Tahirim-pitaovana
Lesona 25: 2 Nefia 3


Lesona 25

2 Nefia 3

Fampidirana

Ny 2 Nefia 3 dia ahitana ireo teny nolazain’i Lehia tamin’i Josefa zanany faralahy. Notantarain’i Lehia ny faminaniana nataon’i Josefa tany Egypta mikasika ny anjara asan’ny Mpaminany Joseph Smith, ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna ary ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 3:1–25

Notantarain’i Lehia ny faminaniana nataon’i Josefa tany Egypta mikasika ny Mpaminany Joseph Smith

Ataovy eny amin’ny solaitrabe ity fanehoana an-tsary ity alohan’ny fotoam-pianarana.

Sary
4 Stick Figures

Mba hanomanana ny mpianatra hahatakatra ireo fampianarana ao amin’ny 2 Nefia 3 dia ampahafantaro azy ireo fa ahitana fampahalalana mikasika ny lehilahy efatra izay mitovy fanampin’anarana ity toko ity. Asao ny mpianatra mba hikaroka haingana ilay soratra masina eo ambanin’ ilay sarin’olona tsirairay eo amin’ny solaitrabe mba hamantarana hoe maneho an’iza izany. Rehefa mahita valiny ny mpianatra iray dia asaivo soratany eny amin’ny solaitrabe izany. (Maneho an’i Josefa zanak’i Lehia ny sarin’olona voalohany. Ny faharoa dia maneho ny mpaminany Josefa izay namidy tany Egypta teo amin’ny 1700 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy. Ny fahatelo dia maneho ny Mpaminany Joseph Smith. Ny fahefatra dia maneho an’i Joseph Smith Rainy.

Mampisehoa sarin’ny Mpaminany Joseph Smith iray, toy ilay hoe Rahalahy Joseph (62161; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah-87). Ampahafantaro ny mpianatra fa ny ankamaroan’ny ao anatin’ny 2 Nefia 3 dia mifantoka amin’ny faminaniana nataon’i Josefa tany Egypta mikasika ny Mpaminany Joseph Smith.

Sary
Joseph Smith Mpaminany

Manasà mpianatra telo mba hifandimby hamaky mafy ny 2 Nefia 3:6–8. Angataho ny mpianatra mba hitady teny na andian-teny izay nampiasain’i Josefa tany Egypta mba hamaritana an’i Joseph Smith sy ny asa hotanterahiny. (Mety ilainao ny manazava fa rehefa nampiasa ny andian-teny hoe “nateraky ny kibonao” i Josefa tany Egypta dia nentiny ilazana an’ireo taranany izany.) Tanisao eo ambanin’ilay sarin’olona maneho an’i Joseph Smith eo amin’ny solaitrabe ireo teny sy andian-teny izay hitan’ny mpianatra. Izy ireo dia tokony hahita andian-teny toy ny hoe “Mpahita nofinidy iray no hatsangako avy amin’ny nateraky ny kibonao,” “hohajaina fatratra,” “hitondra azy ireo ho amin’ny fahalalana ny fanekempihavanana,” ary “Izaho hahatonga azy ho lehibe eo imasoko.”

  • Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nandalina ny 2 Nefia 3:6–8 ianao? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa natsangan’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mba hitondra ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.)

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 3:11–15. Angataho izy ireo mba hikaroka andian-teny fanampiny mikasika ny zavatra hotanterahin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Rehefa nanana fotoana ampy nandalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo izy ireo dia anontanio izay zavatra hitany. Ampidiro ao anatin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay sarin’olona maneho ny Mpaminany Joseph Smith ny valintenin’izy ireo. (Mety ahitana izao ny valiny, “hitondra ny teniko,” “ao amin’ny fahalemeny no hanatanjahana azy,” “izay mikatsaka ny handringana azy hampangaihaizina,” ary “hantsoina … araka ny anaran-drainy.”)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra sy hisaintsaina bebe kokoa mikasika ny anjara asan’ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara dia vakio mafy ny 2 Nefia 3:11, ka hamafiso manokana ny andian-teny hoe “fahefana hitondra ny teniko.”

