Tahirim-pitaovana
Lesona 154: Môrônia 6


Lesona 154

Môrônia 6

Fampidirana

Rehefa akaiky ho vita ny rakitsoratr’i Môrônia teo amin’ireo takelaka dia nanazava ny sasany tamin’ireo fahamendrehana takiana amin’ny tsirairay izy mba ho atao batisa ao amin’ny Fiangonana. Nanoritsoritra tamin’ny ankapobeny ireo andraikitry ny mpikamban’ny Fiangonana mba hifampitsinjo izy tamin’izany. Nanazava ireo tanjona nanaovana ireo fivorian’ny Fiangonana ihany koa izy ary nanantitrantitra ny tokony hitarihana ireo fivorian’ny Fiangonana tamin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Môrônia 6:1–3

Nametraka ireo zavatra takiana amin’ny fanaovana batisa i Môrônia

Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe manana mpiray tampo iray fito taona izy ireo, izay ho feno valo taona afaka volana vitsy. Angataho ihany koa izy ireo haka sary an-tsaina fa nangataka azy ireo hampianatra lesona ho an’ny takarivan’ny mpianakavy, izay miompana amin’ny fomba hiomanana amin’ny batisa, izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hilaza ny zavatra hampianarin’izy ireo mba hanampiana ilay zandrin’izy ireo hiomana ho atao batisa.

Hazavao fa ny Môrônia 6 dia mirakitra ny famaritan’i Môrônia ireo zavatra takiana amin’ny batisa. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 6:1–3 mba hitady ireo zavatra takiana amin’ny batisa. Asao ny mpianatra avy eo hizara ny zavatra hitan’izy ireo. Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe ireo izay maniry ny hatao batisa dia tsy maintsy namoa “voa izay naneho fa mendrika izany izy ireo”? (Tokony hiaina ao anatin’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra izy ireo ary maneho fa izy ireo dia vonona ny hanao sy hitandrina ilay fanekempihavanan’ny batisa.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ho an’ny olona iray ny manana “fo torotoro sy fanahy manenina” alohan’ny hanaovana batisa azy? (Azonao atao ny manazava fa ilay fehezanteny hoe “fo torotoro sy fanahy manenina” dia entina hilazana ny fanentren-tenan’ny olona iray sy ny fahavononany hibebaka ary hankatò ny didin’ny Tompo.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 6:3 ary asao ny iray kilasy hamantatra ny zavatra ekentsika hatao amin’ny batisa. Tokony hamantatra ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Manao fanekempihavanana ny hitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika sy hanompo Azy hatramin’ny farany isika amin’ny alalan’ny batisa. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitadidy ny zavatra nianaran’izy ireo nandritra ny lesona teo aloha mikasika ny dikan’ny hoe mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy.)

  • Raha avy amin’ny zavatra niainanareo dia nahoana ny olona iray izay maniry ny hatao batisa no tokony ho vonona ny hanompo an’i Jesoa Kristy hatramin’ny farany?

  • Inona no nataonareo mba hihazonana sy hampatanjahana ny fahavononanareo hanompo ny Tompo?

Môrônia 6:4

Nanazava ny fomba hikarakarana sy hamahanana ara-panahy ny mpikamban’ny Fiangonana i Môrônia

Lazao amin’ny mpianatra fa taorian’ny namaritan’i Môrônia ireo zavatra takiana amin’ny batisa dia nanazava ny zavatra natao tamin’ny fotoana niainany izy mba hanampiana ireo olona vao vita batisa hijanona ho mahatoky tamin’ny fanekempihavanana nataon’izy ireo. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 6:4 mba hikaroka ny zavatra nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana mba hanampiana ireo vao niova fo. Asao ny mpianatra hitatitra ny zavatra hitany. Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

Asao ny mpianatra hamintina ny zavatra ampianarin’ny Môrônia 6:4 mikasika ny andraikitsika amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana, indrindra fa ireo mpikambana vaovao. (Mety hamaly toy izao ohatra ny mpianatra hoe: Manana andraikitra hahatsiaro ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana isika ary hamahana azy ireo ara-panahy amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra. Mety hilaza koa izy ireo fa tokony hifanampy hatrany isika mba hiambina hatrany amim-bavaka ary tokony hifanampy isika mba hiantehitra amin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahantsika ny andraikitsika mba hifampahatsiaro?

