Tahirim-pitaovana
Fandalinana any an-trano fizarana 1


Lesona ho an’ny fandalinana any an-trano

Fandalinana ny Soratra Masina–Famintinana ny Bokin’i Môrmôna (Fizarana 1)

Fanomanana ny zavatra ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandalinana any An-trano

Famintinana ireo Lesona ho an’ny Fandalinana any An-trano isan’andro

Famintinana ireo zava-nitranga, sy fotopampianarana ary fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity manaraka ity rehefa nahavita ireo lesona efatra ho an’ny mpianatra manao fandalinana any an-trano ao amin’ny fizarana 1 ireo mpianatra. Ny fahafantaranao ny zavatra nohalalinin’ny mpianatra dia hanampy anao hiomana amin’ny fampianarana. Tsy tafiditra ao anatin’ny lesona ny famintinana ary tsy natao hozaraina amin’ireo mpianatra. Koa satria tsy mifantoka afa-tsy amin’ny vitsivitsy monja amin’ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika ny lesona izay ampianarinao ao amin’ny fizarana 1, dia mety hahatsapa ianao indraindray fa ilaina ny mamerina na mifanakalo hevitra mikasika ireo hafa araka izay hitaoman’ny Fanahy anao sy izay ilain’ny mpianatrao.

Andro 1 (Fandalinana ny Soratra Masina)

Nanovo fahaiza-manao mba hanampy azy ireo hahatakatra ny hevitra fototra sy ny toe-javatra miseho ao amin’ny soratra masina ireo mpianatra, sy hanampy azy ireo eo amin’ny fomba handalinana ary hamantarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara, ary ny fomba hampiharana ny fotopampianarana sy ny fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainany.

Andro 2 (Ny Drafitry ny Famonjena)

Ity lesona ity dia famintinana fohy ny drafitry ny famonjena. Nampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa novolavolaina mba hitondra famonjena sy fahasambarana mandrakizay ho an’ny zanany ny drafitry ny Ray any an-danitra. I Jesoa Kristy no mpandray anjara fototra ao amin’ny drafitry ny famonjena, ary ny Sorompanavotany no mahatonga ilay drafitra hiasa amin’ny zanak’Andriamanitra rehetra. Rehefa misafidy ny hanaraka ny drafitry ny Ray any an-danitra isika, dia miomana hahazo ny fiainana mandrakizay.

Andro 3 (Pejin-dohateny, Teny Fanolorana, ary Tenivavolombelon’ireo Vavolombelona)

Ireo fahalalana natao ho fampidirana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia manampy amin’ny fametrahana ilay tanjony sy manazava ny fahamarinany ary ilay fiaviany masina. Mampianatra ny pejin-dohateny fa mijoro ho vavolombelona ny Bokin’i Môrmôna fa i Jesoa no Kristy. Rehefa mamaky, sy misaintsaina, ary mivavaka mikasika ny Bokin’i Môrmôna isika, dia mijoro ho vavolombelona amintsika ny Fanahy Masina fa marina izany, fa i Jesoa no Kristy, fa mpaminanin’Andriamanitra i Joseph Smith, ary ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no fanjakan’ny Tompo eto an-tany.

Andro 4 (Famintinana Momba ny Bokin’i Môrmôna)

Ny fijoroan’i Joseph Smith Mpaminany ho vavolombelona dia nanampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroany ho vavolombelona fa tonga tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny ny Bokin’i Môrmôna. Nitahiry ny Bokin’i Môrmôna Andriamanitra mba hahatongavany amin’izao andro farany izao. Nahita izao androntsika izao ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna ary nanoratra izay zavatra tena manampy antsika indrindra. Namporisihina hieritreritra mikasika ireo fanontaniana ananany ireo mpianatra ary hikaroka ireo valiny rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna.

Fampidirana

Nanamafy mikasika ny andraikitra tanan’ireo mpianatra tsirairay amin’ny fianarany ny filazantsara ny lesona tamin’ity herinandro ity. Nanamafy koa ny fananan’ny Bokin’i Môrmôna anjara asa fototra amin’ny fanampiana ireo mpianatra hahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany izany. Rehefa mampianatra ianao, dia ampio ireo mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fandalinana amim-pahazotoana ity bokin-tsoratra masina mendri-kaja ity sy ireo fitahiana hameno ny fiainany raha manao izany izy ireo.

