Tahirim-pitaovana
Lesona 157: Môrônia 8


Lesona 157

Môrônia 8

Fampidirana

Rehefa nanohy nanampy ilay rakitsoratra masina i Môrônia dia nampidiriny tao ny epistily iray, na taratasy iray izay azony avy amin’i Môrmôna rainy. Nanoratra tao anatin’ilay taratasy ny fanambarana iray izay noraisiny mikasika ny antony tsy ilan’ny ankizy madinika ny batisa i Môrmôna. Nampianatra mikasika ny fomba ahafahantsika mitoetra miaraka amin’Andriamanitra ihany koa i Môrmôna. Nofaranany tamin’ny filazany ny ahiahiny mikasika ny faharatsian’ny Nefita sy ny famongorana azy ireo izay efa antomotra ny epistiliny.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 8:1–24

Nampianatra i Môrmôna fa velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika

Zazavavy iray Atao Batisa

Asehoy alohan’ny fotoam-pianarana ilay sary mitondra ny lohateny hoe Zazavavy iray Atao Batisa (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah. 104) na sary iray hafa an’ny zaza iray valo taona nandritra ny fanaovana batisa azy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

Nahoana ny ankizy no tsy atao batisa raha tsy amin’ny fahavalo taonany?

Rehefa tonga ny mpianatra dia asao izy ireo hijery ilay sary ary hisaintsaina ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.

Rehefa manomboka ny fotoam-pianarana dia lazao amin’ny mpianatra fa nampianatra mikasika ny famonjena ny ankizy madinika i Môrmôna tao anatin’ny taratasy nosoratany ho an’i Môrônia zanany. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 8:4–6 ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nanahiran-tsaina an’i Môrmôna. (Azonao atao ny manazava fa ao amin’ny andininy 6, ny teny hoe bontolo dia midika hoe lehibe, mahamenatra, na mampalahelo.)

Rehefa avy mitatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia asao izy ireo hamaky mangina ny Môrônia 8:7 ary hamantatra ny zavatra nataon’i Môrmôna rehefa nahafantatra io olana io izy.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Môrmôna?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 8:8–9 ary asao ny iray kilasy hitady ny valin’ny vavaka nataon’i Môrmôna. Eo am-pitateran’ny mpianatra ny zavatra hitany dia azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “ozon’i Adama” dia entina hilazana ny fialan’i Adama tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra noho ny Fahalavoana. Ny olona sasany dia mino hevi-diso hoe: teraka ao anatin’ny toetry ny fahotana avokoa ny zaza rehetra noho ny fahalavoana. Mieritreritra izy ireo ao anatin’io hevi-diso io fa tsy mendrika ny ho eo anatrehan’Andriamanitra ny ankizy madinika raha maty kanefa tsy natao batisa. Rehefa manazava izany ianao dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanao tsianjery ny fanekem-pinoana faharoa. Azonao atao koa ny manoro hevitra azy ireo hampifandray ny Môrônia 8:8–9 amin’ny Fanekem-pinoana 1:2.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina tsy feno ity: Ny fibebahana sy ny batisa dia ilaina ho an’ny rehetra izay …

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 8:10 ary hikaroka ireo teny sy andian-teny izay mameno ilay teny nambara eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy milaza ny valinteniny ny mpianatra dia fenoy tahaka izao manaraka izao ilay teny nambara eny amin’ny solaitrabe: Ny fibebahana sy ny batisa dia ilaina ho an’ny rehetra izay tompon’andraikitra ary afaka manao fahotana. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanisy marika ireo andian-teny ao amin’ny Môrônia 8:10 izay mampianatra io fahamarinana io.

Mety hanampy izany mba hanazavana fa ny fahotana dia “fandikana ankitsirano ny didin’Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahotana,” scriptures.lds.org). Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

 Loholona Dallin H. Oaks

“Mahatakatra isika avy amin’ny fotopampianarantsika fa ’tsy mahavita manota’(Môrô. 8:8) ny ankizy alohan’ny taona maha tompon’andraikitra. Mety manao fahadisoana ny ankizy madinika mandritra izany fotoana izany, ary mety ho tena fahadisoana lehibe sy manimba aza, ary tsy maintsy ahitsy, kanefa tsy isaina ho fahotana ny zavatra nataon’izy ireo” (“Sins and Mistakes,” Ensign, Ôkt. 1996, 65).

