Tahirim-pitaovana
Lesona 119: 3 Nefia 8–10


Lesona 119

3 Nefia 8–10

Fampidirana

Telo amby telopolo taona taorian’ny nahitan’ireo Nefita ny famantarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy, dia nanomboka nitady ny famantarana ny fahafatesan’ny Mpamonjy izay nolazain’i Samoela ilay Lamanita tamin’ny faminaniany izy ireo. Na dia maro aza ireo famantarana nomena dia nipoitra teo anivon’ny vahoaka ny fisalasalana sy fifanjihirana. Tanteraka tao anatin’ny taona manarak’izay ny faminanian’i Samoela. Taorian’ny faharavana lehibe nateraky ny oram-baratra lehibe sy ny horohorontany ary loza voa-janahary hafa dia nandrakotra ny tany nandritra ny telo andro ny haizina. Nandre ny feon’i Jesoa Kristy tao anatin’ny haizina ireo izay tsy maty tamin’ilay famongorana. Nanasa azy ireo hibebaka sy hiverina any Aminy Izy. Rehefa nisava ilay haizina dia nivadika ho fifaliana sy fiderana an’i Jesoa Kristy ilay tolokon’ny vahoaka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

3 Nephi 8:1–18

Nisy faharavana lehibe nanamarika ny fahafatesan’i Jesoa Kristy, ho fanatanterahana ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita

Atombohy amin’ny fametrahana ity fanontaniana manaraka ity ny fotoam-pianarana:

  • Moa ve ianao mahafantatra famantarana efa niseho, izay maneho fa efa akaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany? (Azonao atao ny manamafy fa maro ny faminaniana izay efa tanteraka na an-dalam-pahatanterahana toy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara, sy ny fiavian’ny mpaminany Elia, ary ny fitoriana ny filazantsara manerana izao tontolo izao.)

  • Inona no tsapanao rehefa misy zavatra iray fantatrao hoe famantarana mazava fa efa manakaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

Hazavao fa miaina ao anatin’ny vanim-potoana mitovy amin’ny vanim-potoana taloha kelin’ny namangian’i Jesoa Kristy ireo Nefita isika. Tahaka ny niandrasan’ny Nefita ireo famantarana izay nolazain’i Samoela ilay Lamanita tamin’ny faminaniana fa hampahafantatra ny fahafatesana sy ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy amin’ny maty, dia tokony hiandry ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany isika.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 8:3–4 mba hitady ireo fahasamihafana tamin’ny zavatra tsapan’ny Nefita sasany mikasika ireo famantarana. Asao hilaza ny zavatra hitany ireo mpianatra. (Na dia niandry ireo famantarana “tamim-pahamaimaizana be” aza ny vahoaka, dia nisy “fisalasalana sy fifanjihirana be” teo anivony.)

  • Amin’ny fomba ahoana no itovizan’ny toe-javatra voalaza ao amin’ny 3 Nefia 8:3–4 amin’ny toe-javatra iainana eto amin’izao tontolo izao ankehitriny?

  • Ahoana no ahafahantsika mampatanjaka ny finoantsika an’i Jesoa Kristy na dia maneho fisalasalana aza ny maro manodidina antsika?

Anontanio ireo mpianatra raha efa nahita oram-baratra mahery vaika, na horohoron-tany, na loza voa-janahary hafa. Rehefa mamaly ny mpianatra dia asao izy ireo hizara izay tsapany nandritra sy taorian’ilay zavatra niainany.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 8:5–7. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga tamin’ny taona faha 34 taorian’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy. Asao avy eo ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 8:8–18 ka hitady ny zavatra nitranga tamin’ireo mponina tao amin’ireo tanàna. Asao hanao tatitra momba ny zavatra hitany ireo mpianatra. Ampahatsiahivo amin’ny mpianatra fa efa naminany ny amin’ireo zavatra ireo i Samoela ilay Lamanita (jereo ny Helamàna 14:20–27). Antitrantero fa ho tanteraka avokoa ny tenin’ireo mpaminany ary Hotanan’Andriamanitra ho tompon’andraikitra amin’ny asa ataony ireo ratsy fanahy.

3 Nefia 8:19–25

Nandrakotra ny tany nandritra ny telo andro ny haizina

Hazavao fa taorian’ny nitsaharan’ny oram-baratra sy ny horohorontany dia nandrakotra ny tany nandritra ny telo andro ny haizina. Vonoy mandritra ny fotoana fohy ny jiro ao amin’ny efitrano. Anontanio avy eo ireo mpianatra raha efa tao anaty toerana maizina tanteraka izy ireo, toy ny lakavy na efitrano tsy misy varavarankely.

