Tahirim-pitaovana
Lesona 159: Môrônia 10:1–7, 27–29


Lesona 159

Môrônia 10:1–7, 27–29

Fampidirana

Namporisika ny Lamanita sy ireo hafa rehetra izay mamaky ny fijoroany ho vavolombelona i Môrônia mba hanontany an’Andriamanitra hahafantarana ny fahamarinan’ny teniny. Nampianatra izy fa haneho ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny fisian’i Jesoa Kristy Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Nanambara koa i Môrônia fa hihaona amintsika eo anoloan’ny toeram-pitsaran’Andriamanitra izy, izay toerana hanamafisan’ny Tompo Izy tenany ny fahamarinan’ny tenin’i Môrônia. (Fanamarihana: Azonao atao ny mamela fotoana ho an’ny mpianatra any amin’ny fiafaran’ny lesona mba hizarany ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Mba hakana antoka fa hisy fotoana ampy hanaovana izany dia fidio amim-bavaka ny ampahany amin’ity lesona ity, izay hahasoa indrindra ny mpianatrao.)

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 10:1–7

Mamporisika antsika hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy mikasika an’i Jesoa Kristy i Môrônia

Alohan’ny fotoam-pianarana dia manaova sarina andohalambo miaraka amin’ny vato ifaharana (azonao atao ny mampiasa ilay sary nampiasaina tao amin’ny lesona 4). Atombohy amin’ny firesahana ilay sary ny lesona.

  • Inona no tanjona hanisiana vato ifaharana ao anatin’ny andohalambo iray?

  • Inona no ifandraisan’ilay vato ifaharana amin’ny Bokin’i Môrmôna? (Raha mila fanampiana ny mpianatra amin’ny famaliana ity fanontaniana ity dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky ilay fanambarana nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny andiam-pehezanteny fahenina ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna.)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ilay andiam-pehezanteny farany ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna. Alohan’ny hamakian’izy ireo dia asao izy ireo hitady fahamarinana telo azon’ny olona iray fantarina amin’ny alalan’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

  • Tahaka ny hitazonan’ny vato ifaharana ny andohalambo, inona ireo ampahany hafa amin’ny fijoroantsika ho vavolombelona izay lasa matanjaka amin’ny alalan’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna?

  • Nahoana no manan-danja amin’ny olona tsirairay ny mahazo ny fijoroany ho vavolombelona manokana mikasika ny bokin’i Môrmôna?

Fintino ny Môrônia 10:1–2 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nofaranan’i Môrônia tamin’ny fanoratana ny famporisihany farany ho an’ireo izay mandray ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany ny rakitsoratry ny rainy tokotokony ho 1.400 taona talohan’ny nandraisan’ny Mpaminany Joseph Smith ireo takela-bolamena. (Mety hanampy ny manazava fa ny teny hoe mamporisika dia midika hoe mankahery na mitaona mafy ny olona iray. Hita im-balo ao amin’ny Môrônia 10 io teny io.)

Hazavao fa namporisika ny olona rehetra izay mandray ny Bokin’i Môrmôna mba hikatsaka fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinany sy ny fahamasinany i Môrônia. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 10:3–4 ka hitady ireo andian-teny izay milaza ireo zavatra takiana amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Azonao atao ny manasa azy ireo hanisy marika ireo andian-teny ireo rehefa mahita izany izy ireo. Rehefa mitatitra ireo andian-teny hitany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andianteny ireo. Tokony ho hita ao amin’ny valintenin’izy ireo ireto manaraka ireto:

“Hamaky ireto zavatra ireto”

“Hahatsiaro ny naha-feno famindram-po ny Tompo”

“Hisaina izany ao am-po”

“Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, manam-pinoana an’i Kristy”

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ny zavatra tsy maintsy ataon’ny olona iray hahazoana fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Fanahy Masina fa marina ny Bokin’i Môrmôna dia ampiasao ireto hevitra enti-mampianatra manaraka ireto mba hiresahana ny tsirairay avy amin’ireo zavatra takiana izay nampianarin’i Môrônia.

