Tahirim-pitaovana
Lesona 12: 1 Nefia 8


Lesona 12

1 Nefia 8

Fampidirana

I Lehia dia mitantara ny fahitany ny hazon’aina ao amin’ny 1 Nefia 8. Tao anatin’ny fahitana, i Lehia dia nihinana tamin’ny voan’ilay hazo izay maneho ny fitiavan’Andriamanitra sy ireo fitahiana izay afaka ho azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nampahitana vondron’olona isan-karazany i Lehia. Very ny sasany tamin’izy ireo ary tsy tody teny amin’ilay hazo. Nanjary menatra ny sasany taorian’ny nihinanany tamin’ny voan’ilay hazo ary nianjera tany amin’ny lalana tsy azo naleha izy ireo ka very. Ny sasany dia namikitra mafy ilay anja-by, sy nihinana ilay voankazo, ary nitoetra ho marina sy mahatoky. Ny vondrona iray hafa dia tsy nisafidy akory ny hikatsaka ny lalana mankany amin’ilay hazon’aina.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 8:1–18

Nahita fahitana izay nihinanany tamin’ny voan’ny hazon’aina i Lehia ary nanasa ny fianakaviany hanao toy izany koa

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fotoana nahatsapany ny fitiavan’ny Ray any an-danitra azy ireo. Asao izy ireo hieritreritra mangina hoe ahoana no hiantraikan’ireo safidy izay nataony amin’ny fanakaikezany an’Andriamanitra sy ny fahafahany mahatsapa ny fitiavany. Rehefa avy nanome fotoana azy ireo hieritreretana ianao dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa tia ny tsirairay avy amin’izy ireo ny Ray any an-danitra. Rehefa mandalina ny 1 Nefia 8 ny mpianatra dia amporisiho izy ireo hikaroka ireo zavatra azony atao sy tokony hosorohany raha te hanakaiky bebe kokoa an’Andriamanitra sy hahatsapa ny fitiavany bebe kokoa eo amin’ny fiainany izy ireo. (Mba hanomanana ireo mpianatra amin’ity lesona ity dia azonao atao ny manasa azy ireo hihira ny “The Iron Rod” [Hymns, no. 274] any am-piandohan’ny fotoam-pianarana.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 8:2. Asao ny mpianatra hamantatra izay zavatra niainan’i Lehia fotoana fohy taorian’ny niverenan’ireo zananilahy avy any Jerosalema niaraka tamin’ireo takela-barahina. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 8:5–12.

  • Inona avy ireo zavatra mampifantoka ny saina ao amin’ny fahitan’i Lehia? (Ny hazon’aina sy ny voany.)

  • Inona avy ireo teny na fehezanteny nampiasain’i Lehia hamaritana ilay voankazo? (Jereo ny 1 Nefia 8:10–11; azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra hamaky ny 1 Nefia 11:8–9 mba hahitana ny fomba namaritan’i Nefia ilay hazo.)

Hazavao fa ny Tompo matetika dia mampiasa zavatra mahazatra antsika ho toy ny tandindona hanampiana antsika hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay. Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra izay hasehon’ilay hazo sy ilay voankazo ao amin’ny nofin’i Lehia dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asao ireo mpianatra hihaino tsara sy hamantatra izay sariohatra hasehon’ilay hazo sy ilay voankazo.

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Ny hazon’aina … dia ny fitiavan’Andriamanitra (jereo ny 1 Ne. 11:25). Ny fitiavan’Andriamanitra ireo zanany dia hasehony amin’ny fomba lalina indrindra amin’ny fanomezany an’i Jesoa ho toy ny Mpanavotra antsika: ’Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana’ (Jaona 3:16). Ny fandraisana ny fitiavan’Andriamanitra dia fandraisana ny Sorompanavotan’i Jesoa sy ny fanafahana ary ny hafaliana izay afaka entin’izany” (“Lessons from Laman and Lemuel,” (“Lesona avy amin’i Lamàna sy i Lemoela,”) Ensign, Nôv. 1999, 8).

  • Araka ny voalazan’i Loholona Maxwell, dia haseho amintsika indrindra indrindra amin’ny alalan’ny fanomezana toy ny inona ny hazon’aina izay maneho ny fitiavan’Andriamanitra? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no fanehoam-pitiavan’Andriamanitra lehibe indrindra ho an’ireo zanany. Rehefa nihinana tamin’ilay voan’ny hazon’aina ireo olona tao anatin’ny fahitan’i Lehia dia nidika izany fa nandray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana izy ireo.)