  • Ahoana no hifamahanantsika amin’ny “teny soan’Andriamanitra”?

  • Inona ireo fitahiana azo avy amin’ny famahanana antsika amin’ny tenin’Andriamanitra?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny ankamaroan’ny olona dia tsy mandeha any am-piangonana mba hikaroka fahamarinana vitsy fotsiny ihany ao amin’ny filazantsara sy hihaona amin’ireo namana efa hatry ny ela, na dia manan-danja aza izany rehetra izany. Tonga mba hikatsaka traikefa ara-panahy izy ireo. Mila fiadanana izy ireo. Ilain’izy ireo ho mafy ny finoan’izy ireo ary hihavao ny fanantenan’izy ireo. Raha fintinina dia te hofahanana amin’ny teny soan’Andriamanitra izy ireo, mba hampatanjahina amin’ny alalan’ireo herin’ny lanitra. Ny sasany amintsika izay antsoina mba hiteny na hampianatra na hitarika dia manana adidy hanampy amin’ny fanomezana izany araka izay azontsika atao rehetra” (“A Teacher Come from God,” Ensign, Mey 1998, 26).

Asao ny mpianatra mba hijery ireo olona manao ezaka, na nanao ezaka, mba hahatsiaro sy hamahana azy ireo ara-panahy. Anontanio izy ireo raha toa ka efa nieritreritra mikasika ireo olona izay nivavaka ho azy ireo ohatra, nanomana lesona ho azy ireo, nankahery azy ireo tamin’ny asa nataony tao am-piangonana, ary nanampy azy ireo tao anatin’ireo fotoan-tsarotra natrehan’izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny fomba nitahiana azy ireo satria nisy olona iray nahatsiaro azy ireo sy namahana azy ireo tamin’ny tenin’Andriamanitra. Azonao omena fotoana hanoratana taratasy ho fisaorana ireo olona izay nanao ezaka nanampiana azy ireo ny mpianatra.

Asao ny mpianatra hieritreritra olona manokana izay mety tian’ny Tompo hotsarovan’izy ireo na hofahanany. Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie na diary fandalinana soratra masina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanatanterahany amin’ny fomba tsara kokoa ny andraikitr’izy ireo amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana. Amporisiho izy ireo hifantoka manokana amin’ny zavatra ilain’ireo mpikambana vaovao.

Môrônia 6:5–9

Namaritra ny tanjon’ireo fivoriana ataon’ny Fiangonana sy ny fomba tokony hitarihana ireo fivoriana i Môrônia

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina fa ray aman-drenin’ny zatovolahy na zatovovavy iray ny tsirairay avy amin’izy ireo, ary nandritra ny herinandro vitsivitsy lasa izay dia nilaza ilay zatovolahy na zatovovavy fa tsy te ho any am-piangonana izy satria toy ny tsy misy lanjany sy mankaleo izany. Asao ny mpianatra hieritreritra ny zavatra mety holazain’izy ireo mba hamporisihana ilay zatovo handeha hivavaka ary ahoana no fomba mety azon’izy ireo hanampiana azy hahatakatra ireo antony marina handehanana tsy tapaka any am-piangonana.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity:

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia tokony hihaona miaraka matetika isika mba …

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 6:5–6. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino izany ary hitady ireo fomba hamenoana ilay teny voalaza eny amin’ny solaitrabe. Rehefa milaza ny zavatra hitany ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny. Tokony hahitana ireto fahamarinana manaraka ireto ny valintenin’izy ireo:

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia tokony hihaona miaraka matetika isika mba hifady hanina sy hivavaka.

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia tokony hihaona miaraka matetika isika mba hifanome hery ara-panahy.

Amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana antsika dia tokony hihaona miaraka matetika isika mba handray ny fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana an’i Jesoa Kristy.

Nizara ny ampahany tamin’ny zavatra voasoratra tao amin’ny taratasy iray avy amin’ny namana izay nianatra ny fomba hahazoana fifaliana amin’ny fandehanana any am-piangonana ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Taona maro lasa izay dia nanova ny fihetsiko mikasika ny fandehanana any am-piangonana aho. Tsy ho an’ny tenako intsony no hankanesako any am-piangonana fa mba hieritreretako ny hafa. Nanapa-kevitra aho ny hiarahaba ireo olona mipetra-drery, sy handray ireo vahiny, … ary hanolo-tena hanao asa. …

“Raha fintinina dia mankany am-piangonana isan-kerinandro aho miaraka amin’ny fikasana mba handray anjara fa tsy hitaza-potsiny ary hanova zavatra ho tsara eo amin’ny fiainan’ny olona. Vokatr’izany dia lasa nahafinaritra sy nahafa-po ahy bebe kokoa ny fandehanako tany am-piangonana” (voalaza ao amin’ny “Asa Fanompoana tsy Misy Tambiny,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 96).

