Tahirim-pitaovana
Môsià


Fampahafantarana NYBokin’i Môsià

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Mandritra ny fandalinan’ireo mpianatra ny bokin’i Môsià dia hamaky fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy izy ireo. Hianatra ihany koa izy ireo mikasika ireo vahoaka izay nafahan’ny Tompo tamin’ny famatoran’ny ota na tamin’ny fampahoriana ara-batana. Ankoatra izany, ireo mpianatra dia hianatra ny fomba hahafahan’ny ezaka amim-pahamarinana ataon’ny olona tsirairay tahaka an’i Benjamina Mpanjaka, sy i Abinadia ary i Almà mitondra fitahiana goavana ho an’ny hafa. Ary mifanohitra amin’izany, ho hitan’ireo mpianatra ny fomba hitondran’ny safidy ratsy ataon’ny olona tsirairay, tahaka an’i Zenifa sy i Noà Mpanjaka izay zanany lahy, vokatra ratsy eo amin’ny tenan’izy ireo sy ny olony.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Môrmôna no nandrafitra ho boky sy namintina ireo rakitsoratra notanan’ny mpanoratra maro hafa mba handrafetana ny bokin’i Môsià. Nomena ny anaran’i Môsià izay zanakalahin’i Benjamina Mpanjaka ilay boky. I Môsià dia mpaminany, sy mpahita, sy mpanambara, ary mpanjaka izay nitondra tao Zarahemlà nanomboka tokotokony ho tamin’ny taona 124 Talohan’i J.K ka hatramin’ny taona 91 Talohan’i J.K Nampitondraina ny anaran’i Môsià raibeny izy, izay mpanjakan’i Zarahemlà ihany koa (jereo ny Ômnia 1:12–13, 19).

Nampiasa rakitsoratra maromaro i Môrmôna mba handrafetana ny bokin’i Môsià. Namintina sy nilaza zavatra avy tamin’ny rakitsoratra noraketin’i Môsià tao amin’ireo takelaka lehibe an’i Nefia izy, rakitsoratra izay milaza amin’ny antsipiriany ny tantaran’ny Nefita tao amin’ny tanin’i Zarahemlà (jereo ny Môsià 1–7; 25–29). Nampiasa ihany koa ny rakitsoratr’i Zenifa izy, izay mitantara ny tantaran’ny olon’i Zenifa nanomboka tamin’ny fotoana nandaozan’izy ireo an’i Zarahemlà mandra-piverin’izy ireo (jereo ny Môsià 7–22). Ankoatr’izany i Môrmôna dia nindrana teny avy ao amin’ny ampahany tamin’ny rakitsoratr’i Almà sy namintina izany, i Almà izay nitahiry ny tenin’i Abinadia ary nitana rakitsoratra momba ny olony (jereo ny Môsià 17:4; 18; 23–24).

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Tsy nanoratra ny bokin’i Môsià ho an’ny olona manokana i Môrmôna, na nilaza ny antony nanoratany izany. Na izany aza anefa, ny bokin’i Môsià dia mandray anjara lehibe amin’ny tanjona fototry ny Bokin’i Môrmôna—dia ny hijoro ho vavolombelona fa i Jesoa no Kristy sy ny hampahafantatra ireo fanekempihavanan’ny Tompo (jereo ny pejin-dohatenin’ny Bokin’i Môrmôna). Ny bokin’i Môsià dia ahitana fampianarana miisa roa ho an’ny daholobe mikasika ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy dia ny: tenin’i Benjamina Mpanjaka ao amin’ny Môsià 2–5 sy ny tenin’i Abinadia ao amin’ny Môsià 12–16. Ankoatra izany, ny bokin’i Môsià dia mamerimberina maneho ny maha zava-dehibe ny fanaovana fanekempihavanana amin’ny Tompo sy ny fitandremana izany (jereo ny Môsià 5:5–9; 18:5–10; 21:31–32; 24:13–15; 25:16–18; 26:20).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Ireo rakitsoratra fototra nampiasaina ho toy ny loharano niaingana ho an’ny bokin’i Môsià, dia voatombantombana ho nosoratana teo anelanelan’ny taona 200 Talohan’i J.K sy ny taona 91 Talohan’i J.K. Namintina ireo rakitsoratra ireo i Môrmôna teo anelanelan’ny taona 345 Taorian’i J.K sy ny taona 385 Taorian’i J.K. Tsy nosoratan’i Môrmôna ny toerana nisy azy tamin’ny fotoana nanakambanany io boky io.