  • Inona no tsapanao fony ianao tao amin’izany toerana izany?

Hamafiso fa ny haizina izay nandrakotra ny tany nandritra ny telo andro dia tsy mitovy amin’ny haizina izay misy rehefa mamono ny jiro isika na mandeha ao amin’ny toerana tsy misy varavarankely. Asao ny mpianatra hamaky mangina 3 Nefia 8:19–23 mba hitady ireo andianteny izay milaza ny toetry ny haizina niainan’ireo Nefita. (Mety ahitana ireto ny valiny “haizina matevina,” “eton’ny haizina,” “zavon’ny haizina,” ary “tsy nisy hazavana.”)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 8:23–25 mba hitady ny fiantraikan’ny haizina teo amin’ireo Nefita izay tsy maty tamin’ny famongorana. Asao hanao tatitra mikasika ny zavatra hitany ireo mpianatra.

3 Nefia 9:1–14

Tao anatin’ny haizina dia nanasa ireo izay tsy maty tamin’ny famongorana i Jesoa Kristy mba hibebaka sy hanatona Azy

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto: Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 9:1–12 mba hitady ny valin’ireto fanontaniana ireto.

Nahoana no nisy io famongorana io?

Ahoana no fihetsik’i Satana nanoloana io famongorana io?

Inona no ampianarin’izany mikasika an’i Satana sy ny fomba fitondrany ireo izay manara-dia azy?

Vakio mafy ho an’ny mpianatra ny 3 Nefia 9:13–14. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny fanasana nataon’ny Mpamonjy ho an’ireo izay voatsimbina tamin’ny famongorana. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina ireo Nefita ireo mihaino ny feon’ny Mpamonjy ao anaty haizina tanteraka. Izy ireo dia “voatsimbina noho [izy ireo] marina kokoa noho” ireo izay nofongorana, saingy mbola nila nibebaka sy niova ihany izy ireo (jereo 3 Nefia 9:13; 10:12).

  • Inona araka hevitrao no tsapan’ireo Nefita rehefa naheno izany fanasana avy amin’ny Mpamonjy izany izy ireo? Nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Loholona C. Scott Grow ao amin’ny Fitopololahy:

“I Jesoa Kristy no ilay Mpanasitrana Lehibe ny fanahintsika. …

“Rehefa manota isika, dia lazain’i Satana hoe very. Mifanohitra amin’izany kosa, ny Mpanavotra antsika dia manolotra fanavotana ho an’ny rehetra— na inona na inona hadisoana vitantsika—na dia izaho sy ianao io aza” (“Ny Fahagagana Ateraky Ny Sorompanavotana,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 109).

Ambarao fa ilay fanasan’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 9:13—mba hanatona Azy ka ho sitrana—dia mahakasika ny tsirairay amintsika. Mba hahafahan’ny Mpamonjy manasitrana antsika, dia tokony hanaiky ny fanasany antsika hanatona Azy isika, sy hibebaka amin’ny fahotantsika, ary hiova fo. Asao ny mpianatra hieritreritra ny lafin-javatra eo amin’ny fiainany izay mila ny fanasitranan’ny Mpamonjy. Asao izy ireo avy eo hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

  • Inona no ilainao hatao mba handraisanao ny fanasitranan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanao?

3 Nefia 9:15–22

Nanambara ny Mpamonjy fa tanteraka tamin’ny alalan’ny sorona nataony ny lalàn’i Mosesy

Vakio mafy ny 3 Nefia 9:19. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra ary hitady izay nolazain’i Jesoa Kristy fa tsy ho ekeny intsony avy amin’ireo Nefita. Mety ilaina ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ireo Nefita dia niaina ny lalàn’i Mosesy tamin’izany fotoana izany. Tao anatin’ny lalàn’i Mosesy, dia nandidy ny vahoakany ny Tompo mba hanatitra biby atao sorona ho marika sy tandindon’ny sorona hataon’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 9:20 mba hitady izay nolazain’ny Mpamonjy fa tokony haterin’ireo Nefita ho sorona. Asao hanao tatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

  • Inona araka ny hevitrao no hevitry ny hoe manatitra ho sorona ny “fo torotoro sy fanahy manenina”?

  • Inona avy ireo fitahiana ampanantenain’ny Mpamonjy an’ireo izy manatona Azy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina?