  • Ny hoe fanafahana dia midika hoe famotsorana na fahafahana. Ahoana no hanafahan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika amin’ny fatorana sy hampifalian’izany antsika?

Mba hanampiana ny mpianatra hitady ny iray amin’ireo fitsipika haseho ao amin’ny 1 Nefia 8:10–12, dia asao izy ireo hitady ao amin’ny 1 Nefia 8:11 ireo teny izay mamaritra ny zavatra nataon’i Lehia (“nanatona aho ka nihinana tamin’ ny voany”). Avy eo dia asao izy ireo hikaroka ireo vokatry ny asa nataony ao amin’ny 1 Nefia 8:12 (“nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahiko”). Azonao atao ihany koa ny mampahatsiahy amin’ny mpianatra fa ao amin’ny 1 Nefia 8:10, i Lehia dia mamaritra ilay voa ho toy ny “mampilendalenda … ka mahasambatra ny olona.” (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ireo andian-teny ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Inona no fahatsapana nananan’i Lehia taorian’ny nihinanany ilay voankazo?

  • Ahoana no hahafahantsika “mandray” ny Sorompanavotana? (Amin’ny alalan’ny dingan’ny fibebahana.)

  • Nahoana no mameno ny fanahintsika amin’ny “fifaliana mitafotafo” ny fandraisana ny Sorompanavotana?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny fanatonana an’i Kristy sy ny fandraisana ny Sorompanavotana dia mitondra fahasambarana sy fifaliana. (Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Oviana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no nitondra fahasambarana sy fifaliana teo amin’ny fiainanao? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tsy ilaina ny hizaran’izy ireo traikefa izay azy ireo manokana ka tsy azo zaraina na tsiambaratelo.)

1 Nefia 8:19–35

Nahita vondron’olona isan-karazany sy ny fahombiazan’izy ireo na ny tsy fahombiazan’izy ireo tamin’ny fanatonana ny hazon’aina i Lehia tao amin’ny fahitany

Sary
Ny Fahitan’i Lehia

Asehoy ilay sary maneho ny Fahitan’i Lehia (62620; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], no. 69), ary ampahatsiahivo ireo tandindona izay efa nifanakalozan’ny mpianatra hevitra: ilay hazo sy ny voany. Hazavao fa tao anatin’ity fahitana ity, ny Tompo dia nampiasa ihany koa tandindona hafa hampianarana an’i Lehia ny fomba hanatonana an’i Jesoa Kristy sy handray ny Sorompanavotany. Anontanio ireo mpianatra hoe inona ireo tandindona hafa hitany eo amin’ny sary. (Mety ho tafiditra ao anatin’ireo valinteny ny hoe ilay renirano, ilay anja-by, ilay zavon’ny haizina, ary ilay trano mijoalajoala sy malalaka.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa naneho tamin’i Nefia izany fahitana izany ny Tompo. Noraketin’i Nefia taty aoriana ny dikan’ireo tandindona sy endrika maro samihafa tao amin’ny fahitana (jereo ny 1 Nefia 11, 12, sy 15).

Omano amin’ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra ity tabilao manaraka ity na ataovy eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana. (Aza asiana na inona na inona ao amin’ilay ilany ankavanana afa-tsy ireo soratra masina hanovozan-kevitra ihany.) Asao ny mpianatra hampiasa ireo soratra masina mifandray izay nomena azy ireo mba hitadiavany ny fanazavana ireo zavatra tsirairay ao amin’ny fahitan’i Lehia. Avereno miaraka amin’ny mpianatra ilay tandindona voalohany, ilay hazo misy voany fotsy. Omeo minitra vitsy avy ireo mpianatra tsirairay hamantarany ny dikan’ireo tandindona efatra sisa tavela. (Azonao atao ny manoro hevitra mba hanoratan’izy ireo ny valinteniny ao anatin’ny soratra masiny eo akaikin’ireo andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany ao amin’ny 1 Nefia 8.)

