Tahirim-pitaovana
Lesona 35: 2 Nefia 25


Lesona 35

2 Nefia 25

Fampidirana

Rehefa nanohy nanamafy ny maha zava-dehibe ireo faminanian’i Isaia i Nefia dia nohazavainy fa na iza na iza manana ny fanahin’ny faminaniana dia afaka mahatakatra sy mankasitraka ny tenin’i Isaia. Nozarainy ny tanjon’ny zavatra nosoratany: “handresy lahatra ny zanatsika ary koa ny rahalahintsika mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’Andriamanitra” (2 Nefia 25:23). Nasainy ny olona rehetra mba hino an’i Jesoa Kristy ary “hitsaoka Azy amin’ny heri[ny], ny sai[ny], ny tanja[ny] ary ny fanahi[ny] rehetra” (2 Nefia 25:29).

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 25:1–8

Mampianatra i Nefia fa afaka mahatakatra ny tenin’i Isaia isika rehefa manana ny fanahin’ny faminaniana

Mampisehoa kadenà iray izay tsy voavoha raha tsy misy fanalahidy (na manaova sarin’ny kadenà sy fanalahidy iray eo amin’ny solaitrabe). Hazavao fa rehefa te hiaro fananana sarobidy ny olona dia matetika hidian’izy ireo izany. Mety tazonin’izy ireo ilay hany fanalahidin’ilay hidin-javatra na mety omen’izy ireo fanalahidy iray mitovy amin’izany ny namana atokisana iray na ny olona iray ao amin’ny fianakaviana.

Sary
kadenà sy fanalahidy

Hazavao fa fantatr’i Nefia hoe “manan-danja lehibe” ireo faminanian’i Isaia (2 Nefia 25:8). Kanefa tsy nohazoniny ho tsiambaratelo izany. Nampianariny mihitsy aza ny mikasika ny fanalahidy iray ho an’izay te hanokatra ny dikan’ny tenin’i Isaia. Asao ny mpianatra mba hamaky ny fehezanteny voalohany ao amin’ny 2 Nefia 25:4. Angataho ny mpianatra mba hitady ny fanalahidy hahatakarana ny tenin’i Isaia.

  • Inona no fanalahidy hitanao? (“Ny fanahin’ny faminaniana.”)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe “fanahin’ny faminaniana,” dia vakio ity fanazavana manaraka avy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ity:

“Ny faminaniana dia teny na soratra avy amin’Andriamanitra, izay raisin’ny olona amin’ny alalan’ny fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina. Ny filazana an’i Jesoa no fanahin’ny faminaniana (Apok. 19:10). Ny faminaniana dia mety mikasika ny lasa na ny ankehitriny na ny hoavy. Rehefa maminany ny olona iray dia miresaka na manoratra mikasika ny zavatra tian’Andriamanitra ho fantany izy mba ho tombontsoany manokana na ho tombontsoan’ny hafa. Ny olona tsirairay dia afaka mahazo fanambarana ho an’ny fiainany manokana” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Faminaniana,” scriptures.lds.org).

Ampio ny mpianatra hahita fa hitombo ny fahatakaran’izy ireo ny tenin’i Isaia rehefa (1) mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy Masina izy ireo sy (2) manana fijoroana ho vavolombelona mikasika an’i Jesoa Kristy sy faniriana hianatra momba Azy. Raha izay fomba izay no fomba hanomoran’izy ireo ny tenin’i Isaia ary mitady foana ny fomba hijoroan’ireo faminaniany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy izy ireo, dia ho afaka ny hahafantatra ny zavatra tian’Andriamanitra ho fantany izy ireo mba ho tombontsoany manokana na ho tombontsoan’ny hafa.

Hamafiso fa i Nefia dia nizara hevitra hafa izay afaka mampitombo ny fahatakarantsika ny tenin’i Isaia. Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 25:1 ary hitady ny antony nahatonga ny hoe maro tamin’ny olon’i Nefia no nahita fa sarotra takarina ireo faminanian’i Isaia.

  • Inona no hitanao? (Tsy fantatr’izy ireo “ny fomban’ny faminaniana teo amin’ny Jiosy.”

  • Raha mifototra amin’ny zavatra novakianao avy ao amin’ny tenin’i Isaia, dia inona avy ireo zavatra sasantsasany mampiavaka ny faminanian’ireo Jiosy fahiny? (Ny valinteny dia mety ahitana ny hoe, nampiasa teny mifono tandindona sy fiteny miendrika tononkalo i Isaia sy ireo mpaminany hafa.)

  • Rehefa mamaky ny tenin’i Isaia ianao dia nahoana no manampy ny fahafantarana izany fomba faminaniana izany?

