Tahirim-pitaovana
Lesona 142: Môrmôna 9


Lesona 142

Môrmôna 9

Fampidirana

Namarana ny rakitsoratry ny rainy tamin’ny fiantsoana ireo izay tsy nino an’i Jesoa Kristy hiverina amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny fibebahana i Môrônia. Nampianatra izy fa Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahagagana izay tsy miova ary amin’ny alalan’ny tsy finoana ihany no mampitsahatra ireo fahagagana. Namporiska ireo vahoaka hino an’i Jesoa Kristy izy ary hivavaka amin’ny Ray amin’ny fo manontolo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy mba handraisana ireo zavatra izay ilain’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrmôna 9:1–6

Niantso ireo izay tsy nino an’i Jesoa Kristy mba hibebaka i Môrônia

Asaivo mieritreritra fotoana iray izay nahatsapan’ireo mpianatra ho tsy nampahazo aina azy izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany ary hanazava ny antony tsy dia nampahazo aina azy ireo. Azonao atao koa ny manontany azy ireo ny zavatra izay mety hahatonga azy ireo tsy hahazo aina amin’ireo toe-java-mitranga ireo.

Asao hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 9:1–5 ireo mpianatra ary hikaroka ny toe-java-nitranga tsy nampahazo aina nofaritan’i Môrônia. (Azonao atao koa ny manasa ireo mpianatra hamaky ny Almà 12:12–15 ary hanoratra ity toko sy andinin-tsoratra masina ity eo akaikin’ny Môrmôna 9:1–5.)

  • Ahoana no ho fahatsapan’ireo ratsy fanahy manoloana ny fanatrehan’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy amin’ny Fitsarana Farany? Nahoana no ho toy izany ny fahatsapany?

Manasà mpianatra iray hamaky ity teny nambaran’ny Filoha Joseph Fielding Smith manaraka ity:

Filoha Joseph Fielding Smith

“Tsy hisy famonjena raha tsy misy ny fibebahana. Tsy afaka miditra ny fanjakan’Andriamanitra ny olona iray ao anatin’ny fahotany. Tena mifanohitra be izany hoe olona iray eo anatrehan’ny Ray ary honina eo anatrehan’Andriamanitra ao anatin’ny fahotany. …

“Mino aho fa marobe ny olona amboninin’ny tany, maro amin’izy ireo no ato am-piangonana—na farafaharatsiny ny sasantsasany ato am-piangonana—izay mihevitra fa afaka manao izay tiany atao izy mandritra ny fiainana, mandika ny didin’ny Tompo ary amin’ny farany dia hijoro hiseho eo anatrehany. Mieritreritra ny hibebaka izy ireo, angamba any amin’ny tontolon’ny fanahy.

“Tokony hamaky tsara ireto tenin’i Môrônia ao amin’ny [ Môrmôna 9:3–5] ireto izy ireo.

“Moa mieritreritra ve ianareo fa ny olona iray izay heniky ny faharatsiana ny fiainany manontolo, izay nikomy tamin’Andriamanitra, izay tsy nanana ny fanahin’ny fibebahana, dia ho faly na tsy hitsanga-menatra ka ho ekena ny hiainany eo anatrehan’Andriamanitra?” (Doctrines of Salvation, ed. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:195–96; nesorina ny soramandry tamin’ny endriny tany am-boalohany).

  • Nahoana no mila mibebaka amin’ny fahotantsika isika ankehitriny ary tsy miandry mandra-pahatongan’ny Androm-pitsarana? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly izany fanontaniana izany dia afaka asainao mamaky ny Almà 34:33–38 izy ireo.)

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 9:6 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hikaroka ny zavatra tsy maintsy ataon’ireo izay tsy mino mba ahafahan’izy ireo tsy hitsanga-menatra eo anatrehan’Andriamanitra. Aorian’ny fizaran’ireo mpianatra ny zavatra hitany dia asaivo mamantatra ireo teny na andian-teny izay mamaritra ireo niverina amin’ny Tompo sy nivavaka mba hahazo famelan-keloka ao amin’ny Môrmôna 9:6 izy ireo. Tolory hevitra mba hanisy marika ireo teny sy andian-teny izay hitany ny mpianatra.

