Tahirim-pitaovana
Lesona 51: Tenin’i Môrmôna–Môsià 1


Lesona 51

Tenin’i MôrmônaMôsià 1

Fampidirana

Ny boky mitondra ny lohateny hoe Tenin’i Môrmôna dia toy ny tetezana mampitohy ny takelaka kelin’i Nefia sy ny famintinana nataon’i Môrmôna avy amin’ny takelaka lehibe an’i Nefia. Ao anatin’ity boky ity, izay nosoratan’i Môrmôna efa ho 400 taona taorian’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy, dia nanazava i Môrmôna fa nikatsaka fitarihana avy tamin’ny Tompo izy ary notarihin’ny Fanahy Masina mikasika izay zavatra tokony ampidirina ao amin’ny rakitsorany. Niresaka mikasika an’i Benjamina Mpanjaka koa izy ary nanome hevi-baovao manan-danja mikasika ny antony nananan’i Benjamina Mpanjaka hery lehibe enti-mandresy lahatra toy izany teo anatrehan’ny olony. Ny Môsià 1 dia mirakitra ny sasany amin’ireo fampianaran’i Benjamina Mpanjaka ireo zanany lahy. Nampianatra azy ireo izy fa manampy antsika hahatsiaro an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny ny soratra masina.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Tenin’i Môrmôna 1:1–11

Nijoro ho vavolombelona i Môrmôna fa nitahiry rakitsoratra samihafa Andriamanitra noho ny fikasana hendry

Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nitaoman’ny Fanahy azy ireo hanao zavatra iray. Azonao atao ny mangataka azy ireo hanoratra mikasika izany zavatra niainany izany ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy. Mba hanampiana azy ireo handinika ny zavatra niainany dia azonao atao ny mizara traikefa fohifohy niainanao. Ampahafantaro ireo mpianatra fa afaka kelikely mandritra ity lesona ity dia angataka vitsivitsy amin’izy ireo ianao hizara ny zavatra niainany amin’ny mpiara-mianatra aminy.

Hazavao amin’ireo mpianatra fa anio izy ireo dia handalina mikasika ny ohatra nasehon’ny olona iray izay nanaraka bitsika iray na dia tsy takany avokoa aza ireo antony tokony hanaovany izany.

Asao ireo mpianatra hanokatra ny bokiny ao amin’ny Tenin’i Môrmôna sy hitady (eny amin’ny farany ambanin’ny pejy na ao amin’ny sasin-tenin’ilay toko) ny daty voatombatombana ho nanoratan’i Môrmôna io boky io. Angataho izy ireo hampitaha io daty io amin’ireo daty ho an’ny bokin’i Ômnia sy Môsià.

  • Inona no zavatra ianarantsika mikasika ny Tenin’i Môrmôna avy amin’ireo daty ireo?

Sary
Mormon Abridging the Plates

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Manambatra ireo Takelaka i Môrmôna (62520; Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 73). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Tenin’i Môrmôna 1:1–2. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa i Môrmôna dia nanoratra ny boky mitondra ny lohateny hoe Tenin’i Môrmôna taorian’ny nisehoan’ny ankamaroan’ireo zava-nitranga ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hazavao fa ny Tenin’i Môrmôna dia manampy antsika hahatakatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia narafitra ho boky avy amin’ny rakitsoratra maro samihafa. Maneho koa izany fa ny fanambarana no nitarika izany asa izany.

Mba hanampiana ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny fahafahan’ny Tenin’ny Môrmôna sy ny takelaka kelin’i Nefia ary ny famintinana nataon’i Môrmôna avy amin’ny takelaka lehibe an’i Nefia miaraka tsara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, dia asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe “Ireo Takelaka sy ny Ifandraisan’izy ireo amin’ilay Bokin’i Môrmôna Vita Printy” ao amin’ny pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity. Azonao atao koa ny manomana ity fitaovana fisarihana ny maso ity alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana:

Atambaro ny boky roa sy takela-taratasy iray. Ny boky iray dia tokony avo roa heny mihoatra ilay iray hafa ny hateviny. Asio taratasy lavalava mitondra ny anarana hoe Takelaka Kelin’i Nefia eo amin’ny vodin’ilay boky manify kokoa. Asio taratasy lavalava mitondra ny anarana hoe Famintinana nataon’i Môrmôna avy amin’ny takelaka lehibe an’i Nefia eo amin’ny vodin’ilay boky matevina kokoa. Soraty eo amin’ilay takela-taratasy ny hoe Tenin’i Môrmôna.

Rehefa mampiasa ity fitaovana fisarihana ny saina ity dia atsangano ambony ilay boky maneho ny famintinana nataon’i Môrmôna an’ireo takelaka lehibe an’i Nefia. Hazavao fa ireo rakitsoratra tao amin’ireo takelaka lehibe an’i Nefia no loharano lehibe indrindra niaingana ho an’ny Bokin’i Môrmôna. Avy amin’ny famintinan’i Môrmôna an’io rakitsoratra io no nandikan’i Joseph Smith ny bokin’i Môsià, sy Almà, sy Helamàna, sy 3 Nefia, ary 4 Nefia.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Tenin’i Môrmôna 1:3. Asao izy ireo hikaroka izay zavatra hitan’i Môrmôna taorian’ny namintinany ny ampahany iray tamin’ireo takelaka lehibe an’i Nefia. Rehefa mitatitra ny zavatra hitany ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra fa ny teny hoe “ireto takelaka ireto” dia entina hilazana ireo takelaka kelin’i Nefia. Atsangano ilay boky maneho ireo takelaka kelin’i Nefia. Hazavao fa avy amin’io rakitsoratra io no nandikan’i Joseph Smith ny boky 1 Nefia ka hatrany amin’ny Ômnia.

Asao ireo mpianatra hamaky ny Tenin’i Môrmôna 1:4–6 mba hahafantarana ny zavatra tsapan’i Môrmôna mikasika ireo takelaka kelin’i Nefia.

  • Inona no zavatra hitan’i Môrmôna fa nahafinaritra tao amin’ireo takelaka kelin’i Nefia?

  • Inona no nataon’i Môrmôna tamin’ireo takelaka kelin’i Nefia?

Mba hanehoana fa nampidirin’i Môrmôna niaraka tamin’ny famintinana nataony an’ireo takelaka lehibe an’i Nefia ireo takelaka kelin’i Nefia dia apetraho eo ambonin’ilay boky matevina kokoa ilay boky manify kokoa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Tenin’i Môrmôna 1:7. Asao ireo mpianatra hikaroka ny antony nampidiran’i Môrmôna ireo takelaka kelin’i Nefia hiaraka amin’ny famintinana nataony avy amin’ireo takelaka lehibe an’i Nefia.

  • Nahoana i Môrmôna no nampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia niaraka tamin’ny famintinana nataony avy amin’ireo takelaka lehibe an’i Nefia? (Nanaraka ny bitsiky ny Fanahy izy.) Moa ve takany avokoa ireo antony tokony hanaovany izany?

Ampio ireo mpianatra hahita fa takatr’i Môrmôna ny antony sasantsasany mety maha manan-danja ireo takelaka kely. Niaiky ny halehiben’ny lanjan’izy ireo ara-panahy izy ary finaritra tamin’ny faminaniana momba an’i Jesoa Kristy izay hita tao anatin’ireo takelaka ireo (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:4–6). Saingy tsy fantany ny antony rehetra tokony hampidirana izany ho fanampin’ilay ampahany avy ao amin’ireo takelaka lehibe izay mahafaoka vanim-potoan’ny tantara mitovy amin’ireo ihany. (Mba hahafahana mamaky mikasika ny antony iray izay tsy fantatr’i Môrmôna tamin’izany fotoana izany dia jereo ny Fampahafantarana ny Tenin’i Môrmôna ao anatin’ity boky torolalana ity.)

Angataho ireo mpianatra hamerina hijery amim-pahanginana ny Tenin’i Môrmôna 1:7 sady mijery ireo fotopampianarana izay ampianarin’i Môrmôna momba ny Tompo. Ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’izy ireo fa mahafantatra ny zavatra rehetra ny Tompo ary afaka miasa amin’ny alalantsika ny Tompo mba hanatanterahana ny sitrapony.

  • Ahoana no mety nanampian’ireo fotopampianarana ireo an’i Môrmôna hanaraka ny bitsika izay azony?

  • Ahoana no mety hanampian’ireo fahamarinana ireo anareo rehefa mahazo bitsika avy amin’ny Fanahy ianareo?

Amporisiho ireo mpianatra hijery indray ireo toe-java-miseho izay nosoratan’izy ireo na noeritreretin’izy ireo tany ampiandohan’ny fotoam-pianarana. Asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hitantara mikasika ny bitsika izay azon’izy ireo sy ny zavatra nataony avy amin’izany ary ny zava-nitranga vokatr’izany. (Ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’izy ireo fa tsy voatery izy ireo hizara zavatra niainana tokony hotazoniny ho azy samirery na tsiambaratelo.) Rehefa mizara ny zavatra niainany ireo mpianatra dia azonao atao ny mametraka ny sasany amin’ireto fanontaniana ireto:

  • Nahafantatra ve ianareo hoe ahoana no mety ho fandehan’ny zavatra rehetra raha manaraka ilay bitsika?

