Tahirim-pitaovana
Lesona 143: Etera 1


Lesona 143

Etera 1

Fampidirana

Nanambatra ireo bokin’i Etera avy tamin’ny takela-bolamena 24 hitan’ireo andian’olona mpikaroka nalefan’i Limia i Môrônia (jereo ny Môsià 8:7–11). Nirakitra ny tantaran’ny vahoaka Jaredita ireo takelaka ireo. Nanomboka tamin’ny fikatsahan’i Jareda sy ny rahalahiny ny famindram-po sy ny fitarihan’ny Tompo ho an’ny fianakaviany sy ireo namany ny tantaran’ny Jaredita, rehefa nikorokoro ny fitenin’ny olona teo amin’ny Tilikambon’i Babela ny Tompo (jereo ny Genesisy 11). Tsy nokorokoroin’ny Tompo ny fitenin’i Jareda sy ny rahalahiny ary ny fianakaviany sy ireo namany satria nivavaka tamin’ny Tompo tamim-pinoana ny rahalahin’i Jareda. Nanambara ny Tompo fa hitarika azy ireo ho any amin’ny tany nampanantenaina, izay toerana hahatonga azy ireo ho firenena iray lehibe.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Etera 1:1–32

Nirakitra ny tetiaran’i Etera nanomboka hatrany amin’i Jareda tany amin’ny Tilikambon’i Babela i Môrônia

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsiaro ny fiavian’ny bokin’i Etera dia iaraho jerena miaraka amin’izy ireo ny topimaso ankapoben’ireo dia ao amin’ny Môsià 7–24 ao amin’ny fanoroam-pejin’ity boky fampianarana ity. Asaivo mijery ny dia faha-4 izy ireo: andrana mba hitady an’i Zarahemlà. Asao izy ireo avy eo hijery ny zavatra hitan’ny vahoakan’i Limia nandritra ilay dia. Avy eo dia asaivo manokatra ny pejy voalohan’ny bokin’i Etera izy ireo. Ny famintinana eo ambanin’ny lohateny dia manazava fa nalaina avy tamin’ny takelaka 24 hitan’ny vahoakan’i Limia ny bokin’i Etera.

Sary
ireo dia ao amin’ny Môsià 7–24

Hazavao fa taorian’ny nahavitan’i Môrônia ny rakitsoratry ny rainy dia nanoratra famintinana izy, na fitantara fohifohy an’ireo rakitsoratra hita avy tamin’ny takela-bolamena 24. Mirakitra ny tantaran’ireo Jaredita ity rakitsoratra ity, izay niaina tany amin’ny kaontinanta Amerikana talohan’ireo Nefita sy Lamanita. Asaivo vakian’ireo mpianatra amim-pahanginana ny Etera 1:1–5, ary karohiny ny zavatra nosafidian’i Môrônia ho ampidirina ao amin’ny famintinany ny rakitsoratra Jaredita. Asaivo zarain’ireo mpianatra ny zavatra hitany.

Raha manana ny sarin’ny Tilikambon’i Babela ianao dia asehoy izany. Asaivo mamintina ny zavatra fantany mikasika ilay tilikambo voalaza ao amin’ny Etera 1:5 izy ireo ary ny zavatra nitranga tamin’ireo izay nanandrana nanorina izany. (Nantsoina hoe Tilikambon’i Babela izany. Nokorokoroin’ny Tompo ny fitenin’ireo vahoaka izay nanandrana nanorina izany ary naeliny noho ny faharatsian-toetrany izy ireo; jereo ny Genesisy 11:1–9.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fifandraisana eo amin’ny tantaran’ny Jaredita sy ny tantaran’ny Nefita dia asaivo mijery ny fanamariham-pejy ara-banimpotoan’ny Bokin’i Môrôna izy ireo (laharana 32336). Hazavao fa nanomboka ny fitantarana ny tantaran’ny Jaredita tamin’ny firaketana ny razamben’ny mpaminany Etera, izay nanoratra ny tantara teo amin’ny takela-bolamena 24 i Môrônia. Nirakitra ny razamben’i Etera hatrany amin’ny lehilahy antsoina hoe Jareda, izay niaina nandritra ny fotoan’ny Tilikambon’i Babela i Môrônia.