Sosokevitra enti-mampianatra

Mandalina ny Soratra masina

Azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana ireto amin’ny mpianatra:

  • Inona no maha samy hafa ny olona iray mamaky ny Bokin’i Môrmôna ary mahazo fijoroana ho vavolombelona sy ny olona iray izay mamaky fa tsy mahazo fijoroana ho vavolombelona? (Ao ireo mamaky ny soratra fotsiny ihany; ny hafa mamaky miaraka amin’ny finoana, sy amin’ny tena finiavana, ary amin’ny fony izay misokatra amin’ny Fanahy Masina.)

  • Ahoana no hianaran’ny olona iray fahamarinana ara-panahy? (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra. Miverena amin’io lisitra io rehefa avy mamaky ny fanambarana nataon’ny Loholona David A. Bednar eto ambany.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanambarana manaraka ity, ary aza soratana eny ireo teny voatsipika: “Katsaho ny hianatra, amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny alalan’ny finoana ihany koa.”

Manaova famerenana mikasika izay nianaran’ireo mpianatra tamin’ity herinandro ity amin’ny alalan’ny fanasana azy hameno ny banga. Raha mila fanampiana izy ireo dia asaivo mamaky ny F&F 88:118. Anontanio azy ireo ny dikan’ny hoe mianatra amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny alalan’ny finoana. Ataovy izay ahazoana antoka mandritra ny fifanakalozan-kevitra fa mahatakatra izy ireo fa ny fianarana amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny alalan’ny finoana dia mitaky ezaka avy amin’ny tsirairay.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra hoe nahoana no ilaina ny ezaka sy ny asa amin’ny fianarana ny filazantsara, dia asaivo mamaky ity fanazavana nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity izy ireo. Asao hihaino ny zavatra miseho rehefa manao ezaka eo amin’ny fianarana ara-panahy ireo mpianatra.

“Ny mpianatra mampiasa ny fahafahana misafidy amin’ny fanaovana zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika marina dia manokatra ny fony amin’ny Fanahy Masina ary manasa ny fampianarany, sy ny heriny mijoro ho vavolombelona, ary ny tenivavolombelony manamafy. Mitaky fiezahana ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-batana ny fianarana amin’ny alalan’ny finoana fa tsy vitan’ny mihaino fotsiny ihany ny hafatra,” Ensign, Sept. 2007, 64).

Mametraha fanontaniana amin’ny mpianatra hoe: inona no nolazain’ny Loholona Bednar fa mety hitranga amin’ny mpianatra iray izay manao ezaka eo amin’ny fianarana ara-panahy?

Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra niainany rehefa nanao ezaka manokana ara-panahy izy ireo ary nahatsapa ny fitomboan’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana vokatr’izany. Azonao ampiana ny fijoroanao ho vavolombelona izany fa ny ezaka ataontsika mba handalinana ombam-bavaka ny filazantsara dia hanasa ny Fanahy Masina ao amin’ny fomba fianarantsika.

Anontanio ireo mpianatra hoe: Inona avy ireo zavatra manokana azonao atao amin’ity taona ity mba “hikatsahana ny fianarana … amin’ny alalan’ny fandalinana sy amin’ny alalan’ny finoana”?

Ny Drafitry ny Famonjena

Avereno jerena ireo anarana samihafa hiantsoana ny drafitry ny famonjena amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo anarana noraisin’izy ireo an-tsoratra tao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina ho an’ny fampiasana 1 ao amin’ny lesona ataon’izy ireo ny andro 2. Raha mila fanampiana izy ireo, dia asaivo mijery ilay pejy mifanandrify amin’izany ao amin’ny boky torolalana ho azy ireo.

Azonao atao ny manontany hoe: Inona no lesona tsoahinareo mikasika ny tanjon’ny drafitry ny famonjena avy amin’ny alalan’ireo anarana ireo? (Novolavolaina mba hitondra famonjena sy fahasambarana mandrakizay ho an’ny zanany ny drafitry ny Ray any an-danitra.)

Hazavao fa ho maro mandritra ny taona ireo fahafahana hianatra mikasika ny fomba hifandraisan’ireo fahamarinana avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hikaroka sy hanisy marika ireo fitsipika mifandray amin’ny drafitry ny famonjena ao anatin’ny soratra masina rehefa mandalina mandritra ity taona ity. Manomeza ohatra vitsivitsy amin’izay mety ho hitan’izy ireo rehefa mandalina izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra hizara amin’ireo mpianatra ao am-pianarana ireo zavatra hitany mandritra ny taom-pianarana.