Zarao ho vondrona roa mitovy ny mpianatra. Asao ny antsasaky ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 8:11–18 ary ny antsasany iray hafa hamaky mangina ny Môrônia 8:11, 19–24. (Azonao atao ny manoratra ireo andinin-tsoratra masina ireo eny amin’ny solaitrabe.) Alohan’ny hamakian’izy ireo dia asao ny mpianatra ao amin’ireo vondrona roa hamantatra ny zavatra nampianarin’i Môrmôna mikasika ny batisan’ny ankizy madinika. Rehefa avy nomena fotoana ampy namakiana ny mpianatra dia asao ny vitsivitsy avy amin’ny vondrona tsirairay hitatitra ny zavatra hitany. Azonao atao ny mampiasa ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra handefa fisainana lavitra kokoa mikasika ny fampianaran’i Môrmôna:

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “velona ao amin’i Kristy” ny ankizy madinika? (Môrônia 8:12, 22). (Avotra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo. Tsy afaka manota izy ireo satria tsy nomena fahafahana haka fanahy ny ankizy madinika i Satana. Jereo koa ny Môrônia 8:10; F&F 29:46–47.)

  • Inona no ilaintsika hatao mba ho lasa velona ao amin’i Kristy? (Jereo ny 2 Nefia 25:23–26; Môrônia 8:10.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hamonjena ny ankizy madinika? (Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa teny hafa, kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity izy ireo: Voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny ankizy madinika. Azon’ny mpianatra atao koa ny milaza fa velona ao amin’i Kristy ny ankizy madinika, fa Andriamanitra tsy miangatra Andriamanitra, ary tsy miova Andriamanitra.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto ohatra manaraka ireto na omeo ny mpianatra amin’ny taratasy hozaraina izany. Asao ny mpianatra tsirairay hifidy iray amin’izy ireo. Asao avy eo ny mpianatra hifidy andininy iray na roa avy ao amin’ny Môrônia 8:8–23 ary hanazava ny fomba hiresahan’ireo fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo ny olana voalaza ao amin’ny ohatra nofidian’izy ireo.

Ohatra 1: Misiônera ianao, ary mifanena amin’ny mpivady izay malahelo mafy tokoa satria nodimandry ny zanany vavy roa volana. Nilaza tamin’izy ireo ny mpitarika ao amin’ny fiangonany fa teraka ao anatin’ny ota ny ankizy madinika noho ny fandikan-dalàn’i Adama. Nolazainy fa tsy afaka ny ho voavonjy ny zanak’izy ireo vavy satria tsy natao batisa talohan’ny nahafatesany.

Ohatra 2: Manana namana ianao, izay mihaona amin’ny misiônera ary mandeha any am-piangonana miaraka aminao. Nanapa-kevitra izy fa hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana kanefa misalasala ny ho atao batisa izy. Nanazava izy hoe “natao batisa aho fony aho mbola zaza.” “Tsy efa mety ve izany?”

Rehefa mizara ny heviny mikasika ny ohatra faharoa ny mpianatra dia azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo fa ny fibebahana sy ny batisa dia natao ho “an’ireo izay ampamoahina sy mahavita manao fahotana” (Môrônia 8:10). Nilaza ny Tompo fa manomboka ho tompon’andraikitra eo anatrehany ny ankizy madinika amin’ny fahavalo taonany. Hita ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 17:11 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:25–27 ireo fanambarana mikasika izany fahamarinana izany.

Môrônia 8:25–30

Nampianatra ny zavatra tsy maintsy ataon’ireo izay efa tompon’andraikitra i Môrmôna mba hiarahana mitoetra amin’Andriamanitra

Hazavao fa rehefa avy nampianatra an’i Môrônia mikasika ny antony tsy ilan’ny ankizy madinika ny batisa i Môrmôna dia nampianatra ny antony ilana ny batisa ho an’ireo izay efa tompon’andraikitra izy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 8:25–26. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hitady ireo fitahiana izay tonga amin’ny olona mampihatra finoana sy mibebaka ary atao batisa.

  • Inona avy ireo fitahiana hitanareo tao amin’ireo andininy ireo? (Rehefa mitatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia azonao atao ny mitanisa ireo valinteny eny amin’ny solaitrabe. Ny valinteny dia mety ahitana ny hoe ny finoana sy ny fibebahana ary ny batisa dia mitondra any amin’ny famelan-keloka, ny fahalemem-panahy sy ny fietren’ny fo, ny famangian’ny Fanahy Masina, ny fanantenana, ny fitiavana tanteraka, ary any am-parany any dia ilay fitahiana hiaraha-hitoetra amin’Andriamanitra.)

Rehefa mitanisa iro fitahiana hitany ao amin’ny Môrônia 8:25–26 ny mpianatra dia azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana fanaraha-maso ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mitondra any amin’ny fahalemem-panahy sy ny fietren’ny fo ny fandraisana famelan-keloka?

