Tahirim-pitaovana
Lesona 63: Môsià 21–22


Lesona 63

Môsià 21–22

Fampidirana

Rehefa tsy nahomby intelo miantoana tamin’ny fanafahana ny tenany tamin’ny fanandevozan’ny lamanita i Limia sy ny olony dia nitodika tamin’ny Tompo ihany ny farany mba hanafaka azy ireo. Taorian’izay dia tonga tao amin’ny tanin’i Lehia-Nefia i Amôna sy ny rahalahiny. Rehefa avy nanao fanekempihavanana hanompo ny Tompo dia tafatsoaka tamin’ny fanandevozan’ny Lamanitra i Limia sy ny olony ary nitarika azy ireo ho any Zarahemlà i Amôna.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 21:1–22

Rehefa avy nikomy tamin’ny Lamanita ny olon’i Limia ary voakapoka intelo dia nanetry ny tenany teo anatrehan’ny Tompo izy ireo ary nanjary niroborobo

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fahababoana sy fanafahana.

  • Inona no sary tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ireo teny ireo ianao?

  • Inona no fahatsapana tonga ao anin’ny eritreritrao mifandray amin’ireo teny ireo?

  • Inona no mety hifandraisan’ireo teny ireo amin’ny drafitry ny famonjena?

Hazavao fa ny Môsià 21–24 dia mirakitra ny tantaran’ny andian’olona roa izay nentin’ny miaramila Lamanita ho babo ary navotan’ny Tompo tamin’ny farany. Ao amin’ny Môsià 21–22, dia ahitantsika mikasika an’i Limia sy ny olony izay lasan-ko babo noho ny faharatsian’izy ireo. Ny fahababoan’izy ireo ara-batana dia mitovy amin’ny fahababoana ara-panahy niainan’izy ireo noho ny fahotany. Horesahina ao amin’ny lesona manarana ny tantaran’ilay andiany faharoa ao amin’ny Môsià 23–24. Mitantara mikasika ny olon’i Almà izany, izay niaina fahababoana sy fahoriana taorian’ny nanaovana batisa azy ireo. Samy mampianatra fahamarinana manan-danja mikasika ny herin’ny Tompo hanafahana antsika amin’ny fahotana sy ny fahoriana ireo tantara roa ireo. Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny herin’ny Tompo hanafahana antsika amin’ny fahotana rehefa mandalina ny fahababoana sy ny fanafahana ireo vahoaka ao amin’ny Môsia 21–22 izy ireo.

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 21:2–6. Asao izy ireo hitady teny na fehezanteny izay mamariparitra ny zavatra niainan’i Limia sy ny olony ary ny zavatra tsapan’izy ireo mikasika izany. Mba hanamafisana ny zava-tsarotra natrehin’ny olon’i Limia, dia azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ilay fehezanteny hoe “tsy nisy lalana nahazoany nanafaka ny tenany teo an-tànany” ao amin’ny Môsià 21:5.

  • Inona no antsipiriany hita ao amin’ny Môsià 21:6 izay milaza fa tsy mbola nanetry ny tenany sy nitodika tamin’ny Tompo ny olona?

  • Inona no vahaolana natolotry ny olon’i Limia mba hanamaivamaivana azy ireo tamin’ny fahoriany?

Fintino ny Môsià 21:7–12 amin’ny alalan’ny fitenenana amin’ireo mpianatra fa nandeha niady intelo ny vahoakan’i Limia mba hanafahan’izy ireo ny tenany tamin’ny Lamanita, saingy resy izy ireo ary niaritra ny fahafatesan’ny maro be taminy isak’izay nandeha niady.

  • Inona avy ireo fihetsika mety nataon’ilay vahoaka taorian’ny ezaka fanintelony tsy nahomby nataon’izy ireo mba hanafahana ny tenany?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môsià 21:13–16 mba hamantatra ny fihetsika nasehon’ireo vahoaka. Apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra:

  • Niova toy ny ahoana ireo vahoaka taorian’ny fahareseny fanintelony?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Môsià 21:15, nahoana ny Tompo no nitaredretra tamin’ny fihainoana ny vavak’izy ireo?

