Tahirim-pitaovana
Lesona 152: Môrônia 1–3


Lesona 152

Môrônia 1–3

Fampidirana

Rehefa nahavita namintina ny takelak’i Etera i Môrônia dia nihevitra izy fa tsy hanoratra intsony. Notaomim-panahy anefa izy “[h]anoratra zavatra misimisy ihany … , fa angamba mba hisy lanjany ireny ho an’ny Lamanita rahala[hiny], amin’ny andro ho avy, araka ny sitrapon’ny Tompo” (Môrônia 1:4). Nanamafy ny fahatokiany an’i Jesoa Kristy ireo teniny ary mampisongadina ireo ôrdônansin’ny filazantsara ihany koa izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 1

Nirenireny mba ho fitandroana ny ainy i Môrônia ary nanohy ny fanoratany

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka notantarain’ny zatovovavy iray ity, izay nijoro tamin’ireo zavatra ninoany tany an-tsekoly:

“Niresaka teny anoloana tao am-pianarana mikasika ny ampahany fohy tamin’ny horonan-tsary iray izay hojerenay ny mpampianatra ahy. … Tsy taitra mihitsy ilay mpampianatra ahy … nanazava fa … misy ampahany izay natao ho an’ny olon-dehibe ao amin’ilay horonan-tsary. Tena taitra aho. … Tsy mbola nieritreritra mihitsy aho hoe hisy zavatra toy izany hitranga.

“Nipetraka teo amin’ny sezako aho ary nieritreritra ny zavatra tokony hataoko. Tsy nety afaka tao an-tsaiko ilay eritreritra hoe: Nangatahina mba tsy hijery horonan-tsary manafintohina isika. Niezaka nanamboatra saina aho hoe ho mendrika ny ampahany amin’ilay horonan-tsary hojerenay satria tany an-tsekoly aho. Saingy nahery kokoa noho izany ilay eritreritra hoe tsy tokony hijery horonan-tsary manafintohina.

“Natsangako tamim-pitoniana ny tanako ary nangataka teo anatrehan’ny iray kilasy tamiko aho mba hipetraka tany ivelan’ny efitrano fianarana nandritra ny fotoana nandefasana ilay horonan-tsary. Tsapako ho nibanjina ahy avokoa ny mason’ny rehetra rehefa nanosika ny sezako aho ary nandray ny bokiko. Hitako ny endrik’izy ireo izay tsy nahatakatra tsotra izao.

“Nahatsapa ho faly tokoa aho nandritra ny fotoana nipetrahako tao an-dalantsara. Fantatro fa nanao izay mety aho na inona na inona nolazain’ny mpiara-mianatra tamiko na ny mpampianatra ahy. Nahatsapa ho matanjaka kokoa ihany koa aho. Fantatro fa tsy voatery hoe tsy maintsy mijery ampahany tsy mendrika ao amin’ny horonan-tsary iray aho satria nampiseho izany taminay ny mpampianatra ahy.

“… Mino aho fa hampatanjahina kokoa isika rehefa miatrika fotoam-pahoriana ary manohitra azy ireny noho ny hoe mipetraka fotsiny ary mamela azy ireny hiseho.

“Hery anaty afaka ny ho azo amin’ny alalan’ny Mpamonjy antsika izany. Hampatanjahina isika raha mahatsiaro Azy ao anatin’ny fotoan-tsarotra lalovantsika. Afaka manampy antsika hiatrika fahoriana ny finoantsika Azy” (Catherine Hall, “Standing Up, Standing Out,” New Era, Feb. 2012, 11).

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 1:1–3 mba hitady ny fomba nijoroan’i Môrônia irery tamin’ny finoany. Asao izy ireo hitatitra ny zavatra hitany. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Midika inona aminao ny hoe “tsy handà an’i Kristy?”

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no naneho fahavononana hanaraka an’i Jesoa Kristy raha mbola teo anivon’ny zava-mahory?

Hazavao fa na dia ohatra lehibe tamin’ny tsy fandavana an’i Jesoa Kristy aza ny ohatra nasehon’i Môrônia sy ilay zatovovavy dia afaka mandray fanapahan-kevitra madinidinika isan’andro ny tsirairay avy amintsika izay maneho finoana sy fankatoavana ary faniriana mitovy “tsy handà an’i Kristy.”

