Tahirim-pitaovana
Lesona 46: Jakôba 5:1–51


Lesona 46

Jakôba 5:1–51

Fampidirana

Raha nampianatra ny vahoakany i Jakôba dia nitatitra ny fanoharana mikasika ireo hazo oliva voakolokolo sy dia, izay tany am-boalohany dia nataon’ny mpaminany iray nantsoina hoe Zenôsa, ary tafiditra ao amin’ireo takela-barahina. Nampiasain’i Jakôba io fanoharana io mba hampianarana fa ny Tompo dia hikatsaka ny hitondra famonjena ho an’ny olona rehetra—eny fa na dia ireo izay isan’ny vahoakan’ny Fanekempihavanany izay nihodina niala Taminy. Noho ny halavan’ny Jakôba 5, dia nozaraina ho lesona roa izany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jakôba 5:1–14

Notaterin’i Jakôba ny tenin’i Zenôsa, izay nampitaha ny mpianakavin’i Isiraely tamin’ny hazo oliva voakolokolo

Diniho ny hanombohana ny lesona amin’ny alalan’ny famakiana ireto ohatra manaraka ireto izay maneho tanora mametra-panontaniana mikasika ny finiavan’ny Tompo hamela ny helok’izy ireo:

  • Lasa manana fahazarana iray miendrika fahotana ny tanora iray mpihazona fisoronana. Mino izy fa mety ho voavela heloka ny hafa, saingy manahy izy hoe tsy ho eken’ny Tompo ny fibebahany.

  • Mandika didy iray ny zatovovavy iray. Mahatsiaro ho meloka izy, mahatsiaro tena ho ratsy tanteraka, ary manontany tena raha toa ka mbola tia azy ny Tompo.

Asao irao mpianatra handinika ity fanontaniana ity fa tsy hamaly mafy:

  • Moa ve ianao efa nanontany tena mikasika ny finiavan’ny Tompo hamela ny helokao?

Hazavao fa naminany i Jakôba fa handà an’i Jesoa Kristy ireo Jiosy (jereo ny Jakôba 4:15). Nampianatra ihany koa izy fa hanohy hiasa ho an’ny famonjena ny vahoakany i Jesoa Kristy na dia efa nandà Azy aza izy ireo (jereo ny Jakôba 4:17–18). Mba hanehoana io fahamarinana io dia notaterin’i Jakôba ny fanoharana iray izay nomen’ny mpaminany iray antsoina hoe Zenôsa. Ny fanoharana dia ahitana olona sy zavatra ary fihetsika miendrika tandindona mba hampianarana zavatra marina. Rehefa mandalina ity fanoharana ity ireo mpianatra dia afaka hianatra lesona manan-danja mikasika ny finiavan’i Jesoa Kristy hanampy ireo izay niala Taminy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 5:1–2 ary asao ireo mpianatra hitady hoe iza no hiresahan’i Zenôsa eto (ny mpianakavin’i Isiraely). Mety ilaina ny manazava fa tamin’i Jakôba mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo dia novain’ny Tompo ho Isiraely ny anarany. Ilay teny hoe “mpianakavin’i Isiraely” dia ilazana ireo taranak’i Jakôba sy ireo rehetra izay natao batisa ary nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo.

  • Iza ao amin’ity kilasy ity no ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely? (Mety ilaina ny manazava fa ireo mpikambana rehetra vita batisa ato amin’ny Fiangonana dia an’isan’ny mpianakavin’i Isiraely. Tafiditra ao amin’ilay fanoharana ao amin’ny Jakôba 5 izy ireo.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 5:3. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra hoe inona no nampiasain’i Zenôsa ao amin’ny fanoharany hanehoana ny mpianakavin’i Isiraely. Rehefa avy nitatitra izay hitany ireo mpianatra dia hazavao fa nanan-danja be mihitsy ny hazo oliva tany Isiraely fahiny, izay niainan’i Zenôsa. Ny oliva dia natao sakafo ary ny menaka oliva dia nampiasaina amin’ny nahandro sy ho fanafody ary ho solika ho an’ny fanilo. Nila fikarakarana sy asa betsaka ny hazo oliva mba hahafahany mamokatra voa tsara. Mariho fa ao amin’ity fanoharana ity ilay hazo oliva voakolokolo dia ao amin’ny tanimboly iray, izay maneho izao tontolo izao.

