tena noho ny hafa. Rehefa tsy eo intsony ny fifaninanana, dia tsy eo intsony ny avonavona.’ (Mere Christianity, New York: Macmillan, 1952, pp. 109–10.) …

“Ny avonavona dia tena manimba ny fifandraisantsika rehetra—ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ireo mpanompony, ny fifandraisana eo amin’ny mpivady, ny ray aman-dreny sy zanaka, ny mpampiasa sy ny mpiasa, ny mpampianatra sy ny mpianatra, ary ny olombelona rehetra. Ny habetsaky ny avonavontsika no mamaritra ny fomba fitondrantsika ny Andriamanintsika sy ireo rahalahintsika sy anabavintsika” Ensign, Mey 1989, 4, 6).

Hamoaka printy