Tandindona ao amin’ny fahitan’i Lehia

Fanazavana Nomen’i Nefia

1 Nefia 8:10–12—Ilay hazo misy voany fotsy

1 Nefia 11:21–25 (Ny fitiavan’Andriamanitra; ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy)

1 Nefia 8:13—Ilay loharanon’ny rano maloto

1 Nefia 12:16; 15:26–29 (Fahalotoana; ny halalin’ny helo)

1 Nefia 8:19—Ilay anja-by

1 Nefia 11:25 (Ny tenin’Andriamanitra)

1 Nefia 8:23—Ny zavon’ny haizina

1 Nefia 12:17 (fakam-panahin’ny devoly)

1 Nefia 8:26—Ny trano lehibe sy malalaka

1 Nefia 11:35–36; 12:18 (ny hevi-dravina sy ny fieboeboan’izao tontolo izao)

Asao ireo mpianatra hizara ireo fanazavana hitany. Mba hanampiana azy ireo hahita ny lanjan’ny 1 Nefia 8 eo amin’ny fiainany dia asao hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra rehetra hihaino hoe nahoana no manan-danja amin’izy ireo ny mandalina ny fahitan’i Lehia:

“Mety hihevitra ianao fa tsy manan-danja manokana aminao ny nofy na ny fahitan’i Lehia, saingy manan-danja izany. Tafiditra ao anatin’izany fahitana izany ianao, tafiditra ao anatin’izany isika rehetra. …

“Ny nofy na ny fahitan’i Lehia … dia hahitana ireo zavatra rehetra ilain’ny Olomasin’ny Andro Farany mba hahatakatra ny fizahan-toetra eo amin’ny fiainana” (“Finding Ourselves in Lehi’s Dream,”(Mahita ny Tenantsika ao anatin’ny Fahitan’i Lehia,” Ensign, Aog. 2010, 22).

Rehefa mandalina ny ambiny amin’ilay fahitana ireo mpianatra dia amporisiho hikaroka ireo olona ao anatin’ny fahitana mety maneho ny tenany izy ireo. Ampio ny mpianatra hahazo antoka fa na aiza na aiza ao amin’ilay fahitana no hahitany ny tenany dia manana hery sy fahafahana hisafidy ny ho mendrika ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana izy ireo.

Zarao ho vondrona roa ireo mpianatra. Hazavao fa hikaroka zavatra samy hafa ny vondrona tsirairay rehefa mamaky ny 1 Nefia 8:21–33 miaraka izy rehetra.

Angataho ny vondrona 1 hitady ny valin’ireto fanontaniana ireto. (Soraty eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy hozaraina ireo fanontaniana ireo alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana.)

  • Inona avy ireo sakana natrehin’ireo olona ao amin’ny fahitan’i Lehia?

  • Maneho inona ireo sakana ireo?

  • Miseho amin’ny endrika manao ahoana ireo sakana ireo ankehitriny?

  • Inona avy ireo fitsipika hitanao ao anatin’ireo andininy ireo?

Asao ny vondrona 2 hitady ny valin’ireto fanontaniana ireto. (Soraty eny amin’ny solaitrabe na amin’ny taratasy hozaraina ireo fanontaniana ireo alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana.)

  • Inona no nanampy ireo olona ho tody teny amin’ny hazo sy hihinana ny voany?

  • Amin’ny fomba ahoana no mampitovy ny anja-by amin’ny tenin’Andriamanitra?

  • Ahoana no hanampian’ny tenin’Andriamanitra antsika handresy ireo sakana eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay?

  • Inona avy ireo fitsipika hitanao ao anatin’ireo andininy ireo?

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ao amin’ny 1 Nefia 8:21–33. Avy eo dia asao ireo mpianatra ao amin’ny vondrona 1 hizara ny valinteniny momba ireo fanontaniana nasaina novaliany. Asao ihany koa izy ireo hizara ireo fitsipika hitany ao amin’ireo andininy ireo. Ataovy izay hahazoana antoka fa ireo mpianatra dia mahatakatra fa ny avonavona, sy ny fomba araka izao tontolo izao, ary ny fileferana amin’ny fakam-panahy dia afaka manakana antsika tsy hahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba mety hanakanan’ireo sakana ireo ny fivoaran’ny tenany manokana.

Asao ireo mpianatra ao amin’ny vondrona 1 hizara ny valinteniny momba ireo fanontaniana nasaina novaliany. Rehefa avy nifanakalo hevitra momba ireo hevi-baovao hitany izy ireo, dia asao hizara ireo fitsipika hitany ao amin’ny 1 Nefia 8:21–33. Mety ho tafiditra ao amin’ireo fitsipika hitany ireto manaraka ireto:

Raha mifikitra mafy amin’ny tenin’Andriamanitra isika dia hanampy antsika handresy ny fakam-panahy sy ireo fitaoman’izao tontolo izao izany.

Ny fifikirana mafy amin’ny tenin’Andriamanitra dia manampy antsika hanakaiky bebe kokoa ny Tompo sy hahazo ny fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana.

  • Ao amin’ny 1 Nefia 8:24 sy 30, inona ireo teny mamaritra ny ezaka nataon’ny olona hifikitra tamin’ny anja-by sy ho tody teny amin’ilay hazo?

  • Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe: “mibosesika hatrany”?

  • Araka ny eritreritrao, midika inona ny hoe mamikitra sy mihazona mafy ny tenin’Andriamanitra? (Mety ilainao ny manazava fa ao amin’ny 1 Nefia 8:30, ny teny hoe mafy dia midika hoe miraikitra mafy.)

  • Nahoana isika no tokony handalina ny soratra masina isan’andro?

Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo dia azonao atao ny mampahatsiahy fa ny olona sasany toa an’i Lamàna sy i Lemoela ao amin’ilay fahitana dia tsy nety nihinana tamin’ny voan’ny hazo (jereo ny 1 Nefia 8:22–23, 35–38). Naneho ny fandavan’izy ireo ny hibebaka sy handray ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany. Nianjera ny olona sasany na dia efa avy nihinana tamin’ny voan’ny hazo aza (jereo ny 1 Nefia 8:25, 28). Izany dia mampahatsiahy antsika fa rehefa avy nanomboka nahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana isika dia mila mazoto sy mahatoky, sy mibebaka amin’ny fahotantsika ary miezaka mitandrina ireo fanekempihavanantsika. Amporisiho ireo mpianatra hanaraka ny ohatra nasehon’ireo olona izay nihinana tamin’ny voan’ny hazo sy nijanona teo amin’ny hazo (jereo ny 1 Nefia 8:33).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba nitahian’ireo fitsipika ao amin’ny fahitan’i Lehia ny fiainan’izy ireo dia asao izy ireo hamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina:

  • Oviana no nitarika anao na nanampy anao handresy ny fakam-panahy, sy ny avonavona na ny fomba araka izao tontolo izao ny tenin’Andriamanitra?

  • Oviana ianao no nahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra anao rehefa namaky na nihaino ny teniny?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny rehetra ao an-dakilasy.

Amporisiho ny mpianatra hanao asa mifanaraka amin’izay nianarany sy tsapany rehefa nandalina ny 1 Nefia 8 tamin’ny alalan’ny nametrahana tanjona azo tanterahina mba hanombohana na hananana fahazarana handalina ny soratra masina isan’andro. Zarao amin’ny mpianatra ireo fitahiana izay tonga teo amin’ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 8

Raha niresaka mikasika ny fahitan’i Lehia ny hazon’aina ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia hoy izy hoe: “Ny fanehoana an’i Kristy sy ny hazon’aina dia mifamatotra. … Any am-piandohan’ny Bokin’i Môrmôna … i Kristy dia faritana ho toy ny loharanon’ny fiainana mandrakizay sy ny fifaliana, ilay porofo velon’ny fitiavan’ Andriamanitra, ary ny lalana izay hanatanterahan’ Andriamanitra ny fanekempihavanana nataony tamin’ny mpianakavin’i Isiraely ary ny olombelona rehetra mazava ho azy mba hamerenana azy ireo amin’ireo fampanantenany mandrakizay” (Christ and the New Covenant (Kristy sy ny Fanekempihavanana Vaovao [1997], 160, 162).

1 Nefia 8:4–35

Ity tabilao manaraka ity dia manome antsipiriany fanampiny mikasika ny zavatra nianaran’i Nefia avy amin’ny fahitany ny hazon’aina:

Tandindona avy amin’ny Fahitan’i Lehia (1 Nefia 8)

Fanazavana nomena an’i Nefia (1 Nefia 11–12)

1 Nefia 8:10–12—Ny hazo misy voany fotsy

1 Nefia 11:21–25 (Ny fitiavan’ Andriamanitra; ny fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy)

1 Nefia 8:13—Ny loharanon’ny rano maloto

1 Nefia 12:16 (Fahalotoana; halalin’ny helo)

1 Nefia 8:19—Ny anja-by

1 Nefia 11:25 (Ny tenin’ Andriamanitra)

1 Nefia 8:23—Ny zavon’ny haizina

1 Nefia 12:17 (Ny fakam-panahin’ny devoly)

1 Nefia 8:26—Ilay trano lehibe sy malalaka

1 Nefia 11:35–36; 12:18 (Ny hevi-dravina sy ny fieboeboan’izao tontolo izao)

1 Nefia 8:21–23—Ireo olona izay nandeha tamin’ny lalana mankeny amin’ilay hazo saingy very tao anatin’ny zavona

Nahita ireto karazan’olona ireto i Nefia tao amin’ny fahitany:

  • 1 Nefia 11:28 (Valalabemandry nihaino an’i Jesoa saingy “nandroaka Azy”)

