Tahirim-pitaovana
Fandalinana Isan-kerindro Fizarana 12


Lesona ho an’ny Mpianatra Manao Fandalinana any an-trano

Môsià 7–17 (Fizarana 12)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ireo mpianatra ity rehefa nandalina ny Môsià 7–17 (fizarana 12) dia tsy natao ho anisan’ny ampianarina ao anatin’ny lesona ampianarinao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa tsy amin’ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatra ianao.

Andro 1 (Môsià 7–8)

Rehefa nandalina ny Môsià 7–8 ireo mpianatra, dia nifantoka tamin’ny fifandraisana misy eo amin’ny fahotana sy ny fanandevozana izy ireo. Nianatra avy amin’ny tenin’ny Mpanjaka Limia ihany koa izy ireo fa ny fanekena ny fahotantsika sy ny fahatsapantsika alahelo noho izany dia afaka mitarika antsika hitodika any amin’ny Tompo mba hahazo fanafahana. Nanome toky an’i Limia i Amôna fa manome mpaminany sy mpahita ary mpanambara mba ho tobontsoan’ny olona ny Tompo.

Andro 2 (Môsià 9–10)

Nianatra bebe kokoa mikasika ny andian’ny Nefita nantsoina hoe olon’i Zenifa ny mpianatra, izay niara-nonina tamin’ny Lamanita. Nasongadina ity fahamarinana manaraka ity rehefa nandeha niady tamin’ireo Lamanita niady tamin’izy ireo i Zenifa sy ny olony manao hoe: Hanampy antsika ny Tompo rehefa manao izay rehetra vitantsika isika ary mametraka ny fitokiantsika Aminy.

Andro 3 (Môsià 11–14)

Nitarika ny olony hanao fahotana mahatsiravina sy faharatsiana ny Mpanjaka Noà. Nahafantatra ireo mpianatra fa nandefa mpaminany Andriamanitra mba hanampy antsika hibebaka, hisoroka ny fahoriana, ary hahazo ny famonjena. Nianatra tamin’ny alalan’ny fampianaran’ny mpaminany Abinadia ireo mpianatra fa raha mitandrina ny didin’Andriamanitra isika dia hovonjena. Nianatra koa izy ireo fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no loharanon’ny famonjena.

Andro 4 (Môsià 15–17)

Talohan’ny namonoana azy ho maritiora dia nanambara tamim-pahasahiana i Abinadia fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no manefa ny fitakian’ny fahamarinana ho an’ireo rehetra izay mino ny herin’ny fanavotan’ny Mpamonjy, mibebaka amin’ny fahotany, ary mitandrina ireo didy. Nampianatra koa i Abinadia fa hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tamin’ny alalan’ny fandalinana ireo fotopampianarana ireo dia nisaintsaina mikasika ny maha zava-dehibe ny fianteherana amin’ny Mpamonjy sy ny fijanonana ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny toe-java-miseho rehetra ireo mpianatra.

Fampidirana

Ny Môsia 7–17 dia mitantara ireo dia lavitra sy zavatra niainan’ny olona sy andian’olona samihafa. Ny safidin’i Zenifa hitarika andiana Nefita hiara-honina tamin’ny Lamanita dia nisy fiantraikany teo amin’ireo firenena roa. Ny olon’i Zenifa sy ireo taranany ohatra dia niaina fitsapana, fihemorana, fanandevozana, fahaterahana indray ara-panahy ary fanafahana. Ny tapany voalohany amin’ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hamerina ireo anarana, toerana, ary zava-nitranga izay nohalalininy tamin’ity herinandro ity. Ny tapany faharoa amin’ny lesona dia hanampy ireo mpianatra hamantatra ny lohahevitra fototry ny hafatry ny mpaminany Abinadia tamin’ireo vahoaka—Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany. Vonona ny hamoy ny ainy tamin’izany hafatra izany i Abinadia.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 7–17

Famerenana ireo toerana nisehoan’ny tantara sy ny fotopampianarana

Mba hanampiana anao hanazava ireo zava-miseho ao anatin’ity lesona ity dia avereno jerena ilay tabilao ao amin’ny “Fijerena amin’ny ankapobeny ny Môsià 7–24” ao amin’ny fizarana faha 12, andro voalohany ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpianatra. Asao ireo mpianatra hamaky ny Môsià 7:1–2, ary asao izy ireo hamantatra ireo tany roa voalaza ao. Angataho izy ireo hanazava ny antony nanirian’ireo andiana Nefita handeha avy any amin’ny toerana iray ho any amin’ilay iray hafa.