  • Araka ny Jakôba 5:3 dia inona no nanomboka nitranga tamin’ilay hazo oliva voakolokolo? Tandindon’ny inona ny fahasimban’ilay hazo? (Amporisiho ireo mpianatra hampiasa ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy laharana 3e mba hamaliana io fanontaniana io.)

  • Inona no atao hoe apôstazia? (Fialana amin’ny Tompo sy ny Filazantsarany.)

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Jakôba 5:4–6. Asao izy ireo handinika hoe iza ilay tompon’ny tanimboly ary mety maneho inona ilay hoe fandrantsanana sy fihevoana ary fikolokoloana nataony. Avy eo dia asaivo hazavain’izy ireo izay heverin’izy ireo fa asehon’ireo tandindona ireo. (Mety ilaina ny hanampiana azy ireo hahatakatra fa ilay tompon’ny tanimboly dia maneho an’i Jesoa Kristy. Ny fandrantsanana sy fihevoana ary fikolokoloana dia maneho ny ezaka ataon’ny Tompo hanampiana antsika handray ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotany sy ireo ezaka ataon’ireo mpaminany hampianarana sy hiantsoana ny vahoaka hibebaka.)

Asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity izay ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ity fanoharana ity araka ny fitantaran’i Jakôba azy dia natao hatrany am-boalohany ho momba an’i Kristy. … Toy ny fiezahan’ny Tompon’ny tanimboly sy ireo mpiasany hanohana sy handrantsana sy hanadio ary hanao izay fomba hafa hampamokatra ireo hazon’izy ireo ao anatin’ny lahateny manan-tantara iray mahafeno toko iray manontolo izay mitantara ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely, ny hevitra lalina kokoa fonosan’ny Sorompanavotana dia ny mampatanjaka sy manohana amim-piahiana asan’izy ireo” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 165).

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba hanehoan’io fanoharana io ny fiahian’ny Tompo azy ireo dia ampianaro azy ireo fa azon’izy ireo soloina amin’ny anaran’izy ireo ny teny izay miresaka ireo hazo oliva. Azonao atao ny mampiseho izany amin’ny alalan’ny fanomezana ity ohatra manaraka ity izay nalaina tao amin’ny Jakôba 5:7: “Mampahory ahy ny hamoizako [an’i (ny anaranao)].” Hazavao fa raha atsofotsika amin’ny toerana manan-danja sy mety ao amin’ny Jakôba 5 ny anarantsika dia ho afaka hianatra misimisy kokoa isika mikasika ny fiahian’ny Tompo antsika.

Asehoy ity tabilao manaraka ity. Hazavao fa voatanisa ao amin’io ny hevitr’ireo tandindona hita ao amin’ny fanoharan’i Zenôsa. (Azonao atao ny manao dika mitovy maromaro amin’io kisary io hozaraina na asaivo mandika izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ireo mpianatra.)

Jakôba 5: Fanoharana ireo Hazo Oliva Voakolokolo sy ireo Hazo Oliva dia

Tandindona

Mety ho heviny

Hazo oliva voakolokolo

Ny Mpianakavin’i Isiraely, Vahoakan’ny Fanekempihavanan’Andriamanitra

Ilay tanimboly

Izao tontolo izao

Fahasimbana

Fahotana sy apôstazia

Tompon’ny tanimboly

Jesoa Kristy

Mandrantsana, sy mihevo ary mikolokolo

Ireo ezaka ataon’ny Tompo hanampiana ny olona handray ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotany

Mpanompon’ny tompon’ny tanimboly

Ireo mpaminanin’ny Tompo

Sampan-kazo

Andian’olona

Hazo oliva dia

Ireo Jentilisa—ireo izay tsy nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo. Aty aoriana ao anatin’ilay fanoharana dia lasa dia ireo hazo oliva voajanahary, izay maneho ireo ampahany amin’ny mpianakavin’i Isiraely izay latsaka ao anatin’ny fihemorana.