  • Inona avy ireo fomba azonao hanarahana ny ohatra nasehon’i Môrônia? (Afaka milaza ny mpianatra fa afaka ny tsy ho menatra ny filazantsara sy ny fitsipiky ny filazantsara izy ireo, mankatò ny didy, maneho ohatra tsara, ary mijanona ho mafy orina amin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy na dia tsy manao izany aza ny hafa.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 1:4. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino izany ary hitady ireo antony nahatonga an’i Môrônia nisafidy ny hanohy hanoratra. Rehefa avy mitatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia lazao amin’izy ireo fa nanoratra mba ho tombontsoan’ny taranak’ireo izay nikatsaka ny hamono azy i Môrônia.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny fanirian’i Môrônia hanampy ny Lamanita? (Afaka maneho ny fanoloran-tenantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanehoana fitiavana amin’ireo fahavalontsika.)

Hazavao fa nitarika an’i Môrônia hanoratra mikasika ireo lafin-javatra fototra vitsivitsy an’ny Fiangonana izay tsapany fa “hisy lanjany” ny fanoloran-tenan’i Môrônia tamin’i Jesoa Kristy (Môrônia 1:4). Asao ny mpianatra hieritreritra ny mety hampisy lanjany ho azy ireo ny Môrônia 2–3 eo am-pandalinan’izy ireo ireo toko ireo.

Môrônia 2

Nirakitra an-tsoratra ny torolalana nomen’i Jesoa Kristy mikasika ny fanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina i Môrônia

Asao ny zatovolahy iray ho eny anoloana. Asao ny iray kilasy haka sary an-tsaina io zatovolahy io ho toy ny hoe misiônera amin’ny fotoana feno any aoriana any. Nampianatra olona iray ny filazantsara izy sy ny mpiara-mitory aminy ary nanapa-kevitra ny ho atao batisa ilay olona. Nasaina hanao ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana ilay zatovolahy ao amin’ny kilasinao, ary tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Apetraho amin’ilay zatovolahy ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no mety hataonao hiomanana amin’ny fanatanterahana io ôrdônansy io? (Rehefa avy mamaly ilay zatovolahy dia asao ny mpianatra sisa ao an-dakilasy hizara ihany koa ny eritreritr’izy ireo.)

Hazavao fa rehefa namangy ny Nefita ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty dia “nokasihiny tamin’ny tanany ny mpianatra tsirairay izay efa nofinidiny” ary “nomeny fahefana izy ireo hanome ny Fanahy Masina” (3 Nefia 18:36–37). Nampidirin’i Môrônia tao amin’ny rakitsorany ny torolalana sasantsasany nomen’ny Mpamonjy ireo mpianatra Nefita roa ambin’ny folo mikasika ny fomba fanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 2:1–3 ary angataho ny iray kilasy hitady ity fampahalalana manaraka ity.

  1. Ny zavatra tokony hataon’ilay olona manatanteraka ilay ôrdônansy mba hiomanana

  2. Ny fomba tokony hanatanterahana ilay ôrdônansy

Apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra rehefa avy mamaky ireo andininy ireo ny mpianatra:

  • Araka ny voalazan’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b ho an’ny Môrônia 2:2, inona no fisoronana takiana mba hanomezana ny fanomezan’ny Fanahy Masina? (Ny Fisoronana Melkizedeka.)

  • Inona no tokony hataon’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mba hiomanana hanome ny fanomezan’ny Fanahy Masina? (Tokony “hiantso ny Ray amin’ny anara[n’i Jesoa Kristy izy] amin’ny faherezana mivavaka.”)

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no hanampian’ny vavaka ny olona iray hiomana hanatanteraka ôrdônansy irain’ny fisoronana?

  • Ahoana no tokony hanatanterahana ny ôrdônansin’ny fandraisana ho mpikambana? (Amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ary amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Hazavao fa tokony hampiasa teny vitsivitsy ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka amin’ny ampahany amin’io ôrdônansy io. Omena boky kely misy torolalana mikasika ny fomba hanatanterahana ireo ôrdônansy sy fitsofan-drano ny misiônera amin’ny fotoana feno.)

Azonao atao ny mamintina ny zavatra nianaran’ny mpianatra hatreto amin’ny alalan’ny fanoratana ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Manome ny fanomezan’ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana vita batisa ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka.)