  • Ahoana no hanasan’ny fahalemem-panahy sy ny fietren’ny fo ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika?

  • Nahoana ny Fanahy Masina no manampy antsika hiomana hiara-honina amin’Andriamanitra?

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no mila mazoto sy tia mivavaka isika mba haharetan’ny fitiavana tanteraka eo amin’ny fiainantsika?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nambara misy banga ity: Amin’ny alalan’ny fankatoavana amim-pahatokiana dia afaka mandray ny Fanahy Masina isika, izay manomana antsika …

Asao ny mpianatra hitady andian-teny ao amin’ny Môrônia 8:25–26 izay mameno io fitsipika io: Amin’ny alalan’ny fankatoavana amim-pahatokiana dia afaka mandray ny Fanahy Masina isika, izay manomana antsika hiara-mitoetra amin’Andriamanitra.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 8:27 ary asao ny iray kilasy hitady ny vokatry ny fiavonavonan’ny Nefita. Asao avy eo ny mpianatra hamerina hijery mangina ny Môrônia 8:26 sy Môrônia 8:27 ary hampitaha ny vokatry ny fahalemem-panahy sy ny fietren’ny fo amin’ny vokatry ny avonavona.

Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ny Môrônia 8:28. Lazao amin’ny mpianatra fa rehefa avy nilaza ny zavatra nanahiran-tsaina azy momba ny Nefita i Môrmôna dia hoy izy hoe: “Mivavaha ho azy, anaka, mba hahatongavan’ny fibebahana aminy.” Ampahatsiahivo ny mpianatra ny hery izay afaka ny ho tonga eo amin’ny fiainan’ny olona rehefa mivavaka ho azy ireo ny hafa.

Ho famaranana ny lesona dia asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany mikasika ny herin’ny Sorompanavotana hanavotana ny ankizy madinika sy hanavotana antsika rehetra rehefa miezaka ny ho mahatoky amin’ny fanekempihavanantsika isika.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrônia 8:8. “Ny ozon’i Adama dia esorina hiala aminy ao Amiko”

Ny olona sasany dia mino fa tonga eto an-tany voaloton’ny fahotana ny zazakely vao teraka noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith fa diso io fampianarana io:

“Ireo rehetra izay mino fa voaloton’ny ‘fahotana voalohany’ (izany hoe ny fandikan-dalan’i Adama) ny olona, ary na ny zaza vao teraka aza ao anatin’izany, dia mandà ny famindram-pon’ilay ra manavotr’i Jesoa Kristy. Ny Baiboly (ary toy izany koa ny soratra masintsika maoderina) dia mampianatra fa i Jesoa Kristy tokoa no Mpanavotra ny olona rehetra avy amin’ny fahalavoana. Nandoa ny trosa izay nolovain’ny olombelona avy amin’ny fandikan-dalàn’i Adama Izy. Voaloa tanteraka ilay antoka teo amin’ny fanahintsika. Tsy namela sazy mihantona izany, izay mitaky asa avy amin’izay mety ho zava-mananaina rehetra, na asa hisoloana tena an’izay mety ho zava-mananaina, mba hanafahana azy amin’ny ‘fahotana voalohany.’ Ilay fotopampianarana manao hoe tonga eto amin’ity tontolo ity eo ambanin’ny ozon’ny ‘fahotana voalohany’ ny ankizy madinika dia fotopampianarana maharikoriko eo imason’ Andriamanitra, ary mandà ny halehiben’ny famindram-pon’ny sorompanavotana. (Jereo ny Môrônia Toko 8.)” (Church History and Modern Revelation: A Course of Study for the Melchizedek Priesthood Quorums, boky 4 [1949], 4:99).

