Lesona 160
Môrônia 10:8–26, 30–34
Fampidirana
Rehefa avy nampianatra ny fomba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina i Môrônia dia namporisika an’ireo izay hamaky ny teniny izy mba handray sy hamantatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Nofaranan’i Môrônia tamin’ny famporisihana ny olona rehetra hanatona an’i Kristy sy hihazona ireo fanomezam-pahasoavana tsara rehetra omeny ary hatao tanteraka ao amin’i Kristy ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Môrônia 10:8–26
Nampianatra mikasika ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sy ny tanjon’izany ao anatin’ny asan’ny Tompo i Môrônia
Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nanampian’ny Ray any an-danitra azy ireo hanao zavatra izay tsy vitan’izy ireo tamin’ny herin’ny tenany. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 10:8 mba hitady ilay andian-teny izay mamaritra ireo fahaiza-manao ara-panahy na ireo fitahiana omen’Andriamanitra ireo izay mahatoky (“fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra”). Hazavao fa matetika isika no miantso ireo fanomezam-pahasoavana ireo hoe fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy na fanomezam-pahasoavana ara-panahy.
-
Araka ny voalaza ao amin’ny Môrônia 10:8, nahoana Andriamanitra no manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ho an’ireo zanany? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy mba hahasoa ny zanany Andriamanitra. Azonao atao ny manazava fa ny hevitry ny hoe hahasoa eto dia hoe hitahy na hanampy.)
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 10:9–16 mba hitady ireo fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra izay resahan’i Môrônia ao amin’ireo andininy ireo. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika ny zavatra hitany.
-
Inona ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hitanareo ao amin’ireo andininy ireo? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoratra ny valinteniny eny amin’ny solaitrabe.)
-
Inona avy ireo ohatr’ireto fanomezam-pahasoavana ireto ka hitanareo tao am-piangonana?
-
Oviana ianareo no nahita olona nandray fitahiana satria nampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy nananany ny olona hafa? (Azonao atao ny miomana hizara ny ohatra hitanao.)
-
Ahoana no hanasoavan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ny olona iray izay mahazo azy ireo?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 10:19, 24. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hitady ny vato misakana amin’ny fandraisana sy famantarana ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy.
-
Inona no vato misakana hitanareo ka tsy ahafahana mandray na mamantatra ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy?
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no tsy afaka mamantatra na mahazo ny hery sy ny fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra ny olona ao anatin’ny tsy finoana?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 10:25–26 ka hitady ny zavatra hitranga amin’ireo izay mandà ireo fanomezam-pahasoavana sy ny herin’Andriamanitra. Asao izy ireo hitatitra ny zavatra hitany.
Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Môrônia 10:20–23. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hitady ireo fitahiana avy amin’ny fananana finoana sy fanantenana ary fiantrana. (Alohan’ny hamakian’ny mpianatra izany dia azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “mety Amiko” ao amin’ny Môrônia 10:23 dia entina hilazana ireo zavatra izay mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra.)
-
Inona ireo fitahiana nampianarin’i Môrônia fa ho tonga amin’ireo izay manana finoana sy fanantenana ary fiantrana?
Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Afaka hanao izay tian’ny Mpamonjy hataontsika isika raha manam-pinoana. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanisy marika io fitsipika io ao amin’ny Môrônia 10:23.
-
Inona araka ny eritreritrareo no ifandraisan’ireo fitsipika roa eny amin’ny solaitrabe ireo? (Raha manam-pinoana isika dia hanome antsika ireo fanomezam-pahasoavana ilaintsika mba hanaovana ny asa tiany hataontsika Andriamanitra.)
-
Ahoana no hanampian’ny fahafantarana ireo fitsipika roa ireo anao amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto teny nambara tsy feno ireto. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba nahatanteraka na mety ho nahatanteraka teo amin’ny fiainan’izy ireo ilay fampanantenana hita ao amin’ny Môrônia 10:23 dia omeo minitra vitsy izy ireo hamenoana ny iray amin’ireo teny nambara ao anatin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina:
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia asao izy ireo hizara amin’ny namana iray ao an-dakilasy ny zavatra nosoratany.
Môrônia 10:30–34
Nanasa ny rehetra hanatona an’i Jesoa Kristy sy ho tanteraka ao Aminy i Môrônia
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Fahatanterahana. Soraty eo ambaniny ny hoe: Ho vita ve sa tsy ho vita?
Asao ny mpianatra hizara ny zavatra eritreretin’izy ireo mikasika ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Aorian’ny fifanakalozan-kevitra fohifohy dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 3 Nefia 12:48.
-
Inona no nolazain’ny Mpamonjy fa tanjona faratampony indrindra ho an’ny tsirairay avy amintsika? (Ny ho tanteraka.) Ahoana no hanaovana izany?
Rehefa avy mizara ny heviny ny mpianatra dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanazavana manaraka nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
“Tanjona mandrakizay ny fahatanterahana. Raha tsy mbola afaka ny ho tanteraka isika mandritra ny fiainana an-tany dia didy ny fiezahana hanao izany, izay azontsika hotandremana any am-parany any amin’ny alalan’ny Sorompanavotana” (“This Is Our Day,” Ensign, Mey 1999, 19).
Hazavao fa na dia tsy ho tratra eto amin’ity fiainana ity aza ny fahatanterahana dia afaka ny ho tonga lafatra isika amin’ny farany. Nampianatra ny zavatra azontsika atao mba ho tonga tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Môrônia. Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity ary aza adika ireo valinteny ao anaty fonon-teny.
