Tahirim-pitaovana
Lesona 60: Môsià 15–17


Lesona 60

Môsià 15–17

Fampidirana

Rehefa nanohy nitory tamin’ny Mpanjaka Noà sy ireo mpisorony i Abinadia dia nijoro ho vavolombelona mikasika ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpanavotra Azy izy. Nino an’i Abinadia i Almà, izay iray tamin’ireo mpisoron’i Noà. Noroahin’ny Mpanjaka Noà tao amin’ny toeram-pitsarany i Almà ary nanome baiko ireo mpanompony izy hamono azy, saingy tafatsoaka i Almà ary nanoratra ireo fampianarana reny avy amin’i Abinadia. Taorian’ny nampitan’i Abinadia ny hafatra nanirahan’ny Tompo azy mba hozarainy dia nandrahona ny hamono azy ny Mpanjaka Noà sy ireo mpisorony raha toa ka tsy manatsoaka ny teny nolazainy izy. Noho izy tsy nanaiky ny handa ny fijoroany ho vavolombelona dia “niaritra ny fahafatesana tamin’ny afo” izy ary “nofeheziny tamin’ ny fahafatesany ny fahamarinan’ ny teniny” (Môsià 17:20).

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môsià 15–16

Mampianatra mikasika ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpanavotra i Abinadia

Omeo roa minitra ireo mpianatra hikarohan’izy ireo ny teny hoe manavotra, navotana, ary fanavotana ao amin’ny Môsià 15–16. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika ireo teny ireo. Hazavao fa rehefa averimberina amin’ny endriny samihafa ny teny iray ao anatin’ny andinin-tsoratra masina maromaro dia mety ho fomba entina manambara izany fa manan-danja ao anatin’ny hafatra ampitain’ny mpanoratra ilay teny. Amporisiho ireo mpianatra hijery tsara ny fampianaran’i Abinadia mikasika ny hoe navotana ao anatin’ny lesona androany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha Mpanavotra dia ataovy eny amin’ny solaitrabe ity fanehoana an-tsary manaraka ity:

Sary
Offender

Tondroy ilay sary mitondra ny anarana hoe “Olo-meloka,” ary asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa nahavita heloka izy ireo. Niharan’ny didim-pitsarana handoa onitra be dia be izy ireo ho sazy ary tsy misy fomba ara-dalàna sy marin-toetra ahafahan’izy ireo tsy mandoa ireo onitra avy amin’ny tenany ihany. Anontanio ireo mpianatra ny mety ho fahatsapany manoloana ny fanasaziana toy izany. Avy oe dia asao izy ireo haka sary an-tsaina fa misy olona ao amin’ny fianakaviana na namana manolo-tena handoa ny onitra ho azy ireo.

  • Inona no ho tsapanao ho an’io olona io?

Hazavao fa manavotra azy ireo amin’ny famaizana azy ilay olona ao amin’ny fianakaviana na namana amin’ny fandoavana ilay onitra. Ilay teny hoe manavotra dia midika hoe manafaka amin’ny trosa na manafaka amin’ny alalan’ny fandoavana ny saran’ny fanavotana. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra ireo famaritana ireo eo akaikin’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny Môsià 15 izay ahitana ny endrik’ilay teny hoe manavotra.

Manorata hoe Isika eo ambanin’ny hoe Olo-meloka. Manorata hoe Fahamarinana eo ambanin’ny hoe Famaizana. Hazafao fa satria isika nanota ary nandika ny lalàn’Andriamanitra, dia tsy maintsy faizina. Izany hoe tsy maintsy manatanteraka izay takian’ny fahamarinana isika. Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Asao ireo mpianatra hihaino ireo vokatry ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra:

“Ny fahamarinana … dia mitaky ny hanonerana ireo lalàna rehetra nodikaina. Tahiana ianao rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra, kanefa tsy misy petra-bola fanampiny azo ampiasaina mba hanonerana ireo lalàna nodikainao. Raha tsy hibebahana ireo lalàna nodikaina, dia mety mahatonga ny fiainanao ho fadiranovana izany ary tsy hamela anao hiverina any amin’Andriamanitra” (“The Atonement Can Secure Your Peace and Happiness,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 42).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Scott, inona ireo voka-dratsy avy amin’ny fandikana ireo lalàn’Andriamanitra?