Môrônia 8:10. Taona maha tompon’andraikitra

Ny fibebahana dia natao ho an’ireo izay tompon’andraikitra. “Tsy afaka mibebaka ny ankizy madinika” (Môrônia 8:19). Ny ankizy latsaky ny valo taona dia tsy tompon’andraikitra eo anatrehan’ Andriamanitra (jereo ny F&F 68:25–27) ka noho izany dia tsy ilain’izy ireo ny fibebahana. Ny olona manana fahasembanana ara-tsaina ary tsy mahafantatra hoe tokony hibebaka dia azo raisina ho toy ny tsy tompon’andraikitra ihany koa. Nanazava ny fomba hahatongavan’ny ankizy ho tompon’andraikitra ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Tsy tonga tampoka eo amin’ny ankizy amin’ny fotoana iray eo amin’ny fiainany ny maha tompon’andraikitra. Lasa tompon’andraikitra tsikelikely ny ankizy ao anatin’ny taona maro. Dingana miantoana ny fahatongavana ho tompon’andraikitra fa tsy tanjona hotratrarina aorian’ny fahalasanan’ny taona sy andro ary ora voafaritra. Milaza ny Tompo ao anatin’ny fanambarana ho antsika fa ‘tsy afaka manota izy ireo fa tsy nomena an’i Satana ny hery hakana fanahy ny ankizy madinika ambara-panombohan’izy ireo ho lasa tompon’andraikitra eo anoloako.’ (F&F 29:47.) Kanefa ho avy ny fotoana izay hisian’ny maha tompon’andraikitra marina ary hahatongavan’ny fahotana eo amin’ny fiainan’ireo izay mihalehibe araka ny tokony ho izy. Ny fahavalo taona no taonan’ny batisa. (F&F 68:27.)” (“The Salvation of Little Children,” Ensign, Apr. 1977, 6).

Môrônia 8:8–24. batisan’ny ankizy madinika

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa tsy mila batisa ny ankizy madinika:

“‘Mino ny batisan’ny ankizy ve [isika]?’ … Tsia. … Satria tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly izany. … Natao ho famelana ny fahotana ny batisa. Tsy manam-pahotana ny ankizy madinika. … Velomina ao amin’i Kristy avokoa ny ankizy madinika rehetra, ary ireo efa nahazoazo taona dia amin’ny alalan’ny finoana sy ny fibebahana” (Histoire de l’Église, 5:499).

Niresaka mikasika ireo misiônera amin’ny fotoana feno izay afaka nampionona ny renim-pianakaviana iray, izay vonton’alahelo tamin’ny nahafatesan’ny zanany lahy kely ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Nisy misiônera roa niasa tany amin’ny tendrombohitra tany amin’ny faritra atsimon’i Etazonia. Indray andro, avy eny an-tampon-kavoana izy ireo no nahatazana olona nitangorona tery ambany lavitra tery tao anatin’ny ala maozatra kely. Tsy dia matetika ireo mpitory no mba mahita olona maro azo hitoriana ka dia nidina nankeny amin’izany ala maozatra kely izany izy ireo.

“Nisy zazakely maty an-drano tamin’izay ary dia efa ho atao ny fandevenana. Nampaka ny mpitandrina ireo ray aman-dreniny mba ‘hitondra teny’ amin’izany fandevenana ny zanakalahin’izy ireo izany. Nijoro tery aoriana ireo misiônera raha nanomboka ny toriteniny ilay mpitandrina mandehandeha izay nanatrika an’ilay ray sy reny vonton’alahelo. Raha mba nanantena teny fampiononana avy tamin’ity lehilahy mpitandrina ity ireo ray aman-dreny dia diso fanantenana tokoa izy ireo.

“Nandatsa mafy azy ireo izy tamin’ny tsy nanaovany batisa izany zazalahy kely izany. Tsy nahavita izany batisa izany izy ireo noho ny antony maro, ary ankehitriny dia tara loatra izany. Nilaza tsy tamim-pihambahambana tamin’izy ireo izy hoe lasa any amin’ny helo ilay zazalahikely. Ary hadisoan’izy ireo izany. Tsinin’izy ireo ny fijaliana tsy misy fiafarana hihatra aminy.

“Rehefa vita ny toriteny sy voatototra ny fasana dia nanatona ireto ray aman-dreny vonton’alahelo ireo misiônera lehilahy. ‘Mpanompon’ny Tompo izahay’ hoy izy ireo tamin’ilay reny, ‘ary manana hafatra ho anareo.’ Rehefa nihaino ireo ray aman-dreny vonton-dranomaso, dia namaky teny avy tao amin’ireo fanambarana ireo misiônera lehilahy anankiroa ary nijoro ho vavolombelona mikasika ny famerenana amin’ny laoniny ireo fanalahidin’ny fanavotana ho an’ny velona sy ny maty.

“Mangoraka io mpitandrina io ihany aho. Nanao izay tsara indrindra vitany izy tamin’ny alalan’ny fahazavana sy fahalalana kely izay nananany. Kanefa misy zavatra bebe kokoa tokony ho azony omena. Nisy ny fahafenoan’ny filazantsara.

“Ireo misiônera lehilahy ireo dia tonga tamin’ny naha-mpampionona, sy mpampianatra, ary mpanompon’ny Tompo azy ireo, ary tamin’ny naha-mpitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy nahazo alalana azy ireo” (“Ary ny Zazakely ny Hiroaka Azy,” Ensign na Liahona, Mey 2012, 7).