Môrônia 3

Nirakitra an-tsoratra ny torolalana nomen’i Jesoa Kristy mikasika ny fanokanana mpisorona sy mpampianatra i Môrônia

Afaka mangataka zatovolahy iray ianao iray andro na roa andro alohan’ny hampianarana ity lesona ity mba hiomana hamaky ny fitohizam-pahefan’ny fisoronany amin’ny iray kilasy. (Na afaka miomana hamaky ny fitohizam-pahefan’ny fisoronanao ianao na ny fitohizam-pahefan’ny fisoronan’ny olona ao amin’ny fianakavianao na mpitarika ao amin’ny fisoronana ao amin’ny paroasy na sampana misy anao.) Hazavao fa ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana dia manoritra ny fahefan’ny mpihazona fisoronana mankany amin’i Jesoa Kristy. Afaka mangataka ny taratasy mirakitra ny fitohizam-pahefany ireo mpihazona ny Fisoronan’i Melkizedeka amin’ny alalan’ny fifandraisana amin’ireo foiben’ny Fiangonana na ireo birao mpitantana eo amin’ny faritra misy azy ireo. Tsy manome taratasy mirakitra ny fitohizam-pahefana ho an’ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna ny Fiagonana. Kanefa raha natokana tamin’ny alalan’ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ny mpihazona ny Fisoronana Aharôna iray dia mety ho afaka hianatra mikasika ny fitohizam-pahefan’ilay lehilahy nanokana azy izy.)

Asao ilay mpianatra hamaky ny fitohizam-pahefany amin’ny iray kilasy (na vakio ny fitohizam-pahefanao izay nentinao tao an-dakilasy). Asao izy hizara ny hoe midika inona aminy ny mahafantatra fa afaka manoritra ny fahefan’ny fisoronany mivantana mankany amin’i Jesoa Kristy izy (na zarao ny zavatra tsapanao mikasika ireo mpihazona ny fisoronana izay afaka manoritra ny fahefan’izy ireo mankany amin’ny Mpamonjy).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa avy amin’i Jesoa Kristy sy ny Ray any an-danitra ny fahefana hanatanterahana ireo adidin’ny fisoronana rehetra dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mitaky zavatra bebe kokoa noho ny fifanarahana tsotra eo amin’ny olona ny fanaovana asa miaraka amin’ny herin’Andriamanitra. Tsy azo avy amin’ny fiofanana ara-pivavahana izany na avy amin’ny asa ampiandraiketin’ny mpiara-mivavaka. Tsia, tsy maintsy misy hery lehibe kokoa noho izay efa ananan’ny olona eo anivon’ny mpiara-mivavaka na eny an-dalana na ao amin’ireo seminera (fiofanana ho pretra) ao anatin’ny asa nanomezan’Andriamanitra lalana—fahamarinana iray izay efa fantatr’ireo mpikatsaka marina mikasika ny fivavahana sy efa neken’izy ireo ampahibemaso nandritra ny taona maro izay tonga hatrany amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny. …

“… Isika ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy dia afaka manoritra ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana ampiasain’ireo diakona vaovao ao amin’ny paroasy, ny eveka izay miahy azy, ary ny mpaminany izay miahy antsika rehetra. Mitohy toy ny rojo tsy tapaka hatrany amin’ny fanompoan’ny anjely izany fitohizana izany, izay avy amin’ny Zanakalahin’Andriamanitra, izay mitondra io fanomezana tsy manan-tsahala avy any an-danitra io” (“Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, Mey 2005, 44).

  • Nahoana no zava-dehibe ho anareo ny mahafantatra fa afaka manoritra ny fahefany mankany amin’i Jesoa Kristy avokoa ny mpihazona fisoronana tsirairay ato amin’ity Fiangonana ity?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 3:1–4. Angataho ny iray kilasy hanaraka sy hihaino mba hitady ny fomba hanokanana ny tsirairay amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana.

  • Amin’ny fomba ahoana no hanokanana ny tsirairay amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana? (Atokana amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ataon’ireo izay manana fahefana ny olona tsirairay.)

  • Nahoana no ilaina ny hanokanana ny olona iray ho amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny olona iray mihazona amin’izao fotoana izao izany anjara fanompoana izany, na anjara fanompoana lehibe kokoa ao amin’ny fisoronana?

Asao ireo mpihazona fisoronana ao an-dakilasy hanazava fohifohy ny adidin’izy ireo ao amin’ny fisoronana. Anontanio ny iray kilasy hoe:

  • Oviana ianareo no notahiana satria nanatontosa ny andraikiny ny mpihazona fisoronana iray?

