Tahirim-pitaovana
Lesona 8: 1 Nefia 3–4


Lesona 8

1 Nefia 3–4

Fampidirana

Nandidy an’i Lehia handefa ireo zanany lahy hiverina tany Jerosalema ny Tompo mba haka ireo takela-barahina tany amin’i Labàna. Tsy fantar’i Lamàna sy i Lemoela ny fomba hanatanterahany ilay didy, saingy nanana finoana kosa i Nefia fa hanomana lalana ho azy ireo hanatontosana izay nandidiany ny Tompo. Nisisika tamim-pahatokiana nanao izay nasain’ny Tompo nataony i Nefia na dia nifanehitra tamin’ny zava-tsarotra nitamberimberina aza. Vokatr’izany, dia notarihin’ny Fanahy Masina ary nahazo soa aman-tsara ireo takelaka izy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 3:1–9, 19–20

Niverina tany Jerosalema haka ireo takela-barahina ireo zanakalahin’i Lehia

Soraty eny amin’ny solaitra be alohan’ny hiantombohan’ny fotoam-pianarana ireto fehezanteny manaraka ireto. Asaivo safidian’ireo mpianatra ny fanambarana izay manoritsoritra tsara indrindra ny fomba hinoany fa manampy antsika ny Tompo rehefa mampanao zavatra sarotra antsika Izy.

Rehefa miezaka manatontosa didy na asa sarotra avy amin’ny Tompo ianao, dia:

  1. Hanova ilay didy Izy mba ho tsotra sy mora aminao ny hanatontosa izany.

  2. Hitahy ny ezaka ataonao Izy amin’ny alalan’ny fanomanana lalana ho anao mba hanatontosanao ilay didy, na dia mety mbola ho sarotra aza izany.

  3. Hiditra an-tsehatra Izy ary hanao ny asa ho anao.

  4. Hitaky ny hanaovanao izany samirery hatramin’ny farany tsy misy fanampiana Izy.

Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteny nofidiany sy ny antony nisafidianany izany.

Hazavao fa maro ireo fomba hahafahan’ny Tompo mitahy ireo izay miezaka ny hanatontosa ireo didiny. Asao hikaroka ohatra amin’io fitsipika io ireo mpianatra rehefa mandalina ny tantaran’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 3–4 izy ireo. Amporisiho ihany koa ireo mpianatra handray an-tsoratra ny fihetsika samy hafa nasehon’i Nefia sy ireo rahalahiny nanoloana ireo zava-tsarotra.

Mangataha mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ao amin’ny 1 Nefia 3:1–9. Asao ireo mpianatra ambiny hihaino ireo antony nahatonga an’i Nefia nanaiky an-tsitrapo hanao izay nasain’ny rainy nataony.

Nahatsapa i Lamàna sy i Lemoela fa ilay didy hiverenana any Jerosalema mba haka ireo takela-barahina fa “sarotra ny zavatra izay takian’[i Lehia] aminy” (1 Nefia 3:5). Azonao atao ny mampahatsiahy amin’ireo mpianatra, mba hanampiana azy ireo hahatakatra ireo antony nahatonga an’i Lamàna sy i Lemoela hanana fahatsapana toy izany, fa efa nanao dia lavitra be avy any Jerosalema izy ireo.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana i Nefia no nanaiky an-tsitrapo ny hanao izay nandidian’ny rainy azy sady tsy nimonomonona?

Asao ireo mpianatra hamerina indray ilay fitsipika nijoroan’i Nefia ho vavolombelona ao amin’ny 1 Nefia 3:7 amin’ny alalan’ny fehezanteny miendrika “raha dia.” Ohatra, mety hiteny ireo mpianatra fa hanomana lalana ho antsika hanatontosana izay handidiany ny Tompo, raha mikatsaka ny hanao izany isika. Ampahatsiahivo fa andinin-tsoratra masina fehezina ny 1 Nefia 3:7. Hazavao fa hifantoka amin’ny andinin-tsoratra masina 25 ireo mpianatra mandritra ny taona (jereo ny pejy fanampiny ao amin’ity boky torolalana ity hahazoana fahalalana bebe kokoa). Natao lisitra ao ambadiky ny karatra fanamariham-pejin’ny seminera ireo andinin-tsoratra masina fehezina 25 ireo. Azonao atao ny mamporisika ireo mpianatra hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fehezina amin’ny fomba miavaka mba tsy ho sarotra ho azy ireo ny hamantatra ny misy ireo andininy ireo.