Ny zavatra tsy maintsy ataoko … |
Ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra … |
---|---|
(Mety ho anisan’ny valinteny ny hoe tsy maintsy manatona an’i Jesoa Kristy isika; mikatsaka sy mahazo ireo fanomezam-pahasoavana tsara; tsy mandray ireo fanomezana ratsy sy zavatra tsy madio; mandà ny tenantsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra; ary mitia an’Andriamanitra amin’ny hery sy ny saina ary ny tanjatsika rehetra.) |
(Mety ho anisan’ny valinteny ny hoe hanatanteraka ny fanekempihavanany Izy; Ho ampy antsika ny fahasoavany; ho tanteraka ao amin’i Jesoa Kristy isika; hahazo ny famindram-pon’Andriamanitra isika; hohamasinina isika ary handray ny famelana ny fahotantsika; ho lasa masina tsy misy pentina isika.) |
Asao ny mpianatra handalina ny Môrônia 10:30–33 ka hitady ireo andian-teny izay milaza ny zavatra tsy maintsy ataontsika sy ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra mba hataony hanampiana antsika ho lasa madio sy tanteraka. Asao ny mpianatra iray hirakitra an-tsoratra ny valintenin’ny mpianatra rehetra ao amin’ny faritra tokony hisy izany ao amin’ilay tabilao. Lazao amin’ny mpianatra fa ny teny hoe fahasoavana dia entina ilazana ny fanampian’Andriamanitra sy ny hery azontsika noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
-
Inona no teny hosoratanareo eo ambanin’io tabilao io mba hamintinana ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny fahatongavana ho madio sy tanteraka? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra, kanefa tokony hahitana taratra ity fahamarinana manaraka ity ny valintenin’izy ireo: Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny hodiovina sy hatao tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.)
Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ity fanambarana nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay fanambarana ary ny sisa tavela amin’ny mpianatra kosa dia hanaraka sy hihaino. Alohan’ny hamakian’ilay mpianatra izany dia amporisiho ny iray kilasy hihaino tsara ary hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo atao hanatonana an’i Jesoa Kristy vokatry ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity tamin’ity.
“Ilay fiantsoana farany sy tokan’ny vato ifaharan’ny fivavahantsika sy ilay boky marina indrindra amin’ny boky voasoratra rehetra dia hoe ny tsy hikasihana ny zavatra tsy madio; fa mba ho masina sy tsy misy pentina; dia ny ho madio izany. Ary tsy afaka ny ho tonga izany fahadiovana izany raha tsy amin’ny alalan’ny ran’ilay Zanakondry izay nivesatra ny fahoriantsika ary nitondra ny alahelontsika, ilay Zanakondry izay noratraina noho ny fandikantsika lalàna ary notorotoroina noho ny helotsika, ilay Zanakondry izay nankahalaina sy nampahoriana, kanefa tsy nahoantsika (jereo ny Môsià 14). …
“Ny fahadiovana—amin’ny alalan’ny ran’ny Zanakondry. Izay no fiangaviana ataon’ity boky ity” (“A Standard unto My People” [lahateny natao tamin’ny mpampianatra finoana ao amin’ny DFF, 9 Aog. 1994], 13–14, si.lds.org).
Asao ny mpianatra hamantatra ireo andian-teny ao amin’ny Môrônia 10:32–33 izay manantitrantitra fa tsy afaka ny ho tonga tanteraka isika afa-tsy “ao amin’i Kristy” ihany, na amin’ny alalan’ny hery sy ny fahasoavana manadion’ny Sorompanavotany.
-
Nahoana isika no mila ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba ho tonga madio sy tanteraka?
-
Inona ireo andian-teny ao amin’ny Môrônia 10:32–33 izay hitanareo fa mamporisika rehefa miezaka ny hadio sy hahatratra ilay tanjona mandrakizain’ny fahatanterahana ianareo?
Asao ny mpianatra hifidy ny iray na ny roa amin’ireo andian-teny avy ao amin’ilay tsanganana voalohany ao amin’ilay tabilao eny amin’ny solaitrabe. Omeo minitra vitsy izy ireo hanoratana ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina ny eritreritra na ny fahatsapana rehetra ananan’izy ireo mikasika ny fomba ahafahan’izy ireo mivoatra ao amin’ireo sehatra ireo.
Farano amin’ny alalan’ny famakiana ny Môrônia 10:34 amin’ny mpianatra ity lesona ity. Asao ny mpianatra mba hanaraka sy hihaino ary hitady ny porofo fa nanam-pinoana sy fanantenana an’i Jesoa Kristy i Môrônia. Rehefa avy milaza ny zavatra hitany izy ireo dia asao ny mpianatra hanoratra ny eritreritra sy ny fahatsapana ananany na inona izany na inona rehefa mamarana ny taranja Bokin’i Môrmôna izy ireo amin’ity taona ity. Asao ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nosoratan’izy ireo. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana nampanantenain’ny Ray any an-danitra azy ireo raha toa izy ireo ka hanatona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianarany sy hampihatra finoana amin’ny Sorompanavotany. Amporisiho ny mpianatra handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny fiainany.
Famerenana ny Môrônia
Makà fotoana hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ny bokin’i Môrônia. Asao izy ireo hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ity boky ity na tamin’ny seminera na tamin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina. Raha ilaina dia asao izy ireo hamerina hijery fohifohy ny sasany amin’ireo sasintenin’ny toko ao amin’ny Môrônia mba hanampiana azy ireo hahatsiaro. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy hizara zavatra avy ao amin’ny Môrônia, izay nanentana ny fanahin’izy ireo na nanampy azy ireo hanana finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy.