Tahirim-pitaovana
Lesona 101: Almà 45–48


Lesona 101

Almà 45–48

Fampidirana

Rehefa avy nanome torolalana farany tamin’i Helamàna zanany lahy i Almà dia nandao ny vahoakan’i Nefia izy ary tsy re intsony ny momba azy. Lasa mpitarika ara-panahy lehibe i Helamàna ary lasa mpitari-tafika lehibe nandritra ny fotoan-tsarotra ho an’ny Nefita i Môrônia. Nanao izay hampandeha ny tetika feno hafetsena iray hahazoana fahefana hitondra ny Nefita i Amalikià, izay mpitarika andiana Nefita mpiendaka. Nanampy ny Nefita hampatanjaka ny tenany tamin’ny fanafihan’ny fahavalon’izy ireo ny kapiteny Môrônia mba hahafahan’izy ireo mihazona ny fahafahany sy ny fahalalahany amin’ny fitsaohana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Almà 45

Nino ny tenin’i Almà i Helamàna ary nanomboka ny asa fanompoany

Asao ny mpianatra hieritreritra dinidinika iray nataon’izy ireo niaraka tamin’ny ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny fisoronana.

  • Karazam-panontaniana toy ny ahoana matetika no apetrak’ireo ray aman-dreny sy mpitarika ao amin’ny fisoronana?

Hazavao aorian’ny fifanakalozan-kevitra fohy fa alohan’ny nanomezan’i Almà an’i Helamàna zanany lahy andraikitra hitana ireo rakitsoratra masina sy niala ny tany (jereo ny Almà 45:18–19) dia nametraka andiam-panontaniana tamin’i Helamàna izy. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 45:2–8 ary hikaroka ireo fanontaniana napetrak’i Almà sy ireo valinteny nomen’i Helamàna.

  • Niady tamin’ny Lamanita ny Nefita tamin’io fotoana nifampiresahan’i Almà sy i Helamàna io. Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no mety nanampian’ny finoan’i Helamàna azy nandritra ny ady sy nandritra ny asa fanompoany?

  • Oviana ianareo no nahazo hery avy amin’ny finoanareo an’i Jesoa Kristy sy ny tenin’ireo mpaminany ary avy amin’ny fanolorantenanareo hitandrina ny didy?

Fintino ny Almà 45:9–19 amin’ny alalan’ny filazana amin’ny mpianatra fa niala ny tany i Almà taorian’ny naminaniany mikasika ny faharinganan’ny firenena Nefita amin’ny farany ary tsy re intsony na oviana na oviana ny aminy. Naminany farany izy talohan’ny nandehanany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 45:16.

  • Inona ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io faminaniana io? (Mety hilaza fitsipika marobe ny mpianatra, kanefa ataovy izay hahazoana antoka fa izy ireo dia maneho fa mahatakatra hoe ny Tompo dia tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra.)

Hazavao fa nanomboka ny asa fanompoany tamin’ny fanendrena mpisorona sy mpampianatra manerana ny tany i Helamàna. Asao ny mpianatra handalina ny Almà 45:23–24 ary hikaroka ny fomba fihetsiky ny vahoaka tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ireo.

  • Inona no fihetsika nasehon’ny vahoaka tamin’ireo mpitarika azy ireo tao amin’ny Fiangonana? Nahoana no nandà tsy hihaino ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny vahoaka sasany?

Almà 46

Nanangona ny olo-marina hiaro ny zon’izy ireo sy ny fivavahany ny Kapiteny Môrônia

Fintino ny Almà 46:1–3 amin’ny alalan’ny fanazavana fa notarihin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Amalikià ireo olona tsy nety nihaino ireo mpitarika ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 46:4–5 ary hikaroka ny zavatra nirian’i Amalikià sy ireo mpanara-dia azy. Asao ny mpianatra hanazava ny zavatra hitany.

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 46:6–7 ary hikaroka ireo vokatry ny fitaoman’i Amalikià ireo izay nanaraka azy.