Etera 1:33–43

Nandray famindram-po sy fitarihana avy tamin’ny alalan’ireo vavaky rahalahin’i Jareda ny fianakaviany sy ireo namany

Anontanio ireo mpianatra raha efa tamin’ny toerana iray izay tsy hain’izy ireo ny fiteny iresahan’ny olona manodidina azy ireo. Asao hizara ny zavatra tsapany tamin’izany toe-javatra izany izy ireo. Asaivo maka sary an-tsaina ny mety ho nitranga tamin’ireo olona niaina nanodidina ny Tilikambon’i Babela izy ireo rehefa avy nahafantatra ireo olona fa nokorokoroina ny fitenin’ny olon-drehetra. Asaivo misaintsaina amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto izy ireo:

  • Raha tojo izany toe-javatra izany ianareo dia ny fifandraisana amin’iza no tena alahelovanareo indrindra? Nahoana?

Asao hamaky am-pahanginana ny Etera 1:33–34 ireo mpianatra. Alohan’ny hamakian’izy ireo dia asaivo jeren’izy ireo hoe (1) iza no tian’i Jareda afaka hifandraisany ary (2) inona no fomba narosony hamahana ny olana. (Tiany raha afaka mifandray amin’ny fianakaviany izy ary nangataka tamin’ny rahalahiny izy mba hivavaka ka tsy hokorokoroina ny fitenin’izy ireo.) Aorian’ny fizaran’ireo mpianatra ny zavatra hitany dia mametraha fanontaniana hoe:

  • Inona no dikan’ny hoe: “mitalaho amin’ny Tompo” aminareo?

  • Inona no ianaranareo avy ao amin’ny Etera 1:33–34 mikasika ny zavatra tsapan’i Jareda momba ny rahalahiny sy ny vavaky ny rahalahiny?

Zarazarao ho vondrona ny ankizy. Asaivo mifandimby tsirairay mamaky mafy avy ao amin’ny Etera 1:35–42 ny mpianatra ao amin’ny vondrona tsirairay. Asaivo jeren’izy ireo ny vavaka nataon’ny rahalahin’i Jareda sy ny valintenin’ny Tompo ho an’ireo vavaka ireo. Rehefa avy nomena fotoana ampy hamakiana ireo mpianatra dia mametrahana fanontaniana hoe:

  • Inona no nanaitra anareo tamin’ny vavaka nataon’ny rahalahin’i Jareda?

  • Ahoana no namalian’ny Tompo ny vavaka nataon’ny rahalahin’i Jareda?

  • Inona ireo fitsipika azontsika ianarana avy tamin’ny fomba nivavahan’ny rahalahin’i Jareda sy ny fomba namalian’ny Tompo ny vavaka natolony? (Eo am-pizarana ny heviny ireo mpianatra dia amporisiho hisaintsaina ny famindram-po sy ny fitiavan’ny Ray any an-danitra azy ireo. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mitalaho tsy tapaka amim-pinoana amin’Andriamanitra isika dia hanana famindram-po amintsika Izy.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana. (Na azonao atao anaty taratasy kely hozaraina izany na vakiana mafy miadana mba ahafahan’ireo mpianatra mandray izany an-tsoratra.)

Amin’ny fomba ahoana no mahasamihafa ny “fanaovana vavaka” fotsiny amin’ny hoe mitalaho amin’ny Ray any an-danitra?

Oviana no nahatsapa ny famindram-pon’ny Ray any an-danitra ianareo ho valin’ny vavaka nataonareo? Oviana no nizara taminareo ny famindram-pon’ny Ray any an-danitra ho valin’ny vavaka nataon’izy ireo ny olona tao amin’ny fianakaviana na namana?

Inona no ampianarin’ny valim-bavaka avy amin’Andriamanitra antsika mikasika ny fitiavany antsika?

Inona no azonareo atao mba hahatonga ny vavakareo ho manan-danja kokoa?

Asao hamaly ireo fanontaniana ireo ao anaty kahieny na diary fandalinana soratra masina ireo mpianatra. Omeo fahafahana hizara ny zavatra nosoratany izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona fa fantatrao fa tia antsika ny Ray any an-danitra ary maniry ny hitahy antsika rehefa miantso ny Anarany tsy tapaka isika.

Hazavao fa afaka manome hevi-baovao fanampiny mikasika ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy ireo fitahiana izay azo avy amin’ny alalan’ny vavaka ny tantara ao amin’ny Etera 1. Asaivo mamerina mijery amim-pahanginana ny Etera 1:34, 36, 38 ireo mpianatra, ary hikaroka ny zavatra nangatahin’i Jareda mba hangatahin’ny rahalahiny ao amin’ny vavaka ataony. Mangataha mpianatra iray ho mpandray an-tsoratra ary tanisao eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra. Teneno ilay mpandray an-tsoratra mba hanoratra ireo valinteny ireo eo ambanin’ny andian-teny “mitalaho amin’ny Ray any an-danitra” eo amin’ny fitsipika izay nosoratanao eo amin’ny solaitrabe.

