Tahirim-pitaovana
Fandalinana Isan-kerinandro Fizarana 4


Lesona ho an’ny Fandalinana Isan-kerinandro

1 Nefia 15–19 (Fizarana 4)

Fitaovana Fanomanana ho an’ny Mpampianatra Mampianatra Isan-kerinandro

Famintinana ireo Lesona Isan’andro ho an’ny fandalinana isan-kerinandro

Ity famintinana ireo fotopampianarana sy fitsipika nianaran’ireo mpianatra ity rehefa nandalina ny 1 Nefia 15–19 (Fizarana 4) izy ireo dia tsy natao mba ampianarina mandritra ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka amin’ny vitsivitsy ihany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ianao.

Andro 1 (1 Nefia 15)

Fomba fihetsika samy hafa no nasehon’i Nefia sy ireo rahalahiny nanoloana ny faminanian’i Lehia. Amin’ny alalan’ny fandalinana ny zavatra nataon’i Nefia, dia hahita ireo mpianatra fa raha toa ka mangataka amin’ny Tompo amim-pinoana sy mitandrina ny didiny isika dia ho voaomana handray fanambarana sy fitarihana avy Aminy. Nanazava ny dikan’ny anja-by i Nefia, izay maneho fa ny fandalinana sy ny fanarahana ny tenin’Andriamanitra dia mampahery antsika isan’andro hanohitra ny fakam-panahy avy amin’i Satana.

Andro 2 (1 Nefia 16)

Avy amin’ny fihetsika nasehon’i Lamàna sy i Lemoela nanoloana ny fampianaran’i Nefia, ireo mpianatra dia nahita fa “sarotra ho an’ ny olo-meloka ny mandray ny fahamarinana” (1 Nefia 16:2). Rehefa tapaka ny tsipìkan’i Nefia dia naneho izy fa rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika hikatsahana ny torohevitry ny Tompo dia hanampy antsika ao anatin’ny fotoan-tsarotra ny Tompo. Amin’ny alalan’ny fandalinan’ny mpianatra ny fomba nitarihan’ny Liahona ny fianakavian’i lehia, dia nianatra izy ireo fa “afaka manatanteraka zava-dehibe amin’ ny alalan’ ny zava-madinika ny Tompo” (1 Nefia 16:29).

Andro 3 (1 Nefia 17)

Nitantara ny fiainan’ny fianakaviany tany an-tany foana sy ny fahatongavany tany amin’ny tanin’i Soafeno i Nefia. Rehefa nodidiana hanamboatra sambo izy dia nasehony fa raha mitandrina ny didy isika dia hampahery antsika ny Tompo ary hanome antsika ny fomba hanatanterahantsika izay nandidiany. Niantso tamin’ny fomba maro an’ireo rahalahin’i Nefia ho amin’ny fibebahana ny Tompo. Ireo mpianatra dia nianatra fa miteny amin’ny feo tony sy malefaka izay tsapantsika mihoatra ny hoe rentsika ny Fanahy Masina matetika. Nanao lisitra ireo toe-javatra sy toerana izay hanakana azy ireo tsy hahatsapa ilay feo tony sy malefaka izy ireo.

Andro 4 (1 Nefia 18–19)

Ny ohatra nasehon’i Nefia tamin’ny fanamboarana ilay sambo dia naneho tamin’ny mpianatra fa mba hanatanterahana izay handidian’ny Tompo dia tokony hikatsaka ny fanampiany sy hanao ezaka avy amin’ny tenantsika manokana isika. Ny fandalinana mikasika ny dia nataon’ny fianakavian’i Lehia nankany amin’ny tany nampanantenaina dia mampianatra fa ny fahotana dia mitondra any amin’ny fijaliana ho an’ny tenantsika ary indraindray ho an’ny hafa. Ny ohatra nasehon’i Nefia rehefa nenjehin’ireo rahalahiny izy dia mampianatra fa afaka mitodika any amin’Andriamanitra isika ary mijanona no mahatoky mandritra ireo fizahan-toetra, ary ny vavaka dia afaka manampy antsika hahita fiadanana mandritra ny fizahan-toetra antsika.