Hazavao fa ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fomba iray hieritreretana ny andianteny hoe “fo torotoro” sy “fanahy manenina.” Vakio ity fanambarana manaraka ity, ary angataho ireo mpianatra mba hihaino ny teny nampiasain’ny Loholona Christofferson mba hanampiana antsika hahatakatra ireo andianteny ireo:

Loholona D. Todd Christofferson

“Afaka manolotra ho fanomezana ny fonao torotoro na mibebaka, sy ny fanahinao manenina na mankatò, ho an’ny Tompo ianao. Raha ny marina dia ny fanomezana ny tenanao izany—ianao amin’izao fotoana izao sy ianao any aoriana.

“Moa ve misy zavatra tsy madio na tsy mendrika ao aminao na eo amin’ny fiainanao? Rehefa esorinao izany dia izay no fanomezana ho an’ny Mpamonjy. Misy fahazarana tsara na toetra tsara izay tsy ampy ve eo amin’ny fiainanao? Rehefa manao izay hananana izany ianao ary mampiditra izany ho isan’ny toetranao, dia manome fanomezana ho an’ny Tompo ianao” (“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 12).

  • Inona no teny nampiasain’ny Loholona Christofferson mba hanampiana antsika hahatakatra ny andianteny hoe “fo torotoro”? (Mibebaka.) Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe manana fo mibebaka?

  • Inona no teny nampiasain’ny Loholona Christofferson mba hanampiana antsika hahatakatra ny andianteny hoe “fanahy manenina”? (Mankatò.) Ahoana no hamaritanao ny olona iray izay manana fanahy mankatò?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 3 Nefia 9:21–22 mba hitady ny famaritan’ny Mpamonjy ny fomba tokony hanatonantsika Azy. Asao izy ireo hanao tatitra mikasika ny zavatra hitany. Mitazòna sarina ankizy kely iray, mety ho olona iray avy ao amin’ny fianakavianao izany.

  • Ahoana no fieritreretanareo ny ankizy kely iray manatona ny Mpamonjy? Ahoana no hanampian’izany anareo hahatakatra ny fomba tokony hanatonantsika ny Mpamonjy?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Raha manatona an’i Kristy amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina isika dia …Izy.

Asao ny mpianatra hamerina hijery ny 3 Nefia 9:13–15, 19–22 mba hitady fomba hamenoana ilay teny eny amin’ny solaitrabe. Asao izy ireo hanao tatitra mikasika ny zavatra hitany. Ny valiny dia mety ahitana hoe hanasitrana antsika Izy (jereo ny 3 Nefia 9:13), hanome antsika ny fiainana mandrakizay Izy (jereo ny 3 Nefia 9:14), ary handray antsika Izy (jereo ny 3 Nefia 9:22). Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay teny eny amin’ny solaitrabe: Raha manatona an’i Kristy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina isika dia handray antsika, hanasitrana antsika, ary hanome antsika ny fiainana mandrakizay Izy.

3 Nefia 10

Ny Tompo dia vonona ny hanangona ny vahoakany toy ny reniakoho manangona ny zanany

Fintino ny 3 Nefia 10:1–3 amin’ny fanazavana fa rehefa avy nandre ny feon’ny Mpamonjy ny vahoaka dia talanjona fatratra hwany ka nangina izy ireo nandritra ny ora maro. Avy eo dia niteny tamin’ny vahoaka indray Izy.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 3 Nefia 10:4–6. Hamafiso fa ny Mpamonjy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia miresaka momba ny mpianakavin’i Isiraely, izay vahoakan’ny fanekempihavanany.

  • Amin’ny fomba ahoana no itovizan’ny Mpamonjy amin’ny reniakoho izay miaro ny zanany amin’ny loza? Nahoana no tsy nangonin’ny Mpamonjy sy narovany avokoa ireo mpianakavin’i Isiraely rehetra? (Tsy nanaiky ny hanatona Azy izy ireo.)

  • Inona no nampanantenain’ny Mpamonjy ho an’ireo izay manaiky ny hibebaka sy hiverina any Aminy? (Hanangona azy ireo tahaka ny reniakoho manangona ny zanany Izy.)

Asao ny mpianatra hamaly ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ity fanontaniana manaraka ity. (Azonao atao ny manoratra izany fanontaniana izany eny amin’ny solaitrabe na mamaky izany miadana mba ahafahan’ireo mpianatra manoratra izany.)