  • Inona no nitranga vokatry ny fitaoman’i Amalikià?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 46:8–10 ary hikaroka ireo lesona tian’i Môrmôna ianarantsika avy amin’ny zavatra nataon’i Amalikià. Azonao atao ny manamafy fa maro amin’ireo lesona ireo no ampidirin’ny andian-teny hoe “dia toy izany no ahitantsika” na “hitantsika.” (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ireo lesona ireo ao amin’ny soratra masiny.) Mety hahita ireto lesona manaraka ireto ny mpianatra:

Mailaka ny hanadino ny Tompo sy hanao heloka ny maro amin’ny olona.

Afaka mampisy faharatsiana lehibe ny lehilahy ratsy fanahy iray.

Mba hampitahana an’i Amalikià amin’ny Kapiteny Môrônia dia asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 46:11–18 sy Almà 48:11–13, 17. Asao ny antsasaky ny mpianatra hitady ny zavatra nirian’i Môrônia. Asao ilay antsasany iray hafa amin’ny mpianatra hikaroka ireo teny sy andian-teny mamaritra ny toetoetran’i Môrônia. (Ampio ny mpianatra hahita ny mampiavaka ny antony marina nandrisika an’i Môrônia sy ny antony ratsy nandrisika an’i Amalikià. Nanohana ny fahafahana sy ny fahamarinana i Môrônia raha toa kosa ka naniry mafy ny hahazo fahefana i Amalikià ary nikatsaka ny hamarina ny Nefita tao amin’ny fanandevozana.)

  • Avy amin’ny zavatra novakianareo, ahoana no hamaritanareo ny Kapiteny Môrônia? Inona no fitsipika ianarantsika avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Mety hilaza fitsipika maro samy hafa ny mpianatra, izay ahitana ny fahamarinana hoe afaka mampisy fahamarinana lehibe ny lehilahy marina iray.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 46:11–18, nivavaka ho an’ny inona Môrônia? (Ho an’ireo fitahian’ny fahafahana sy ny fahafahana mba hijanona miaraka amin’ny Nefita sy ny “foto-kevitry ny Kristiana” mba hankasitrahan’Andriamanitra.)

Nivavaka momba ny “foto-kevitry ny Kristiana “i Môrônia. Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 46:12 dia inona ireo foto-kevitra telo tsapan’i Môrônia fa tokony harovana sy hajain’ny Kristiana? (Ampio ny mpianatra hahita fa adidintsika ny miaro ny fianakaviana, ny fivavahantsika ary ny fahafahantsika. Jereo koa ny Almà 43:45–48.)

  • Inona ireo zava-tsarotra manohitra ny fianakaviana, ny Kristiana, ary ny fahafahana amin’izao fotoana izao? Inona avy ireo fomba mety azontsika hiarovana ny fianakaviantsika, ny fivavahantsika ary ny fahafahantsika?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Almà 46:18–22 ary hikaroka ny zavatra nasain’i Môrônia hataon’ny vahoakany. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny teny hoe fanekempihavanana ao amin’ireo andininy ireo.)

  • Inona no neken’ny vahoaka fa hataony? (Hiaro ny zony sy ny fivavahany; tsy hahafoy ny Tompo; tsy handika ny didin’Andriamanitra; ary tsy ho menatra ny hitondra eo aminy ny anaran’i Kristy.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 46:22 dia inona no nataon’ny vahoaka mba ho mariky ny fanekempihavanana nataony? (Nandrovitra ny fitafiany izy ireo ary nanipy ny vorotr’izany teo an-tongotr’i Môrônia.)

Atsangano ambony amin’ny tanana ny sombin-damba iray ary rovito hisasaka izany. Azonao atao ny manazava fa ny vahoaka dia naneho ny fanoloran-tenany tamin’ilay fanekempihavanana nataony tamin’ny alalan’ny fandrovitana ny fitafiany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 46:21–22 dia inona no nolazain’ny vahoaka fa tokony hitranga raha mandika ny fanekempihavanany izy ireo?