Inona avy ireo toetoetra mampiavaka ity boky ity?

Môsià no boky voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay azo avy amin’ny famintinana ireo takelaka lehibe an’i Nefia. Manome fampianarana mikasika ny fahaiza-manao ananan’ny mpahita izany (jereo ny Môsià 8:13–18; 28:10–17). Ankoatra izany, ny bokin’i Môsià dia tsy manan-tsahala amin’ny fitantarany ny zavatra niainan’ny andian’olona Nefita samy hafa sy ny dia nataon’izy ireo —ireo tao amin’ny tanin’i Zarahemlà; ireo teo ambanin’ny fahefan’i Zenifa sy i Noà, ary i Limia tao amin’ny tanin’i Nefia; ary ireo izay nitsoaka avy tao amin’ny tanin’i Nefia niaraka tamin’i Almà. Mba hahafantarana misimisy kokoa momba ireo vondrona ireo dia azonao atao ny mijery ilay topimaso ankapobeny an’ireo dia natao ao amin’ny Môsià 7–24, izay hita ao amin’ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Ny bokin’i Môsià dia mitantara ny nitambaran’ireo vahoaka notarihin’i Limia sy Almà tamin’ireo Nefita tao amin’ny tanin’i Zarahemlà (jereo ny Môsià 25:1–13). Manome ihany koa antsipiriany mikasika ny fitantanana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy manerana ny tanin’i Zarahemlà izany (jereo ny Môsià 25:14–24; 26). Farany, ny bokin’i Môsià dia mampahafantatra mikasika ny fitondran’ny mpitsara (jereo ny Môsià 29).

Votoatin-kevitra

Môsià 1–5 Notendren’i Benjamina Mpanjaka i Môsià zanany lahy ho mpandimby azy, ary nitantara mikasika ny fotoana nanjakany izy. Mampianatra mikasika an’i Jesoa Kristy i Benjamina ary manasa ny olony hanao fanekempihavanana amin’Andriamanitra.

Môsià 6–8 Nanomboka nanjaka i Môsià. Nitady ny taranaky ny olon’i Zenifa tany amin’ny tanin’i Nefia i Amôna sy ny olona 15 hafa. Nifanena tamin’ny Mpanjaka Limia izay zafikelin’i Zenifa i Amôna ary nahafantatra mikasika ny fomba nahatonga ireo vahoaka ho tao anatin’ny fanandevozana.

Môsià 9–17 Hita ao ny tantaran’ny vahoakan’i Zenifa. Taorian’ny nahafatesan’i Zenifa dia nitondra tao anatin’ny faharatsiana i Noà zanany lahy. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny Jesoa Kristy i Abinadia ary namporisika an’i Noà Mpanjaka sy ny olony hibebaka. Novonoina tamin’ny alalan’ny afo i Abinadia.

Môsià 18–20 Nibebaka i Almà izay mpisoron’i Noà Mpanjaka. Nampianatra ny filazantsara izy ary nandositra tany an-tany foana niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy. Notafihan’ny Lamanita ireo Nefita tao amin’ny tanin’i Nefia ary niaina tao anatin’ny fanandevozana. Novonoin’ny olony i Noà ary i Limia zanany lahy no nandimby azy.

Môsià 21–22 Nibebaka i Limia sy ny olony. Nafahan’ny Tompo tamin’ny fanandevozana izy ireo ary notarihan’ i Amôna ho any amin’ny tanin’i Zarahemlà.

Môsià 23–24 Nanorina ny tanànan’i Helama i Almà sy ireo mpanara-dia azy. Nandevozin’ny Lamanita izy ireo ary nenjehin’i Amiolôna sy ireo rahalahiny izay mpisoron’i Noà Mpanjaka teo aloha. Nafahan’ny Tompo i Almà sy ny olony ary notarihany ho any amin’ny tanin’i Zarahemlà.

Môsià 25–29 Nitambatra teo ambanin’ny fitondran’i Môsià ireo Nefita ary i Almà no nitantana ny Fiangonana. Niova fo i Almà zanakalahin’i Almà (antsoina matetika hoe Almà Zanany) sy ny zanak’i Môsià. Talohan’ny nahafatesany dia nametraka ny fitondran’ny mpitsara i Môsià.

Hamoaka printy