Asao hanoratra fitsipika iray izay mamintina ny Môrmôna 9:6 ao amin’ny kahie na diary fandalinana ny soratra masina ireo mpianatra. Manondroa mpianatra roa na telo hamaky ny zavatra nosoratany. Na dia mampiasa teny hafa aza ireo mpianatra, ny valinteniny dia tokony haneho ity fahamarinana manaraka ity: Raha mibebaka isika dia hijoro tsy hanan-tsiny rehefa eo anatrehan’Andriamanitra.

Mijoroa ho vavolombelona fa afaka miomana ny ho vonona hiatrika ny Tompo isika amin’ny alalan’ny fibebahana sy fiainana am-pahamarinana. Asao hisaintsaina ny zavatra tokony ho ataony amin’izao fotoana izao mba hiomanany hiatrika ny Tompo ireo mpianatra.

Môrmôna 9:7–20

Nanambara i Môrônia fa nanao fahagagana Andriamanitra ary mamaly ny vavak’ireo mahatoky

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe: fahagagana. Angataho amin’ireo mpianatra ny mety hamaritany io teny io. Rehefa avy namaly ny mpianatra vitsivitsy dia asao ny iray kilasy hijery ny fahagagana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Asaivo vakian’izy ireo ilay famaritana ka hojereny ireo fampahalalana izay mety hanazava na hanampy ireo famaritana narosony.

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no misy olona tsy mino ny fahagagana?

Fintino ny Môrmôna 9:7–8 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Môrônia dia niresaka tamin’ireo olona amin’ny andro farany izay milaza fa tsy misy intsony ny fanambarana, faminaniana, fanomezam-pahasoavana ara-panahy ary fahagagana.

Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny vondrona iray hamaky am-pahanginana ny Môrmôna 9:9–11, raha toa ka mamaky am-pahanginana ny Môrmôna 9:15–19 kosa ny hafa. Asaivo soratan’ny mpianatra tsirairay ireo hevi-dehibe fototra nolazain’i Môrônia mba entina handresen-dahatra ny olona hino ny fahagagana. Rehefa nahazo fotoana ampy hamitana izany ireo mpianatra dia asao izy ireo hizara izay zavatra nosoratany amin’ireo namany mpiara-miasa aminy.

Soraty eo ankavian’ny solaitrabe ny hoe: Mitsahatra ny fahagagana rehefa … isika

Soraty eo ankavanana ny hoe: Miseho ny fahagagana rehefa … isika

Asao hamaky mafy ny Môrmôna 9:20 ny mpianatra iray ary iangavio ny mpianatra mba hikaroka ireo antony telo izay mety hampitsaharan’Andriamanitra ny fahagagana eo anivon’ireo zanany. Asao hanoratra ireo antony ireo eo amin’ny solaitrabe ny mpianatra iray mba hanohizana ilay fehezanteny eo amin’ny ilany havian’ny solaitrabe, araka ny hita eo amin’ny tabilao etsy ambany.

Asaivo mamerina milaza ny fehezanteny tsirairay mikasika ny antony hitsaharan’ny fahagagana ireo mpianatra, ka hilaza izany amin’ny fomba iray izay milaza fepetra iray mahatonga ny fahagagana ho afaka miseho. Tokony hitovitovy amin’ireo ohatra etsy amin’ny ilany ankavanana ny valintenin’izy ireo.

Mitsahatra ny fahagagana rehefa … isika

Miseho ny fahagagana rehefa … isika

Mitoetra ao amin’ny tsy finoana

Mitombo ao amin’ny finoana

Miala amin’ny lalana tsara

Miaina araka ny fahamarinana na mitandrina ny didin’Andriamanitra

Tsy mahafantatra ilay Andriamanitra izay tokony itokisana

Mahafantatra sy mahatoky an’Andriamanitra

Asao hamerina hijery vetivety ny Môrmôna 9:9, 19 ireo mpianatra, ary hijery ny fampianaran’i Môrônia mikasika ny toetoetran’Andriamanitra. Aorian’ny fizaran’ireo mpianatra ny zavatra hitany dia mametraha izao fanontaniana izao:

  • Inona no zavatra fantatsika mikasika ny fanirian’Andriamanitra hanatanteraka fahagagana eo amin’ny fiainantsika ankehitriny satria fantatsika fa Andriamanitra dia tsy miova ary nanatontosa fahagagana teo anivon’ireo Zanany tamin’ny andro taloha? (Na dia mety ho samihafa aza ny teny ampiasain’ireo mpianatra dia tokony haneho ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Nanatanteraka fahagagana hatrany Andriamanitra ary satria tsy miova Izy dia mbola manao fahagagana araka ny finoantsika Izy. Azonao soratana eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika ity ary asaivo soratan’ireo mpianatra eo akaikin’ny Môrmôna 9:19–20 ao amin’ny soratra masiny izany.)