  • Ahoana no hanampian’izany anareo hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fanekempihavanana ataontsika amin’Andriamanitra?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa niatrika ireo fahavalony izay te handrava azy ireo i Môrônia sy ny vahoakany.

  • Araka ny voalazan’ny Almà 46:18, inona no nolazain’i Môrônia fa mety hitondra ny vahoaka ho amin’ny faharavana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Raha mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia … Andriamanitra.

Asao ny mpianatra hizara ny fomba hamenoan’izy ireo ilay fehezanteny avy amin’ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny Almà 46:18–22. Asao ihany koa izy ireo hanome ohatra mikasika ny fomba hahafantaran’izy ireo fa marina ilay fehezanteny. Mety tsy hitovy ny valinteny. Fintino ny valinteny amin’ny alalan’ny famenoana ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe araka izao manaraka izao: Raha mitandrina ny fanekempihavanantsika isika dia hitahy antsika Andriamanitra. Amporisiho ny mpianatra hitady ny porofo izay manohana io fitsipika io eo am-pandalinan’izy ireo ny sisa tavela amin’ireo toko ao amin’ny Almà. Azonao atao ny miresaka mikasika ny fotoana iray nitahian’ny Tompo anao tamin’ny fanajanao ny fanekempihavananao.

Fintino ny Almà 46:29–41. Hazavao fa nahita i Amalikià sy ny mpanara-dia azy fa vitsy an’isa izy ireo ka noho izany dia nandeha tany an-tanin’i Nefia izy ireo noho ny fikasany hitambatra tamin’ny Lamanita. Nosakanan’ny miaramilan’i Môrônia tsy ho tonga tao amin’ny tanin’i Nefia ny ankamaroan’ny olona niaraka tamin’i Amalikià. Maro tamin’ireo mpanara-dia an’i Amalikià no nanao fanekempihavanana hanohana ny fahafahana. Novonoina ho faty ireo vitsivitsy tsy nety nanao fanekempihavanana. Tafatsoaka i Amalikià sy ny vitsy dia vitsy tamin’ny lehilahiny ary nitambatra tamin’ny Lamanita.

Almà 47

Lasa mpanjakan’ny Lamanita tamin’ny famitahana i Amalikià

Anontanio ny mpianatra ny zavatra mety ho tsapan’izy ireo raha toa izy ireo ka mandray anjara amin’ny lalao fifaninanana iray na fifaninanana hafa, ary izy ireo dia nanana boky nirakitra ny fikasan’ireo mpifaninana amin’izy ireo mba handresena amin’ny fifaninanana. Lazao amin’ny mpianatra fa rehefa mampifanahaka ny Almà 47 amin’ny tenantsika isika dia afaka mianatra lesona manan-danja maromaro momba ny paik’adin’i Satana amin’ny fiezahana handresy antsika.

Fintino ny Almà 47:1–6 amin’ny fitenenana amin’ny mpianatra fa nanohy hatrany nanatratra ny tanjony mba hahazo fahefana hanjakana amin’ny Nefita i Amalikià. Namolavola tetika feno hafetsena izy hanonganana ny mpanjakan’ny Lamanita ary ho lasa mpanjakan’izy ireo mba hahafahany hitondra ny Lamanita hiady amin’ny Nefita amin’ny farany. Nahazo ny fankasitrahan’ny mpanjakan’ny Lamanita i Amalikià rehefa nitambatra tamin’ny Lamanita, ary notendren’ny mpanjaka hitondra ny ampahany tamin’ny miaramila Lamanita izy. Nandidy an’i Amalikià sy ny miaramilany ny mpanjaka hanenjika ny ampahany tsy mpankatò tamin’ny tafika Lamanita izay notarihin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Lehôntia. Nodidiana hanery ny miaramilan’i Lehôntia handray ny fitaovam-piadiany hiady amin’ny Nefita i Amalikià kanefa nanana fikasana hafa izy.

