Tahirim-pitaovana
Môrônia


Fampahafantarana Ny Bokin’i Môrônia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny bokin’i Môrônia ny mpianatra dia afaka mahazo hery avy amin’ireo ohatra sy ireo fampianarana mahery vaika an’i Môrônia sy i Môrmôna rainy. Izy ireo dia hianatra momba ireo ôrdônansy sy fombafomba fototry ny Fiangonan’i Jesoa Kristy; ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa marina omban’ny tena finiavana; ny fomba hitsarana izay tsara sy ratsy; ny fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana; ary ny famonjena ireo ankizy madinika. Hamaky mikasika ny fanasan’i Môrmôna hivavaka mba hahafantaran’izy ireo ho an’ny tenany ihany koa fa marina ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny Môrônia 10:3–5) ary “[hanatona] an’i Kristy [sy ho] tanteraka ao Aminy” (Môrônia 10:32).

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Môrônia no nanoratra ity boky ity, izay ahitana ny teniny manokana, ny tenin’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpianany Nefita roa ambin’ny folo (jereo ny Môrônia 2), ary ny tenin’ny rainy, dia i Môrmôna (jereo ny Môrônia 7–9). Talohan’ny naharinganan’ny Nefita dia nanompo teo anivon’izy ireo tamin’ny naha mpitari-tafika sy mpitarika ny Fiangonana azy i Môrônia (jereo ny Môrmôna 6:12; Môrônia 8:1). Vavolombelon’ny Mpamonjy tahaka ny ankamaroan’ireo mpanoratra sy mpandrafitra ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia. Nijoro ho vavolombelona izy hoe: “Nahita an’i Jesoa aho, ary … niresaka tamiko nifanatrika Izy” (Etera 12:39). Nahatoky tamin’ny fijoroany ho vavolombelona i Môrônia, izay tsy nanaiky ny handà an’i Kristy nandritra ny fotoana iray izay namonoan’ny Lamanita ny Nefita rehetra tsy te handà Azy (jereo ny Môrônia 1:1–3). Tamin’ny 1823, tokotokony ho 1 400 taona taorian’ny nahavitana ny firaketana ny Bokin’i Môrmôna, dia niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny endriny efa natsangana tamin’ny maty i Môrônia ary nampahafantatra an’i Joseph fa nisy rakitsoratra napetraka tao amin’ny tendrombohitra iray teo akaikin’ny tranony (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:29–35). Nampianatra an’i Joseph Smith i Môrônia tamin’izany fotoana izany ary niverimberina nampianatra avy eo “momba izay andeha hataon’ny Tompo sy ny fomba hoenti-mitondra ny fanjakany amin’ny andro farany” (Joseph Smith—Tantara 1:54).

Ho an’iza no nanoratana io boky io ary nahoana?

Nilaza i Môrônia hoe “Manoratra zavatra misimisy ihany aho, fa angamba mba hisy lanjany ireny ho an’ny Lamanita rahalahiko, amin’ny andro ho avy” (Môrônia 1:4; jereo koa ny Môrônia 10:1). Nanambara ihany koa izy fa niteny “[t]amin’ny faran’ny tany rehetra” ny tenany, nampitandrina fa hotanana ho tompon’andraikitra amin’ireo teny nosoratany avokoa ny olona rehetra rehefa eo amin’ny toeram-pitsaran’Andriamanitra (jereo ny Môrônia 10:24, 27). Mba hiomanana amin’io fotoan-dehibe io dia nanasa ny rehetra “hanatona an’i Kristy” i Môrônia (Môrônia 10:30, 32).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Teo anelanelan’ny taona 401 Taorian’i J.K sy 421 Taorian’i J.K teo ho eo i Môrônia no nanoratra sy nandrafitra ity boky ity (jereo ny Môrmôna 8:4–6; Môrônia 10:1). Tsy nolazainy hoe taiza izy tamin’ny fotoana nanoratany azy—fa nilaza fotsiny hoe nirenireny izy na taiza na taiza azony naleha ho fitandroany ny ainy (jereo ny Môrônia 1:1–3).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Manome antsipiriany mikasika ireo torolalana nomen’i Jesoa Kristy ireo mpianany Nefita roa ambin’ny folo ity boky ity rehefa nanome hery ny mpianatra hanome ny fanomezan’ny Fanahy Masina Izy (jereo ny Môrônia 2; jereo koa ny 3 Nefia 18:36–37). Ahitana ireo fampianarana hany nomena ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ireo vavaka ampiasaina amin’ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ihany koa izany (jereo ny Môrônia 3–5). Tafiditra ao amin’ireo lafiny hafa mampiavaka ity ny fampianaran’i Môrmôna mikasika ny fanavahana ny tsara amin’ny ratsy (jereo ny Môrônia 7:12–19), ny fanompoan’ny anjely (jereo ny Môrônia 7:29–39), ny fiantrana amin’ny maha fitiavana madion’i Kristy azy (jereo ny Môrônia 7:44–48), ary ny famonjena ireo ankizy madinika (jereo ny Môrônia 8). Ahitana ny famaritan’i Môrmôna ny faharatsian-toetran’ny Nefita sy ny Lamanita talohan’ny adin’izy ireo farany tao Komôrà ihany koa izany (jereo ny Môrônia 9). Nampidirin’i Môrônia tao anatin’izany ny fampianarany mikasika ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy (jereo ny Môrônia 10:8–26). Noraketiny tao ihany koa ny fanasana iray izay hita ao amin’ny Môrônia 10:3–5, izay manome fandraisana anjara manan-danja amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nanazava ny Filoha Gordon B. Hinckley rehefa niresaka mikasika ireo andinin-tsoratra masina ireo fa ny Bokin’i Môrmôna “no hany boky mirakitra ao anatiny ny fampanantenana iray izay ahafahan’ny mpamaky azy mahafantatra tsy amim-pisalasalana ny fahamarinany avy amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra” (“A Testimony Vibrant and True,” Ensign, Aog. 2005, 4).

Topimaso ankapobeny

Môrônia 1–6 Raha mbola nirenireny ho fiarovana ny ainy i Môrônia dia nirakitra ireo ôrdônansy sy fombafomban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Izany dia ahitana ny fanomezana ny Fanahy Masina, ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny fisoronana, ny fitantanana ny fanasan’ny Tompo ary ny fahamendrehana hirotsaka amin’ny batisa. Niresaka mikasika ny famahanana ara-panahy ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ny tanjon’ny fivoriana ao amin’ny Fiangonana ihany koa izy, ary ny fomba nitarihana izany.

Môrônia 7 Nanoratra lahateny iray nataon’i Môrmôna i Môrônia, izay nampianatra mikasika ny Fahazavan’i Kristy, ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa tsara amin-kitsimpo, ny fanavahana ny fahasamihafana eo amin’ny tsara sy ny ratsy, ny fihazonana ny zavatra tsara rehetra ary ny fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy ny fanantenana ary ny fiantrana.

Môrônia 8–9 Nanoratra taratasy avy amin’i Môrmôna i Môrônia, izay manazava ny antony tsy ilàn’ny ankizy madinika ny batisa sy mamaritra ny faharatsiana mahatsiravina teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita.

Môrônia 10 Nanentana ireo rehetra izay hamaky ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia ny hivavaka mba hamantatra ny fahamarinan’izany, ny tsy handà ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ary ny hanatona an’i Kristy sy ho tonga tanteraka ao Aminy.

Hamoaka printy