1. “Hamaky ireto zavatra ireto”

Nanasa antsika “hamaky ireto zavatra ireto” na hamaky ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity tantara manaraka notantarain’ny Loholona Tad R. Callister ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly ity mikasika ny fomba nahazoan’ny zatovovavy iray tombontsoa tamin’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna:

“Ankizivavy 14 taona … [no] nilaza … fa niresaka momba ny finoana niaraka tamin’ny iray tamin’ireo namany tany an-tsekoly. Nanontany azy ilay namany hoe: “Inona no finoanao?’

“Dia namaly izy hoe: “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany na ny Môrmôna.”

“Namaly ilay namany hoe: ’Fantatro izay Fiangonana izay ary fantatro fa tsy marina izy io.’

“’Ahoana no ahafantaranao izany?’ hoy ny navalin’ilay ankizivavy.

“’Satria,’ hoy ilay namany, ’Nanao fikarohana momba izany aho.’

“’Efa namaky ny Bokin’i Môrmôna ve ianao?’

“’Tsia,’ hoy ny navaliny. ’Tsy mbola namaky izany aho.’

“Dia namaly ity ankizivavy mahafinaritra ity hoe: ’Dia tsy nanao fikarohana momba ny Fiangonako izany ianao satria efa namaky ny pejy rehetran’ny Bokin’i Môrmôna aho ary fantatro izany fa marina’” (“Ny Bokin’i Môrmôna—Boky iray avy amin’Andriamanitra,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 76).

  • Nahoana no fanalahidy amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinany ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana no nampatanjahan’ny famakiana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ity taona ity ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika izany sy ny fahamarinan’ireo fampianarany?

2. “Hahatsiaro ny naha-feno famindram-po ny Tompo”

Nampianatra i Môrônia fa ireo izay mamaky ny Bokin’i Môrmôna sy maniry ny hahafantatra ny fahamarinany dia tokony “[hahatsiaro] ny naha-feno famindram-po ny Tompo” (Môrônia 10:3). Hazavao fa ny fahafantarana sy ny fahatsiarovana ireo ohatry ny famindram-pon’ny Tompo dia afaka mampalefaka ny fontsika sy manomana antsika hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Hevitra irain’ny teny hoe feno famindram-po ny hoe feno fangorahana. Asao ny mpianatra hisaintsaina fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo ny famindram-po na ny fangorahan’ny Tompo azy ireo na nahatsapa izany teo amin’ny fiainan’ny olona iray fantatr’izy ireo.

Asao ny mpianatra hizara ohatry ny famindram-pon’ny Tompo ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanan-danja lehibe tamin’izy ireo.

  • Ahoana araka ny eritreritrareo no hanampian’ny fahatsiarovana ny famindram-pon’ny Tompo ny olona iray mba hahay hihaino ny Fanahy Masina sy hahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna?

  • Inona no porofon’ny famindram-pon’ny Tompo izay hitanareo teo amin’ny fiainanareo?

  • Inona no fahatsapana anananareo rehefa mahatsiaro ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainanareo?

3. “Hisaina [ny famindram-pon’ny Tompo] ao am-po”

Nampianatra i Môrônia fa tokony hisaina ny famindram-pon’ny Tompo ao am-pontsika isika. Hazavao fa manomana antsika handray ny fitaoman’ny Fanahy Masina ny fisaintsainana ireo fomba nanehoan’ny Tompo famindram-po tamin’ny hafa sy tamin’ny tenantsika. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra hoe ahoana no mahatonga izany dia asao ny mpianatra iray hamaky ity fanazavana manaraka nataon’ny Loholona Marvin J. Ashton tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Marvin J. Ashton

“Milaza ny rakibolana fa ny hoe misaintsaina dia midika hoe mandanjalanja ao an-tsaina, mieritreritra lalina mikasika ny, mandinika, mieritreritra. …