Toroy hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ilay andian-teny hoe “aoka isika ho mahatoky amin’ny Tompo” eo amin’ny faran’ny Etera 1:38. Antitrantero fa mampiseho ny finoany sy ny finiavany hankatò ny Tompo ireo fihetsik’i Jareda sy ny rahalahiny. Nangataka tamim-pinoana ho an’ireo fitahiana izay ilainy izy ireo.

Asao hamerina hijery amim-pahanginana ny Etera 1:35, 37, 40–42 ireo mpianatra, ary hikaroka ireo fomba nitahian’Andriamanitra an’i Jareda sy ny rahalahiny ary ny fianakavian’izy ireo sy ny namany. Asaivo manoratra ny zavatra hitan’ireo mpianatra eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny teny hoe famindram-po eo amin’ny fitsipika izay nosoratanao ilay mpianatra mpandray an-tsoratra. Ataovy takatr’ireo mpianatra tsara ny fifandraisana nisy teo amin’ny fangatahan’ny rahalahin’i Jareda sy ireo fitahiana narotsaky ny Tompo.

Asao hamaky mafy ny Etera 1:43 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ireo fitahiana nampanantenain’Andriamanitra na dia tsy nangataka azy ireo manokana aza ny rahalahin’i Jareda.

  • Inona ireo fitahiana fanampiny nampanantenain’ny Tompo ny olona? (Nangataka i Jareda mba hanontanian’ny rahalahiny ny Tompo amin’ny lalana izay tokony ho alehan’izy ireo. Nieritreritra i Jareda fa mety hitarika azy ireo amin’ny tany izay “[voa]finidy ambonin’ny tany rehetra” [Etera 1:38] ny Tompo. Nampanantena ny Tompo fa hitarika azy ireo ho amin’ny tany nampanantenaina iray. Ambonin’izany dia nanome azy ireo torolalana manokana mikasika ny fomba hanaovan’izy ireo ny fiomanana voalohany amin’ny dian’izy ireo Izy. Nampanantena koa Izy fa hanorina firenena lehibe iray avy amin’ireo fianakaviana ary tsy hisy firenena lehibe kokoa mihoatra izany eto an-tany.)

Asao hijery ny 2 Nefia 4:35 ireo mpianatra. (Toroy hevitra mba hanoratra ny 2 Nefia 4:35 eo akaikin’ny Etera 1:43 izy ireo ao amin’ny soratra masiny.) Avy eo dia asaivo mamaky am-pahanginana ny 2 Nefia 4:35 sy Etera 1:43 izy ireo, ary hikaroka ireo andininy izay mampianatra mikasika ireo fitahiana nomen’Andriamanitra antsika ho valin’ny vavaka nataontsika.

  • Ao amin’ny 2 Nefia 4:35, inona no ampianarin’i Nefia mikasika ny valim-bavaka avy amin’Andriamanitra? (Hanome amim-pahalalahana ireo izay mikatsaka Azy amim-bavaka Andriamanitra. Inona no hamafisin’ny tantara ao amin’ny Etera 1:43 tamin’ny zavatra nolazain’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 4:35?

  • Araka ny voalazan’ny Etera 1:43, inona no antony nanomezan’ny Tompo ireo fitahiana nampanantenaina mihoatra noho ny nangatahin’ireo Jaredita? (Nampanantena fitahiana fanampiny ny Tompo satria nahatoky teo amin’ireo vavaka nataony izy ireo. Asaivo marihin’ireo mpianatra ity andian-teny manaraka ity izay ao amin’ny Etera 1:43: “noho ity fotoana lava ity izay efa nitalahoanao Tamiko.”)

  • Inona no fitsipika azontsika nianarana avy tamin’ny Etera 1:43? (Mety hampiasa fomba fiteny samihafa ireo mpianatra kanefa tokony hamaritra ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha mivavaka tsy tapaka amin’Andriamanitra amim-pinoana isika dia ho afaka handray ireo fitahiana mihoatra noho izay nangatahintsika. Toroy hevitra mba hanoratra izany fitsipika izany ao amin’ny soratra masiny ireo mpianatra.)

  • Oviana no nahita izany fitsipika izany teo amin’ny fiainanareo na fiainan’ny olon-kafa izay fantatrareo ianareo?

Aorian’ny fizaran’ireo mpianatra ny valinteniny dia azonao atao ny mizara ohatra avy amin’ny fiainanao na fiainan’olon-kafa. Ohatra tsara amin’ity fitsipika ity ny Mpaminany Joseph Smith. Nandray fitahiana nihoatra ny nangatahiny izy rehefa nivavaka mba hahafantarany hoe iza no fiangonana marina (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:10–20) ary rehefa nivavaka mba hahafantarany ny toerany manoloana ny Tompo (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:29–47).