  • Ao amin’ny Mosiah 11:23–25, inona no nolazain’ny Abinadia fa tokony ho ataon’ny olona alohan’ny hiahainoan’ny Tompo ny vavak’izy ireo mba hahazo fanafahana?

  • Na dia tsy nafahana avy hatrany tamin’ny fahababoana aza ireo vahoaka dia tamin’ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo azy ireo rehefa nanomboka nibebaka izy ireo? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo hanisy marika ny fehezanteny hoe “niroborobo niandalana” ao amin’ny Môsià 21:16.)

  • Inona no ampianarin’izany mikasika ny zavatra hataon’ny Tompo rehefa manetry tena ny olona, manomboka mibebaka, ary miantso Azy hanampy azy ireo?

Fintino ny Môsià 21:16–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandritra ny fotoana sisa tavela izay naha tao anatin’ny fanandevozana ny olon’i Limia, dia nampiroborobo azy ireo ny Tompo mba tsy hiaretan’izy ireo hanoanana. “Tsy nisy intsony [koa] fanelingelenana teo amin’ ny Lamanita sy ny vahoakan’ i Limia” (Môsià 21:22).

Asao ireo mpianatra hilaza ireo fitsipika nianaran’izy ireo avy amin’ny tantaran’ny olon’i Lehia. Na dia mety hizara fitsipika samy hafa aza ireo mpianatra dia ataovy izay hahazoana antoka fa takatr’izy ireo ny hoe rehefa manetry tena isika, miantso ny Tompo, ary mibebaka amin’ny fahotantsika, dia hihaino ny vavaka ataontsika Izy ary hanamaivana ny enta-mavesatry ny fahotantsika amin’ny fotoana notendreny. (Azonao atao ny manoratra ity fitsipika ity eny amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny manasa ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Môsià 21:15–16 na ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy.)

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety hahazoantsika tombontsoa avy amin’ny fiandrasana ny Tompo hanafaka antsika amin’ny enta-mavesatry ny fahotantsika?

Mba hanampiana ireo mpianatra hampihatra ny zavatra nianarany dia omeo fotoana fohy izy ireo hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto sy hanoratra ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.)

  • Inona no ataonao mba hikatsahana ny herin-panafahan’ny Tompo amin’ny fahotanao?

  • Tamin’ny fomba ahoana no “[nampiroboroboana] niandalana” anao rehefa nikatsaka ny fanampian’ny Tompo ianao?

Môsià 21:23–22:16

Niara-niasa mba hanampy ny vahoaka handositra ny fanandevozana sy hiverina tany Zarahemlà i Limia sy i Amôna ary i Gideôna

Fanamarihana: Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa ny Môsià 7 sy 8 dia ahitana ny tantaran’i Amôna sy ireo rahalahiny izay nahita ny Mpanjaka Limia sy ny vahoakany. Ireo toko 14 manaraka, Môsià 9–22, dia mitantara ny tantaran’ny vahoakan’i Limia manomboka manodidina ny 80 taona eo ho eo talohan’ny nahitan’i Amôna azy ireo. Mifarana amin’ny fitantarana indray ny sasany amin’ireo zava-nitranga izay efa noresahina tao amin’ireo toko teo aloha ity tantara ity. Noho izany antony izany, ny ankabeazan’ireo zavatra voarakitra ao amin’ny Môsià 21:23–30 dia efa noresahina tao amin’ny lesona mikasika ny Môsià 7–8 sy Môsià 18. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatadidy ireo zava-nitranga voarakitra ao amin’ny Môsià 21:23–30, dia mety hanampy ny mamerina mijery fohifohy ny fijerena amin’ny ankapobeny ireo dia natao ao amin’ny Môsià 7–24 ao amin’ireo pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa niaiky ireo olon’i Limia fa tonga teo amin’izy ireo ny fahoriany satria nandà ny fanasan’ny Tompo hibebaka izy ireo (jereo ny Môsià 12:1–2; 20:21). Noho izay faneken’izy ireo ny fahotany izay dia nanomboka ny dingan’ny fibebahana sy ny fiovam-po ny olon’i Limia. Zarao ity famaritana ny fibebahana ity:

Zava-dehibe ho an’ny fahasambaranao eo amin’ity fiainana ity sy any amin’ny mandrakizay [ny fibebahana]. Mihoatra noho ny fanekena ireo fahadisoana fotsiny ny fibebahana. Fanovana ny fomba fisainana sy fiovam-po izany. … Tafiditra ao anatin’izany ny fialana amin’ny fahotana sy fitodihana any amin’Andriamanitra mba hahazoana famelan-keloka izany. Ny fitiavan’Andriamanitra sy ny faniriana amin-kitsimpo hankatò ny didiny no mamporisika izany” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 132).

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 21:32–35. Angataho izy ireo hitady ireo teny sy fehezanteny izay milaza fa nibebaka sy nampitodika ny fony tamin’ny Tompo i Limia sy ny olony. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo teny sy fehezanteny ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra hitany. (Tokony ho tafiditra ao amin’ny valintenin’izy ireo ny hoe nanao fanekempihavanana hanompo an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny i Limia sy ny maro tamin’ireo olony, naniry ny hatao batisa izy ireo, ary vonona ny hanompo an’Andriamanitra tamin’ny fony manontolo izy ireo.)

Ity zavatra atao manaraka ity dia hanampy ireo mpianatra hahita fa nanampy ny olon’i Limia handositra ny fanandevozana ny Tompo rehefa nitandrina ny fanekempihavanany hanompo Azy sy hitandrina ny didiny izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana ireto fanontaniana sy andinin-tsoratra masina ireto:

Nahoana no heverina ho toy ny valin’ny vavaka nataon’ny olon’i Limia ny fahatongavan’i Amôna sy ireo rahalahiny? (Jereo ny Môsià 7:14–15, 18–20; 21:14–15, 22–24.)

Ankoatra ny fikatsahana ny fanampian’ny Tompo tamin’ny alalan’ny vavaka, inona no nataon’ny vahoakan’i Limia mba hahazoana fahafahana teo ambanin’ny fitarihan’i Gideôna? (Jereo ny Môsià 21:36; 22:1–10.)

Inona ao amin’ireo andininy ireo no milaza fa nanampy ny olon’i Limia handositra tamim-pilaminana ny Tompo? (Jereo ny Môsià 22:11–16; 25:15–16.)

Zarao ho vondrona telo ireo mpianatra. Asao ny vondrona tsirairay hiomana hamaly ny iray amin’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina miaraka amin’izany. Rehefa afaka minitra vitsy dia asao ny mpianatra iray avy ao amin’ny vondrona tsirairay hilaza ny valinteny nomanin’izy ireo. Fotoana tsara hanasana ireo mpianatra ihany koa izany hanampy hoe “Nandositra ny olon’i Limia” ao amin’ny fanehoana an-tsary ny dia ao amin’ny Môsià 7–24 izay nataon’izy ireo. (Mba hahitana ilay fanehoana an-tsary iray manontolo dia jereo ireo pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.) Azonao atao koa ny mamporisika ireo mpianatra hijery ny karatra fanamariham-pejin’ny Bokin’i Môrmôna mba hamantatra izay hitranga amin’ny vahoakan’i Limia amin’ny farany (jereo ny Môsià 22:13–14).

Sary
dia natao ao amin’ny Môsià 7–24

Lazao amin’izy ireo fa raha toa isika ka mety tsy mila mikatsaka fanafahana amin’ny fanandevozana ara-batana tahaka izay nataon’ny olon’i Limia, dia mila fanafahana amin’ny fahotana avokoa isika rehetra.

  • Inona no nianaranareo tao amin’ny Môsià 21–22 izay hanome fankaherezana izy rehetra nila nahita ny herin’ny Tompo mba hanafahana antsika amin’ny fahotana?