Manao grefy sy mamboly sampana

Ny fampielezana sy ny fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Ankoatra izany, ny fanaovana grefy ireo sampana eo amin’ilay hazo oliva voakolokolo dia maneho ny fiovam-pon’ireo izay lasa anisan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo.

Fandoroana ireo sampan-kazo

Ny fitsaran’Andriamanitra eo amin’ireo ratsy fanahy

Voa

Ny fiainan’ny olona na ny asa vitany

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ny Jakôba 5:7, 9–10, ary asaivo tadiavin’ireo mpianatra izay zavatra manaraka nataon’ny tompon’ny tanimboly mba hanavotana ilay hazo oliva voakolokolo. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra. (Mety ilaina ny manazava fa ny hoe manao grefy dia maka sampana iray avy amin’ny hazo iray ka manisika izany eo amin’ny hazo iray hafa. Ny fanaovana grefy ao amin’ireo andininy ireo dia maneho ny ezaka ataon’ny Tompo hanampiana ireo Jentilisa ho lasa ho isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanany amin’ny alalan’ny batisa sy ny fiovam-po. Ny fandoroana ny sampana sasantsasany dia maneho ireo fitsaran’ny Tompo eo amin’ny ankamaroan’ireo mpikambana ratsy fanahy ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 5:11. Angataho ireo mpianatra hitady porofo maneho ny fiahian’ilay tompony an’ireo fakan’ilay hazo oliva voakolokolo. Asaivo mitatitra izay zavatra hitany ireo mpianatra.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Jakôba 5:6 dia milaza fa nanomboka namokatra sampana vaovao sy malefaka ilay hazo oliva voakolokolo. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 5:8, 13–14. Asaivo fantarin’ireo mpianatra hoe inona no nataon’ny tompony tamin’ireo sampana ireo. Azonao atao koa ny mangataka azy ireo handinika hoe amin’ny lafiny ahoana no ahafahan’ny dian’ny fianakavian’i Lehia ho lasa ohatra maneho ny fiasan’ny Tompo ao amin’ny Jakôba 5:8, 13–14.

Jakôba 5:15–40

Miasa ilay tompon’ny tanimboly sy ny mpanompony mba hahafahan’ilay tanimboly hamokatra voa tsara.

Zarao ho andiany roa ny mpianatra. Tendreo ilay andiany voalohany handalina ny Jakôba 5:15–28 ar ilay andiany faharoa handalina ny Jakôba 5:29–40. Asaivo manao ireto zavatra manaraka ireto ireo mpianatra rehefa mandalina (azonao atao ny manoratra ireo toromarika ireo eny amin’ny solaitrabe):

  1. Fintino izay zavatra nitranga tao amin’ny tanimboly sy ny mety ho heviny.

  2. Fantaro ireo andian-teny izay maneho ireo ezaka ataon’ny tompon’ny tanimboly hikajiana ilay hazo oliva voakolokolo (na voajanahary) sy ireo sampany.

Rehefa nahazo fotoana ampy ireo mpianatra handalinana ireo andininy nampandraiketina azy ireo dia asaivo fintininy izay zavatra nitranga tao amin’ny tanimboly ary asaivo hazavainy izay mety hevitra asehon’izany. Atombohy amin’ireo mpianatra izay nandalina ny Jakôba 5:15–28 izany. Ireto ambany ireto misy santionany amin’ireo famintinana sy hevitra mety asehony.

Jakôba 5:15–28. Ny zavatra nitranga: Nanome voa tsara daholo ireo sampana rehetra izay natao grefy. Na izany aza anefa dia nisy sampana iray, na dia nambolena tao amin’ny faritra iray tena tsara tamin’ny tanimboly aza, izay sady namoa voa voajanahary no namoa voa dia. Ny mety ho hevitr’izany: Ny voa tsara na voajanahary nanerana ny ankamaroan’ilay tanimboly dia maneho ny fahamarinana eto an-tany nandritra ny fotoan’i Kristy sy ireo Apôstôliny. Ilay sampana izay sady namoa voa tsara no namoa voa ratsy dia maneho ireo taranak’i Lehia izay marina sy izay ratsy fanahy.