Rehefa mamantatra ireo voka-dratsy ateraky ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra ireo mpianatra dia fafao ny teny hoe Onitra eny amin’ny solaitrabe. Soraty eo amin’ny toeran’izany teny izany ny hoe Fahoriana sy Esorina hiala eo anatrehan’Andriamanitra. Angataho ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 15:1, 8–9. Azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny sasany amin’ireo fotopampianarana ao amin’ireo andininy ireo manao hoe:

  • Ny teny hoe fanalalanana dia entina ilazana olona iray mitsofoka eo anelanelan’ny olona roa na andian’olona mba hampihavana azy ireo—izany hoe mba hampifanaraka azy ireo. Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe tonga i Jesoa Kristy mba “hanao fanalalanana” ho antsika?

  • Ny teny hoe manelanelana dia midika hoe between. Midika inona aminao ny hoe mijoro “manelanelana [antsika] sy ny fahamarinana” ny Mpamonjy? Aminao, inona no dikan’ny hoe manefa “ny fitakian’ny fahamarinana”?

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny fahamarinana dia mitaky ny hamaizana antsika noho ny fahotantsika. Tsy mamafa ny fitakian’ny fahamarinana ny Mpamonjy fa mijoro eo anelanelantsika sy ny fahamarinana Izy mba hanefa ny fitakian’ny fahamarinana amin’ny alalan’ny fitondrany teo amin’ny tenany ny famaizana ho antsika. Nanao ny fanonerana Izy mba hanavotana antsika—hanafahana antsika amin’ny famaizana. Mametaha sarin’ny Mpamonjy eny amin’ny solaitrabe (toy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ny Tompo Jesoa Kristy [64001]) eo anelanelan’ny hoe olo-meloka sy ny hoe famaizana.

Sary
Offender Us

Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 15:5–7, ka hieritreritra mikasika ny fanonerana nataon’i Jesoa Kristy hanavotana azy ireo—mba hijoro eo anelanelan’izy ireo sy ny fitakian’ny fahamarinana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto manaraka ireto:

Ireo izay nifidy ny ho avotana

Ireo izay nandà ny ho avotana

Môsià 15:11–12

Môsià 16:2–5, 12

Zarao roa mitovy ny mpianatra. Asao ny antsasaky ny mpianatra handalina ny Môsià 15:11–12, hitady ireo toetoetran’ny olona izay nifidy ny ho avotana. Asao ilay antsasany iray hafa amin’ny mpianatra handalina ny Môsià 16:2–5, 12, hikaroka ireo toetoetran’ireo olona nandà ny ho avotana. Rehefa avy nomena fotoana ampy nanaovana izany izy ireo dia asao ny andian’ny mpianatra voalohany hizara ny zavatra hitany.

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Môsià 15:11–12, iza no ho avotana amin’ny fahotany? (Ataovy izay hahazoana antoka fa ireo mpianatra dia mahatakatra fa nanefa ny fitakian’ny fahamarinana i Jesoa Kristy ho an’ireo izay nihaino ny tenin’ireo mpaminany, nino ny herin’ny fanavotany, ary nibebaka tamin’ny fahotan’izy ireo.)

Hazavao fa ny fanonerana nataon’ny Mpamonjy dia fanomezana ho an’ny olona tsirairay na iza na iza mifidy ny ho mendrika ny fanavotana amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fiezahana hitandrina ny didy sy ny fanekempihavanany tamin’ny Tompo.

Mba hanantitranterana ny toetra voajanahary manokan’ny Sorompanavotana dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 15:10. Avy eo dia sariho ny sain’ny mpianatra ho amin’ilay fehezanteny ao amin’io andininy io manao hoe “hahita ny taranany Izy”. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hanisy marika io fehezanteny io. Hazavao fa ny teny hoe tarana[ka] ao amin’ity andininy ity dia hilazana ny zanaka.

  • Oviana isika no nianatra mikasika ny hoe ho tonga “zanak’i Kristy”? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra ny tenin’i Benjamina Mpanjaka momba ity zavatra resahina ity, izay hita ao amin’ny Môsià 5. Jereo ihany koa ny lesona 55.)

