Tahirim-pitaovana
Lesona 62: Môsià 19–20


Lesona 62

Môsià 19–20

Fampidirana

Rehefa tafatsoaka teo anoloan’ireo miaramilan’ny Mpanjaka Noà i Alma sy ny olony dia nanomboka nizaka ny vokatry ny tsy fahamendrehany ny Mpanjaka Noà sy ny olony, araka ny faminanian’i Abinadia—dia nisy nanafika izy ireo ary navarina ho amin’ny fanandevozan’ny Lamanita, ary niaritra fahafatesana tamin’ny afo ny Mpanjaka Noà. Lasa mpanjaka i Limia zanakalahin’i Noà taorian’ny nahafatesan’i Noà. Rehefa naka ankeriny andiana zanakavavin’ny Lamanitra ireo mpisoron’i Noà teo aloha dia niampanga an’i Limia sy ny olony ny Lamanita ary niomana ny hanafika azy ireo. Niady tamin-kafanampo ny olon’i Limia ary nandratra sy nahatratra ny mpanjakan’ny Lamanita izy ireo. Nampitony ilay mpanjaka Lamanita i Limia, ilay mpanjaka izay nandresy lahatra ny olony hiverina tamim-piadanana tany amin’ny taniny.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 19–20

Nahita ny fahatanterahan’ny faminanian’i Abinadia ireo Nefita tao amin’ny tanin’i Lehia-Nefia

Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nampitandreman’ny olona iray azy ireo mikasika ny loza izay tsy azon’izy ireo nofantarina mialoha. Asao izy ireo hiresaka momba ny fomba nitahiana azy ireo satria nanaraka ilay fampitandremana izy ireo. Ampio ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny tanjon’ny fampitandremana amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tanjon’ny fampitandremana? Iza no mampitandrina anao amin’ny zavatra tokony hosorohinao na mety hanimba anao?

  • Iza no ampahafantarin’Andriamanitra ireo fampitandremana ara-panahy ho an’ny Fiangonany?

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa naniraka an’i Abinadia ny Tompo mba hampitandrina ny Nefita ny amin’ny voka-dratsin’ny fahotan’izy ireo. Mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery ireo faminanian’i Abinadia tamin’ny Nefita tao amin’ny tanin’i Lehia-Nefia dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Mamelà toerana ampy tsara ho an’ny mpianatra mba hanoratan’izy ireo eo ambanin’ny andian-tsoratra masina tsirairay.

Faminaniana mikasika ny olon’ny Mpanjaka Noà (Môsià 12:1–2; 17:17)

Fahatanterahany (Môsià 19:10, 14–15; 20:20; 21:2–4)

Faminaniana mikasika ny Mpanjaka Noà (Môsià 12:3; 17:18)

Fahatanterahany (Môsià 19:18–20)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 12:1–2. Angataho ireo mpianatra hamantatra izay novinanian’i Abinadia fa hitranga amin’ny olon’ny Mpanjaka Noà satria tsy nibebaka izy ireo. Asao ny mpianatra iray hanao lisitra ireo voka-dratsy ireo ao amin’ilay efa-joro eo amin’ny farany ambony amin’ny ilany havian’ny tabilao eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Môsià 12:3. Asao ireo mpianatra hamantatra izay novinanian’i Abinadia fa hitranga amin’ny Mpanjaka Noà. Asao ny mpianatra iray hanoratra izany voka-dratsy izany eny amin’ny solaitrabe.

Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny maha zava-dehibe ny fampitandremana ara-panahy azontsika avy amin’ireo mpaminany dia zarao ity tantara notantarain’ny Loholona David R. Stone ao amin’ny Fitopololahy ity:

“Indray alahady maraina, iray taona mahery izay, dia nifoha maraina tao Santo Domingo ao amin’ny République Dominicaine izahay ary tsara ny andro tamin’izay. Namiratra ny masoandro tao Karaiba ary manga ny lanitra. Nisy rivotra malefaka nitsoka izay zara raha nitsoka ireo ravin-kazo; nafana ny andro ary nilamina ny tany. Saingy tany alavitra tany an-dranomasina tany, tany amin’ny tsy hitan’ny masonay tamin’io andro io, dia nizotra nankany aminay ilay mpandrava mahafaty, tsy hay nampitoniana sy tsy hay tohaina. Nanavao hatrany ny fampahalalana nisy tao amin’ny internet ny Ivontoerana Mpanaramaso ny Rivo-doza, izay nanana andraikitra ny hanara-maso sy hamantatra mialoha ny lalan’ny Rivo-doza Georges. Tao anatin’ny filaminana sy fahanginan’izay maraina izay, tamin’ny alalan’ny zanabolana natao hanara-maso ny rivo-doza, dia hitako ny mety ho lalan’ilay rivo-doza izay toy ny zana-tsipìka nikendry ny tao afovoan’ny tanànan’i Santo Domingo.