  • Oviana ianao no nahatsapa fa “nanomana lalana” ho anao hitandremana ny didiny ny Tompo?

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 3:3, 19–20 ny mpianatra iray. Asaivo mihaino ireo fehezan-teny izay milaza ny antony maha sarobidy ireo takela-barahina tamin’ny ankohonan’i Lehia sy ireo taranany ny mpianatra ambiny. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ireo fehezanteny ireo ao amin’ny bokin-tsoratra masin’izy ireo.) Rehefa avy nizara izay hitany ireo mpianatra, dia hazavao fa bokin-tsoratra masina fahiny izay mirakitra ny maro amin’ireo lahatsoratra sy fampahalalana mitovy amin’ny ao amin’ny Testamenta Taloha ireo takela-barahina ireo.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no tena nanan-danja tokoa tamin’i Nefia sy ireo rahalahiny ny zavatra voarakitra tao anatin’ireo takela-barahina ka nahatonga azy hiverina tany Jerosalema mba haka azy ireo?

  • Inona no zavatra raiketin’ny soratra masina amin’izao fotoana izao ka tena sarobidy aminao? Nahoana no sarobidy aminao izany?

1 Nefia 3:10–31

Nangalatra ny fananan’i Lehia i Labàna ary niezaka ny hamono an’i Nefia sy ny rahalahiny izy

Asao ny antsasaky ny mpianatra handalina mikasika ny ezaka voalohany nataon’i Nefia sy ny rahalahiny mba hahazoana ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 3:10–18). Asao ny antsasany hafa handalina mikasika ilay ezaka faharoa (jereo ny 1 Nefia 3:21–31). Asaivo miasa tsirairay ireo mpianatra isanisany ary mamaly ireto fanontaniana ireto. Azonao atao ny mangataka azy ireo hamita ity asa ity ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana na omano amin’ny taratasy ho an’ny mpianatra tsirairay.

  1. Iza no nandeha?

  2. Inona no nataon’izy ireo?

  3. Ahoana no fihetsik’izy ireo rehefa tsy nahomby ilay ezaka?

  4. Ho an’ireo nandalina mikasika ilay ezaka voalohany: “Nalahelo fatratra tokoa” i Nefia sy ny rahalahiny rehefa tsy nahazo ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 3:14). Inona no naha samy hafa ny fihetsik’i Nefia tamin’ny an’ny rahalahiny tamin’ity tsy fahombiazana ity? (Jereo ny 1 Nefia 3:15–16.)

    Ho an’ireo nandalina mikasika ilay ezaka faharoa: Tezitra tamin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela rehefa tsy nahomby ny ezaka faharoa nataon’izy ireo. Nikapoka azy sy nanao teny henjana taminy izy ireo. Eny fa na dia efa nampanantena azy ireo aza ny anjely iray fa hanolotra an’i Labàna eo an-tanan’izy ireo ny Tompo, dia nanohy nimonomonona sy nisalasala ny amin’ny fahafahany hahita fahombiazana izy ireo. Ahoana no mety nahatonga ny hatezeran’i Lamàna sy i Lemoela ho nisy fiantraikany teo amin’ny fahafahan’izy ireo hino ny fampanantenan’ilay anjely? Ahoana no hanakanan’ny ady, sy ny fimonomononana, ary ny tsy finoana antsika tsy hahatakatra ireo hafatr’Andriamanitra ho antsika? (Jereo ny 1 Nefia 3:28–31; 3 Nefia 11:29.)

  5. Inona no hevi-baovao azonao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao?

Rehefa avy nomena fotoana hamaliana ireo fanontaniana ireo mpianatra, dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo hizara ny valinteniny.

1 Nefia 4:1–38

Nahazo ireo takela-barahina i Nefia

Asaivo fantarin’ireo mpianatra ireo fanontaniana napetrak’i Lamàna sy i Lemoela ao amin’ny 1 Nefia 3:31.