  • Oviana ianao no nahatsapa ny fanasana nataon’ny Tompo mba handray ny sakafo sy ny fiarovana avy Aminy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 10:9–11. Asao hanaraka sy hamaky ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga taorian’ny nitenenan’ny Mpamonjy tamin’ny vahoaka. Azonao atao ny mamarana amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa ny Mpamonjy dia mamindra fo amin’ireo rehetra izay manatona Azy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina. Azonao atao koa ny manazava fa ny mpianatra dia hiresaka momba ny famangian’ny Mpamonjy ny vahoaka sy ny fanaovany Izy tenany asa fanompoana tamin’ny tsirairay avy tamin’ireo vahoaka amin’ny lesona manaraka.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

3 Nefia 9:2. “Mihomehy ny devoly, ary mifaly ny anjeliny”

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny fihetsiky ny fahavalo rehefa manota isika:

“‘Lavo i Adama mba hisian’ ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.’ [2 Nefia 2:25.]

“Indraindray dia adinontsika fa ny Raintsika any an-danitra dia maniry ny hananantsika tsirairay avy izany fifaliana izany. Ny fanekena ho resin’ny fakampanahy sy ny fahotana ihany no mahatonga antsika tsy hahazo izany fifaliana izany. Ary ny manaiky ho resy no tena tian’i Satana hataontsika.

“Indray mandeha aho dia nanana fahafahana hiaraka amin’ny Filoha Spencer W. Kimball hankany an-tany lavitra. Nampitsidihana anay ireo toerana fitsidika isan-karazany tao amin’ilay faritra, anisan’izany ireo lakavy lehibe filevenana any ambanin’ny tany—tany ilevenan’ireo olona izay nenjehin’ny Kristiana mpikiribiby. Rehefa niakatra ilay tohatra maizina sy ety izahay, dia nampianatra lesona tsy hay adinoina ho ahy ny Filoha Kimball. Nosintoniny ny rambon’ny akanjoko ary hoy izy, ‘Nahavery hevitra ahy hatramin’izay ny zavatra ataon’ny fahavalo mba ampiasàny ny anaran’ny Mpamonjy antsika.’ Hoy izy avy eo hoe: ‘ry Robert, ny fahavalo dia tsy afaka hanana fifaliana mihitsy raha tsy manota izaho sy ianao.’

“Rehefa nandinika izany fanamarihana izany aho ary nandalina soratra masina, dia nanomboka nahatakatra ny mety ho tian’ny Filoha Kimball ho lazaina. … Ny fahotantsika no mampihomehy ny devoly, ary ny alahelontsika no mitondra fifaliana sandoka ho azy.

“Na mihomehy aza ny devoly dia voafetra ny heriny. Ny sasantsasany aminareo dia mety mahatsiaro ilay fomba fiteny taloha hoe: ‘Ny devoly no nampanao ahy izany.’ Androany aho dia te hanazava amin’ny fiteny mazava tsara fa ny fahavalo dia tsy afaka mampanao na inona na inona antsika. Mamitsaka eo am-baravarantsika izy, araka ny voalazan’ny soratra masina, ary manaraka antsika isan’andro. Isaky ny mivoaka ny trano isika, isaky ny mandray fanapahan-kevitra, dia misafidy isika na ny hizotra ho any aminy, na ny hizotra ho any amin’ny Mpamonjy. Tsy maintsy miala anefa ny fahavalo rehefa asaintsika miala izy. Tsy manana hery hitaomana antsika izy raha tsy mamela azy hanao izany isika, ary fantany izany! Ny hany fotoana ahafahany manana hery hitarihana ny saintsika sy ny vatantsika—ny fanahintsika mihitsy—dia rehefa isika no mamela azy hanao izany. Izany hoe tsy tokony hanaiky ho resin’ny fakany fanahy isika!” (“To Act for Ourselves: The Gift and Blessings of Agency,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 5–6).

3 Nefia 9:19–20. “Fo torotoro sy fanahy manenina”

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza ny hevitry ny hoe manatitra fo torotoro sy fanahy manenina ho an’ny Tompo:

“Ny tena fanatitra avy amin’ny tena dia tsy ny mametraka biby eo ambony alitara. Izany kosa dia ny finiavantsika hametraka izay biby sy faharatsiana ao anatintsika eo ambony alitara ka hamela izany ho may! Izany no ‘fanatitra […] ho an’ny Tompo … dia ny fo torotoro sy ny fanahy manenina’ (F&F 59:8)” (“Deny Yourselves of All Ungodliness,” Ensign, Mey 1995, 68).