Hazavao fa miaina ny hery mahagagan’Andriamanitra amin’ny fomba maro isika eo amin’ny fiainantsika. Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra fa mbola Andriamanitry ny fahagagana Andriamanitra dia asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka nambaran’ny Rahavavy Sydney S. Reynolds tao amin’ny fiadidian’ny Kilonga maneran-tany manaraka ity:

“Nianatra aho … fa hanampy antsika amin’ny lafiny rehetra eo amin’ny fiainantsika ny Tompo rehefa miezaka ny manompo Azy sy manao ny Sitrapony isika.

“Mino aho fa afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahagagana kely ireo isika rehetra. Mahalala ankizy isika izay nivavaka mba hahitany zavatra iray izay very ary hitany izany. Mahafantatra tanora isika izay manangona ny herim-po ahafahany mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra sy mahatsapa ny fanohanana avy amin’Andriamanitra. Mahafantatra namana isika izay mandoa ny fahafolonkarenany amin’ny vola kely farany izay ananany ary avy eo, tamin’ny alalan’ny fahagagana dia afaka nandoa ny saram-pianarana na hofan-trano na nahita sakafo ho an’ny fianakaviany. Afaka mizara ireo traikefa noho ny vavaka voavaly sy tsodranon’ny fisoronana izay manome herim-po, mitondra fanohanana na namerina fahasalamana isika. Ireo fahagagana miseho isan’andro ireo dia ahafahantsika mahafantatra ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika” (“A God of Miracles,” Ensign, Mey 2001, 12).

  • Inona ireo zavatra niainanareo izay manamarina fa mbola Andriamanitry ny fahagagana Andriamanitra?

Môrmôna 9:21–37

Nananatra ireo tsy mpino mba hino an’i Jesoa Kristy sy hivavaka amin’ny Anarany i Môrônia

Angataho mba hamaky mafy ny Môrmôna 9:21 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny fivavahana amin’ny Ray any an-danitra.

  • Inona no fampanantenana nomen’i Môrônia? (Tokony haneho ity fitsipika manaraka ity ny valinten’ireo mpianatra: Raha mivavaka amim-pinoana sy amin’ny anaran’i Kristy isika dia hanome antsika izay rehetra angatahintsika ny Ray any an-danitra.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe mivavaka “amin’ny anaran’i Kristy” dia asao hamaky ity teny nambara manaraka ity ny mpianatra iray:

“Mivavaka amin’ny anaran’i Kristy isika rehefa tahaka ny fisainan’i Kristy ny fisainantsika ary tahaka ny faniriany ny faniriantsika—rehefa mitoetra ao anatintsika ny teniny (Jaona 15:7). Rehefa izany dia mangataka zavatra izay afaka hotanterahin’Andriamanitra isika. Maro ireo vavaka no tsy misy valiny satria tsy amin’ny anaran’i Kristy velively izy ireo. Tsy maneho ny fisainany izany fa mamoaka kosa ny fitiavan-tenan’ny fon’olombelona” (Bible Dictionary, “Prayer”).

Azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no ahafahantsika mahatoky fa ahitana taratra ny zavatra tian’ny Tompo ho antsika ny zavatra angatahintsika?

  • Oviana no nahitanao ny fahatanterahan’ilay fampanantenana tao amin’ny Môrmôna 9:21? (Azonao omena fotoana hieritreretana ireo mpianatra alohan’ny hamalian’izy ireo izany.)

Fintino ny Môrmôna 9:22–25 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampanantena fitahiana ho an’ireo mpianany ny Mpamonjy rehefa nandefa azy ireo nampianatra ny filazantsara Izy. Asaivo jeren’ny mpianatra ny Môrmôna 9:22–25 ary karohiny ao ny sasantsasany amin’ireo fitahiana ireo.

  • Midika inona aminareo ny hoe “hanamafy ny teni[ny] rehetra” ny Mpamonjy? (Môrmôna 9:25).