Asao ny mpianatra handalina ny Almà 47:7–19 ary hihevitra ny tenan’izy ireo ho toy ny hoe i Lehôntia ary handray an’i Amalikià ho toy ny hoe i Satana. Asao izy ireo hamaky mangina ny Almà 47:7–10 ary hikaroka ny toerana nalehan’i Lehôntia mba hiarovana ny miaramilany sy ny zavatra noezahin’i Amalikià ampanaovina an’i Lehôntia.

  • Taiza no namorian’i Lehôntia ny miaramilany mba hiomana amin’ny ady? Inona no tombony azon’ny tafika iray raha toa ka amin’ny toerana avoavo kokoa noho ny fahavalony no misy azy?

  • Inona no tian’i Amalikià hataon’i Lehôntia? Inona avy ireo paikady ampiasain’i Satana mba hahazoana antsika hidina avy eny amin’ny toerana avo? (Mety ho isan’ny valinteny ny hoe maka fanahy antsika hampidina ny fenitra arahantsika sy mitaona antsika handeha amin’ny toerana tsy azo antoka ho an’ny ara-panahintsika.)

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Almà 47:11–19. Asao ny iray kilasy hamaky sy hihaino ary hieritreritra ny fomba azo ampanahafana ny paik’adin’i Amalikià amin’ny paik’ady ampiasain’i Satana mba hanimbana antsika.

  • Amin’ny fomba manao ahoana no itovizan’ny paik’adin’i Amalikià amin’ny paik’ady ampiasain’i Satana hanimbana antsika? (Mety ho isan’ny valinteny ho azo ny hoe i Satana dia tsy mety sasatra, mpamitaka, fetsifetsy ary tsy mamindra fo.)

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny fomba hikatsahan’i Satana hanapoizinana antsika “tsikelikely”?

Fintino ny Almà 47:20–36 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanohy namitaka sy namono olona i Amalikià mandra-pahatonga azy ho lasa mpanjakan’ny Lamanita. Hamafiso fa tena nitovy tokoa tamin’ny fikasan’i Satana sy ny paik’adiny amintsika ny fikasan’i Amalikià sy ny paik’adiny. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Mikatsaka ny hanimba antsika i Satana ary mitaona antsika tsikelikely hampidina ny fenitra arahantsika.

Almà 48

Nanomana ny sain’ny Nefita ho vonona sy ho mahatoky ny Kapiteny Môrônia

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Almà 48:7–10 ary hikaroka ny zavatra nataon’i Môrônia raha toa kosa i Amalikià ka nikatsaka ny hahazo fahefana teo anivon’ny Lamanita.

  • Inona no nataon’i Môrônia raha toa kosa ka nikatsaka ny hahazo fahefana teo anivon’ny Lamanita i Amalikià tetsy ankilany?

  • Inona no nataon’i Môrônia hampatanjahana ny vahoakany sy ireo tanànany tamin’ny fanafihana amin’ny hoavy? Taiza avy ireo toerana voafaritra izay nifantohan’i Môrônia manokana?

Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ireo sehatra mampalemy azy ireo eo amin’ny fiainany ary inona no tokony hataony hampatanjahana ireo sehatra ireo. Asao izy ireo hanoratra ny eritreriny.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 48:10, nahoana no niasa mafy i Môrônia mba hampatanjahana ny vahoakany tamin’ny fahafihan’ny fahavalon’izy ireo? (Antitrantero fa te hanampy tamin’ny fihazonana ny fahafahan’ny Nefita hampihatra ny fivavahan’izy ireo i Môrônia.)

  • Inona avy ireo zavatra ampianarin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao mba hanampiana antsika hampatanjaka ireo sehatra mampalemy antsika ara-panahy?

  • Nahoana no miasa mafy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba hampatanjahana antsika ara-panahy?

Omeo antoka ny mpianatra fa hampatanjahana hanohitra ny fakam-panahy isika rehefa manaraka ny torohevitr’ireo mpanompon’ny Tompo.