Jakôba 5:29–40. Ny zavatra nitranga: Lasa simba avokoa ireo voa rehetra nanerana ny tanimboly. Ny mety ho hevitr’izany: Ny fahasimban’ireo voa rehetra dia maneho ilay Apôstazia Lehibe, tamin’ny fotoana nahavery ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy teto an-tany taorian’ny asa fanompoan’ireo Apôstôlin’i Kristy teto an-tany.

Rehefa avy nizara ireo famintinana ny vondrona roa tonta dia anontanio hoe:

  • Inona avy ireo teny izay maneho ny ezaka nataon’ilay tompony hitsimbinana ilay hazo oliva voajanahary sy ireo sampany? Inona no asehon’izany mikasika ny fihetseham-pon’ny Tompo amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany?

  • Raha niresaka momba io fanoharana io isika dia inona no nianaranao mikasika an’i Jesoa Kristy, ilay tompon’ny tanimboly? (Ao anatin’ireo fahamarinana maro ampianarina ao amin’ireo andininy ireo dia tokony ho takatr’ireo mpianatra hoe tian’ny Tompo isika ary miasa amim-pahazotoana Izy ho an’ny famonjena ansika.)

  • Inona no ifandraisan’ity fanoharana ity amin’ireo ohatra tany am-piandohan’ny lesona mikasika ireo tanora roa izay nanontany tena mikasika ny finiavan’ny Tompo hamela ny helok’izy ireo?

Jakôba 5:41–51

Ny alahelon’ny tompony mikasika ny tanimboliny

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Jakôba 5:41–42, 46–50. (Azonao atao ny manamarika fa ilay teny hoe “haavon’ny tanimbolinao” ao amin’ny Jakôba 5:48 dia mety maneho ny avonavona.) Asao ireo mpianatra hitady teny izay maneho ny fitiavan’ny tompony sy ny fiahiany ny tanimboliny ary ny alahelony rehefa tsy mamoa voa tsara ireo hazo. Asao ireo mpianatra hizara teny ao amin’ireto andininy ireto izay tena manan-danja ho azy ireo sy hanazava ny antony mahatonga izany hanan-danja. Rehefa avy nizara izany ireo mpianatra dia anontanio izy ireo hoe:

  • Amin’ny lafiny ahoana no ilazana fa ny fikarakaran’ny tompony ny tanimboliny dia maneho ny fitiavan’ny Tompo antsika?

  • Inona avy ireo ohatra, avy ao amin’ny soratra masina na eo amin’ny fiainanao, izay maneho fa mbola manohy mitia sy mikarakara ny olona ihany ny Tompo na dia efa nihodina Taminy aza izy ireo?

Ho famaranana dia ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nihevitra ny hanapaka ireo hazo rehetra ilay tompony satria nihasimba daholo ny voa teo amin’izy rehetra na dia teo aza ny zavatra rehetra izay nataony (jereo ny Jakôba 5:49).

  • Moa ve ianao mihevitra fa hilavo lefona amin’ny tanimboliny ilay tompony? Fa nahoana?

Rehefa avy nizara ny valinteniny ireo mpianatra dia vakio amin’ireo mpianatra ny Jakôba 5:51. Mijoroa ho vavolombelona fa tian’ny Tompo isika ary maneho indra-fo sy faharetana lehibe Izy eo am-piasana mba hanampiana antsika hanatona Azy sy hanao asa tsara. Hazavao fa ny lesona manaraka dia ahitana fifanakalozan-kevitra mikasika ireo ezaka farany ataon’ny tompony hitsimbinana ny tanimboliny.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Jakoba 5:1. Iza moa i Zenôsa?

I Zenôsa dia mpaminany hebreo izay hita ao amin’ireo takela-barahina ny asa-sorany saingy tsy voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha. Niaina taorian’i Abrahama mpaminany izy ary talohan’i Isaia mpaminany (jereo ny Helamàna 8:19–20). Naminany sy nijoro ho vavolombelona mikasika an’i Kristy izy (jereo ny 1 Nefia 19:10–12; Helamàna 8:19). Ny tena ahafantarana an’i Zenôsa dia ny fanoharana nataony mikasika ireo hazo oliva. Raha te hamaky misimisy kokoa momba ny faminanian’i Zenôsa ireo mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mijery ao amin’ny torolalana ho an’ny soratra masina ao amin’ny triptika.

Hamoaka printy