  • 1 Nefia 11:31–33 (Vahoaka nanombo an’i Jesoa na dia efa avy nanasitrana ny marary sy nandroaka devoly aza Izy)

  • 1 Nefia 11:34–36 (Valalabemandry niara-nivory tao amin’ny trano lehibe sy malalaka iray mba hiady amin’ny apôstôlin’ny Zanakondry)

  • 1 Nefia 12:1–3, 13–15 (Ireo Nefita sy Lamanita izay tafavory ho amin’ny ady ary lasa sorona tamin’ny ady)

  • 1 Nefia 12:19–23 (Ireo Nefita izay noho ny fieboeboany dia noresen’ny Lamanita, ary ny Lamanita dia nihemotra ao amin’ny tsy finoana)

1 Nefia 8:24–25, 28—Olona izay tody teo amin’ny hazo (ary nanandrana ny voan’ny hazo) tamin’ny fihazonana ny anja-by saingy nianjera rehefa nihomehezan’ireo vahoaka tao amin’ilay trano lehibe sy malalaka

1 Nefia 8:26–27, 31–33—Vahoaka naniry ilay trano lehibe sy malalaka mihoatra noho ny faniriany ilay hazo sy ny voany

1 Nefia 8:30, 33—Vahoaka izay nihazona tamin’ny anja-by, sy nihinana ny voan’ny hazo, ary tsy nianjera

1 Nefia 15:24, 36 (Ireo izay nihazona mafy ny tenin’ Andriamanitra, sy nahatohitra ny fakam-panahy sy ny fahavalo, ary mandray ny lehibe indrindra amin’ireo fanomezam-pahasoavan’ Andriamanitra)

1 Nefia 8:19. Fitahiana avy amin’ny fihazonana mafy ny tenin’ Andriamanitra

Nampianatra momba ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fihazonana mafy ny tenin’ Andriamanitra ny Filoha Ezra Taft Benson manao hoe:

“Nahita i [Lehia] fa raha nifikitra mafy tamin’ny anja-by ny olona dia tsy nilatsaka tao amin’ny loharanon’ny rano maloto, sy nijanona lavitra ireo lalana tsy azo aleha ary tsy very tany amin’ireo lalana hafahafa izay nitondra tany amin’ny faharavana. … Tsy hitarika antsika fotsiny ihany ho eny amin’ilay voankazo izay mampilendalenda lavitra noho ny voankazo hafa rehetra ny tenin’ Andriamanitra fa afaka hanana hery hanoherana ny fakam-panahy sy hery hanoherana amim-pahombiazana ny asan’i Satana sy ireo izay nirahiny isika ao anatin’ny tenin’ Andriamanitra sy amin’ny alalan’izany. … Ny tenin’ Andriamanitra araka izay hita ao amin’ny soratra masina, sy ny tenin’ireo mpaminany velona, ary avy amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia manana hery hampahatanjaka ny Olomasina sy hanome azy ireo ny Fanahy ho fitaovana mba hanoherany ny ratsy sy hifikitra mafy amin’ny tsara ary hahita fifaliana eto amin’ity fiainana ity” (“The Power of the Word,” (“Ny herin’ny Teny”) Ensign, Mey 1986, 80.)

1 Nefia 8:26–27. “Trano lehibe sy malalaka”

Ilay trano lehibe sy malalaka dia mijoro ho mpanohitra ny hazon’aina, izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra sy ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Nampitaha ireo fenitr’ Andriamanitra amin’ny fihetsik’ireo olona ao anatin’ilay trano lehibe sy malalaka ny Loholona Glenn L. Pace ao amin’ny Fitopololahy manao hoe:

“Ianareo izay mandeha tsimoramora manatona izany trano lehibe sy malalaka izany, mamela ahy hilaza mazava tsara fa ireo olona ao anatin’izany trano izany dia tsy manana na inona na inona atolotra afa-tsy fanomezana fahafaham-po tsy maharitra sy fohy izay tsy afa-misaraka amin’ny alahelo sy fahoriana maharitra. Ireo didy izay asaina tandremanareo dia tsy nomen’ny Andriamanitra tsy manam-pitiavana mba hanakanana anareo tsy hifaly, fa Ray any An-danitra be fitiavana izay te hanao izay mahasambatra anao mandritra ny fotoana iainanao eto ambonin’ity tany ity sy aorian’izany” (“They’re Not Really Happy,” (“Tsy Tena Sambatra Izy Ireo,”) Ensign, Nôv. 1987, 40).

Hamoaka printy