  • Inona avy ireo tenin’Andriamanitra sasantsasany izay nentin’i Joseph Smith? (Mety ahitana izao ny valiny, ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy, ny Dikantenin’i Joseph Smith ary ireo lahatenin’ny Mpaminany manokana.)

Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia ataovy izay hanazavana fa naminany i Josefa avy any Egypta hoe hitondra ny Bokin’i Môrmôna ny Mpaminany Joseph Smith. Azonao atao ny manazava fa ny 2 Nefia 3:12 dia manambara boky roa: ny boky nosoratan’ireo taranak’i Josefa avy any Egypta dia ny Bokin’i Môrmôna ary ny boky nosoratan’ireo taranak’i Joda dia ny Baiboly. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra ireo fanazavany ireo ao amin’ny soratra masiny.

Asao ny mpianatra mba hikaroka andian-teny ao anatin’ny 2 Nefia 3:12 izay mamaritra ny fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly eto amin’izao tontolo izao rehefa “hitambatra” izy ireo. (Ohatra, mety ho hitan’ny mpianatra ny hoe “hanaporofoana ny mahadiso ny fotopampianarana sandoka,” “hampitsaharana ny fifandirana,” ary “hampiorenana ny fandriampahalemana.”

Mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny fiainan’izy ireo dia anontanio hoe:

  • Oviana ianao no niaina ny herin’ny Bokin’i Môrmona teo amin’ny fiainanao na nahita ny fiantraikany teo amin’ny fiainan’ny namana na olona ao amin’ny fianakaviana?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 3:15. Angataho ny mpianatra mba hifantoka manokana amin’ilay andian-teny hoe “hitondra ny oloko ho amin’ny famonjena.”

  • Amin’ny fomba ahoana no itondran’ny Bokin’i Môrmôna ny olona ho amin’ny famonjena?

  • Inona no fiovana nentin’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fiainanao?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra sy hankasitraka ny asa nanendrena mialoha ny Mpaminany Joseph Smith, dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Brigham Young ity:

Sary
Brigham Young

“Nambara nandritra ireo filankevitry ny mandrakizay, izay efa elabe talohan’ny nanorenana ny tany fa i Joseph Smith no ho ilay lehilahy hitondra ny tenin’Andriamanitra amin’ny olona ao anatin’ilay fotoampitantanana farany eto amin’ity izao tontolo izao ity, ary handray ny fahafenoan’ny fanalahidy sy ny herin’ny Fisoronan’ilay Zanak’Andriamanitra. Ny Tompo dia nanara-maso Azy sy ny Rainy ary ny rain’ny rainy sy ireo taranany miverina hatrany … amin’i Adama. Nanara-maso izany fianakaviana izany sy izany ra izany Izy rehefa nikoriana niala avy teo amin’ny loharano nipoirany nankany amin’ny fahaterahan’io lehilahy io izany. Voatendry mialoha hiahy ity fotoampitantanana farany ity izy” (Discourses of Brigham Young, nofantenan’i John A. Widtsoe [1954], 108).

Fintino ny 2 Nefia 3:16–24 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nampitahain’i Josefa tany Egypta tamin’i Mosesy i Joseph Smith. Asaivo mitady teny na andian-teny ao amin’ny 2 Nefia 3:24 ny mpianatra izay mamaritra ny Mpaminany Joseph Smith. Ampidiro ao anatin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny rehefa mizara teny na andian-teny hitany izy ireo.

Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity. Angataho ny mpianatra mba hihaino ireo fahamarinana nambara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith:

“Mamelà ahy ianareo hilaza ny sasantsasany amin’ireo fotopampianarana sy fomba fanao maro izay mampiavaka antsika amin’ny fiangonana hafa rehetra ary izy rehetra ireo dia tonga tamin’ny alalan’ny fanambarana nomena an’ilay Mpaminany mbola tanora [Joseph Smith]. …

“[Ny] fahalalana momba an’Andriamanitra. …

“Ny Bokin’i Môrmôna. …

 … Ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny. …

“… Ny drafitry ny fiainana mandrakizay ho an’ny fianakaviana. …

“Ny tsy fananan’ny ankizy madinika tsiny. …

“… Ny fotopampianarana lehiben’ny famonjena ho an’ny maty. …

“Ny toetra mandrakizain’ny olombelona. …

“… Ny fitsipiky ny fanambarana maoderina. …

“… Nandritra ny 38 taona sy tapany niainany dia indro fa nisy fahalalana sy fanomezam-pahasoavana ary fotopampianarana tsy nisy toy izany nirotsaka tamin’ny alalany” (“The Great Things Which God Has Revealed,” Ensign na Liahona, Mey 2005, 80–83).