Fampidirana

Tamin’ity herinandro ity, ireo mpianatra dia nianatra mikasika ny zava-nitranga manan-danja izay niseho rehefa nandeha tany an-tany foana sy niampita ny ranomasina ho any amin’ny tany nampanantenaina ny fianakavian’i Lehia. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hianatra mikasika ireo zava-nitranga ireo sy hifanakalo hevitra ary hijoro ho vavolombelona momba ireo fitsipika izay nianarany. Ampio ireo mpianatra hamantatra ny fomba nijanonan’i Nefia ho mahatoky tao anatin’ny toe-java-niseho feno fahasarotana. Amporisiho izy ireo hanaraka ny ohatr’i Nefia tamin’ny fankatoavana sy ny fahatokiana ny Tompo nandritra ny fotoan-tsarotra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 15–18

Nasehon’i Nefia tamin’ny ohatra ny fankatoavana sy ny fahatokiana ny Tompo nandritra ny fizahan-toetra

Raha toa ka misy ireto sary ireto dia miomana haneho izany:

  • Ny Liahona (62041; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 68)

  • Nampilefitra ny Ambom-pon’ireo Rahalahiny Mpikomy i Nefia (62044; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 70)

  • Tonga tany amin’ny Tany Nampanantenaina i Lehia sy ny Vahoakany (62045; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 71)

Mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery sy hanakatra ny zava-miseho momba izay nianarany tamin’ity herinandro ity dia asehoy tsy manaraka ny filaharany ao amin’ny tantara ireo sary ary asao ireo mpianatra handahatra izany araka izay voalaza ao amin’ny tantara. Asao izy ireo haka sary an-tsaina fa mpanao gazety ary mila manoratra lohateny misy teny telo ka hatramin’ny enina ho an’ny sary tsirairay. Asehoy amin’ny filaharany ireo sary ary asao ireo mpianatra hamaly amin’ny alalan’ny lohateny iray. Azonao atao ny mamaky mafy ireo famintinana ny fizarana ho an’ny 1 Nefia 15–18 mba hanomezana azy ireo hevitra vitsivitsy.

Mba hanomanana ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny 1 Nefia 15, dia angataho izy ireo hitantara ireo zavatra nataony mba handraisana anjara izay nitaky ezaka avy amin’izy ireo mialoha ny nahitany vokatra tsara avy amin’izany. Mety hiresaka zavatra natao toy ny fianarana any an-tsekoly na filalaovana zava-maneno na fanaovana fanatanjahantena izy ireo.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny 1 Nefia 15:2–3, 7–11 ary omeo fotoana hamakiana ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra. Anontanio azy ireo hoe nahoana ireo rahalahin’i Nefia no tsy nanana fahatakarana tahaka izay nananan’i Nefia mikasika ireo fanambarana azon’i Lehia.

Rehefa avy mihaino ny valintenin’izy ireo ianao dia ampio izy ireo hahita fa ny fahazoana fitaomam-panahy sy fitarihana avy amin’ny Tompo dia mitaky, voalohany indrindra, ny fiainana amim-pahamarinana, ny ezaka ary ny finoana avy amintsika. Azonao atao ny manamafy ity fitsipika ity amin’ny alalan’ny fanoratana izany eny amin’ny solaitrabe.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina sy hamaly ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra niainanao izay nanampy anao hahafantatra fa marina ity fitsipika ity?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe maharitra ny zavatra rehetra. Anontanio ireo mpianatra ny dikan’ny hoe maharitra ny zavatra rehetra. Aorian’ny valinteny omen’izy ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe: matanjaka sy tsy mety kivy ao anatin’ny toe-javatra sarotra sy ny fahaterena.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa misy hifandraisany amin’i Nefia ny teny hoe maharitra ny zavatra rehetra dia ampamakio ny mpianatra tsirairay ny iray amin’ireto toko ireto: 1 Nefia 16, 17, na ny 18. Raha betsaka ny mpianatrao dia mety hanampy anao ny mizara ireo mpianatra ho vondrona maromaro ary manasa azy ireo hiara-hiasa mikasika ny toko iray.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto. Amporisiho ny mpianatra hampiasa ireo toko nomena azy mba hiasany sy ireo lesona mifandray amin’izany ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpianatra mba hamaliana ireo fanontaniana.