“Amin’ny alalan’ny fisaintsainana dia manome fahafahana ny Fanahy hibitsika sy hitarika isika. Rohy matanjaka tokoa mampifandray ny fo sy ny saina ny fisaintsainana. Rehefa mamaky ny soratra masina isika dia voakasika ny fontsika sy ny saintsika. Raha mampiasa ny fanomezam-pahasoavana mba hisaintsaina isika dia afaka mandray ireo fahamarinana mandrakizay ireo ary mahafantatra ny fomba ampidirana azy ireny ao anatin’ny asa ataontsika andavanandro. …

“Asa ara-tsaina mandeha tsikelikely ny fisaintsainana. Fanomezana lehibe izany ho an’ireo izay nianatra nampiasa izany. Mahazo fahatakarana sy hevi-baovao ary fampiharana azo tanterahina tsara isika raha mampiasa ny fanomezam-pahasoavan’ny fisaintsainana” (“There Are Many Gifts,” Ensign, Nôv. 1987, 20).

  • Rehefa avy nandalina ny Bokin’i Môrmôna ianareo dia oviana ny fisaintsainana no nanampy anareo hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina?

  • Inona no azontsika atao mba hisaintsainana kokoa hatrany rehefa mandalina soratra masina?

4. “Manontany amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, manam-pinoana an’i [Jesoa] Kristy”

Nampianatra i Môrônia fa raha te hahazo fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna isika dia tsy maintsy manontany an’Andriamanitra “amin-kitsimpo, omban’ny tena finiavana, manam-pinoana an’i [Jesoa] Kristy.” Hazavao fa ny hoe mivavaka amin-kitsimpo sy omban’ny tena finiavana dia midika hoe “vonona ny hanao arak’izay valiny azo[ntsika] avy amin’Andriamanitra” isika (Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny Asa Fanompoan’ny Misiônera [2004], 111). Zarao ity tantara manaraka ity, izay ahitana lehilahy iray mivavaka amin’ny tena finiavana marina mba hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna:

“Indraindray aho nivavaka mba hahafantatra izay marina, saingy toy ny eritreritra nandalo kokoa izany noho ny hoe fanontaniana napetraka tamin-kitsimpo. Ary indray alina dia nanapa-kevitra ny hivavaka omban’ny ’tena finiavana’ aho.

“Nilaza tamin’ny Ray any an-danitra aho fa te hahafantatra Azy sy te ho mpikamban’ny Fiangonany marina. Nampanantena aho hoe: “Raha ampahafantarinao ahy hoe mpaminany marina ve sa tsia i Joseph Smith ary marina ve sa tsia ny Bokin’i Môrmôna dia hanao izay zavatra rehetra tianao hataoko aho. Raha Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no Fiangonana marina dia hanaraka izany aho ary tsy handao izany na oviana na oviana.’

“Tsy nahita fisehoan-javatra nampitolagaga aho, saingy nahatsapa fiadanana ary dia nandeha natory. Ora maro taty aoriana dia nifoha niaraka tamin’ny eritreritra miavaka aho hoe: ’I Joseph Smith dia mpaminany marina, ary ny Bokin’i Môrmôna dia marina.’ Narahina fiadanana tsy hay faritana ilay eritreritra. Natory indray aho, ary nifoha taty aoriana kely niaraka tamin’ilay fahatsapana sy eritreritra teo ihany.

“Nanomboka tamin’izay fotoana izay dia tsy niahiahy na oviana na oviana aho fa i Joseph Smith dia tena mpaminany marina. Fantatro fa asan’ny Mpamonjy ity ary hamaly ny fangatahantsika amin-kitsimpo ny Ray any an-danitra” (Rodolfo Armando Pérez Bonilla, “How I Know,” Ensign, Ôkt. 2011, 64).