  • Inona no nanome anareo fanapahan-kevitra sy finoana mba hanao zavatra avy amin’ilay bitsika?

Hazony ho ambony ilay boky maneho ny famintinana nataon’i Môrmôna avy amin’ireo takelaka lehibe an’i Nefia miaraka amin’ilay boky maneho ireo takelaka kelin’i Nefia mipetraka eo amboniny. Avy eo dia ampiakaro ambony ilay takela-taratasy izay maneho ny Tenin’i Môrmôna.

  • Aiza ho aiza no tokony hisy ny Tenin’i Môrmôna raha ampifandraisina amin’ireo rakitsoratra hafa ireo?

Rehefa mamaly ireo mpianatra dia apetraho eo anelanelan’ireo boky roa ilay takela-taratasy maneho ny tenin’i Môrmôna. Hazavao fa ny Tenin’i Môrmôna dia toy ny tetezana mampifandray ny fizotran’ny tantara eo amin’ireo takelaka kelin’i Nefia sy ny famintinana nataon’i Môrmôna avy amin’ireo takelaka lehibe an’i Nefia.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Tenin’i Môrmôna 1:8. Asao ireo mpianatra hitady ny zavatra nantenain’i Môrmôna fa ho vokatra azo avy amin’ny fanarahana ilay bitsika mitaona hampiditra ireo takelaka kelin’i Nefia ho ao amin’ny fanakambanany ireo rakitsoratra.

Antitrantero fa ireo rakitsoratra rehetra efa nohalalinin’ireo mpianatra nandritra ity taona ity tao amin’ny Bokin’i Môrmôna (1 Nefia–Ômnia) dia tonga eo am-pelatanan’izy ireo satria nanaraka ilay fitaomana ara-panahy ny mba hampidirana ireo takelaka kely i Môrmôna.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ny fiainanareo noho ny fankatoavan’i Môrmôna ny bitsiky ny Fanahy Masina?

  • Inona avy ireo fampianarana ao amin’ny 1 Nefia ka hatramin’ny Ômnia izay maha feno fankasitrahana anareo noho ny fananana izany? Nahoana ianareo no feno fankasitrahana noho ireo fampianarana ireo?

  • Eritrereto ny fahavononan’i Môrmôna hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy. Ahoana no hahafahan’ny fahavononantsika hanaraka ireo bitsiky ny Fanahy hisy fiantraikany eo amin’ny fiainantsika? Ahoana no hahafahan’izany fahavononana izany hisy fiantraikany eo amin’ny fiainan’ny hafa? (Hazavao fa afaka mitahy ny hafa amin’ny alalantsika ny Tompo rehefa manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina isika.)

Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mahatoky amin’ireo bitsiky ny Fanahy Masina isika dia hiasa “ato amin[tsika ny Tompo] mba hanaovan[tsika] araka ny sitrapony” (Tenin’i Môrmôna 1:7).

Tenin’i Môrmôna 1:12–18

Nampiorina ny fandriampahalemana teo amin’ny tany i Benjamina Mpanjaka

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Avy amin’ny fifandirana mankany amin’ny fandriampahalemana. Hazavao fa ny Tenin’i Môrmôna 1:12–18 dia miresaka mikasika ny fotoana nanjakan’i Benjamina Mpanjaka. Ity lehilahy marina ity dia niatrika sakana maro nandritra ny fotoana nanompoany tamin’ny naha-mpaminany sy mpanjakan’ny vahoaka azy. Asao ireo mpianatra hiaraka tsiroaroa ary hamaky ny Tenin’i Môrmôna 1:12–18 miaraka amin’ny namany. Asao izy ireo hitady ny zavatra nataon’i Benjamina Mpanjaka sy ireo mpaminany hafa mba hampisy fandriampahalemana teo amin’ny tany.

Rehefa avy nahazo fotoana namakiana ireo mpianatra, dia asao ny tsirairay amin’izy ireo hanoratra fehezanteny ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina izay mamintina ny zavatra nataon’i Benjamina Mpanjaka sy ny olony, mba hivoatra avy amin’ny fifandirana mankany amin’ny fandriampahalemana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hanoratra ny fehezanteniny eny amin’ny solaitrabe. Mety hitovy amin’ity fehezanteny manaraka ity ny famintinana nataon’ireo mpianatra:

Rehefa manaraka ny fitarihana notaomim-panahy avy amin’ireo mpaminany isika dia afaka mampiorina ny fandriampahalemana.

Afaka mandresy ireo zava-tsarotra isika ao amin’ny herin’ny Tompo.

Nantsoina isika mba hiasa araka izay azontsika atao mba hampisy fandriampahalemana.