  • Inona avy ireo fisedrana izay natrehin’i Nefia ao amin’ny toko novakianao?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nampiasan’i Nefia finoana tao anatin’izany toe-javatra izany? Iza amin’ireo andininy na fehezanteny ireo no manaporofo fa naharitra ny zavatra rehetra ny finoan’i Nefia?

  • Inona avy ireo fitsipiky ny filazantsara noresahina ao amin’ilay toko? Inona ireo zavatra niainanao momba ireo fitsipika ireo izay nampitombo ny fijoroanao ho vavolombelona?

Omeo ny fotoana izay ilaina ireo mpianatra mba hamitana ity fampiasana ity. Ary aorian’izay dia asao ny mpianatra iray farafahakeliny izay nasaina niasa tamin’ireo toko tsirairay avy hizara ny valinteniny. (Raha betsaka ny mpianatrao dia azonao atao ny manasa mpianatra samy hafa hanao tatitra momba ny fanontaniana tsirairay ho an’ny toko tsirairay.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Nahoana isika no mila finoana matanjaka toy izany? Satria hisy fotoan-tsarotra hiandry antsika amin’ny hoavy. Tsy ho fahita firy any amin’ny hoavy ny hahamora na hampalaza izany hoe ho tonga Olomasin’ny Andro Farany mahatoky izany. Hotsapaina avokoa ny tsirairay avy amintsika. … Ny fanenjehana dia mety hampianjera anao ao anatin’ny fahalemena mba hangina na hamporisika anao mba ho tonga ohatra bebe kokoa sy hanana risi-po eo amin’ny fiainanao isan’andro.

Ny fomba hiatrehanao ireo fizahan-toetra eo amin’ny fiainana dia tafiditra ao anatin’ny fitomboan’ny finoanao. Tonga eo aminao ny hery rehefa mahatsiaro ianao fa manana toetran’Andriamanitra ao aminao, lova izay tsy manam-petra ny hasarobidiny” (“Face the Future with Faith,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 35–36).

Asao ireo mpianatra hizara ny heviny mikasika ny fomba hahafahany mamaha ireo olana eo amin’ny fiainana sy ireo fitsapana ho an’ny tenany manokana tahaka izay nataon’i Nefia.

1 Nefia 19

Nirakitra an-tsoratra ireo faminaniana momba an’i Jesoa Kristy i Nefia mba handresena lahatra antsika hahatsiaro Azy

Raha mbola misy ny fotoana dia asao ireo mpianatra hamerina hijery ny zavatra nosoratany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ho an’ny andro faha 4, asa nampanaovina 5. Anontanio raha misy amin’izy ireo no vonona hizara ny zavatra nosoratany mikasika ny fitiavany ny Mpamonjy. Avy eo dia zarao ny fahatsapanao mikasika ny Mpamonjy.

Tia ny Mpamonjy i Nefia ary nahatsiaro Azy tao anatin’ny fitsapana nolalovany izy. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa tia sy mahatsiaro ny Mpamonjy isika dia hanampy antsika sy hanohana antsika ao anatin’ny fitsapana lalovantsika Izy.

Fizarana manaraka (1 Nefia 202 Nefia 3)

Ao amin’ny fizarana manaraka, ireo mpianatra dia hianatra ny sasany amin’ireo teny farany nataon’i Lehia tamin’ny fianakaviany talohan’ny nahafatesany. Hamaky ihany koa mikasika ny faminaniana iray taloha elabe, taloha lavitra an’i Jesoa Kristy, mikasika ny mpaminany Joseph Smith izy ireo.

Hamoaka printy