Eo am-pieritreretanao ny zavatra ilain’ny mpianatrao ao amin’ny kilasinao dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra mba hanampiana azy ireo hamakafaka sy hampihatra ireo fitsipika hitan’izy ireo ao amin’ny Môrônia 6:5–6:

  • Inona avy ireo zavatra niainana nampianatra anareo ny lanjan’ny vavaka sy ny fifadian-kanina miaraka amin’ny mpikambana ao amin’ny paroasy na ny sampana misy anareo?

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe tokony “hifampiresaka [amintsika samy isika] ny momba ny fiadanan’ny fanahi[ntsika]” isika? (Môrônia 6:5). Ahoana no hanaovantsika izany any am-piangonana?

  • Raha toa isika ka mandeha any am-piangonana miaraka amin’ny faniriana hampatanjaka ny hafa ara-panahy dia inona no mety ho fiantraikan’izany mandritra ilay fotoana iangonantsika?

  • Inona avy ireo zavatra azontsika tsaroana mikasika ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika? Ahoana no hanampian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo antsika hahatsiaro Azy mandritra ny herinandro tsirairay?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fandehanana any am-piangonana antsika noho ireo antony noresahintsika mba “hitehirizana [antsika] amin’ny lalana tsara”? (Môrônia 6:4). Inona no azonareo atao hamporisihana zatovo hafa hanatrika ireo fivoriam-piangonana?

Vakio mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Tsy misy toerana ho an’ny mpanota an-tsitrapo ao Ziona. Misy toerana ho an’ny mpanota mibebaka ao sy ho an’ny olona izay miala amin’ny fahotana, sy mikatsaka ny fiainana mandrakizay ary ny hazavan’ny Filazantsara” (ao amin’ny Conference Report, Apr. 1915, 120).

Asao avy eo ny mpianatra hamaky mangina ny Môrônia 6:7–8 mba hitady ny zavatra naha “hentitra … tamin’ny fitandremana” ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Môrônia. Asao ny mpianatra hitatitra ny zavatra nianarany. Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe “novonoina” ao amin’io andininy io dia entina ilazana ny fanesorana tsy ho mpikambana. Raha manao fahotana lehibe ireo mpikamban’ny Fiangonana ary tsy mibebaka dia azo esorina tsy ho mpikambana, na manjary lasa tsy mpikamban’ny Fiangonana intsony ary very ireo fitahiana azon’izy ireo avy amin’ny fanekempihavanana nataony.

  • Inona avy ireo zavatra ataon’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, izay manampy antsika hiala amin’ny fahotana?

  • Araka ny voalazan’ny Môrônia 6:8 dia inona no fampanantenana omena antsika raha mibebaka amin-kitsimpo amin’ireo fahotantsika isika? (Ho voavela heloka foana isika isaky ny mibebaka sy mikatsaka famelan-keloka amin’ny finiavana marina.)

Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fahafahana nananany nahatsapany ny Fanahy Masina nandritra ireo fivoriam-piangonana tsy tapaka isaky ny Alahady (ohatra hoe mandritra ny vavaka, mandritra ny fanasan’ny Tompo, mandritra ny fotoana hanaovan’ny mpikambana lahateny na fampianarana, mandritra ny fihirana ireo hira ao amin’ny fihirana, na mandritra ny fotoana hisaintsainana soratra masina mandritra ny lesona iray). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Môrônia 6:9. Asao ny iray kilasy hanaraka sy hihaino ary hamantatra ny anjara asa tokony hananan’ny Fanahy Masina mandritra ireo fivoriantsika.

  • Inona no fahamarinana ianarantsika ao amin’ny Môrônia 6:9 mikasika ny fomba tokony hitarihana ireo fivoriam-piangonana? (Tokony hotarihina amin’ny herin’ny Fanahy Masina ireo fivoriana ao amin’ny Fiangonana.)