Asao ny mpianatra iray mba hampiditra ny zavatra notanisain’ny Filoha Hinckley ao anatin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe.

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3. Hazavao fa ny Loholona John Taylor tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay lasa Filohan’ny Fiangonana fahatelo taty aoriana no nanoratra ireo teny ireo fotoana fohy taorian’ny nahafatesan’ny Mpaminany Joseph Smith. Angataho ny mpianatra mba hitady zavatra ao amin’io andinin-tsoratra masina io izay azon’izy ireo ampidirina ao anatin’ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe. Ampidiro ao anatin’ilay lisitra ny valintenin’izy ireo.

Omeo fotoana handinihana ilay lisitra eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra. Asao izy ireo mba hisaintsaina ny zavatra nianarany mikasika ny anjara asan’ny Mpaminany Joseph Smith. Asao izy ireo mba hieritreritra ny zavatra fantany sy tsapany mikasika ny Mpaminany amin’ny alalan’ny fanoratana ny valin’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy:

  • Inona no zavatra nianaranao na tsapanao androany izay nanamafy ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Mpaminany Joseph Smith?

  • Inona no nataon’i Joseph Smith na nampianariny na naveriny tamin’ny laoniny izay tsapanao fa “[m]anan-danja lehibe” (2 Nefia 3:7) ho anao?

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Amporisiho izy ireo mba hifampizara ny fijoroany ho vavolombelona mikasika ny Mpaminany Joseph Smith. Afaka mamporisika mpianatra sasantsasany hizara izany amin’ny mpianatra rehetra ianao raha misy ny fotoana. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa nanangana an’i Joseph Smith hitondra ny Famerenana amin’ny laoniny Andriamanitra. Asao ny mpianatrao mba hitady ombam-bavaka fomba hizarana ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ny Mpaminany Joseph Smith sy ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa, indrindra fa amin’ny namany sy ny fianakaviany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 3:12. Ny fomba “hitambaran’ny” Bokin’i Môrmôna sy ny Baiboly

Fotoana fohy taorian’ny nivoahan’ny Baiboly King James izay navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany, miaraka amin’ny fanoroana lohahevitra ao aminy sy ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy izay mampiasa ireo soratra masina rehetra ankatoavin’ny Fiangonana, dia nanazava ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao … ary … ny Bokin’i Môrmôna … ankehitriny dia natambatra amin’ny fomba iray ka rehefa mandalina ny anankiray ianao dia voatarika mankany amin’ilay iray hafa ary rehefa mianatra zavatra ao anatin’ny anankiray ianao dia hazavain’ilay iray hafa. Tena iray eo an-tanantsika izy ireo” (“Scriptures,” Ensign, nôv. 1982, 53).

2 Nefia 3:18. Iza no miteny eto?

Nanazava mikasika ny hoe iza ireo olona resahina ao amin’ny 2 Nefia 3:18 ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Teny nampidirin’ny Loholona McConkie ireo teny ao anatin’ny fonon-teny. Hoy izy hoe: “Diniho ireto tenin’ny Tompo ireto: ‘Ary indro, Izaho hanome azy [Môrmôna] mba hanoratany ny soratry ny nateraky ny kibonao [ny Nefita], ho an’ny nateraky ny kibonao [ny Lamanita]; ary ny mpitondratenin’ny kibonao [Joseph Smith] no hilaza izany.’ Izany hoe, i Môrmôna no nanoratra ny Bokin’i Môrmôna, saingy ny zavatra nosoratany dia nalaina avy tamin’ny rakitsoratr’ireo mpaminany Nefita ary ireo rakitsoratra ireo izay natambatra ao anaty boky iray dia nadikan’i Joseph Smith ary nalefa tamin’ny alalany tany amin’ny Lamanita” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 426).

Hamoaka printy