Azonao atao ny miteny amin’ireo mpianatra ny hampiharan’izy ireo amin’ny tenany ny Môsià 15:10 amin’ny alalan’ny fanoratana ny anaran’izy ireo eo amin’ny toeran’ilay teny hoe “taranany.” Asao izy ireo hisaintsaina mandritra ny fotoana fohy izay hevitr’izany amin’izy ireo.

  • Amin’y fomba ahoana no hisian’ity fampianarana ity fiantraikany amin’ny fahatakaranareo ny Sorompanavotana?

Asao ireo mpianatra namaky ny Môsià 16:2–5, 12 hizara ny zavatra hitany mikasika ireo izay nandà ny ho avotana. Mba hanantitranterana ny maha zava-doza ny fandavana ny ho avotana dia asao ny mpianatra rehetra hamaky amim-pahanginana ny Môsià 16:5.

  • Inona no mitranga amin’ilay fanehoana an-tsary eny amin’ny solaitrabe raha misisika manota sy mandà ny hibebaka ilay olo-meloka? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia esory ao amin’ilay fanehoana an-tsary ny sarin’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manamafy fa ho an’ny olona toy izany dia “toy ny tsy nisy fanavotana vita.”)

Asao ireo mpianatra hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–17 mba hahafantatra ny zavatra hitranga amin’ireo izay mandà ny hibebaka sy hanaiky ny fanavotan’ny Mpamonjy. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanoratra hoe F&F 19:16–17 ao anatin’ny soratra masin’izy ireo eo akaiki’ny Môsià 16:5.

Avereno eo amin’ilay toerany teo amin’ny solaitrabe ny sarin’ny Mpamonjy.

  • Inona no fahamarinana nianaranareo androany mikasika ny Mpanavotra?

Rehefa avy namaly io fanontaniana io ireo mpianatra dia hazavao fa ankoatra ny fampianarana nomen’ny Mpamonjy mba hanavotra antsika amin’ny famaizana noho ny fahotana, dia nampianatra i Abinadia fa manavotra antsika amin’ny fahafatesana ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky ny Môsià 16:6–11. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty avokoa ny olona rehetra. Azonao atao koa ny milaza amin’ny mpianatra fa hitsangana amin’ny maty ao anatin’ny toetry ny fahasambarana ny olo-marina.

Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy mikasika ny zavatra tsapan’izy ireo ho an’ny Mpanavotra azy ireo sy ny zavatra ho ataony mba hahazoan’izy ireo ny fanavotana izay atolony.

Môsià 17

Nino ny tenin’i Abinadia i Almà ary noroahina; nodorana i Abinadia

Anontanio ireo mpianatra hoe:

  • Moa ve ianareo efa nahita olona iray niaro ny tsara rehefa sarotra ho azy ny nanao izany? Inona no nitranga?

Sary
Abinadi Before King Noah

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Abinadia eo anatrehan’ny Mpanjaka Noà (62042; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 75). Fintino ny Môsià 17:1–6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa namarana ny hafatra nentiny i Abinadia dia niezaka ny nandresy lahatra ny mpanjaka ny mpisorona iray antsoina hoe Almà fa nilaza ny marina i Abinadia ary tokony havotsotra. Nandroaka an’i Almà hiala teo anivony ny mpanjaka ary nandefa mpanompo hamono azy. Niafina i Almà ary nanoratra ny tenin’i Abinadia. Telo andro taty aoriana dia nanameloka an’i Abinadia ho faty ny mpanjaka sy ireo mpisorony.

Ampiaraho tsiroaroa ny mpianatra. Asao izy ireo handalina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto miaraka amin’ny naman’izy ireo: Môsià 17:7–10, izay mikasika ny safidin’i Abinadia, ary ny Môsià 17:11–12, izay mikasika ny safidin’ny Mpanjaka Noà. Asao izy ireo hampitaha ny safidin’i Abinadia amin’ny safidin’ny Mpanjaka Noà. Asao ihany koa izy ireo hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe.)

  • Araka ny hevitrao, nahoana no nahakasika ny fon’ny Mpanjaka Noà araka izay niseho ireo tenin’i Abinadia? (Jereo Môsià 17:11.) Tamin’ny fomba ahoana no nandresen’ny mpisoron’ny Mpanjaka Noà lahatra azy? (Jereo ny Môsià 17:12–13.)

  • Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Abinadia? (Valinteny mety ho azo avy amin’ireo mpianatra ny hoe afaka mijanona ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra ao anatin’ny toe-java-miseho rehetra isika.)

Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity ny mpianatra:

Aoka ianao hatanjaka—amin’ny fiarovana ny tsara. Miaina ao anatin’ny vanim-potoan’ny fitadiavana izay marimaritra iraisana isika. … Ao anatin’ireo toe-java-miseho izay atrehintsika isan’andro dia mahafantatra izay tsara isika. … Tsy maintsy mampitombo ny tanjaka hanarahana izay inoantsika isika” (“Building Your Tabernacle,” Ensign, Nôv. 1992, 52).

Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanoratra hoe Hijanona ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny toe-java-miseho rehetra aho ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Môsià 17:9–12. Sariho ho amin’ireo tenin’i Abinadia farany ny sain’ireo mpianatra, izay hita ao amin’ny Môsià 17:19—manao hoe “Andriamanitra ô, raiso ny fanahiko.” Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môsià 17:20.

  • Inona no manaitra anareo mikasika ny teny farany nolazain’i Abinadia?

Angataho ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo soratra masina:

  • Inona no ho ataonao mba hijanonana ho mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny toe-java-miseho rehetra?

Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra maromaro hizara ny zavatra nosoratany. Anontanio ihany koa raha misy mpianatra hafa te hizara ny lanjan’ny filazantsara amin’izy ireo sy ny zavatra nataon’izy ireo taloha mba hijanona ho mahatoky teo anatrehan’ny Tompo nandritra ireo fotoan-tsarotra. Farano amin’ny fijoroanao ho vavolombelona.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môsià 15:9. Fahamarinana sy famindram-po

Nampianatra antsika mikasika ny fisian’ny fahamarinana sy ny fitahiana avy amin’ny famindram-po ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôljin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Manao fahadisoana ny tsirairay avy amintsika eo amin’ny fiainana. Lasa fandikana ireo lalàna mandrakizay izany. Ny fahamarinana dia ilay ampahany amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra izay mampisy ny filaminana. Toy ny vesa-jakan’ny mpihanika vato, izay eo mandrakariva izany. Namana izy rehefa tandremana ireo lalàna mandrakizay. Manao izay hahavoa anao kosa izany rehefa atao tsinontsinona. Ny fahamarinana dia manome antoka fa handray ireo fitahiana azonao avy amin’ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra ianao. Ny fahamarinana koa dia mitaky ny hanonerana ny lalàna rehetra nodikaina. Tahiana ianao rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra, kanefa tsy misy petra-bola fanampiny azo ampiasaina mba hanonerana ireo lalàna nodikainao. Raha tsy hibebahana ireo lalàna nodikaina, dia mety mahatonga ny fiainanao ho fadiranovana izany ary tsy hamela anao hiverina any amin’ Andriamanitra. Ny fiainana sy ny fampianarana ary indrindra fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ihany no afaka manafaka anao ao anatin’ity toe-javatra mihoatra noho ny sarotra dia sarotra ity.

“Azo honerana amin’ny alalan’ny famindram-po, azo avy amin’ny fibebahanao tsy ankitsahatra sy ny fankatoavanao ireo lalàn’ Andriamanitra ny fitakian’ny fahamarinana. Tena ilaina ny fibebahana sy ny fankatoavana toy izany ho an’ny Sorompanavotana mba hiasan’ny fahagagana feno entiny eo amin’ny fiainanao. Afaka mamaha ny olana anananao amin’ny fahamarinana ny Mpanavotra ary manome famelan-keloka mandritra ilay lalana feno famindram-pon’ny fibebahanao. Amin’ny alala’ny sorompanavotana dia afaka miaina ao anatin’ny tontolo izay ahitana ny fahamarinana manome antoka anao fa hihazona izay azonao amin’ny alalan’ny fankatoavana ianao. Afaka miala amin’ny voka-dratsin’ny fandikan-dalàna ianao amin’ny alalan’ny famindram-pony” (“The Atonement Can Secure Your Peace and Happiness,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 41–42).

Hamoaka printy