  • Oviana ianareo no nahatsapa fa notarihina tamin’ny herin’ny Fanahy Masina ny fivoriana iray tao am-piangonana?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hiantefan’io fahamarinana io amin’ny lafiny rehetra amin’ireo fivorian’ny Fiangonantsika dia asao izy ireo haka sary an-tsaina ny tenany ho eo amin’ny toeran’ireo olona ao anatin’ireto toe-javatra manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana na manomana azy ireo amin’ny taratasy hozaraina.) Asao ny mpianatra hanazava ny fomba azo hampiharana ny fitsipika hitan’izy ireo ao amin’ny Môrônia 6:9 ao anatin’ireo toe-javatra tsirairay ireo.

  1. Nasaina nanao lahateny mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo ianao.

  2. Nangatahana mba hanomana rindran-kira hatao mandritra fivoriana fanasan’ny Tompo manaraka ianao.

  3. Manatrika fivoriana fijoroana ho vavolombelona ianao ary mahatsapa ny fitaoman’ny fanahy mba hizara ny fijoroanao ho vavolombelona, kanefa tsy fantatrao izay tokony holazainao.

Lazao amin’ny mpianatra fa nangataka azy ireo hieritreritra ny zavatra mety holazain’ny ray aman-dreny ianao talohaloha kely teo tao anatin’ny lesona mba hamporisihana zatovolahy na zatovovavy iray handeha ho any am-pianangonana. Ho famintinana ny lesona dia anontanio ny mpianatra ny zavatra heverin’izy ireo fa mety hozarainy. Zarao avy eo ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana avy amin’ny fandehanana miangona sy izay mety ho fitsipika hafa noresahanareo androany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Môrônia 6:2. “Fo torotoro sy fanahy manenina”

Nanazava ny dikan’ny hoe manolotra fo torotoro sy fanahy manenina ho an’ny Tompo ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Rehefa mikatsaka ny fitahian’ny fiovam-po ianao dia afaka manolotra ho an’ny Tompo ny fonao torotoro na mibebaka ary ny fanahinao manenina na mankatò. Raha ny marina dia ny fanoloranao ny tenanao izany—ny maha izy azy anao sy ny hoe lasa inona ianao,” (“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 12).

Môrônia 6:4. “Nodiovin’ny herin’ny Fanahy Masina”

Mandray ny hery manamasin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana (jereo ny 3 Nefia 27:19–20; Môrônia 6:4). Nanazava ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Tsy voavela ao amin’ny ranon’ny batisa ny fahotana, araka izay lazaintsika amin’ny sarinteny, fa rehefa mandray ny fanahy Masina isika. Ny Fanahy Masin’ Andriamanitra no mamafa ny maha olon’ny nofo ary mitondra antsika ao amin’ny toetry ny fahamarinana. Lasa madio isika rehefa mandray marina tokoa ny fiarahan’ny Fanahy Masina ho namantsika. Amin’izay fotoana izay no handoroana ny fahotana sy ny tain-drendrika ary ny faharatsiana hiala ny fanahintsika toy ny amin’ny alalan’ny afo. Batisan’ny afo ny batisan’ny Fanahy Masina” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 290; jereo koa ny pejy 239).

Môrônia 6:4. Ny andraikitsika hifamahana

Nizara ity zavatra niainana manaraka ity ny Filoha Henry B. Eyring Ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

“Nahita mpiandry ondry maro namahana ny andian’ondriny aho. Filohan’ny kôlejin’ny diakona ny iray tamin’izany. Nipetraka teo akaikin’ny tranoko ny iray tamin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejiny. Tsy mbola nanatrika fivorian’ny kôlejy mihitsy io zazalahy mpifanolobodirindrina io na nanao zavatra niaraka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny kôlejiny. Tsy mpikambana ny raikeliny ary tsy nandeha tany am-piangonana ny reniny.

“Nanao fivoriana filankevitra ny fiadidian’ny kôlejin’ny diakona indray Alahady maraina. … Nahatsiaro ilay zazalahy tsy tonga mihitsy ireo mpiandry ondry 13 taona ireo nandritra ny fivorian’ny fiadidiany. Niresaka mikasika ny tena hilan’ilay zazalahy ny zavatra noraisin’izy ireo izy ireo. Nomen’ny filoha andraikitra hitady izany ondry nania izany ny mpanolotsaina azy.