Farano amin’ny alalan’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny herin’ny Tompo hanafahana antsika amin’ny fahotana. Antitrantero fa rehefa manetry tena isika, miantso ny Tompo, ary mibebaka amin’ny fahotantsika, dia hihaino ny vavaka ataontsika Izy ary hanamaivana ny enta-mavesatry ny fahotantsika amin’ny fotoana voatendriny.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 21:15, 29–30. Mety manana anjara asa ny fijaliana avy amin’ny fahotana

Rehefa manota isika ary mandà ny hibebaka, toy ny olon’ny Mpanjaka Limia, dia mitondra eo amintsika fijaliana fanampiny—indrandray ho an’ny ara-batana ary mandrakariva ho an’ny ara-panahy. Nanazava ny fomba mety mahatonga ny fijaliana ho ampahany mana-danja amin’ny fahasitranana sy fivoarana ara-panahintsika ny Loholona Kent F. Richards ao amin’ny Fitopololahy manao hoe:

“Manampy antsika amin’ny fanaraha-maso ny dingan’ny fahasitranana ny fijaliana. Matetika izany no mampianatra antsika ny faharetana. …

“Nanoratra toy izao ny Loholona Orson F. Whitney hoe: ‘Tsy misy very ny fijaliana izay iaretantsika sy ny fitsapana izay iainantsika. Mampianatra antsika izany mba hampitomboantsika ny toetra toy ny faharetana, finoana, risi-po, ary fanetren-tena. … Amin’ny alalan’ny alahelo sy ny fijaliana ary zava-tsarotra sy fahoriana no hahazoantsika ny fampianarana izay tiantsika ho azo ka mahatonga antsika handeha ety.’

“Nilaza zavatra toy izany koa ny Loholona Robert D. Hales manao hoe:

“Mitondra anao amin’ny fanetren-tena izay mamela anao handinika ny fijaliana. Izany dia zavatra niainana izay ankasitrahako ny niainako azy. …

“‘Nianatra aho fa ny fanaintainan’ny vatana sy ny fahasitranana ny vatana … dia mitovy tokoa amin’ny fijaliana ara-panahy sy ny fahasitranan’ny fanahy ao anatin’ny dingan’ny fibebahana’” (“The Atonement Covers All Pain,” Ensign na Liahona, Mey 2011, 15).

Môsià 21:15–16. Inona no fihetsika asehonao mandritra ny fotoam-pahoriana?

Nampianatra mikasika ny fihetsika tokony hiezahantsika ho sorohina sy ny fihetsika tokony hiezahantsika ho ampitomboina mandritra ny fotoam-pahoriana diavintsika ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Hanampy anao ho maivamaivana amin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra ny Tompo rehefa mikatsaka fanafahana amim-panetren-tena sy amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy.ianao.

“Aza miteny hoe ‘Tsy misy olona mahatsapa izay tsapako, tsy afaka mamaha izany aho, na mahazo ny fanampiana ilaiko.’ Fiarovan-tena ireo fanamarihana ireo. Tsy hisy hanampy anao raha tsy mino sy manao ezaka ianao. Mitaky izany ny fivoaranao ara-panahy. Aza mikatsaka fiainana tsy dia misy fahasarotana, fijaliana, fanerena, fanamby, na alahelo satria ireo no fitaovana ampiasain’ny Ray be fitiavana mba hamporisihina ny fivoarantsika ara-panahy sy ny fahatakarantsika. Araka izay hamafisin’ny soratra masina ombieny ombieny, dia hahazo fanampiana ianao rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. … Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia midika hoe mahatoky Azy isika, mahatoky ny fampianarany isika. Mitarika amin’ny fanantenana izany, ary ny fanantenana mitondra ny fiantrana, ny fitiavana madion’i Kristy—ilay fahatsapana feno fiadanana izay tonga amintsika rehefa mahatsapa ny firaharahiany isika, ny fitiavany, ary ny fahaiza-manaony hanasitrana antsika na hanamaivana ny enta-mavesatsika amin’ny herin’ny fanasitranany” (“To Be Healed,” Ensign, Mey 1994, 8).

Hamoaka printy