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 4:1–3 ny mpianatra iray. Asaivo mihaino ny valintenin’i Nefia tamin’ny fanontanian’ireo rahalahiny ny mpianatra.

  • Inona no hifandraisan’ny tantaran’i Mosesy amin’ireo fanontanian’i Lamàna sy i Lemoela?

Raha mila fanampiana amin’ny famaliana io fanontaniana io ireo mpianatra, dia hazavao fa niatrika fanamby nitovy tamin’izany i Mosesy rehefa nasaina nitondra ny zanak’Isiraely niala ny tany Egypta. Na dia teo aza ireo ezaka naverimberina natao, dia tsy afaka nandresy lahatra an’i Farao hanafaka ny zanak’Isiraely tamin’ny fanandevozana izy. Na dia izany aza, dia naharitra tamin’ny fanatanterahana ny didin’ny Tompo izy, ary nanomana lalana ho azy hanafahana ny zanak’Isiraely ny Tompo. Nampihatra ny ohatr’i Mosesy tamin’ny toe-javatra niseho teo amin’ny fianakaviany i Nefia. Nahazo toky izy fa hanomana lalana ho azy ireo Andriamanitra.

  • Inona no fitsipika nianaranao avy amin’ny valintenin’i Nefia tamin’ireo rahalahiny?

Na dia mety holazain’ireo mpianatra amin’ny fomba somary hafakely aza ny valinteniny, dia tokony hilaza izy ireo fa raha maharitra manatanteraka amim-pahatokiana izay angatahin’ny Tompo isika, na dia misy aza ny fahasarotana, dia hanomana lalana ho antsika mba hanatanterahana izay andidiany Izy. (Azonao atao ny manoratra ireo fitsipika eny amin’ny solaitrabe.)

Jereo ireo fehezanteny nosoratanao teny amin’ny solaitrabe tany am-piandohan’ny lesona.

  • Rehefa avy nandalina mikasika ny traikefan’i Nefia ianao, inona, araka ny eritreritrao, no fehezanteny mamintina tsaratsara kokoa ilay fitsipika vao hitanao teo?

Amporisiho ireo mpianatra hikaroka ny fanamafisana ity fitsipika ity ao anatin’ireo vokatry ny fikirizan’i Nefia rehefa mandalina ny ambiny amin’ny fitantaran’i Nefia izy ireo.

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 4:4–6 ny mpianatra iray. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra hanisy marika ny 1 Nefia 4:6 ao amin’ny bokin-tsoratra masin’izy ireo.

Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa mety hanome fitaomam-panahy antsika hanao zavatra ny Tompo, kanefa tsy mampahafantatra avy hatrany hoe ahoana, rahoviana, na nahoana isika no tokony hanao izany. I Nefia dia nahafantatra ny fomba sy ny fotoana ary ny antony hanampian’ny Tompo azy rehefa avy namela ny Fanahy Masina nitarika azy sy taorian’ny nanapahany hevitra mba handroso amim-pinoana.

Lazao amin’ny mpianatra fa ny Filoha Harold B. Lee dia nanao fanamarihana fa matetika isika no te hahita “ny farany hatramin’ny voalohany,” na ny vokatra, alohan’ny hanarahantsika ny torohevitry ny Tompo. Nanoro hevitra izy hoe:

“Tsy maintsy mianatra mandeha eo amoron’ny hazavana ianao, ary angamba hanao dingana vitsivitsy ao anatin’ny haizina [ny tsy fantatra], ary ho hitanao fa hipoitra ary hialoha anao ny hazavana” (in Lucile C. Tate, Boyd K. Packer: A Watchman on the Tower [1995], 137–38).

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 4:7 ny mpianatra iray.

  • Inona no manan-danja amin’ilay fehezanteny hoe “Na dia teo aza izany, dia nandroso aho” ao amin’ny 1 Nefia 4:7?

  • Inona no ampianarin’ny traikefan’i Nefia mikasika ny fifandraisan’ny fahafoizan-tenantsika “handeha ary hanao” sy ny fahaizantsika ny mba hotarihin’ny Tompo?