Asao hamaky amim-pahanginana ny Môrmôna 9:27–29 ireo mpianatra, ary hikaroka ny toe-tsaina sy fihetsika izay hanampy azy ireo mba hahamendrika sy hahazoany ny fanampian’Andriamanitra. Mety azonao angatahina hanoratra famintinana ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny kahie fandraisana naoty na diary fandalinana soratra masina ireo mpianatra.

Mba hamaranana ity lesona ity dia fintino ny Môrmôna 9:30–34 amin’ny filazana amin’ireo mpianatra fa niahiahy i Môrônia fa handà ny hafatry ny Bokin’i Môrmôna ireo olona sasantsasany vokatry ny tsy fahatomombanan’ireo izay nanoratra izany sy ny amin’ny fiteny nanoratana azy. Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Môrmôna 9:35–37. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hikaroka ireo antony nivavahan’i Môrônia sy ireo hafa mba hivoahan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany. (Mba hahafahan’ireo taranaky ny rahalahiny, ny Lamanita, hiverina amin’ny “[fahafantarana] an’i Kristy” sy amin’ny fanekempihavanana izay nataon’Andriamanitra amin’ny taranak’i Isiraely.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hamintina ny zavatra nianarany androany dia mametraha ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no hilazana fa ny Bokin’i Môrmôna dia porofo fa Andriamanitry ny fahagagana Andriamanitra ary mamaly vavaka Izy?

  • Inona ireo fahamarinana nianaranareo androany izay hisy fiantraikany eo amin’ny vavaka ataonareo manokana?

Famerenana ny Môrmôna

Manokana fotoana hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ny bokin’i Môrmôna. Asaivo mieritreritra mikasika ny zavatra nianarany avy tamin’ity boky ity izy ireo, na nandritra ny seminera izany na teo amin’ny fandalinana soratra masina nataon’ny tenany manokana. Asao hamerina hijery vetivety ny sasantsasany amin’ireo famintinana ny toko ao amin’ny Môrmôna izy ireo mba hanampy azy ireo amin’ny fitadidiana. Asaivo mizara zavatra avy ao amin’ny Môrmôna izay nanentana azy ireo na nanampy azy ireo hanana finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy ny mpianatra vitsivitsy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrmôna 9:9–10. “Tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay Izy”

Nanambara i Môrônia fa olona tsy miova Andriamanitra izay “tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” (Môrmôna 9:9). Araka ny voalazan’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:11–12, ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia manaporofo fa manohy “mitaona fanahy ny olombelona sy miantso azy ireo amin’ny asany masina” amin’izao androntsika izao Andriamanitra tahaka ny nataony tamin’ny andro taloha, izay “mampiseho fa Andriamanitra dia tsy miova omaly, anio ary mandrakizay.”

Milaza ny boky Lectures on Faith fa mba hahafahana manana finoana tomombana amin’ Andriamanitra, ny olona iray dia tsy maintsy manana “hevitra marina momba ny toetra, fahatanterahana ary ny maha Izy an’[Andriamanitra]” (Lectures on Faith [1985], 38). Ny iray amin’ireo toetran’ Andriamanitra dia ny hoe tsy miova Izy: “Tsy miova [Andriamanitra], ary tsy misy fiolakolahana miaraka aminy. Kanefa izy dia tsy miova mandrakizay mandrakizay, olona tsy miova omaly, anio ary mandrakizay ary ny lalany dia hodina mandrakizay, tsy misy fiovaovana” (Lectures on Faith, 41).

Eritrereto ireo fitahiana amin’ny fahafantarana fa manohy ny asany masina amin’izao androntsika izao Andriamanitra ary hitohy tsy hiova omaly, anio ary mandrakizay.

Môrmôna 9:10–26. Fahagagana

Nanolotra porofo bebe kokoa izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahagagan’ Andriamanitra i Môrônia—ny fahariana ny lanitra sy ny tany, ny famoronana ny olombelona ary ireo fahagagana nataon’i Jesoa sy ireo Apôstôly (jereo ny Môrmôna 9:17–18). Ilay “Andriamanitry ny fahagagana” izay nolazain’i Môrônia dia mbola hita ankehitriny. Nampianatra ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa maro ireo fahagagana mitranga amin’izao androntsika izao ary misy izany ato amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy:

“Fahagagana maro no mitranga isan’andro eo amin’ny asan’ny Fiangonantsika sy eo amin’ny fiainan’ireo mpikambantsika. Maro aminareo no nanatri-maso fahagagana, mety mihoatra lavitra noho ny fiheveranareo.