Ho famaranana dia entano hanao ezaka mba hivavaka amin-kitsimpo bebe kokoa ireo mpianatra. Amporisiho koa izy ireo mba hahatsiaro fa heniky ny famindram-po ny Ray any an-danitra ary hamaly ny vavaka ataon’izy ireo Izy arakaraka ny fahatokian’izy ireo sy arakaraka ny zavatra fantany fa hitondra fitahiana bebe kokoa eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Zarazarao ho tsiroaroa ny ankizy. Omeo fotoana hahafahany mifanampy amin’ny famerenana ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna miisa 25 izy ireo. Asaivo mampiasa ireo karatra misy ny soratra masina fehezina izy ireo mba hifanadinana ankamantatra (jereo ny hevitra famerenana ny soratra masina fehezina ao amin’ny faran’ny lesona faha-45). Ampanaovy ankamantatra amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izy ireo avy eo amin’ny fanomezana azy ireo tari-dalana avy ao amin’ireo karatra misy ny soratra masina fehezina. Iaraho manitsy amin’ny mpianatra ilay ankamantatra. Asaivo raisin’ireo mpianatra naoty ireo andinin-tsoratra masina izy ilan’izy ireo famerenana ary amporisiho izy ireo handalina manokana. Rehefa mihamanatona ny fiafaran’ny taom-pianarana dia manaova fitsapa-pahaizana farany amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Fanamarihana: Azonao atao any am-piatombohana na amin’ny fiafaran’ny fotoam-pianarana ity asa atao ity. Raha eo am-piatombohan’ny fotoam-pianarana no hanaovanao ity asa ity dia ataovy fohy izany mba hisian’ny fotoana ho an’ny lesona. Ho an’ireo asa famerenana atao hafa dia jereo ny fanoroam-pejy ato amin’ity boky fampianarana ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Etera 1:34–35. Iza no anaran’ny rahalahin’i Jareda?

Nitantara ity tantara manaraka ity ny Loholona George Reynolds tao amin’ny Fitopolahy, izay mampiseho fa nambara tamin’ny Mpaminany Joseph Smith ny anaran’ny rahalahin’i Jareda:

“Fony nipetraka tany Kirtland dia tera-dahy ny Loholona Reynolds Cahoon. Indray andro rehefa nandalo nanoloana ny varavarany ny Filoha Joseph Smith dia nantsoiny ary nangatahiny mba hitsodrano sy hanome anarana ilay zaza. Nataon’i Joseph izany ary nataony hoe Mahonri Moriancumer no anaran’ilay zazalahy kely. Rehefa vita ny tsodrano dia nampandriany teo am-pandriana ilay zaza, ary nitodika tany amin’ny Loholona Cahoon sady niteny hoe: anaran’ny rahalahin’i Jareda ilay anarana nomeko ny zanakao lahy teo. Nampahafantarin’ny Tompo ahy izany. Henon’ny Loholona William F. Cahoon izany, izay nijoro teo akaikin’ny Mpaminany raha niteny izany tamin’ny rainy ary izany no fotoana voalohany nahafantaran’ny Fiangonana amin’ity fotoampitantanana ity ny anaran’ny rahalahin’i Jareda” (“The Jaredites,” Juvenile Instructor, May 1, 1892, 282).

Etera 1:43. “Ity fotoana lava ity izay efa nitalahoanao Tamiko”

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball fa tsy maintsy mitalaho mafy isika eo amin’ny vavaka ataontsika ary tsy maintsy mivavaka matetika:

“Moa nahazo valiny tamin’ny vavaka nataonareo ve ianareo? Raha tsia dia angamba mbola tsy nandoa ny sarany mendrika izany ianareo. Moa manolotra teny vitsivitsy tsy manan-danja sy andian-teny tsy avy amin’ny fo ve ianareo, sa moa miresaka am-po lalina amin’ny Tompo ve ianareo? Moa ve ianareo mivavaka tsindraindray raha tokony hivavaka tsy tapaka, matetika ary tsy miova? Moa vola kely ihany ve no aloanareo amin’ny trosa misavovona raha toa ka tokony handoa arak’izay tratra mba hanonerana izany?

“Rehefa mivavaka ianareo, moa ve miteny foana, sa mba mihaino koa? Hoy ny Tomponareo hoe: ‘Indro, efa mitsangana eo ambaravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.’ (Apo. 3:20.)” (“Prayer,” New Era, Mar. 1978, 17).

Hamoaka printy