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ao amin’ny 1 Nefia 4:8–18.

  • Inona avy ireo antony natoron’ny Fanahy an’i Nefia mikasika ny didin’ny Tompo hamono an’i Labàna?

Fintino ny ambiny amin’ny fitantaran’i Nefia mikasika ny fahazoana tamim-pahombiazana ireo takelaka (jereo ny 1 Nefia 4:19–38), na asao ny mpianatra iray izay mahafantatra ny sisa tavela amin’ny tantara hamintina izany. Angataho ireo mpianatra hamantatra ireo fitsipika izay hitany fa haseho ao anatin’ity ezaka farany natao mba hahazoana ireo takelaka ity. Rehefa avy mizara izay zavatra takany izy ireo, dia ampio amin’ny fijoroanao ho vavolombelona fa hitarika antsika amin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina Andriamanitra rehefa mino an’Azy sy mikatsaka ny hanao izay asainy hatao isika eny fa na dia tsy hitantsika aza ny vokany.

Mba hanampiana ireo mpianatra hanana fijoroana ho vavolombelona lalina mikasika ity fitsipika ity dia asao izy ireo hizara ny zavatra niainany mikasika ny fotoana niasany tamim-pinoana nefa tsy nahalala mialoha ny fomba sy ny fotoana hanampian’Andriamanitra azy ireo.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina mikasika ny toe-javatra misy iainan’izy ireo amin’izao fotoana izao ka sarotra amin’izy ireo ny manatanteraka ny zavatra takian’ny Tompo amin’izany. Angataho izy ireo hirakitra an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina izay hataony mba hanehoany amin’ny Tompo ny fahavononany “handeha sy hanao” izay nandidiany azy ireo. Rehefa avy manoratra izy ireo dia ambarao aminy ny fahatokian-tenanao fa hanampy antsika hanatanteraka izay rehetra angatahin’ny Tompo amintsika isika rehefa maneho ny finoantsika.

sary famantarana ny soratra masina fehezinaSoratra Masina Fehezina—1 Nefia 3:7

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe fankatoavana, finoana, ary fahatokiana. Manontania hoe:

  • Inona avy ireo porofon’ny fankatoavana sy finoana ary fahatokian’i Nefia hitanareo ao amin’ny 1 Nefia 3?

  • Ahoana no mety hanampian’ireo toetra tsara ireo ny olona iray izay nahazo antso hanao asa fanompoana amin’ny fotoana feno?

Asao ny mpianatra tsirairay hanoratra taratasy ho an’ny misiônera iray, hanontaniana ilay misiônera hoe ahoana no nahitany ny 1 Nefia 3:7 niasa. Amporisiho ireo mpianatra hizara izay mety ho valin-taratasy azony.

Fanamarihana: Hahita asa atao fanampiny natao mba hanampiana ireo mpianatra hifehy ny andalan-tsoratra masina fehezina ianao any amin’ny faran’ny lesona tsirairay izay hahitana izany andalantsoratra masina izany. Azonao ampiasaina amin’ny fotoana rehetra ireo asa atao ireo (ho fampahalalana fanampiny dia jereo ny pejy fanampiny ao amin’ny faran’ny boky sy ny Boky Torolalana Fampianarana sy Fianarana ny Filazantsara. Noho ny toetoetra sy ny halavan’ny lesona androany dia azonao atao ny mampiasa ity asa atao ity amin’ny andro hafa raha tsy manam-potoana intsony ianao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 4:10–12. Ilay didy hamonoana an’i Labàna

Inona no fanamarinana ny fanalana ny ain’olon-kafa ataon’ny olo-marina iray tahaka an’i Nefia izay hita ao amin’io soratra masina io? Nampianatra i Joseph Smith Mpaminany fa nametraka fenitra arahina mikasika ny mety sy ny tsy mety Tompo:

“Hoy Andriamanitra hoe: ‘Aza mamono olona;’ ary hoy indray izy tamin’ny fotoana hafa hoe: ‘Hamongotra tanteraka ianao.’ Izany no fitsipika hitondrana ny fanjakan’ny lanitra—amin’ny alalan’ny fanambarana izay mifanaraka amin’ny toe-javatra iainan’ny zanaky ny fanjakana. Na inona na inona zavatra asain’ Andriamanitra ataontsika dia mety izany, na dia mety tsy hahalala ny antony nanaovana izany aza isika ela be taty aorian’ny nahavitan’ilay zavatra” (History of the Church, 5:135).