“Tao anatin’ny 48 ora dia namely ilay nosy tamin’ny fitroarana lehibe ilay rivo-doza, izay namela fahasimbana sy faharavana ary fahafatesana teny amin’ny lalany. …

“Mety ho tena ratsy ny fahasimbana sy ny faharavana ary ny fahafatesana avy amin’ny rivo-doza mampitolagaga toy ireny, fa misy ny faharavana lehibe kokoa izay miseho eo amin’ny fiainan’ny olona noho ny rivo-doza ara-panahy. Ireny hery masiaka dia masiaka ireny matetika dia mahatonga fahasimbana mampalahelo kokoa noho ny rivo-doza tena izy, satria manimba ny fanahintsika izy ireo ary manaisotra amintsika ny vivavinantsika sy ny fampanantenana nomena antsika mandrakizay. …

“Fa manana ny mpiambina rivo-doza ara-panahy koa isika dia ireo izay manana antso ny hiambina sy hampitandrina, izay manampy antsika hisoroka ny fahasimbana ara-panahy, ny faharavana, eny fa na dia ny fahafatesana aza. Ny mpitilintsika mitsangana eo an-tampon’ny tilikambo dia fantatsika amin’ny anarana hoe apôstôly sy mpaminany. Izy ireo no maso ara-panahy ho antsika eny amin’ny lanitra, ary izy ireo dia mahafantatra izay mety ho lalan’ireo rivo-doza ireo, amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy sy ny hevi-baovao tonga ao an-tsainy ary ny faharanitan-tsaina tsy misy fangarony. Manohy manandratra ny feo fampitandremany izy ireo mba hiteny amintsika mikasika ny voka-dratsy mahatahotry ny fandikana ny didin’ny Tompo iniana atao sy noho ny fahavetavetana. Ny fanaovana fanahiniana tsy miraharaha ny fampitandreman’izy ireo dia toy ny manasa ny fahoriana, ny alahelo ary ny fahasimbana. Ny fanarahana ireo fampitandremana ireo dia toy ny manaraka ireo mpanompo voafidin’ny Tompo ho ao amin’ny fiadanana feno ara-panahy sy ny fahafenoan’ny fitahiana ara-panahy” (“Spiritual Hurricanes,” Ensign, Nôv. 1999, 31–32).

  • Amin’ny fomba ahoana no hifandraisan’ity tantara ity amin’ny anjara asan’i Abinadia teo anivon’ny olon’ny Mpanjaka Noà?

Lazao amin’ireo mpianatra fa ity zavatra atao manaraka ity dia hanampy azy ireo hahafantatra bebe kokoa ny fitohizan’ny ny tantara ao amin’ny Môsià 19–20 sy hahita ny fahatanterahan’ny faminanian’i Abinadia ao amin’ireo toko ireo. Aorian’ity zavatra atao ity dia hameno ilay tsanganana havanana ao amin’ny tabilao eny amin’ny solaitrabe ireo mpianatra.

Soraty eny amin’ny solaitrabe mialoha ny fotoam-pianarana ireto fehezanteny 11 manaraka ireto, na omano amin’ny taratasy omena ny mpianatra tsirairay izy ireo. Asao ny mpianatra hamaky amim-pitandremana ny Môsià 19–20. Rehefa mamaky izy ireo dia angataho mba hanisy laharana ireo ampahan-java-miseho ao anatin’ny lisitra. Azonao atao ny milaza amin’ireo mpianatra fa ireo famintinana ny toko dia manome hevitra manampy.amin’ny fahalalàna izay tena hanampy tokoa.

Nikatsaka ny hamono ny Mpanjaka Noà i Gideôna.

Nitalaho tamin’ny Lamanita ny vehivavy sy ny ankizy Nefita ny mba tsy hamonoany azy ireo.

Niaritra fahafatesana tamin’ny afo ny Mpanjaka Noà.

Tonga tao amin’ny faritr’i Semlôna ny andian-tafika Lamanita iray.

Naka ankeriny ny 24 tamin’ny zanakavavin’ny Lamanita ny mpisoron’i Noà.

Niangavy ny miaramilany tsy hamono ny olon’i Limia ny mpanjakan’ny Lamanita.

Nandositra ny Lamanita i Noà sy ny sasany tamin’ireo lehilahy, izay nandao ny vady aman-janany

Nandidy ny olony tsy hamono ny mpanjakan’ny Lamanita i Limia.

Nisy fandriampahalemana teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita nandritra ny roa taona.

Nampanantena i Limia fa handoa ny antsasaky ny fananany rehetra amin’ny Lamanita ny olony.

Nanohitra ny fanafihan’ny Lamanita ny Nefita ary nisambotra ny mpanjakan’ny Lamanita.

Omeo 5 ka hatramin’ny 10 minitra ny mpianatra hamitany ity asa atao ity. Avy eo dia ampiasao ilay lisitra mba hamerenana hijery ny fitohizan’ny tantara ao amin’ny Môsià 19–20. (Toy izao manaraka izao no filaharana marin’ny ampahan’ny zava-niseho, manomboka eo amin’ny faran-tampon’ny lisitra: 1, 4, 5, 2, 8, 11, 3, 10, 7, 6, 9.)

Asao hijery indray ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra. Zarao ho vondrona roa ireo ankizy ao am-pianarana. Asao ny vondrona iray handalina ny Môsià 19:10, 14–15; 20:20; 21:2–4 mba hijery ny nahatanterahan’ny faminanian’i Abinadia mikasika ny olon’ny Mpanjaka Noà. Asao ny vondrona faharoa handalina ny Môsià 19:18–20 mba hijery ny fahatanterahan’ny faminaniana mikasika ny Mpanjaka Noà. Asao ny mpianatra iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay hamintina ny fomba nahatanterahan’ny faminanian’i Abinadia. Asao ny mpianatra iray hafa hanoratra ny famintinan’izy ireo ao amin’ilay tabilao.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 20:21.

  • Inona no nolazain’i Gideôna fa antony nahatonga ny olona hijaly?

Asao ireo mpianatra hanazava amin’ny teniny manokana ny zavatra tian’i Gideôna ho takatry ny vahoaka. Rehefa mampiasa teny hafa ireo mpianatra dia tokony haneho fahatakarana izy ireo fa ny fandavana ny tenin’ny mpanompon’ny Tompo dia mitondra fahoriana sy alahelo. (Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.)

Lazao amin’ireo mpianatra fa nanome fampitandremana mitovy amin’izany ny Tompo ho an’ireo izay tsy hihaino ny feony amin’ny andro farany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:70–72. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanoratra io andinin-tsoratra masina io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo anilan’ny Môsià 20:21.

  • Inona ireo zavatra ampianarin’ireo mpaminany sy apôstôly amin’izao androntsika izao izay hanampy antsika hisoroka ny fijaliana sy ny alahelo? Inona no ampianarin’izy ireo izay hitondra fiadanana sy fifaliana ho antsika sy hanampy antsika hiverina eo anatrehan’Andriamanitra? (Azonao atao ny maneho ny laharana farany indrindra navoaka tamin’ny Ensign misy ny Fihaonamben’ny Fiangonana sy manonona ny sasany amin’ireo lohatenin’ny lahateny nataon’ireo mpaminany.)

Asao ireo mpianatra hitantara ireo fotoana nitahiana azy ireo satria nanaraka ny torohevitr’ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana izy ireo.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny fihainoana ny tenin’ireo mpaminany dia afaka mitondra fiadanana ho antsika ary manampy antsika hiverina eo anatrehan’Andriamanitra dia zarao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ny filaminantsika ara-panahy dia azo avy amin’ny fihainoana ny feo mazavan’ny mpaminanintsika velona. Raha mihaino ny feony isika ary mankatò ny toroheviny dia ho afaka hiaina tahaka izay tian’i Kristy hiainantsika isika ary haharitra hatramin’ny farany mba hiverenantsika indray andro any, miaraka amin’ny fianakaviantsika, ho eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjintsika” (“Hear the Prophet’s Voice and Obey,” Ensign, Mey 1995, 17).

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fiadanana sy filaminantsika ara-panahy izay azo avy amin’ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpanompon’ny Tompo.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Raha mbola misy ny fotoana dia azonao atao ny mamerina ny andinin-tsoratra masina fehezina izay nampianarinao hatramin’izay nandritra ity taona ity na ampio ireo mpianatra hitadidy ireo teny manan-danja ao amin’ny andininy tsirairay avy.

Omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenana ireo andinin-tsoratra masina fehezina izay nianaran’izy ireo hatramin’izay nandritra ity taom-pianarana ity. Asao ny mpianatra iray ho eny aloha miaraka amin’ny soratra masiny. Asao ilay mpianatra hamadika ny bokiny any amin’ny iray amin’ireo soratra masina fehezina ary tsy maneho izany na amin’iza na iza. (Raha toa ka misy eo an-toerana ireo karatra mirakitra ny soratra masina fehezina dia azonao atao ny manasa ilay mpianatra hampiasa izany.) Asao ilay mpianatra hanoratra teny iray eny amin’ny solaitrabe, avy ao amin’ilay soratra masina fehezina. (Amporisiho ilay mpianatra hifidy teny manan-danja avy amin’ilay andininy fa tsy teny tsy dia miavaka loatra toy ny sy na ny.) Asao ny mpianatra sisa mba hikaroka ao amin’ny soratra masin’izy ireo ilay andinin-tsoratra masina fehezina izay heverin’izy ireo fa nanatsoahana ilay teny. Raha tsy misy mahita amin’ny alalan’ny fampiasana teny iray ilay andininy marina dia asao ilay mpianatra hanoratra teny hafa avy ao amin’ilay andinin-tsoratra masina fehezina eny amin’ny solaitrabe. Avereno izany dingana miantoana izany manda-pahitan’ny mpianatra iray farafahakeliny ny misy ilay andininy marina. Asao ny mpianatra sisa hamadika ny bokiny ao amin’ilay andininy ary angataho izy ireo hanao tsianjery izany miaraka. Aorian’izay dia avereno izany fomba famerenana izany amin’ny fanendrena mpianatra iray hafa sy andinin-tsoratra masina fehezina iray hafa.

Hamoaka printy