Asao ny mpianatra handalina ny Môrônia 10:4 ary hamantatra ny zavatra hataon’Andriamanitra ho an’ireo izay manaraka ny dingana noresahin’i Môrônia.

  • Inona no nampanantenain’i Môrônia an’ireo izay mikatsaka fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna amin’ny fomba nolazainy?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona amintsika ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna? (Ataovy izay hahazoana antoka fa ny mpianatra dia mahatakatra fa tsy tonga amin’ny endriny mampitolagaga ny ankamaroan’ny fanambarana. Raha miaina toe-java-miseho ara-panahy lehibe ny olona sasany, ny ankamaroany dia hiaina zavatra mangina sy lalina, toy ny fahatsapana hafanana sy fiadanana na fahazoana antoka. Azonao atao koa ny manazava fa rehefa mandalina ny soratra masina isika dia mety hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny zavatra vakiantsika ny Fanahy. Ary rehefa mangataka manokana ny hahafantatra ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna isika dia hanamafy ny fijoroana ho vavolombelona efa azontsika isika.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 10:5–7. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hamantatra ny zavatra hafa nampanantenain’i Môrônia fa azontsika fantarina amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Lazao amin’ny mpianatra fa andinin-tsoratra masina fehezina ny Môrônia 10:4–5. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fomba miavaka mba ho mora amin’izy ireo ny mahita izay misy izany.

  • Inona no azontsika ianarana ao amin’ny Môrônia 10:3–7? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra kanefa tokony hahita ity fitsipika manaraka ity izy ireo: Raha manontany an’Andriamanitra amim-pinoana sy omban’ny tena finiavana isika dia afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.)

Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina ny tanjona iray mikasika ny zavatra hataon’izy ireo mba hahazoan’izy ireo ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna na mba hampatanjahana izany. Amporisiho izy ireo hampihatra ny fitsipika ampianarin’ny Môrônia 10:4.

Môrônia 10:27–29

Nijoro ho vavolombelona i Môrônia fa hihaona amintsika eo amin’ny toeram-pitsaran’Andriamanitra

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 10:27–29. Asao ny iray kilasy hieritreritra mikasika ny fomba mety hamalian’izy ireo ny fanontaniana hita ao amin’ny Môrônia 10:27. Mijoroa ho vavolombelona fa ireo izay nandray ny Bokin’i Môrmôna dia ampamoahan’Andriamanitra amin’ny fomba nandraisany izany.

Mamelà fotoana ampy any amin’ny fiafaran’ity lesona ity mba hanasana ny mpianatra hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny Bokin’i Môrmôna. Omeo antoka ny mpianatra fa rehefa manohy mandalina ny Bokin’i Môrmôna izy ireo mandritra ny fiainany dia hitombo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Soratra Masina Fehezina—Môrônia 10:4–5

Ny mpianatra mahay tsianjery ny Môrônia 10:4–5 dia ho voaomana tsara hizara ny hafatry ny Bokin’i Mormôna amin’ny hafa. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo andinin-tsoratra masina ary angataho ny mpianatra rehetra hiaraka hamaky mafy izany. Fafao ny teny enina ary avy eo dia asao indray ny iray kilasy hamaky izany, ka hameno ireo teny banga eo am-pamakiana izany. Tohizo hatrany izany mandra-pahavoafafa tanteraka ireo andinin-tsoratra masina ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrônia 10:3. “[Saintsaino] izany ao am-ponareo”

Rehefa niresaka ny Môrônia 10:3 ny Loholona Gene R. Cook dia nanazava hoe:

“Ireo teny efatra farany amin’ilay andininy dia manome torohevitra iray manan-danja manao hoe—‘[saintsaino] izany ao am-ponareo.’ Inona no soloin’ilay hoe ‘izany’—ny zavatra tokony hosaintsainintsika ve? Izany dia ny hoe ‘ny naha-feno famindram-po ny Tompo tamin’ny zanak’olombelona, hatry ny nahariana an’i Adama ka hatramin’ny fotoana izay handraisanareo ireto zavatra ireto.’ Isika dia tokony hahatsiaro fa tena be fitiavana, feno fitsinjovana, tsara fanahy, ary feno famelana ny Ray any An-danitra eo anatrehantsika” (“Moroni’s Promise,” Ensign, Apr. 1994, 12).