Mba hahatakarana misimisy kokoa ny didin’ny Tompo hamonoana an’i Labàna, dia mety hanampy ny mahatsiaro izao manaraka izao:

  1. Nanome fahafahana roa farafahakeliny an’i Labàna ny Tompo mba hanomezany ireo takela-barahina alohan’ny nitakiany ny ainy. Mpandainga sy mpangalatra i Labàna ary nikatsaka ny hamono indroa farafahakeliny. Ny fangalarana sy ny fikasana hamono olona dia afaka nofaizina tamin’ny alalan’ny famonoana ho faty teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy (jereo ny Eksodosy 21:14; 22:2; Deotoronomia 24:7).

  2. Tian’ny Tompo hanana ny rakitsoratra masina tao anatin’ireo takela-barahina ireo i Lehia sy ny taranany, eny fa na dia atao aza ny“hahafatesan’ny olona iray” (1 Nefia 4:13) mba hahatanteraka izany. Tsy ny firenena Nefita sy Miolekita ihany no nahazo fitahiana avy amin’ireo takela-barahina fa nalaina avy ao anatin’izany ihany koa ny sasany tamin’ny zavatra voarakitra ao anatin’ireo takela-bolamena (toy ireo teny notsongaina avy ao amin’ny Isaia sy avy amin’ny fanoharana nataon’i Zenôsa ny amin’ny hazo oliva voakolokolo sy ny oliva dia). Nitahy olona an-tapitrisany ny Bokin’i Môrmôna ary mbola hitahy an-tapitrisany hafa. Ary farany, dia niankina tamin’i Nefia avokoa ireo rehetra ireo rehefa nijoro teo anoloan’i Labàna izy ary nanaraka ny fitarihan’ny Fanahy.

Ny olona sasany dia nanana fahatsapana diso fa nitaona azy ireo hanao zavatra mifanohitra tamin’izay nandidian’ny Tompo azy ireo teo aloha ny Fanahin’ny Tompo. Ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity dia manolotra fomba famantarana fohy telo izay azontsika ampiasaina mba tsy ho voafitaka sy hahalala amim-pahatokiana rehefa avy amin’ny Tompo ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy:

“1. Inona avy no lazain’ny Soratra Masina mikasika izany? ‘Ho amin’ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ny fahazavan’ny maraina,’ hoy i Isaia. (Isa. 8:20.) …

“Tsy maintsy mianatra am-pahazotoana ny soratra masina isika. Manan-danja manokana amintsika ny Bokin’i Môrmôna sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. …

“2. Ny fitarihana faharoa dia: Inona no zavatra lazain’ireo Filohan’ny Fiangonana amin’izao andro farany izao mikasika izany—indrindra fa ny Filoha velona amin’izao fotoana izao? …

“Lehilahy iray ihany eto an-tany no miteny ho an’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao. (Jereo ny F&F 132:7; 21:4.) [Ny] Filohan’[ny Fiangonana] izany lehilahy izany. Koa satria miteny ny tenin’ny Tompo ho antsika ankehitriny izy, dia manan-danja mivantana kokoa noho ny an’ireo mpaminany efa maty ny teniny. Rehefa miteny eo ambanin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina izy dia lasa soratra masina izay lazainy. (Jereo ny F&F 68:4.) …

“3. Ny fomba famantarana fahatelo farany dia ny Fanahy Masina—ny famantarana amin’ny alalan’ny Fanahy. Amin’ny alalan’izany Fanahy izany dia azontsika ‘… fantarina ny fahamarinan’ny zava-drehetra.’ (Môrônia 10:5.) Afaka ny hahomby tanteraka ity fomba famantarana ity raha toa ka madio sy mendrika ary tsy miharoharo amin’ny fahotana ny lalam-pifandraisan’ny olona amin’ Andriamanitra.” (ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1963, 16–17).