Tahirim-pitaovana
Lesona 57: Môsià 9–10


Lesona 57

Môsià 9–10

Fampidirana

Nandritra ny fotoana nitondran’i Benjamina Mpanjaka dia nitarika andiana Nefita avy any Zarahemlà i Zenifa mba hanorim-ponenana any anivon’ireo Lamanita tany amin’ny tanin’i Nefia. Ny Môsià 9–22 dia ahitana ny fitantarana ny zavatra niainan’ireo olona ireo. Navelan’ ny mpanjakan’ny Lamanita ireo olon’i Zenifa honina miaraka amin’izy ireo satria niomana mangingina izy ny hitondra azy ireo ao anatin’ny fanandevozana. Ireo fomban-drazana diso an’ireo Lamanita sy ny fankahalany ireo Nefita dia nitondra tamin’ny ady nony farany. Niantehitra tamin’ny Tompo ireo olon’i Zenifa mba hahazo hery, ary dia nahavita nandroaka ireo Lamanita hiala ny tanin’izy ireo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 9:1–13

Nitarika andiana Nefita i Zenifa hiverina hankany amin’ny tanin’i Nefia

Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nanirian’izy ireo zavatra iray mafy tokoa. Asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hitantara izany zavatra niainana izany. Hazavao fa anio izy ireo dia hianatra mikasika ny lehilahy iray izay naniry zavatra iray mafy tokoa ka nahatonga azy tsy hahita izay mety ho vokatr’ilay faniriany.

Asao ireo mpianatra hijery ilay fanehoana an-tsary ireo dia natao izay efa natombok’izy ireo nandritra ny lesona teo aloha. Ampahatsiahivo azy ireo fa nisy lehilahy iray atao hoe Amôna nitarika vondrona iray izay nanao dia avy any Zarahemlà ary nahita an’i Limia sy ny olony tao amin’ny tanin’i Nefia. (Azonao atao ny manazava fa ny Bokin’i Môrmôna dia mitantara mikasika ny lehilahy roa antsoina hoe Amôna. Ny iray amin’izy ireo dia ilay lehilahy izay hofantarin’izy ireo anio. Ilay iray hafa kosa dia zanakalahin’i Môsià izay lasa misiônera tena tsara ho an’ny Lamanita. Hanomboka hamaky mikasika azy io ireo mpianatra ao amin’ny Môsià 27.) Asao ny mpianatra hamadika ny bokiny ao amin’ny Môsià 7–8 ary hijery ny daty izay hita, na eo amin’ny farany ambanin’ny pejy na ao anatin’ny famintinana ny toko (tokony ho 121 Talohan’i J.K). Asaivo mampitaha izany daty izany izy ireo amin’ny daty ao amin’ny Môsià 9 (tokony ho 200 Talohan’i J.K, teo ho eo amin’ny 80 taona tany aloha). Anontanio raha misy afaka manazava io fiovana tampoka teo amin’ny daty io.

Hazavao fa manomboka ao amin’ny Môsià 8 ka hatrany amin’ny Môsià 9, dia mihemotra 80 taona ny fizotry ny tantara mba hanolorana ny tantaran’i Zenifa izay dadaben’ny Mpanjaka Limia. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny sasin-teny nataon’i Môrmôna ho an’ny rakitsoratr’i Zenifa any amin’ny fiandohan’ny Môsià 9. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Môsià 9:1–2.

Angataho ireo mpianatra hampiditra ao amin’ny kisary nataon’izy ireo zana-tsipìka iray maneho ny dia nataon’ireo andiany voalohany izay niala tao Zarahemlà nankany amin’ny tanin’i Nefia. Mariho fa tao anatin’io vondrona io i Zenifa. Araka izay haseho eo amin’ny fanehoana an-tsary eo amin’ity pejy ity, ilay zana-tsipìka dia tokony haneho fa niverina nankany Zarahemlà koa ilay vondrona. Tokony hivaky toy izao ilay mari-pamantarana hoe “Nikatsaka ny hitaky ny tanin’i Nefia ny Nefita sasany.” (Mba hahitana ilay fanehoana an-tsary iray manontolo dia jereo ireo pejy fanampiny any amin’ny faran’ity boky torolalana ity.)

dia natao ao amin’ny Môsià 7–24

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky ny Môsià 9:3–4. Asao ny mpianatra sisa hanaraka izany, ka hitady (1) ny zavatra nirian’i Zenifa mafy tokoa mba ho azo sy (2) ny zavatra izay nampitaredretra azy teo amin’ny fahatsiarovana izany.

  • Inona no dikan’ ny hoe mazoto loatra? (Maika loatra na liana be loatra amin’ny fanatratrarana zavatra iray.)

  • Midika inona aminareo ny hoe mitaredretra amin’ny fahatsiarovana ny Tompo?

Hazavao fa noho i Zenifa nazoto loatra sy nitaredretra tamin’ny fahatsiarovana ny Tompo, dia nanao fahadisoana izy. Asaivo mamaky ny Môsià 9:5–7, 10 ireo mpianatra ka mitady io fahadisoana io.

  • Inona no tsy hitan’i Zenifa noho ny faniriany diso tafahoatra ny hahazo ny tanin’i Nefia?

  • Inona no atahorana amin’ny fahamaikana be loatra rehefa mandray fanapahan-kevitra?

  • Inona no loza mety ateraky ny fanapahana hevitra nefa tsy manontany ny hevitry ny Tompo?

Fintino ny Môsià 9:11–13 amin’ny alalan’ny filazana amin’ireo mpianatra fa 12 taona taty aoriana dia nihaniroborobo tokoa ny olon’i Zenifa ka nahatonga ny mpanjakan’ny Lamanita ho sahiran-tsaina fa tsy ho afaka hamarina azy ireo ao amin’ny fanandevozana izy, ka noho izany dia “nanomboka nambosy ny olona izy mba hifandirany amin’ny olon’i [Zenifa]” (Môsià 9:13).

Môsià 9:14–10:22

Nanandrana namarina ny olon’i Zenifa ho ao amin’ny fanandevozana ny Lamanita

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny sy andian-teny manaraka ireto: fianarana, fanoherana ny fakam-panahy, olana eo amin’ny namana, fitarihana, asa, fifandirana amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, fanatanjahantena. (Arakarak’izay zavatra ilain’ireo mpianatra na mahaliana azy ireo, dia azonao atao ny manampy zavatra hafa amin’io lisitra io.)

Asao ny mpianatra iray ho eny aloha ary hampitsotra ny tanany. Mametraha zavatra kely toy ny boky na vatokely eo amin’ny felan-tanan’ilay mpianatra ary iangavio izy hanangana azy ireo. Hazavao fa ireo zavatra ireo dia maneho ireo zava-tsarotra voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Iza amin’ireo sehatra ireo no tianareo hahazoana tanjaka sy fanampiana bebe kokoa?

Samy ampio zavatra iray na roa hafa eo amin’ireo felan-tanan’ilay mpianatra. Anontanio ny mpianatra hoe:

  • Moa ve ianareo efa nahatsapa ho toy ny hoe vesaran-javatra be loatra ka naniry ny mba hanana fahafahana na hery bebe kokoa entina hamahana ny olanareo?

Asao ny mpianatra roa ho eny aloha ary hanohana ny sandrin’ilay mpianatra mitazona ireo zavatra. Hazavao fa ny ambin’ny lesona anio dia mikasika ny andian’olona iray izay nahatsapa fa nila hery bebe kokoa. Lazao amin’ireo mpianatra fa mandritra ity lesona ity izy ireo dia hitady fomba mety hahazoan’izy ireo hery bebe kokoa eo amin’ny fiainany. (Asao ireo mpianatra nijoro teny aloha mba hiverina eny amin’ny toerany.)

Hazavao fa ny Môsià 9 sy 10 dia mitantara fotoana roa izay nanafihan’ny Lamanita an’i Zenifa sy ny olony. Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity kanefa aza adika ireo valinteny ao anaty fonon-teny. Lazao amin’ireo mpianatra fa handalina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ilay tabilao izy ireo ka hitady ny valin’ireo fanontaniana eny amin ’ny farany ambony amin’ilay tabilao. Asao ny antsasaky ny mpianatra hampiasa ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny laharana voalohany mba hitady ireo valiny mikasika an’i Zenifa sy ny olony. Asao ilay antsasany ambiny handalina ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny laharana faharoa ka hitady ireo valiny mikasika ny Lamanita. Manasà mpianatra iray avy amin’ny vondrona tsirairay hanoratra ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe rehefa mahita izany izy ireo.

Inona no nataon’ny olona mba hiomanana?

Inona no nataon’izy ireo mba hametrahana ny fitokiany amin’ny Tompo?

Inona no vokatra azo tamin’izany?

Zenifa sy ny olony

Môsià 9:14–16; 10:1–2, 7, 9–10

(Nirongo fiadiana izy ireo ary nandeha niady.)

Môsià 9:17; 10:19

(Nivavaka izy ireo ary nahatsiaro fa nanafaka ny razambeny ny Tompo.)

Môsià 9:18; 10:20

(Nampahery azy ireo ny Tompo ary vitan’izy ireo ny nandroaka ireo Lamanita hiala tamin’ny taniny.)

Ny Lamanita

Môsià 10:6–8

(Nirongo fiadiana izy ireo ary nandeha niady.)

Môsià 10:11

(Tsy nisy. Niantehitra tamin’ny herin-tsandriny izy ireo.)

Môsià 10:19–20

(Voaroaka niala ny tany tao anatin’ny fandatsahan-dra be ireo Lamanita.)

Rehefa mahafeno ny tabilao ireo mpianatra dia mametraha fanontaniana hoe:

  • Inona no fitoviana sy fahasamihafana hitanao eo amin’ny fomba nentin’ny olon’i Zenifa sy ny Lamanita niatrehana ny adin’izy ireo?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io fampitahana io?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Hanampy antsika ny Tompo rehefa manao izay rehetra vitantsika isika ary mametraka ny fitokiantsika Aminy.

Avereno resahina ireo zava-tsarotra voatanisa eny amin’ny solaitrabe ary ampahatsiahivo ireo mpianatra ny fomba nentina naneho izany.

  • Araka ny eritreritrareo, ahoana no ahafahana mampihatra io fitsipika io amin’ny sasany amin’ireo zava-tsarotra ireo?

Ampiasao ireto ohatra manaraka ireto mba hanampiana ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fomba ahafahany manao ny anjarany ary mametraka fitokiana amin’ny Tompo rehefa mitady hery:

  1. Hanao fanadinana lehibe ianao any am-pianarana, ary tianao ny hahazo hery mba hahombiazana amin’izany.

  2. Niady mafy ny hiala tamin’ny fahazaran-dratsy iray ianao ary tsy mahatsapa ho manana hery ampy hahavitana izany samirery.

  3. Miaina zava-tsarotra ianao ao amin’ny fianakavianao ary tsy mahatsapa fa afaka mizaka ireo fiontanam-po mahery vaika vokatr’izany raha tsy misy manampy.

Angataho ireo mpianatra hamerina hijery ireo andalana telo voalohany ao amin’ny Môsià 9:18. (Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo andalana ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo.)

  • Oviana ianareo no niaina ilay fahamarinana voalaza ao amin’ireo andalana ireo?

Azonao atao ny mizara zavatra niainanao manokana izay maneho ny finiavan’ny Tompo hankahery antsika rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika ary mametraka ny fitokiantsika Aminy.

Hazavao fa talohan’ny nandehanan’i Zenifa sy ny olony niady fanindroany dia nazavain’i Zenifa tamin’ny olony ny antony nahatonga ny Lamanita ho feno fankahalana ny Nefita. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe fisafoahana sy niangarana ary anontanio ireo mpianatra raha afaka manazava ny hevitr’ireo teny ireo. (Ny hoe misafoaka dia midika hoe tezitra mafy, ny hoe niangarana dia midika hoe nomena fanafintohinana na nentina tamin’ny fomba izay tsy araka ny rariny na tamin’ny fomba izay tsy araka ny hitsiny.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahita fa ny fahatafintohinana sy fitanana hatezerana ary ny mandà tsy hamela dia mety misy fiantraikany amin’ny taranaka, dia ampiaraho tsiroaroa izy ireo ary asao ireo mpiara-miasa tsirairay hamaky ny Môsià 10:12–18. Asao izy ireo hitady ireo antony nahatonga ireo taranak’i Lamàna sy i Lemoela nanohy nankahala ny taranaky ny Nefita.

Rehefa avy niara-namaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ireo mpiara-misa dia iangavio izy ireo hifanakalo hevitra momba ny valin’ireto fanontaniana ireto. (Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana raha mbola mamaky ireo andinin-tsoratra masina nasaina novakiany ireo mpianatra, na omeo ny mpiara-miasa tsirairay ao anaty taratasy zaraina ireo fanontaniana.)