Amporisiho ny mpianatra hitady amim-pitandremana ao amin’ireo toko ao amin’ny Almà ireo fitsipika mikasika ny lanjan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana sy ny maha zava-dehibe ny fampatanjahana ny tenantsika mba hanoherana an’i Satana.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Almà 46:21–22. Ny maha zava-dehibe ireo fanekempihavanana

Nijoro ho vavolombelona momba ny maha zava-dehibe ny fanaovana fanekempihavanana ny Loholona Paul E. Koelliker ao amin’ny Fitopololahy manao hoe:

“Tena manan-danja amin’ny famonjena antsika mandrakizay ny fifantohana tsara amin’ny fanaovana fanekempihavanana. Fifanarahana ataontsika amin’ny Raintsika any an-danitra ny fanekempihavanana, izay hanolorantsika ny fontsika sy ny saintsika ary ny fitondrantenantsika hitandrina ny didy napetraky ny Tompo. Rehefa mahatoky amin’ny fanajana ny fifanarahana nataontsika isika dia manaiky izy na mampanantena ny hitahy antsika any aoriana any amin’izay rehetra ananany” (“Gospel Covenants Bring Promised Blessings,” Ensign na Liahona, Nôv. 2005, 94).

Almà 48:19. “Tsy latsa-danja … tamin’ny fanompoana”

Nanazava ny zavatra tian’i Môrmôna holazaina ny Filoha Howard W. Hunter rehefa nanoratra i Môrmôna hoe i Helamàna dia “tsy latsa-danja noho i Môrônia tamin’ny fanompoana ny vahoaka”:

“Na dia tsy dia tsikaritra na nalaza tahaka an’i Môrônia aza i Helamàna dia tena nanompo; izany hoe: tena nanampy na nilaina tahaka an’i Môrônia izy. …

“Tsy ho lasa tahaka an’i Môrônia avokoa isika rehetra, izany hoe hahazo ny fankasitrahan’ireo namantsika mandritra ny tontolo andro isan’andro. Tsy halaza ny ankamaroantsika fa mety ho olona tsy misy mpahalala mihitsy aza, izay mandehandeha eny ary manao mangina ny asantsika. Ho anareo izay mety mahita izany ho fanirery na mampatahotra na tsy misy mpahalala dia hoy aho hoe ‘tsy latsa-danja amin’ny fanompoana’ ianareo raha ampitahaina amin’ireo izay be mpahalala eo amin’ny fiaraha-monina misy anareo. Isan’ny miaramilan’ Andriamanitra koa ianareo.

“Eritrereto ohatra ny fanompoana tsy manam-pitsaharana ataon’ny reny na ray iray ao anatin’ny fahanginana sy tsy misy mpahalala ao anatin’ny tokantranon’ny Olomasin’ny Andro Farany mendrika iray. Eritrereto ireo mpampianatra ny Fotopampianaran’ny Filazantsara sy ireo mpihira ao amin’ny Kilonga ary ireo mpitarika ny Skoto sy ireo mpamangy sy mpampianatra isan-tokantrano ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izay manompo sy mitondra fitahiana ho an’ny olona an-tapitrisany kanefa tsy hoderaina eny imasom-bahoaka mihitsy ny anaran’izy ireo na ho hita ao amin’ireo haino aman-jerin’ny firenena.

“Analiny ireo olona tsy misy mpahita izay manome antsika ireo fahafahana hanao zavatra sy fahasambarana isan’andro. Araka ny voalazan’ny soratra masina dia tsy ‘latsa-danja … tamin’ny fanompoana’ izy ireo raha ampitahaina amin’ireo izay resahana eo amin’ny pejy voalohany amin’ireo gazety an-tsoratra.

“Ny zavatra tena ifantohan’ny tantara sy ny eritreritra amin’izao fotoana izao matetika dia mifantoka amin’ilay iray fa tsy amin’ny maro” (“No Less Serviceable,” Ensign, Apr. 1992, 64).