Tahirim-pitaovana
Lesona 58: Môsià 11–12:17


Lesona 58

Môsià 11–12:17

Fampidirana

Koa satria nitarika ny maro tamin’ny olony ho amin’ny faharatsiana ny avonavona sy ny fiainana mpikomy nananan’ny Mpanjaka Noà dia naniraka ny mpaminany Abinadia ny Tompo hampitandrina an’i Noà sy ny olony. Nampitandrina azy ireo i Abinadia fa ho lasa ao anatin’ny fanandevozana izy ireo raha toa ka tsy mibebaka. Nisafidy ny tsy hihaino ny fampitandremana ny olona ary nanome baiko ny Mpanjaka Noà ny hanidiana an’i Abinadia tao an-trano maizina.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 11:1–19

Nitarika ny olony ho amin’ny faharatsiana ny Mpanjaka Noà

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto alohan’ny fotoam-pianarana:

Inona no holazainareo raha milaza ny ray aman-dreninareo fa mitaona anareo amin’ny ratsy ny sasany amin’ny namanareo?

Inona no holazainareo raha miteny aminareo ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana fa manakantsakana ny fivoaranareo ara-panahy ny iray amin’ireo zavatra fanaonareo tena tianareo indrindra?

Inona no ho ataonareo raha manao fanambarana ny mpampinany manohitra ny karazam-pialamboly iray izay ankafizinareo?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina amim-pahanginana ireo fanontaniana ireo. Avy eo dia manontania hoe:

  • Nahoana no fanamby ho anao ireo toe-javatra ireo?

  • Inona no azonao atao hanarahana ny torohevitry ny ray aman-dreninao na ireo mpitarika ao anatin’ny toe-javatra tahaka ireo?

  • Nahoana ny olo-marina no manana finiavana hanaraka torohevitra na dia mitaky fanovana sarotra tanterahina eo amin’ny fiainan’izy ireo aza izany?

Hazavao fa mandritra ity lesona ity ireo mpianatra dia hianatra mikasika ny andian’olona iray izay tsy nety nanaraka ny torohevitra avy amin’ny mpaminany iray.

Mba hanomezana fampahafantarana mikasika ny zava-miseho manodidina ny lesona dia ampahatsiahivo ireo mpianatra fa nitarika andian’olona i Zenifa ho any amin’ny tanin’i Nefia, toerana izay namarinan’ny Lamanita azy ireo ho amin’ny fanandevozana. Na dia nahatonga an’i Zenifa ho voafitaky ny Lamanita aza ny fahazotoany be loatra dia lehilahy tsara izy ary nampianatra ny olony hametraka ny fitokian’izy ireo amin’ny Tompo izy. Natolotr’i Zenifa an’i Noà zanany lahy ny fanjakana, talohan’ny nahafatesany. (Jereo ny Môsià 9–10.)

Hazavao fa lehilahy ratsy fanahy i Noà. Mba hanehoana ny fiantraikan’ny faharatsiany teo amin’ny olony dia zarao ho vondrona roa ny iray kilasy. Asao ny vondrona voalohany hamaky ny Môsià 11:1–2, 5–7, ary asao ny vondrona faharoa hamaky ny Môsià 11:14–19. Asao ireo vondrona roa samy hikaroka ireo antsipiriany mikasika ny fomba fiantraikan’ny haratsiam-panahin’ny Mpanjaka Noà teo amin’ny olony. Ampio ireo mpianatra hamakafaka ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Araka ny eritreritrareo, nahoana ny olona no vonona hanohana an’i Noà tao amin’ny faharatsiany?

  • Nahoana ny “teny poak’aty sy manasohaso” no afaka mahatonga ny olona ho voafitaka? (Rehefa mifanakalo hevitra mikasika io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao atao ny milaza amin’izy ireo fa ny fanasohasoana dia fiderana amim-pitaka, izay mazàna atao mba hitondrana ireo olona deraina amin’ny sangany.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ity tantaran’ny olon’i Noà ity, mikasika ny fihetsika tokony asehontsika manoloana ny teny poak’aty sy manasohaso? (Rehefa mino ny teny poak’aty sy manasohaso ataon’ny hafa isika dia manokatra lalana hahatonga antsika ho voafitaka.)

  • Inona no azontsika atao rehefa miaina ao amin’ny tsy fahamarinana ny olona rehetra manodidina antsika?

Môsià 11:20–12:17

Nampitandrina ny olona i Abinadia fa havarina any amin’ny fanandevozana izy ireo raha toa ka tsy mibebaka

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 11:20.

  • Inona no nataon’ny Tompo mba hanampiana ny olon’i Noà? (Nandefa mpaminany Izy hiantso azy ireo hibebaka.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Maniraka mpaminany Andriamanitra mba hanampiana antsika hibebaka sy tsy ho fadiranovana. Hazavao fa indroa ny Tompo no naniraka an’i Abinadia hampitandrina ny olona.

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Mamelà toerana ampy ahafahana manoratra famintinana eo ambanin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay.

Ny Hafatr’i Abinadia

Ny Fihetsika nasehon’ny olona

Fampitandremana Voalohany

Môsià 11:20–25

Môsià 11:26–29

Fampitandremana Faharoa

Môsià 12:1–8

Môsià 12:9–17

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny hafatr’i Abinadia dia asao ny antsasaky ny kilasy hamaky ny Môsià 11:20–25, izay mitantara momba ny fampitandremana voalohany nataon’i Abinadia, ary asao ilay antsasany ambiny hamaky ny Môsià 12:1–8, izay mitantara momba ny fampitandremana faharoa nataony. Asao ny mpianatra ao amin’ny vondrona tsirairay hamintina ny hafatr’i Abinadia ary ny mpianatra iray hanoratra ny famintinana nataon’izy ireo eny amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany.

