Tahirim-pitaovana
Lesona 9: 1 Nefia 5


Lesona 9

1 Nefia 5

Fampidirana

Rehefa niandry ireo zanany lahy hiverina avy any Jerosalema i Sarià vadin’i Lehia, dia natahotra izy sao maty izy ireo tamin’ny ezaka nataony hahazoana ireo takela-barahina. Nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka izy fa nitarika sy niaro ny fianakaviany Andriamanitra rehefa niverina niaraka tamin’ireo takelaka tsy niharam-boina ireo zanany. Nandinika izay voarakitra tao amin’ireo takela-barahina i Lehia ary nahita fa sarobidy tokoa tamin’ny fianakaviany izany. Heniky ny Fanahy Masina izy rehefa namaky ireo takelaka ary naminany fa hotehirizina ho an’ireo taranany ireo soratra masina voarakitra tao anatin’izany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

1 Nefia 5:1–9

Tafaverina soa aman-tsara tany amin’ny fianakaviany tany an-tany foana ireo zanakalahin’i Lehia

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Nefia 5:1–3. Asaivo mikaroka ireo antony nahatonga an’i Sarià hanomboka himonomonona ny mpianatra.

  • Inona no nitarainan’i Sarià? (Mety ho tafiditra ao anatin’ny valinteny ny hoe i Lehia dia olon’ny fahitana, nitondra ny fianakaviany handao ny tany lovany izy, ary nandray fanapahan-kevitra izay mety hitarika ny fahafatesan’ireo zanany lahy sy hitarika ny fahafatesan’izy ireo any an-tany foana izy.)

Angataho ireo mpianatra hieritreritra mikasika ny fotoana iray izay mety nitarainan’izy ireo mikasika ny toe-javatra iray na dia tsy mbola fantany avokoa aza ny zavatra rehetra mikasika izany toe-javatra izany.

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 5:4–6 ny mpianatra iray. Asaivo mifantoka amin’ny fomba namalian’i Lehia ny fimonomononan’i Sarià ny mpianatra.

  • Inona no nanaitra anareo mikasika ny fomba namalian’i Lehia ny fimonomononan’i Sarià? (Azonao atao ny manamafy fa namaly tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona sy finoana ny Tompo i Lehia fa tsy tamin’ny tahotra na ahiahy. Tsy namaly tamin-katezerana na tamin’ny tsy fananana faharetana izy.)

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny valintenin’i Lehia tamin’i Sarià?

Asao hamaky mafy ny 1 Nefia 5:7–9 ny mpianatra iray.

  • Inona no azon’i Sarià avy amin’izany traikefa izany?

1 Nefia 5:10–22

Nandinika izay voarakitra tao amin’ny takela-barahina i Lehia

Asaivo mieritreritra ireo mpianatra raha misy zavatra heverin’izy ireo fa ho nahafoizany ny ainy mba hahazoany na hitazonany izany.

Manasà mpianatra iray hamintina ny 1 Nefia 3–4 ary hilaza mikasika ireo fahafoizana nataon’ny fianakavian’i Lehia mba hahazoana ireo takela-barahina. (Nanao vy very ny ainy, sy nahafoy ny fananany, ary nanao dia lavitra dia lavitra i Nefia sy ireo rahalahiny.)

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no nilaina ny fahafoizana toy izany?

Hazavao fa rehefa avy nanolotra fanatitra sy fanatitra hodorana sy nisaotra ny Tompo ilay fianakaviana, dia nanomboka namaky avy hatrany izay voarakitra tao amin’ireo takelaka i Lehia. Asao hifandimby hamaky mafy ny 1 Nefia 5:11–16 ny mpianatra maromaro. Asaivo karohin’ny mpianatra izay zavatra hitan’i Lehia tao amin’ireo takela-barahina. Azonao atao ny manao lisitra fohy ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

Asao hamaky am-pahanginana ny 1 Nefia 5:10 ny mpianatra. Asaivo karohin’izy ireo ny teny izay mamaritra ny famakian’i Lehia ny soratra masina. (Nodinihiny … izany.”) Asao ireo mpianatra mba hiaraka tsiroaroa hifanakalo hevitra mikasika ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no maha samy hafa ny fandinihana soratra masina sy ny famakiana izany fotsiny? (Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hitantara mikasika ny fotoana nandinihan’izy ireo ny soratra masina.)

Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Rehefa miteny aho hoe: ’mandalina,’ dia zavatra mihoatra ny mamaky no tiako lazaina. Zavatra tsara indraindray ny mamaky bokin-tsoratra masina iray ao anatin’ny fotoana voafaritra mba hahafantarana ny dikan’ny hafatra entiny amin’ny ankapobeny, saingy ho an’ny fiovam-po dia tokony hiraharaha bebe kokoa mikasika ny habetsahan’ny fotoana lanianao amin’ny soratra masina ianao toy izay mikasika ny habetsahan’ny zavatra vakianao ao anatin’izany fotoana izany. Indraindray dia azoko sary an-tsaina ianareo mamaky andininy vitsivitsy, miato mba handinika izany, mamaky amim-pitandremana indray ireo andininy, ary rehefa mieritreritra momba ny hevitra tian’izy ireo ambara ianareo, mivavaka mba hahatakatra izany, mametra-panontaniana ao an-tsainareo, miandry hevitra avy amin’ny fitaomam-panahy, ary manoratra ireo hevitra sy fahatakarana izay tonga ireo mba hahafahanareo mitadidy sy mianatra bebe kokoa. Rehefa mandalina toy izany ianareo, dia mety tsy mamaky toko na andininy maro ao anatin’ny antsasan-kadiny, kanefa hanisy toerana ny tenin’Andriamanitra ao am-ponareo ianareo ary hiresaka aminareo Izy. Tadidio ny namaritan’i Almà ny zavatra tsapa amin’izany: ’Manomboka mampivelatra ny fanahiko izy; eny, manomboka manazava ny fahazavan-tsaiko izy, eny manomboka ho fy amiko izy’ [Almà 32:28]” (“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, Mey 2004, 11–12).

Omeo fotoana hieritreretana mikasika ny fandalinana ny soratra masina nataony ireo mpianatra. Asao hanoratra mikasika ireo fomba manan-danja andalinany ny soratra masina ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy izy ireo. Rehefa avy manoratra izy ireo dia asao hijery ny fomba mety hahafahany hanatsara ny fandalinany ny soratra masina. Angataho hifidy fomba iray hanatsarana ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina ireo mpianatra. Amporisiho hanoratra izany tanjona izany ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina izy ireo. Azonao atao ny manome sosokevitra mba hizaran’ny mpianatra ny tanjony amin’ny hafa (ohatra, aminao, na amin’ny ray na reny, na amin’ny mpianatra iray hafa) izay hampahatsiahy azy ireo ilay tanjona sy hamporisika azy ireo hanatratra izany.

Hazavao fa nitahy an’i Lehia noho ny nandalinany ny soratra masina ny Tompo. Mba hanampiana ny mpianatra hahazo ireo fitahiana ireo, dia asao hamaky ny 1 Nefia 5:16–20 am-pahanginana izy ireo.

  • Ahoana no fiantraikan’ny fandinihina ireo takela-barahina teo amin’i Lehia?

Hamafiso fa feno ny Fanahy Masina sy nahazo fanambarana “momba ny taranany” i Lehia rehefa nandalina ny soratra masina. Ampio ireo mpianatra hahazo antoka fa rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka ny ho feno ny Fanahy Masina sy hahazo fanambarana. Mitovy amin’izay ihany, rehefa mahafoy ny fotoantsika sy ny herintsika handalina ny soratra masina tahaka izay nataon’i Lehia isika dia afaka ny hahazo hery hitandrina ny didin’Andriamanitra.

  • Tamin’ny fomba manao ahoana no nitahiana anareo avy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina?

  • Oviana ianareo no nahatsapa ny Fanahy Masina rehefa nandalina ny soratra masina?

Asao hamaky ity fanambarana manaraka ity ny mpianatra iray, izay ijoroan’ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ho vavolombelona momba ny fandalinana ny soratra masina:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Rehefa te-hiresaka amin’ Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia mandalina ny soratra masina isika, satria ny teniny dia nolazainy tamin’ ny alalan’ ireo mpaminaniny. Ary hampianatra antsika Izy avy eo rehefa mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina isika.

“Raha toa ka tsy nandre ny Feony niresaka taminao ianao tato ho ato dia miverena mamaky ny soratra masina indray amin’ny fomba fijery sy fihetsika vaovao. Ny soratra masina no miaro ny ara-panahintsika tsy ho faty” (“Holy Scriptures: The Power of God unto Our Salvation,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 26–27).

Vakio mafy ny 1 Nefia 5:21–22 ary asao ireo mpianatra hanaraka ao anatin’ny soratra masin’izy ireo. Hamafiso ireto teny ireto rehefa mamaky ianao: “Fahendrena tao amin’ ny Tompo ny nitondranay izany niaraka taminay, raha nandeha tany an-tany foana izahay hankany amin’ ny tany nampanantenaina.”

  • Nahoana no fahendrena ho antsika ny mitondra ny soratra masina miaraka amintsika mandritra ny dia ataontsika?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mitondra ny soratra masina miaraka amintsika?

Ampahatsiahivo fa nahazo ireo takela-barahina tamin’ny alalan’ny fahafoizana lehibe i Lehia sy ny fianakaviany. Tsy nahita fahombiazana tamin’ny dia nataony i Lehia sy ny fianakaviany raha tsy nisy ny soratra masina. Amporisiho ny mpianatra mba hitondra ny soratra masina miaraka amin’izy ireo amin’ny dia ataony eto amin’ity fiainana an-tany ity.