Pejin-dohateny, Teny Fanolorana, sy ny Tenivavolombelon’ireo vavolombelona

Asao ireo mpianatra handray anjara amin’ny filalaovana an-tsehatra amin’ny alalan’ny fakana sary an-tsaina fa manome ny Bokin’i Môrmôna olona iray tsy mpikamban’ny Fiangonana izy ireo.

Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra, ary asaivo miomana amin’ny filalaovana an-tsehatra izy ireo amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo fanontaniana asaina valian’ny vondrona misy azy ireo. Mety hanampy tokoa ny hanoratana ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana na hanomezana an-taratasy ireo fanontaniana ho an’ny mpianatra tsirairay. Amporisiho ireo mpianatra hikaroka sy hanisy marika ireo fampahalalana izay tsapany fa manan-danja ka tokony hozaraina rehefa mampianatra mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

Fanontaniana ho an’ny vondrona 1:

  1. Inona no atao hoe Bokin’i Môrmôna? (Jereo ny Teny Fanolorana, andinin-tsoratra 1–3.)

  2. Inona no tanjon’ny Bokin’i Môrmôna? (Jereo ny Pejin-dohateny, andinin-tsoratra 2.)

  3. Inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fiainana amin’ny alalan’ireo fitsipika ampianarin’ny Bokin’i Môrmôna? (Jereo ny Teny Fanolorana, andinin-tsoratra 6.)

Fanontaniana ho an’ny vondrona 2:

  1. Ahoana no fomba nahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna? (Jereo ny Teny Fanolorana, andinin-tsoratra 4–5.)

  2. Ahoana no fomba ahafantarantsika fa marina ny Bokin’i Môrmôna? (Jereo ny Teny Fanolorana, andinin-tsoratra 8.)

  3. Inona ihany koa no azontsika fantarina amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina? (Jereo ny Teny Fanolorana, andalana farany.)

Rehefa avy nomena fotoana niomanany ireo mpianatra, dia misafidiana mpianatra iray hilalao eo amin’ny toeran’ny olona iray tsy mpikamban’ny Fiangonana. Manasà mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny vondrona tsirairay mba hampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna amin’ilay olona. Amporisiho ireo mpianatra hampiasa ireo valin’ny fanontaniana izay nokarohin’ireo vondrona misy azy ireo mba hampianarana ilay mpianatra voalohany mikasika ny Bokin’i Môrmôna.

Rehefa vita ny filalaovan’izy ireo an-tsehatra, dia anontanio ireo mpianatra ambiny izay fampahalalana fanampiny mety ho nozarain’izy ireo raha teo amin’ny toeran’ireo olona nampahafantatra ny Bokin’i Môrmôna ireo izy ireo. Azonao atao ny manontany hoe: Inona no lesona nosintoninao na tadidinao mikasika ny Bokin’i Môrmôna nandritra ity asa natao ity?

Ataovy izay ahazoana antoka rehefa mamaly ireo mpianatra fa takatr’izy ireo hoe ny Bokin’i Môrmôna dia mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy. Hamafiso ny maha zava-dehibe ny mijery tsara ny fomba hijoroan’ny Bokin’i Môrmôna ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy. Ankoatra izany, dia hazavao fa ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna dia hanampy azy ireo hahatakatra ny fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary hanamafy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Fiangonany.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nahita izao androntsika izao ireo mpanoratra ny Bokin’i Môrmôna ary nanoratra ireo zavatra izay tena hanampy antsika indrindra (jereo ny Môrmôna 8:35).

Anontanio ireo mpianatra hoe: Inona no lesona notsoahinao tamin’ity herinandro ity izay hisy fiantraikany eo amin’ny fomba fandalinanao ny soratra masina?

Manasà mpianatra maromaro hizara ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny andraikiny eo amin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny taom-pianarana. Farano amin’ny fizaranao ny fahatsapanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna izany sy ny fiantraikan’ny fandalinana izany teo amin’ny fiainanao.

Andian-tsoratra masina manaraka (1 Nefia 1–6, 9)

Anontanio ireo mpianatra raha efa nahafantatra fa marina ny zavatra iray saingy toa sarotra ny manatanteraka azy, na toa tena tsy afaka ny ho atao mihitsy. Hazavao fa hahafantatra izy ireo amin’ny herinandro manaraka fa niatrika zava-tsarotra toy izany i Nefia, ary hianatra ny fomba niankinany tamin’Andriamanitra mba hanatanterahany ny zavatra izay toa tsy azo tanterahina.

Hamoaka printy