  • Inona no fahasamihafana tsikaritrareo eo amin’ny fampitandremana roa nataon’i Abinadia?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ireo fahasamihafana ireo dia sintony ny eritreritr’izy ireo hifantoka amin’ny Môsià 11:20–25 sy amin’ireo fehezanteny miverimberina manao hoe “raha tsy mibebaka izy” sy “raha tsy mibebaka ity vahoaka ity.” Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanisy marika ireo fehezanteny ireo. Avy eo dia amporisiho izy ireo hitady ny fahasamihafana eo amin’ny teny ampiasaina ao amin’ireo fehezanteny ireo sy ny teny ampiasaina ao amin’ny Môsià 12:1–8. (Ampio ireo mpianatra hahita fa tokony ho afaka niala ireo voka-dratsy ireo ny olona raha nibebaka taorian’ilay fampitandremana voalohany. Noho ny olona tsy nanaiky hibebaka dia lasa tsy maintsy nisy ary lasa loza kokoa ireo voka-dratsy voalaza tao amin’ny fampitandremana faharoa nataon’i Abinadia.)

  • Inona no ampianarin’ireo fahasamihafana ireo anareo mikasika ny vokatry ny tsy fihainoana ny fampitandreman’ny mpaminany?

  • Inona avy ireo loza mananontanona noho ny fikirizantsika amin’ny fahotantsika sy ny tsy fibebahantsika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fihetsiky ny olona manoloana ny hafatr’i Abinadia dia angataho ny antsasaky ny mpianatra hamaky ny Môsià 11:26–29, ka handray ny fihetsiky ny olona sy ny mpanjakany manoloana ny hafatra voalohany nomen’i Abinadia. Asao ilay antsasany ambiny hamaky ny Môsià 12:9–17, ka manamarika ny fihetsiky ny olona manoloana ny hafatr’i Abinadia faharoa. Asao ireo mpianatra isaky ny vondrona hamintina ireo fihetsika nasehon’ny olona ary ny mpianatra iray manoratra ireo famintinana ireo eo amin’ilay tabilao.

  • Araka ny eritreritrareo, nahoana ny vahoaka no naneho hatezerana tamin’i Abinadia izay niezaka nanampy azy ireo? Nahoana araka ny hevitrareo no nanohana ny Mpanjaka Noà izy ireo, izay nitondra azy ireo ho any amin’ny fahoriana?

  • Mamaky isika ao amin’ny Môsià 11:29 fa “nohajambaina ny mason’ny olona.” Tamin’ny fomba ahoana no nahatonga ireo olona ireo ho jamba tsy nahalala ny fahamarinana?

Rehefa mifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana ireo ny mpianatra dia ampio izy ireo ahatsikaritra ity fitsipika manaraka ity: Afaka manajamba antsika ny fahotana mba tsy ahitantsika ny fahamarinan’ny tenin’ireo mpaminany. Hazavao fa tao anatin’ny fahajambany dia nieritreritra ireo olona ireo fa naman’izy ireo i Noà ary i Abinadia no fahavalon’izy ireo, raha toa ka ny mifanohitra tamin’izay no marina. Asao ireo mpianatra hisaintsaina amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Efa nisy fotoana ve ianareo tezitra na niaro ny fahadisoanareo rehefa nisy olona nanitsy anareo, na dia fantatrareo ary fa marina ny voalazan’izy ireo?

  • Inona no azonareo atao mba hanekena ny fananaran’ireo olona ao amin’ny fianakaviana, sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ary ireo mpaminany rehefa mananatra anareo izy ireo mikasika ny fomba hanarahana ny tenin’Andriamanitra?

Lazao amin’izy ireo fa maro ireo olona mamporisika antsika hiaina mifanaraka amin’ny tenin’Andriamanitra. Mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra lavidavitra kokoa mikasika ny fomba fihetsika tokony haseho manoloana ireo izay manoro hevitra antsika hiova na hibebaka, dia miverena amin’ireo fanontaniana telo nosoratanao teny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana. Asao ireo mpianatra hamaly ny iray amin’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy. Rehefa avy nahazo fotoana ampy izy ireo hanoratana dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hitantara mikasika ny fotoana iray izay nitahiana azy ireo noho ny fanarahan’izy ireo ny torohevitra avy amin’ny ray aman-dreny na ireo mpitarika. Amporisiho izy ireo hikatsaka sy hanaraka ny torohevitr’ireo ray aman-dreny, sy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana, ary ireo mpaminany.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Hitombo ny fahatakaran’ireo mpianatra ireo andinin-tsoratra masina rehefa mamorona ny fanontanian’izy ireo manokana izy ireo momba ireo andinin-tsoratra masina ireo. Asao ireo mpianatra iray kilasy indray miaraka na nitsinjara ho vondrona kely maromaro hiara-hiasa mba hanoratra ireo famantarana izay manondro ireo andinin-tsoratra masina fehezina voafaritra. (Azonao atao ny mifidy andian’andinin-tsoratra masina izay tianao ianaran’ireo mpianatra na averiny.) Avy eo dia angataho izy ireo hamaky aminao ireo famantarana hitan’izy ireo. Omena isa ianao raha mahafantatra tsara andinin-tsoratra masina fehezina iray. Omena isa ireo mpianatra rehetra raha tsy afaka mamantatra tsara izany ianao.

Fanamarihana: Raha tsy afaka manao ity asa atao fianarana soratra masina fehezina ity mandritra ity lesona ity ianao dia azonao atao ny mampiasa izany amin’ny andro hafa. Ho an’ireo asa atao hafa atao mba hamerenana ireo soratra masina fehezina dia jereo ireo pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Hamoaka printy