Sariho ny sain’ireo mpianatra hifantoka amin’ny Tenin’i Môrmôna 1:17, izay hilazan’i Môrmôna fa i Benjamina Mpanjaka sy “olona masina maro teo amin’ ny tany … [no] nilaza ny tenin’ Andriamanitra tamin-kery sy tamin’ ny fahefana.” Hazavao fa ao amin’ny lesona vitsivitsy manaraka ireo mpianatra dia hianatra mikasika ny lahateny iray nataon’i Benjamina Mpanjaka, izay ahitana taratra ny hery sy ny fahefan’ny fampianarany.

Môsià 1:1–18

Nampianatra ny zanany lahy ny maha zava-dehibe ny soratra masina i Benjamina Mpanjaka

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina hoe tsy mbola mahafantatra na inona na inona momba ny soratra masina mihitsy izy ireo.

  • Mety ho toy ny ahoana ny fiainanareo raha tsy nanana soratra masina mihitsy ianareo?

  • Fahamarinana inona, raha toa ka tsy nisy, no nahatonga ny fiainanareo ho tena sarotra tokoa?

Ampahafantaro fohifohy amin’ireo mpianatra ny bokin’i Môsià Hazavao fa ny fiandohan’ity boky ity dia maneho ny fanirian’i Benjamina Mpanjaka ny hanohizan’ireo zanany lahy mianatra avy amin’ny soratra masina (jereo ny Môsià 1:2). Rehefa nampianatra ireo zanany i Benjamina Mpanjaka dia nazavainy ny mety ho naha hafa ny fiainan’izy ireo raha toa ka tsy nanana soratra masina mihitsy izy ireo.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môsià 1:3–8. Asao ny iray kilasy hikaroka ireo fomba nitahiana ireo Nefita noho ny fananany soratra masina. Angataho ireo mpianatra hitatitra ny zavatra nianarany.

  • Tamin’ny fomba ahoana no ninoan’i Benjamina Mpanjaka fa hanampian’ny soratra masina an’ireo zanany lahy?

  • Inona, araka ny hevitra natolotry i Benjamina Mpanjaka, no fifandraisan’ny fandalinana soratra masina sy ny fitandremana ny didin’Andriamnaitra? (Na dia mety ho samy hafa aza ny teny ampiasain’ireo mpianatra hilazana ny valintenin’izy ireo dia tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Manampy antsika hahafantatra sy hitandrina ny didy ny fandalinana soratra masina. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra izany fahamarinana izany ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Môsià 1:3–8.)

  • Oviana ny fandalinana soratra masina no nanampy anareo hitandrina ny didy?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa marina ny soratra masina ary manampy antsika hitandrina ny didy.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra azy ireo alohan’ny hiantombohan’ny fotoam-pianarana.)

Inona no filazana nomanin’i Benjamina Mpanjaka holazaina mikasika an’i Môsià zanany?

Inona no nolazain’i Benjamina Mpanjaka mikasika ny “anarana iray” izay hanavahana ireo vahoaka?

Nahoana no tsy voaringan’ny Lamanita ireo Nefita?

Inona ny zavatra nasain’i Benjamina Mpanjaka ho tanan’i Môsià?

Asao ny mpianatra hijery ao anatin’ny iray minitra hoe firy amin’ireo fanontaniana ireo no azon’ireo valiana ao amin’ny Môsià 1:10–18.

Rehefa avy manome valinteny fohy amin’ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia lazao azy ireo fa handalina mikasika ilay fampianarana nanomezan’i Benjamina Mpanjaka ny vahoakany “anarana izay tsy hovonoina na oviana na oviana, raha tsy noho ny fandikan-dalàna” (Môsia 1:12) izy ireo ao anatin’ireo lesona vitsivitsy manaraka.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Tenin’i Môrmôna 1:12–18. Ny niantombohan’ny fanompoana nataon’i Benjamina Mpanjaka

Notanisain’i Môrmôna ny sasany tamin’ireo fanamby natrehan’i Benjamina Mpanjaka tany am-piandohan’ny asa fanompoana nataony: fifandirana teo anivon’ny olony; ady natao tamin’ireo miaramila Lamanita nanafika azy ireo; Kristy sandoka; mpaminany sy mpitory ary mpampianatra sandoka; fisaraham-bazana maro teo amin’ny Nefita nankany amin’ny Lamanita; hamafisan-katoka teo anivon’ny olona (jereo ny Tenin’i Môrmôna 1:12–17). Kanefa “niaraka tamin’ny fanampian’ ny mpaminany masina, “dia nanjaka tamin’ ny vahoakany araka ny hitsiny” i Benjamina Mpanjaka ary “nampiorina indray mandeha indray ny fandriampahalemana teo amin’ ny tany” (Tenin’i Môrmôna 1:16–18).

Hamoaka printy