Soraty eny amin’ny farany ankavia sy farany ankavana eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ireo tany roa (na amin’ny taratasy):

Tanin’i Zarahemlà

Tanin’i Nefia (Lehia-Nefia)

Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa mamerina mijery ireo zava-niseho ianao sy ny mpianatrao. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ireo olona resahinao. Azonao atao ny mampiasa ireto fanontaniana rehetra ireto na ny sasany amin’izany ihany arakaraky ny fanamarihana ataon’ireo mpianatra:

  • Nahoana no naniry ny handao ny tanin’i Zarahemlà i Zenifa? (Jereo ny Môsià 9:1, 3.)

  • Inona no hifandraisan’i Zenifa sy i Noà ary i Limia? (Jereo ny Môsià 7:9.)

  • Mpanjaka manao ahoana i Noà? (Jereo ny Môsià 11:1–5, 11.)

  • Inona no nataon’Andriamanitra mba handresena lahatra an’i Noà sy ny olony hiala amin’ny faharatsiany mahatsiravina sy ny fahavetavetana? (Naniraka an’i Abinadia mpaminaniny izy hiantso azy ireo ho amin’ny fibebahana.)

  • Inona no azonao lazaina anay mikasika an’i Almà? (Mety ho anisan’ny valinteny amin’izany ny hoe iray tamin’ireo mpisoron’ny Mpanjaka Noà izy, nino sy nanoratra ny tenin’i Abinadia izy, ary nitsoaka izy mba tsy ho voavono.)

  • Nahoana no manan-danja ao amin’ireo toko ireo i Mosesy sy i Isaia na dia efa niaina elabe talohan’i Abinadia sy tany amin’ny faritra hafa teto an-tany aza izy ireo?

  • Nahoana i Limia no nandefa olona 43 tamin’ny olony ho any an-tany foana? (Tao anatin’ny fanandevozan’ny Lamanita i Limia sy ny olony ary nikatsaka ny hitady fanampiana avy amin’ny vahoakan’i Zarahemlà.) Inona indray no hitan’izy ireo fa tsy i Zarahemlà? (Nahita tanàna lehibe rava sy takela-bolamena 24 nisy rakitsoratra izy ireo.)

  • Inona no nataon’i Amôna sy ireo lehilahy 15 hafa? (Nirahin’i Môsià hamantatra izay zava-nitranga tamin’ny olon’i Zenifa izy ireo. Nahita ny taranak’ireo olona ireo tao anatin’ny fanandevozana izy ireo. I Limia, izay zafikelin’i Zenifa no mpanjakan’izy ireo.)

  • Iza no mpanjaka tao Zarahemlà sy mpaminany sy mpahita ary mpanambara? (Môsià) Nahoana no nanan-danja tamin’i Limia ny anjara asany tamin’ny naha-mpahita azy? (Nahafantatra i Limia fa afaka nandika ireo soratra teo amin’ireo takela-bolamena 24 i Môsià.)

Lazao amin’ireo mpianatra fa 80 taona teo ho eo no lasa nanelanelana ny nandaozan’i Zenifa sy ny olony an’i Zarahemlà sy ny nahatongavan’i Amôna sy ireo mpiara-dia taminy tao amin’ny tanin’i Nefia.

Rehefa avy manampy ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny votoatin’ny tantara ianao dia ampahatsiahivo azy ireo fa nisy olona iray hafa nianaran’izy ireo ny momba azy tamin’ity herinandro ity ary tsy mbola eny amin’ny solaitrabe ny anarany.