Asao ireo mpianatra mba hieritreritra mikasika ny fandalinany manokana ny soratra masina. Manasà mpianatra iray izay mamaky tsy tapaka ny soratra masina mba hamporisika sy hijoro ho vavolombelona amin’ireo namany. Amporisiho ny mpianatra mba hamboly fahazarana handany fotoana handalinana ny soratra masina isan’andro.

Fanamarihana: Mety hanome fotoana hanaovana ilay hetsika ho fianarana ny soratra masina fehezina ao amin’ny lesona teo aloha ny halavan’ity lesona ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

1 Nefia 5:10–22. Ny lanjan’ny soratra masina

Mba hampianarana mikasika ny fomba hahafahantsika mahazo fitarihana avy amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina, dia nizara ny tantaran’i Lehia mikasika ny fandalinany ireo takela-barahina ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

“Rehefa niverina [avy any Jerosalema niaraka tamin’ireo takela-barahina] i Nefia sy ireo rahalahiny dia nifaly i Lehia rain’izy ireo. Nanomboka nandalina ny soratra masina izy ‘hatrany amin’ny voalohany,’ ary ‘hita[ny] fa mahaliana [izany]; eny, sarobidy mihitsy … hany ka afaka nitahiry ireo didin’ ny Tompo ho an’ ireo zana[ny] [i Lehia sy ny taranany.]’

“Marina tokoa fa rakitsoratr’ireo razamben’i Lehia ireo takela-barahina, izay mirakitra ny fiteniny sy ny tetiarany ary zava-dehibe kokoa noho izany ny filazantsara izay nampianarin’ireo mpaminanin’ Andriamanitra. Rehefa nandalina ireo takela-barahina i Lehia dia nianatra ireo zavatra ianarantsika rehetra amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina toy ny hoe:

“• Iza isika.

“• Afaka ny ho tonga toy ny ahoana isika.

“• Ireo faminaniana ho antsika sy ireo taranatsika.

“• Ireo didy, lalàna, ôrdônansy, ary fanekempihavanana izay tsy maintsy hiainantsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay.

“• Ary ahoana no fomba tsy maintsy hiainantsika mba haharetana hatramin’ny farany sy hiverina any amin’ny Raintsika any an-danitra amim-boninahitra.

“Tena ilaina tokoa ireo fahamarinana ireo ka dia nampahita fahitana an’i Nefia sy i Lehia ny Ray any An-danitra izay maneho amin’ny endriny azo tsapain-tanana ny tenin’ Andriamanitra ho toy ny anja-by. Samy nianatra ny ray sy ny zanaka fa ny fifikirana amin’io mpitarika mahery, tsy mety miforitra, ary azo ianteherana tanteraka io no hany fomba hijanonana ao amin’izany lalana ety sy tery izay mitondra mankany amin’ny Mpamonjy antsika izany” (“Holy Scriptures: The Power of God unto Our Salvation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 25).

1 Nefia 5:18–19. Ireo takela-barahina

Ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha zava-dehibe ny nahazoan’ny fianakavian’i Lehia ireo takela-barahina manao hoe:

“Tsy azo atao tsinontsinona ny lanjan’ny takela-barahina tamin’ny Nefita. Tamin’ny alalan’ireo takela-barahina, izy ireo dia afaka nihazona ny fiteniny (1 Ne. 3:19), sy ny ankabeazan’ny sivilizasiôna, ary ireo fahalalana ara-pinoan’ireo vahoaka nipoiran’izy ireo. (1 Ne. 22:30.) Teo ankilan’izay, ireo Miolekita izay nentina niala tao Jerosalema 11 taona teo ho eo taorian’ny nialan’i Lehia tao, sy nanana rakitsoratra mitovy amin’ireo takela-barahina dia nihemotra tao amin’ny fihemorana sy ny tsy finoana, ary very ny fiteniny sy ny sivilizasiônany, ary ny finoany. (Ômnia 14–18.)

“Nampitapitaina sy notehirizin’ireo Nefita avy amin’ny mpaminany mankany amin’ny mpaminany sy taranaka mankany amin’ny taranaka ireo Takela-barahina. (Môsià 1:16; 28:20; 3 Ne. 1:2.) Nampanantena ny Tompo fa hamoaka azy ireo amin’ny fotoana iray any amin’ny hoavy, tsy noarafesenin’ny fotoana sy nihazona ny famirapiratany hatrany am-boalohany, ary ireo tantara ara-tsoratra masina voarakitra tao anatin’izy ireo dia ’handeha any amin’ ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra.’ (Almà 37:3–5; 1 Ne. 5:18–19.)” (Mormon Doctrine, ed. faha-2 [1966], 103).

Hamoaka printy