“Fantatro ilay mpanolotsaina, ary fantatro fa saro-kenatra izy, ary fantatro ny fahasarotan’ilay andraikitra nampanaovina azy, ka dia nijery tamim-pahatalanjonana aho teo amin’ny varavarankeliko teo anoloana rehefa nandalo toy ny tamin-tahotra ny tranoko ilay mpanolotsaina, nandeha teo amin’ilay lalana mankao amin’ny tranon’ilay zazalahy izay tsy nandeha nivavaka mihitsy. Tao am-paosiny ny tanan’ilay mpiandry ondry. Niondrika tsy nahajery izy. Nandeha moramora izy, toy izay mety nataonao raha toa ianao ka tsy nahafantatra raha te handeha ho any amin’ilay toerana nalehanao. Tokony ho afaka 20 minitra dia nidina niverina tamin’ilay lalana izy niaraka tamin’ilay diakona very teo akaikiny. Niverimberina tao anatin’ny Alahady vitsivitsy hafa izany zava-niseho izany. Ary taorian’izay dia nifindra trano ilay zazalahy very ary hita indray.

“… Taona maro taty aoriana dia nanatrika fihaonamben’ny tsatòka iray aho, tany amin’ny kaontinanta iray lavitra ilay efitrano nanaovan’ilay fiadidiana filankevitra. Nanatona ahy ny lehilahy fotsy volo iray ary niteny moramora hoe: ‘Nipetraka tao amin’ny paroasinao ny zafikeliko lahy taona maro lasa izay.’ Nitantara tamiko tamim-pitiavana ny fiainan’io zazalahy io izy. Ary nanontany izy raha toa aho ka afaka mahita ilay diakona izay niakatra tsimoramora tamin’ilay lalana. Ary nanontany izy raha toa aho ka afaka misaotra azy ary milaza aminy fa ilay zafikeliny lahy, izay efa lasa lehilahy lehibe ankehitriny, dia mbola mahatsiaro” (“Watch with Me,” Ensign, Mey 2001, 38–39).

Môrônia 6:4. Mampatanjaka ireo vao niova fo

Namporisika ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra ny Filoha Gordon B. Hinckley, ao anatin’izany ny zatovo, mba hamahana sy hampatanjaka ireo izay niditra ao amin’ny Fiangonana:

“Tsy zavatra mora ny hoe lasa mpikambana ato amin’ity Fiangonana ity. Amin’ny ankabeazan’ny fotoana dia ahitana ny famelana ireo fahazarana taloha izany, fandaozana ireo namana sy fikambanana taloha, ary fidirana ao amin’ny fiaraha-monina iray vaovao izay hafa ary toa mitaky zavatra maro.

“Tsy maintsy manao ezaka mivaingana hatrany isika eo anatrehan’ny hamaroan’ireo niova fo mihoatra noho ny hatramin’izay mba hanohana azy ireo eo am-pitadiavany ny lalany. Mila zavatra telo ny tsirairay avy amin’izy ireo: namana, andraikitra, ary famahanana amin’ny ‘teny soan’ Andriamanitra’ (Môrô. 6:4). Adidintsika sy tombontsoa ho antsika ny manome ireo zavatra ireo. …

“Asa ho an’ny rehetra izany. Asa ho an’ny mpampianatra isan-tokantrano sy ny mpamangy isan-tokantrano izany. Asa ho an’ny episkôpà, ho an’ireo kôlejin’ny fisoronana, ho an’ny Fikambanana Ifanampiana, ny zatovolahy sy ny zatovovavy, eny fa na ho an’ny Kilonga aza izany.

“Vao tamin’ny Alahady lasa teo aho no nanatrika fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona. Nijoro teo anatrehan’ny mpiangona ny zatovolahy 15 na 16 taona iray ary nilaza fa nanapa-kevitra ny ho atao batisa izy.

“Dia nifandimby nandray fitenenana avokoa ireo zatovolahy tao amin’ny kôlejin’ny mpampianatra mba hanambara ny fitiavany ilay zatovolahy, mba hilaza aminy fa nety ny nataony, ary nanome toky azy fa hanohana azy izy ireo. Tena nahafinaritra ny nandre ireo zatovolahy nilaza teny fankasitrahana sy famporisihana tamin’ny namany” (“Converts and Young Men,” Ensign, Mey 1997, 47–48).

Hamoaka printy