Asao ny mpianatra tsirairay hamaky ny Môsià 16:6–8 sy hamantatra ny anaran’io olona io. Lazao amin’ireo mpianatra fa na dia mahafaoka tantara maro be ary ity ampahany amin’ny bokin’i Môrmôna ity dia mampisongadina ny fotopampianaran’ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy koa izany.

Mba hanamafisana ny maha zava-dehibe ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity na ataovy ao anatin’ny taratasy omena ireo mpianatra. Asao ireo mpianatra hiara-hiasa tsiroaroa mba handalina ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ao anatin’ilay tabilao sy hifanakalo hevitra mikasika izay zavatra hitany. Koa satria manana toetoetra mahakasika ny tena manokana ny sasany amin’ireo fanontaniana fampiharana dia afaka manapa-kevitra ireo mpianatra na ny hamaly izany amin’ny alalan’ny fifampiresahan’izy ireo, na hanoratra ireo valinteny ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina, na hisaintsaina amim-pahanginana ny valinteniny.

Soratra Masina

Zavatra Tadiavina

Fanontaniana Fampiharana

Môsià 7:33

Ny fomba hanafahana antsika ao amin’ny fanandevozana ara-panahy sy ara-batana.

Amin’ireo zavatra telo noantitranterin’i Limia, iza amin’izy ireo no heverinao fa tokony hanaovana ezaka ho ampatanjahina amin’izao fotoana izao?

Môsià 13:11

Ny antony tsy nahatakaran’ny Mpanjaka Noà sy ny maro amin’ireo olony ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy.

Inona ireo porofo hita eo amin’ny fiainanao fa voasoratra ao am-ponao ireo didy? Amin’ny fomba ahoana no hahafahanao mandalina sy mampianatra ny fahamarinana?

Môsià 14:3–7

Teny sy fehezanteny manan-danja mikasika ny fijalin’ny Mpamonjy sy ny fandavana Azy.

Amin’ny fomba ahoana no hanamavoina sy handavan’ny olona ny Mpamonjy ankehitriny? Amin’ny fomba ahoana no hanafenan’ny olona iray ny tavany Aminy? Amin’ny fomba ahoana no hanaovan’ny olona iray ny mifanohitra amin’izay?

Môsià 15:6–9, 11

Ny zavatra “notapatapahan[’i]” Jesoa Kristy sy ny zavatra “azo[ny]”; ary koa ny zavatra azontsika noho ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Jesoa Kristy fanalalanana ho anao? Tamin’ny fomba ahoana no nijoroany nanelanelana anao sy ny fitakian’ny fahamarinana?

Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina mikasika ny zavatra nohalalininy tao amin’io asa atao momba ny soratra masina io sy ny leson’izy ireo ho an’ny herinandro dia manontania hoe: Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo fitsipika sy fotopampianarana nohalalininao tamin’ity herinandro ity anao hiandrandra ny famelana ny fahotanao?

Omeo fahafahana ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy.

Fomba iray azonao hamaranana ny lesona androany ny famakiana ny Môsià 16:13–15 sy ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny ilantsika ny Mpamonjy. Fomba iray hafa ny manantitrantitra amin’ireo mpianatrao fotopampianarana na fitsipika roa izay nianaran’izy ireo tamin’ity herinandro ity: dia ny hoe loharanon’ny famonjena ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny hoe Nanefa ny fitakian’ny fahamarinana ho an’ireo rehetra izany mibebaka i Jesoa Kristy.

Fizarana manaraka (Môsià 18–25)

Ny Môsià 18–25 dia maneho ny fomba nitsoahan’ny andian’olona roa tamin’ny fanandevozan’ireo fahavalony ary niverina soa aman-tsara tany Zarahemlà. Hianatra ny fomba nitarihan’Andriamanitra ny andiany tsirairay handositra ianareo. Nanaraka ny drafitra nomani’i Gideôna hanao izay hahamamo ireo mpiambina ny andiany iray, ary ilay iray hafa dia tafatsoaka tamin’ny alalan’ny fanarahana an’i Almà raha mbola natory ny Lamanita. Iza no nampatory ny Lamanita?

Hamoaka printy