Ity torohevitra ny hisaintsaina ny famindram-pon’ny Tompo any amin’ny faramparan’ny bokin’i Môrmôna ity dia famaranana mety tsara amin’ny fanambarana nataon’i Nefia manao hoe: “Izaho Nefia dia haneho aminareo fa ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia amin’ireo rehetra izay efa nofinidiny” (1 Nefia 1:20).

Ho fanampin’ny fisaintsainana ny toetra feno famindram-po an’ny Tompo dia tokony hisaintsaina ireo fahamarinana mandrakizay hitan’izy ireo ao anatin’ireo takelaky ny Bokin’i Môrmôna ireo izay mamaky izany boky izany (jereo ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna).

Môrônia 10:4. Ny Fanahy Masina no hanambara ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ireo izay manontany an’ Andriamanitra “omban’ny tena finiavana”

Nanao fanamarihana mikasika ny famporisihan’i Môrônia antsika mba hanontany an’ Andriamanitra omban’ny “tena finiavana” mikasika ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Tsy nampanantena ny fisehon’ny fiasan’ny Fanahy Masina amin’ireo izay mikatsaka ny hahalala ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna noho ny fitiavana te haminavina hanao fandalinana akademika i Môrônia, eny fa na dia ‘mangataka amin-kitsimpo’ aza izy ireo. Ny fampanantenan’i Môrônia dia natao ho an’ireo izay manolo-tena ao am-pon’izy ireo mba hanao asa eo anatrehan’ilay fiasan’ny Fanahy raha toa ka maharay izany. Ny vavaka mifototra amin’ny antony hafa ankoatra izany dia tsy misy fampanantenana satria tsy natao ‘omban’ny tena finiavana’ izy ireny” (Pure in Heart [1988], 19–20).

Môrônia 10:27–29. Miankina amin’ny fomba handraisantsika ny Bokin’i Môrmôna ny famonjena antsika

Nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Ezra Taft Benson rehefa nanao izao famporisihana manaraka izao tamin’ireo mpikambana rehetra an’ny Fiangonana:

Ry rahalahy sy rahavavy, miangavy anareo amin’ny foko manontolo aho mba handray amim-pahamatorana ny maha zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna ho an’ny tenanareo sy ho an’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny.

“Folo taona mahery izay dia nanao izao fanambarana izao aho mahakasika ny Bokin’i Môrmôna. …

“Tokony handalina ny Bokin’i Môrmôna mandritra ny androm-piainany ny Olomasin’ny Andro Farany tsirairay. Fa raha tsy izany dia tandindomin-doza ny fanahiny ary mandà ireo zavatra izay tokony hitondra firaisan-kina ara-panahy sy ara-pahalalana eo amin’ny fiainany manontolo izy. Misy fahasamihafana eo amin’ny olona niova fo iray izay nanorina ny finoany eo amin’ny vatolampin’i Kristy tamin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna ary mijanona mihazona ilay anja-by, sy ny olona iray tsy manao izany.” (Ensign, Mey 1975, p. 65)

“Mamerina manamafy ireo teny ireo ho anareo aho androany. Ndeha isika tsy hijanona eo ambany fanamelohana, miaraka amin’ireo antambo aterany sy ny fitsarany, noho ny fanamaivanana ity fanomezana lehibe sy mahatalanjona nomen’ny Tompo ho antsika ity. [Jereo ny F&F 84:54–58.] Fa aleo isika handrombaka ireo fampanantenana izay mifandray amin’ny firaketana izany ao am-pontsika” (“The Book of Mormon—Keystone of Our Religion,” Ensign, Nôv. 1986, 7).

Hamoaka printy