Tahirim-pitaovana
Lesona 61: Môsià 18


Lesona 61

Môsià 18

Fampidirana

Taorian’ny nahafatesan’i Abinadia dia nampianatra mangingina ireo tenin’i abinadia teo anivon’ny olona i Almà. Nivory teo amin’ny Ranon’i Môrmôna ireo izay nino azy mba hianatra bebe kokoa. Nitory ny hafatry ny “fibebahana sy ny fanavotana ary ny finoana ny Tompo” i Almà (Môsià 18:7). Ireo izay nanaiky ny fampianany sy nibebaka tamin’ny fahotany dia nanao ny fanekempihavanan’ny batisa. Nahatoky tamin’io fanekempihavanana io ireo olona ary nifanampy teo amin’ny ara-nofo sy ara-panahy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 18:1–16

Nampianatra sy nanao batisa ilay vahoaka i Almà

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Abinadia teo Anatrehan’ny Mpanjaka Noà (62042; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 75). Tondroy ireo mpisorona eo amin’ny farany aoriana ao amin’ny sary. Hazavao fa ny Môsià 18 dia mitantara ny zavatra niainan’i Almà izay iray tamin’ireo mpisoron’ny Mpanjaka Noà.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 18:1, 3–6. Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nataon’i Almà rehefa avy nandre ny fijoroan’i Abinadia ho vavolombelona. Rehefa avy milaza ny zavatra nianarany ireo mpianatra dia asao izy ireo hijery ny fanehoana an-tsarin’izy ireo izay maneho ny fijerena amin’ny ankapobeny ireo dia natao ao amin’ny Môsià 7–24. Ampianaro izy ireo haneho an-tsary ny Ranon’i Môrmôna eo amin’ny toerana tokony hisy izany. (Mba hahitana ilay fanehoana an-tsary iray manontolo dia jereo ireo pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.)

Sary
dia natao ao amin’ny Môsià 7–24

Hazavao fa ny fikasan’i Almà tamin’ny fampianarany dia ny hanomana ny olona ho amin’ny batisa. Angataho ireo mpianatra hieritreritra mandritra ny fotoana fohy mikasika ny batisan’izy ireo. Mba hanampiana azy ireo hisaintsaina ny dikan’ny batisany amin’izy ireo dia azonao atao ny mametraka fanontaniana tahaka izao manaraka izao:

  • Inona ireo antsipiriany azonao tadidiana mikasina ny zavatra niainanao?

  • Tamin’ny fomba ahoana ho nanampian’ireo ray amandreninao sy ny mpampianatra anao ary ireo mpitarika anao hiomana tamin’ny batisa?

  • Inona no tianao bebe kokoa mikasika ny batisa amin’izao fotoana izao mihoatra izay zavatra tianao tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao?

Hazavao fa afaka manampy antsika hanana fahatakarana lalina mikasika ny fanekempihavanan’ny batisa ny tantaran’i Almà nampianatra sy nanao batisa ny vahoaka teo amin’ny Ranon’i Môrmôna.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 18:2, 7, hitady ny zavatra nampianarin’i Almà ny vahoaka rehefa nanomana azy ireo ho amin’ny batisa izy.

  • Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo, inona ireo fotopampianarana sy fitsipika noantitranterin’i Almà?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny hevitrao no mety hanampian’ny fahatakarana ireo fahamarinana ireo ny olona iray mba hiomana ho amin’ny batisa?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra azon’izy ireo atao hitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa, sy hanampy azy ireo hankasitraka ireo fitahiana horaisin’izy ireo avy amin’izany, dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Aza soratana ireo fehezanteny na andinin-tsoratra masina eo amin’ny tapany ambany amin’ny tabilao.

Izaho dia vonona ny …

Andriamanitra dia nampanantena …

Hanampy hitondra ny enta-mavesatry ny hafa mba hanamaivana izany (jereo ny Môsià 18:8).

Hiara-malahelo amin’izay malahelo (jereo ny Môsià 18:9).

Hampionona ireo izay mila fampiononana (jereo ny Môsià 18:9).

Hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra (jereo ny Môsià 18:9).

Hanompo an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny (jereo ny Môsià 18:10).

Fa ho voavotr’Andriamanitra aho (jereo ny Môsià 18:9).

Fa ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany aho (jereo ny Môsià 18:9).

Fa hahazo ny fiainana mandrakizay aho (jereo ny Môsià 18:9).

Hampidina bebe kokoa ny Fanahiny amiko Izy (jereo ny Môsià 18:10).

Hazavao fa talohan’ny nanasany ireo vahoaka ho atao batisa, i Almà dia niresaka tamin’izy ireo mikasika ny fihetsika sy ny asa atao izay maneho fa vonona ny hanao sy hitandrina ity fanekempihavanana amin’ny Tompo ity izy ireo. (Azonao atao ny mapahatsiahy ireo mpianatra fa fifanarahana eo amin’Andriamanitra sy ny olona ny fanekempihavanana saingy “tsy mitovy ny anjara raisin[’Andriamanitra sy ny olona] ao amin’ny fanekena. Andriamanitra no manome ny fepetran’ny fanekempihavanana ka manaiky ny hanao izay angatahiny ny olona. Ampanantenain’Andriamanitra ho an’ny olona amin’izany ireo fitahiana sasantsasany noho ny fankatoavany” [Guide to the Scriptures, “Covenant,” scriptures.lds.org]. Mba hahazoana fanazavana amin’izao andro farany izao momba ny zavatra takiana mba ho atao batisa dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37.)

Zarao ho andiany roa ireo mpianatra. Asao ny antsasany iray amin’ny mpianatra handalina ny Môsià 18:8–11 mba hitady izay nampianarin’i Almà fa tokony hananantsika fahavononana mba ho atao rehefa vita batisa isika. Asao ny antsasany iray hafa amin’ny mpianatra handalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ihany ary hamantatra ny fomba tian’ny Tompo hitahiana antsika raha mitandrina ny fanekempihavanantsika isika. Rehefa avy nomena fotoana ampy nandalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo mpianatra dia asao ny maro amin’izy ireo ho eny amin’ny solaitrabe ary hanoratra izay zavatra hitany amin’ny tsanganana tokony hisy izany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hankamamy ny fanekempihavanan’ny batisany dia manontania hoe:

  • Midika inona aminao ireo asa sy fihetsika voalaza ao amin’ny tsanganana voalohany?

  • Nahoana no manan-danja aminao ireo fampanantenana voatanisa ao amin’ny tsanganana faharoa?

Asao ireo mpianatra handalina amim-pahanginana ny Môsià 18:12–16, hitady ireo fomba nitahiana an’i Almà sy ny olony rehefa nanaiky ny hanompo ny Tompo izy ireo. Asao ireo mpianatra hanao tatitra mikasika ny zavatra hitany. Azonao atao ny milaza fa heniky ny Fanahin’ny Tompo i Almà rehefa niomana ny hanao batisa an’i Helama ary i Almà sy i Helama dia samy heniky ny Fanahy rehefa vita ilay batisa, izay maneho fa ny Tompo dia efa nanomboka nanatanteraka ny fanekempihavanany mba hampidina bebe kokoa ny Fanahiny amin’ny olona.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa mandray ny Fanahin’ny Tompo sy ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny fanaovana sy ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa.

Môsià 18:17–30

Nanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy teo anivon’ny vahoaka i Almà

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

“Manomboka amin’ny andron’ny batisa amin’ny alalan’ny zava-bita ara-panahy eo amin’ny fiainantsika dia manome fampanantenana an’Andriamanitra isika ary manome fampanantenana antsika Izy. Mihazona mandrakaiva ny fampanantenana nomeny tamin’ny alalan’ireo mpanompony nahazo fahefana Izy, kanefa dia fitsapana lehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika ny mijery raha hanao sy hitandrina ny fanekempihavanantsika taminy isika” (“Witnesses for God,” Ensign, Nôv. 1996, 30).

Asao ireo mpianatra hijery ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe. Hazavao fa izao izy ireo dia hianatra mikasika ny fomba niainan’ny olon’i Almà araka ny fanekempihavanan’ny batisa sy ny fomba nitahiana azy ireo noho ny fanaovany izany. Zarao ho ao anatin’ny vondrona roa ny mpianatra. Asao ny vondrona iray handalina ny Môsià 18:17–23 ary ny vondrona iray hafa handalina ny Môsià 18:24–30. Rehefa mamaky izy ireo dia asao ireo vondrona roa hikaroka fomba vitsivitsy nampianaran’i Almà ireo olona fa tokony hiainana mba hitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa izy ireo. Asao ny mpianatra tsirairay avy ao amin’ny vondrona tsirairay hilaza ny zavatra hitany amin’ny namana iray voafidy avy ao amin’ilay vondrona iray hafa. Na asao ny solontena iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay hilaza ny zavatra nianarany amin’ny mpianatra rehetra.

  • Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa fiantraikany amin’ny fomba iainanao isan’andro? (Asao ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io amin’ny alalan’ny firesahana mikasika ny fomba niantraikan’ny fanekempihavanan’ny batisany amin’ny fomba hitondran’izy ireo ny olona ao amin’ny fianakaviany, ny karazam-pialamboly safidian’izy ireo, na ny fomba hifandraisan’izy ireo amin’ny namany.)

Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Môsià 18:17, 22, 29 mba hitady teny sy fehezanteny izay milaza ny fomba nitahiana ny vahoaka noho ny fitandreman’izy ireo ny fanekempihavanany. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo fitahiana ireo eo ambanin’ilay tabilaon’ny fanekempihavanan’ny batisa. (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny andian-teny hoe “zanak’Andriamanitra” [Môsià 18:22] dia entina ilazana ny fahatongavantsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy [jereo ny Môsià 5:6–8, 15].)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa tonga eo amin’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanan’ny batisa ny fitahiana lehibe, dia asao ireo mpianatra hijery ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe ary manontania hoe:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ireo namanao, olona ao amin’ny fianakavianao, na mpikambana ao amin’ny paroasy notahiana noho ny fitandreman’izy ireo ny fanekempihavanany?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo anao noho ny fitandremanao ny fanekempihavananao tamin’ny batisa?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fomba nitondran’ny fitandremana ny fanekempihavanana fitahiana teo amin’ny fiainanao.

Môsià 18:31–35

Ireo izay tao amin’ny Fiangonana dia nandositra ny fanenjehan’ny Mpanjaka Noà

Fintino ny Môsià 18:31–33 amin’ny alalan’ny fanazavana fa indray andro, rehefa nivory mba handre ny tenin’ny Tompo i Almà sy ny olony, dia hitan’ny mpanompon’ny Mpanjaka Noà izy ireo. Noho izany dia nandefa ny miaramilany handringana azy ireo ny mpanjaka.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 18:34. Lazao amin’ireo mpianatra fa ny fanovozan-kevitra a eny amin’ny farany ambanin’ny pejy dia milaza amin’ny mpamaky hijery ny Môsià 23:1. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ity fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy ity.) Hazavao fa ny tantara ao amin’ny Môsià 18:34 dia mitohy ao amin’ny Môsià 23:1, aorian’ny niraketana ireo zavatra niainan’ny olon’i Limia ao amin’ny toko 19–22. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 23:1–2.

  • Tamin’ny fomba ahoana no “nampandre[nesana] mialoha” an’i Almà ny loza natrehin’ireo olony?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka mampitandrina ny olo-marina ny Tompo rehefa tandindomin-doza izy ireo. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra ity fitsipika ity eo amin’ny sisin’ny pejy eo anilan’ny Môsià 18:34.) Mba hanehoana ity fahamarinana ity dia vakio ity tantara manaraka izay tantarain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Rehefa niasa tao amin’ny FBI (biraom-panjakana mpanao asa fikarohana) ny namako iray, dia nanao fikarohana mikasika ny fikambanana andian’olona mpanao heloka mitatitra zava-mahadomelina voararan’ny lalàna mankao Etats-Unis izy.

“Indray mandeha dia nanatona trano fonenana iray izy sy ny mpiasa iray hafa izay ninoan’izy ireo fa nivarotan’ny lehilahy iray, izay fantatra fa mpivarotra zava-mahadomelina, kôkaina. Nitantara ny zava-niseho ny namako nanao hoe:

“’Nandondona ny varavaran’ilay mpivarotra zava-mahadomelina izahay. Namoha varavarana ilay noahiahiana fa olo-meloka, ary rehefa nahita anay izy dia niezaka nibahana nanakona ilay efitrano iray manontolo mba tsy ho hitanay. Saingy tara loatra izany fa efa hitanay ilay kôkaina teo ambonin’ny latabany.

“’Nanomboka nanala avy hatrany ilay kôkaina ny lehilahy iray sy vehivavy iray teo amin’ilay latabatra. Tsy maintsy nanakana azy ireo tsy hanimba ny porofo izahay ka noho izany dia natosiko haingana ho eo amin’ny sisiny ilay mpivarotra zava-mahadomelina noahiahiana, izay nibahana ny varavarana. Rehefa natosiko izy dia nifanena ny masonay. Nahagaga fa tsy hita ho tezitra izy na natahotra. Nitsiky tamiko izy.

“’Ny masony sy ny tsikiny izay toa nanaisotra ny maha meloka azy dia nahatonga ahy nihevitra fa tsy hanao na inona na inona aminay izy, noho izany dia navelako izy ary nanomboka nandroso nihazo ilay latabatra aho. Ao aoriako izao ilay olona noahiahiana. Tamin’izay fotoana izany dia nisy hevitra miavaka sy mahery vaika tonga tao an-tsaiko nanao hoe: Mitandrema amin’ilay faharatsiana miafina ao ambadik’ilay maso mitsiky.”

“’Niverina nitodika avy hatrany tany amin’ilay olona noahiahiana aho. Tao anatin’ny paosiny lehibe teo anoloana ny tanany. Nalaiko sy nosintoniko avy ao am-paosiny tsy ampim-pieritreretana ny tanany. Tamin’izay vao hitako, nofeheziny mafy tamin’ny tanany, ilay poleta semi-automatique izay efa voafahana. Zavatra maro be tao anatin’ny fotoana fohy no nitranga taorian’izay, ary noesoriko teny an-tanan’ilay lehilahy ilay fitaovam-piadiana.’ …

“… Nampitandrina ny namako tamin’ny loza ara-batana ny Fanahy Masina, ary hampitandrina anao amin’ny loza ara-panahy koa ny Fanahy Masina” (“Beware of the Evil behind the Smiling Eyes,” Ensign na Liahona, Mey 2005, 46–47).

Lazao amin’izy ireo fa matetika ny Tompo no mampitandrina ny olo-marina amin’ny loza mananontanona, kanefa tsy tokony hihevitra isika fa hoe tsy mendrika raha toa ka tsy mahatsapa fampitandremana any amin’ny Fanahy Masina isak’izay mifanehitra amin’ireo toe-javatra mifono loza.

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nampitandrina anao tamin’ny loza ara-batana na ara-panahy ny Tompo? (Rehefa avy mizara ny zavatra niainany ireo mpianatra dia azonao atao ny mizara ny iray amin’ny anao manokana.)

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 18:8–11. Mahatakatra ny herin’ny fanekempihavanan’ny batisa

Hoy ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Nahatsikaritra aho nandritra ny fiainako fa rehefa mahatakatra tanteraka ireo fitahiana sy ny herin’ny fanekempihavanan’ny batisan’izy ireo ny olona, na amin’ny maha mpikambana vao niova fo izany na amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana hatramin’izay niainana, dia misy fifaliana lehibe tonga eo amin’ny fiainan’izy ireo ary manatanteraka ny adidiny ao amin’ny fanjakana izy ireo amin’ny fahavitrihana mahasarika ny hafa” (“Alma the Elder: A Role Model for Today,” ao amin’ny Heroes from the Book of Mormon [1995], 84).

Môsià 18:12–18. Nahoana i Almà no nandevina ny tenany tao anaty rano rehefa nanao batisa an’i Helama?

Nilaza ny Filoha Joseph Fielding Smith fa “voalaza tanteraka ao amin’ny Bokin’i Môsià fa nanana fahefana izy [jereo ny Môsià 18:13].” Nilaza ny heviny ny Filoha Smith fa “raha nanana fahefana hanaovana batisa [i Almà] dia porofo izany fa [efa] vita batisa izy.” Noho izany, hoy izy nanazava misimisy kokoa, dia “tsy fanaovan’i Almà batisa ny tenany, fa fombafomba fotsiny ihany ho an’ny Tompo nanehoany ny fanetren-tenany sy ny fibebahany” no nataon’i Almà rehefa niara-nilevina tao anaty rano niaraka tamin’i Helama izy (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 3:203).

Hamoaka printy