  • Nahoana ireo Lamanita no nankahala mafy tokoa ireo Nefita?

  • Iza no voa rehefa tezitra isika na tsy manaiky hamela heloka?

  • Amin’ny fomba ahoana no hiantraikan’ny fahatezeran’ny olona iray amin’ny tenany na amin’ny fianakaviany amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy?

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Donald L. Hallstrom ao amin’ny Kôlejin’ny Fitopololahy. Asao ireo mpianatra hihaino izay azontsika atao rehefa mahatsapa ho tafintohina isika na tezitra amin’ny olona iray.

“Raha toa ianao mahatsapa ho niangarana—niangaran’ny olona iray na iza na iza (olona ao amin’ny fianakaviana, namana, mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana, mpitarika ao amin’ny Fiangonana, mpiara-miasa) na niangarana tamin’ny zavatra iray na inona izany na inona (fahafatesan’ny olon-tiana iray, olana ara-pahasalamana, fatiantoka ara-bola, herisetra, fahazaran-dratsy mampiankin-doha)—dia vahao avy hatrany ilay olana ary amin’ny hery rehetra anananao. … Ary mitodiha tsy misy hatak’andro any amin’ny Tompo. Ampiasao ny finoana rehetra anananao Aminy. Avelao izy hiara-hitondra aminao ny zioganao. Avelao ny fahasoavany hanamaivana ny enta-mavesatrao. … Aza avela hisy toe-javatra iray eto an-tany hanakana anao ara-panahy” (“Turn to the Lord,” Ensign na Liahona, Mey 2010, 80).

Asao ireo mpianatra handinika ireto fanontaniana tsirairay manaraka ireto. (Azonao atao ny mamporisika azy ireo hanoratra ny valinteniny ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahie ao an-dakilasy.)

  • Manana fahatsapana ho niangarana ve ianao na fahatsapana hatezerana amin’ny olona iray?

  • Iza no tokony atoninao angatahana fanampiana rehefa miezaka ny hamela heloka? Ahoana no fomba hisorohanao ny fahatsapana ho tafintohina sy ho tezitra any aoriana?

Asao ireo mpianatra hieritreritra fotoana iray izay namelany olona iray. Asao ny vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny zavatra tsapany rehefa namela heloka sy rehefa nanala ny fahatsapan’izy ireo fanafintohinana na hatezerana. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fikatsahana ny fanampian’ny Tompo mba hamelana ny hafa.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Mosiah 9. Ny rakitsoratr’i Zenifa

Ny sasin-teny mialoha ny famintinana ny toko ao amin’ny Môsià 9 dia nosoratan’i Môrmôna ary ampahany tamin’ny rakitsoratra ifotony izay nomena ny Mpaminany Joseph Smith. Misy sasin-teny mitovy amin’izany, izay nosoratan’i Môrmôna ihany koa, hita ao amin’ny fiandohan’ny boky sy toko sasany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. (Ilay fehezanteny hoe “mahafaoka ny toko 9 ka hatramin’ny 22 manontolo” dia nampidirina tamin’ny 1879, rehefa navoaka tamin’ny endrika toko ny Bokin’i Môrmôna. Ireo famintinana fohy mialoha ny toko tsirairay ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nampidirina tamin’ny famoahana nivoaka tamin’ny 1920.)

Môsià 10:12–18. Inona no tokony hataoko raha toa aho ka mahatsapa ho niangarana?

Nizara hevi-baovao ny Loholona Harold G. Hillam ao amin’ny Fitopololahy mikasika ny fomba hamahana ny fahatsapana hatezerana:

“Raha mahatsapa ho niangarana ianao dia aoka mba ho vonona hamela. Raha misy fahatsiarovana ratsy, na inona na inona antony, dia aza miaraharaha izany. Raha ilaina, dia miresaha amin’ny evekanao, miresaha amin’ny filohan’ny Tsatòkanao.

“Ho an’ny rehetra, fa indrindra indrindra ho an’ireo izay ho lasa rain’ny raibe na renin’ny renibe indray andro any, ireo fitahiana mandrakizay ho anareo sy ho an’ireo taranakareo dia mbola manan-danja lavitra kokoa noho izay mety ho antony feno hambo-po izay handavana aminareo sy amin’ireo hafa maro tokoa ny fitahiana lehibe toy izany” (“The Worth of Souls,” Ensign na Liahona, Mey 2005, 32).