“Ny fahagagana dia nofaritana ho ‘zava-nitranga niteraka tombontsoa iray nentina avy tamin’ny hery masina izay tsy takatry ny olombelona ary tsy azony alain-tahaka.’ [In Daniel H. Ludlow, ed., Encyclopedia of Mormonism, boky 5 (1992), 2:908.] Ilay foto-pisainana fa zava-nitranga avy tamin’ny hery masina dia lavin’ny ankamaroan’ireo olona tsy mpivavaka, eny hatramin’ny sasantsasany amin’ireo mpivavaka koa. …

“… Misy hatrany ato amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy ny fahagagana tanteraka avy amin’ny herin’ny fisoronana. [See George Q. Cannon, Gospel Truth (1987), sel. Jerreld L. Newquist, 151–52.] Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa ‘toy izany no namatsian’ Andriamanitra fitaovana, izay hahazoan’ ny olona manao fahagagana mahery amin’ ny alalan’ ny finoana’ (Môsià 8:18). Ny herin’ny fisoronana no ilay ‘fitaovana’ novatsiana (jereo ny Jakoba 5:14–15; F&F 42:43–48), ary izany hery izany dia hahazoana manao fahagagana amin’ny alalan’ny finoana (jereo ny Etera 12:12; Môrô. 7:37)” (“Miracles,” Ensign, Jona 2001, 6, 8).

Môrmôna 9:32–34. Nanoratra tamin’ny endri-tsoratra Egyptiana nohavaozina i Môrônia

Nilaza i Môrônia fa nanana fahaizana manoratra tamin’ny fiteny roa izy farafahakeliny: Hebreo sy Egyptiana nohavaozina. Nanoratra izy fa raha “lehibe kokoa ireo takelaka” dia ho nanoratra tamin’ny teny Hebreo izy. Noho izany dia nampiasa “Egyptiana nohavaozina” ireo izay nihazona ny takelaka vokatry ny tsy fahampian’ny toerana (jereo ny Môrmôna 9:32–33). Tany aloha tany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, i Nefia sy ny Mpanjaka Benjamina dia nanaiky ny fampiasan’izy ireo ny Egyptiana. Nilaza i Nefia fa nanoratra tamin’ny “fitenin’ny Egyptiana” izy fony izy nanoratra teo amin’ny takelaka kely (1 Nefia 1:2). Rehefa niresaka tamin’ny zanany lahy mikasika ny maha zava-dehibe ireo takela-barahina ny Mpanjaka Benjamina dia nanamarika izy fa afaka namaky ny rakitsoratra i Lehia satria “nampianarina tamin’ny fitenin’ny Egyptiana” (Môsià 1:4) izy. Noho izany, fantatsika fa nampianatra ny filazantsara sy ny fitenin’ny Egyptiana “ny zanany, ka tamin’ izany izy ireo dia afaka nampianatra ireny ny zanany” (Môsià 1:4). Mazava ho azy fa nitohy nandritra ny taranak’ireo mpihazona rakitsoratra nifandimby izany fomba izany mandra-pahafahan’i Môrônia nianatra ny fitenin’ny rainy. Na izany aza, nanaiky i Môrônia fa nanoratra tamin’ny fiteny “Egyptiana nohavaozina” izay “nifanolorana ary [novana] … araka ny fombam-pitenenan’[izy ireo]” (Môrmôna 9:32), izay maneho fa ireo fanovana sasantsasany tamin’ny fampiasana ny fiteny dia nitranga nandritra ny arivo taona hatrany amin’ny fotoanandron’i Lehia. Afaka manazava izany ny antony namaranan’i Môrônia tamin’ny fanamarihana fa “tsy misy vahoaka hafa mahalala ny fiteninay” kanefa Andriamanitra dia “namatsy fitaovana ho an’ny” fandikana ny rakitsoratra aty aoriana (Môrmôna 9:34). Fampiasa tamin’ny andron’i Lehia ny Egyptiana, indrindra ho an’ireo mpivarotra sy mpanao raharaham-barotra izay mpanao dia manerana ny faritra nanodidina an’i Jerosalema. Raha toa ka nitaky tamin’i Lehia, araka ny hevitry ny sasantsasany, ny fivezivezena manerana ny faritra ny asany dia tsy maintsy nalainy antoka ny fampianarana ny zanany lahy ny fitenin’ny Egyptiana mba hampandehanana ny fiveloman’ny fianakaviana.