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra tsapany momba ny fomba nitondran’ny fisoronana fitahiana teo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara ny fomba nitahiana ny fiainanao noho ny fisoronana.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Omeo ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fehezina rehetra 25 ao amin’ny bokin’i Môrmôna sy antsasaka taratasy ny mpianatra. Asao ny mpianatra hanoratra ny isa 1, 2 ary 3 eo amin’ny taratasin’izy ireo. Aorian’izay dia vakio ireto ohatra eto ambany ireto (na manomana ohatra manokana avy aminao izay mety misy hifandraisany bebe kokoa amin’ny zavatra ilaina sy mahaliana ny mpianatra ampianarinao). Angataho ny mpianatra hanoratra eo akaikin’ny isa eo amin’ny taratasin’izy ireo ny andinin-tsoratra masina heverin’izy ireo fa mifandray indrindra amin’ny ohatra vakianao. Avy eo dia asao izy ireo hizara ny valinteniny. Koa satria mety hisy ny fampifandraisana azo atao mihoatra ny iray dia asao ny mpianatra hanazava ny antony nisafidianan’izy ireo andinin-tsoratra masina manokana.

  1. Mikatsaka hery handresena fakam-panahy sarotra iray manokana ianao. (Valiny azo omena: Helamàna 5:12 sy 3 Nefia 18:15, 20–21.)

  2. Nahazo torolalana mikasika ny zavatra hatao ianao teo am-pandalinana soratra masina ary teo am-pieritreretana zava-tsarotra iray teo amin’ny fiainanao. (Valinteny azo omena: 2 Nefia 32:3.)

  3. Nahatsapa fanerena avy amin’ny namana sasany ianao handray anjara amin’ny fiaraha-mientana izay mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra. Nilaza taminao izy ireo fa ireo fiaraha-mientana ireo dia tafiditra ao anatin’ny maha-tanora ny tena sy ny fitadiavana fahafinaretana. (Valinteny azo omena: Môsià 4:30; Almà 37:35; 41:10.)

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrônia 2. Mpihazona ny fisoronana eo anivon’ny taranak’i Lehia

Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

“Taranak’i Josefa ny Nefita. Nahafantatra izany i Lehia rehefa namaky ireo takela-barahina. … Tsy nisy Levita nanaraka an’i Lehia tany amin’ny Ilam-bolantany Andrefana. Tao anatin’izany toe-javatra izany dia nanao asa tamin’ny anaran’ny Fisoronana Melkizedeka ny Nefita nanomboka tamin’ny andron’i Lehia ka hatramin’ny fotoana nisehoan’ny Mpamonjy teo anivon’izy ireo. …

“Rehefa tonga teo amin’ny Nefita ny Mpamonjy dia nanorina ny Fiangonana tao amin’ny fahafenoany teo anivon’izy ireo Izy. … Noho izany dia voamarina isika amin’ny finoana fa tsy ny fahafenoan’ny Fisoronana Melkizedeka ihany no nampitaina fa ny Aharôna ihany koa, tahaka ny ananantsika izany ato amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao; ary nitoetra teo amin’izy ireo io Fisoronana Aharôna io nanomboka tamin’izany fotoana izany mandra-pitsahatry ny fisoronana rehetra tao anatin’ny haizina. Mety azontsika antoka fa tsy nanokana mpampianatra sy mpisorona tao amin’ny Fisoronana Aharôna ny Nefita tamin’ny andron’i Môrônia, kanefa niasa tamin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka izy ireo talohan’ny fitsidihana nataon’ny Mpamonjy” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 1:124, 126).

Môrônia 2:1. Moa ve nantsoina ho Apôstôly ireo mpianatra Nefita roa ambin’ny folo nanompo?

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Ity boky ity [ny Bokin’i Môrmôna] ihany koa dia milaza amintsika fa naneho ny tenany teo amin’io kaontinanta io Izy taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty; … mba hananan’izy ireo Apôstôly, Mpaminany, Mpitandrina, Mpampianatra, ary Evanjelista, lamina mitovy, fisoronana mitovy, ôrdônansy mitovy, fanomezam-pahasoavana, hery, ary fitahiana tahaka izay nananan’ny olona tany amin’ny kaontinanta atsinanana” (Histoire de l’Église, 4:538).

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe:

“Raha toa ka noresahana ho toy ny mpianatra ireo Nefita Roa ambin’ny folo tamin’ny fotoana rehetra, ny marina dia nomena fahefana avy amin’ Andriamanitra izy ireo mba ho vavolombelona manokan’i Kristy teo anivon’ny vahoakan’izy ireo. Noho izany dia toy ny apôstôly ho an’ny foko Nefita” izy ireo (Doctrine du Salut, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 3:158).

Hamoaka printy