Hazavao fa misy hevitra tsara iray hafa ao amin’ny 2 Nefia 25:5–6. Manasà mpianatra iray mba hamaky mafy ireo andinin-tsoratra masina ireo. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo zavatra niainan’i Nefia izay nanampy azy hahatakatra ny tenin’i Isaia.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nanampy an’i Nefia ny niainany tany Jerosalema? Raha mifototra amin’ny zavatra novakianao tao amin’ny tenin’i Isaia dia nahoana araka ny eritreritrao no tombontsoa ho an’i Nefia ny “nahita ny zavatry ny Jiosy” sy “[na]hafantatra ny amin’ireo toerana manodidina” an’i Jerosalema?

  • Inona no azonao atao mba hahazoana fahalalana bebe kokoa mikasika ireo zavatra ireo? (Afaka mianatra mikasika ny kolontsaina sy ny tantara ary ny jeografian’i Isiraely fahiny isika.)

Vakio amin’ny mpianatra ny 2 Nefia 25:7–8. Rehefa vakianao izany dia hazavao fa hanan-danja lehibe amintsika ireo faminanian’i Isaia rehefa hitantsika fa tanteraka izy ireo. Mba hampisehoana izany fahamarinana izany dia apetraho ny fanontaniana hoe:

  • Inona avy ireo faminaniana nianarantsika tao anatin’ny andro vitsivitsy lasa ka efa tanteraka? (Mety tsaroan’ny mpianatra ireo faminaniana mikasika ny Tempolin’i Salt Lake [jereo ny 2 Nefia 12:2–3], ny fahaterahan’i Jesoa Kristy [jereo ny 2 Nefia 19:6], ary i Joseph Smith [jereo ny 2 Nefia 21:1, 10].) Amin’ny fomba ahoana no hahatonga ireo faminaniana ireo ho manan-danja kokoa rehefa hitanao fa efa tanteraka izy ireo?

Mba hamaranana ny ampahan’ity lesona ity dia ambarao ny fahatokianao fa afaka mampitombo ny fahatakarany ny tenin’i Isaia ny mpianatra rehefa mikatsaka ny fanahin’ny faminaniana izy ireo. Mariho manokana fa afaka mampitombo ny fahatakarany izy ireo amin’ny alalan’ny fandalinana ny fomba faminanian’ny Jiosy fahiny sy ny fandalinana ny kolontsaina sy ny tantara ary ny jeografian’i Isiraely fahiny.

2 Nefia 25:9–19

Naminany mikasika ny fampielezana sy ny fanangonana ny Jiosy i Nefia

Fintino ny 2 Nefia 25:9–19 amin’ny alalan’ny filazana fa naminany mikasika ny Jiosy sy ny tanindrazany any Jerosalema i Nefia ary ireo faritra manodidina. Nilaza izy fa ireo Jiosy nentina ho babo tany Babylona taorian’ny fandravana an’i Jerosalema dia hiverina any amin’ny “tany lovany” (jereo ny 2 Nefia 25:9–11). Hiaina eo anivon’izy ireo i Jesoa Kristy, ilay Mesia, saingy maro no hitsipaka sy hanombo Azy (jereo ny 2 Nefia 25:12–13). Aorian’ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany amin’ny maty dia horavana indray i Jerosalema ary haely patrana ny Jiosy ary hampijalian’ny firenen-kafa (jereo ny 2 Nefia 25:14–15). Hino an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izy ireo amin’ny farany, ary ny Tompo dia hampody azy ireo amin’ny laoniny “ho afaka amin’ny toetry ny fahaverezana sy ny fahalavoana” (jereo ny 2 Nefia 25:16–19).

2 Nefia 25:20–30

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba mety hamaliany olona iray izay milaza fa tsy mino an’i Jesoa Kristy ny Olomasin’ny Andro Farany. Azonao atao ny mangataka mpianatra iray na roa mba hitantara fohifohy ny zavatra niainany rehefa nisy olona hafa nanohitra ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Rehefa mamaky ny 2 Nefia 25:20–30 ny mpianatra dia asao izy ireo mba hitady ampahany ao anatin’izany izay mety azon’izy ireo zaraina eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany.

Angataho ny mpianatra mba hitady ilay “lala-mahitsy” ao amin’ny 2 Nefia 25:28–29. Rehefa hitan’izy ireo fa ny “mino an’i Kristy no lala-mahitsy fa tsy ny mandà Azy,” dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Nahoana no lala-mahitsy ny mino an’i Jesoa Kristy. Dia angataho ny mpianatra mba handinika ny 2 Nefia 25:20, 23–26, ary hitady ny antony mahatonga ny hoe ny mino an’i Jesoa Kristy no lala-mahitsy. Asao izy ireo hanoratra ny valinteniny eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ilay lohateny nosoratanao. Mety ahitana ireto manaraka ireto ny valinteny:

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no ahatongavan’ny famonjena.

Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavana isika rehefa avy nanao izay rehetra vitantsika.

Afaka mahazo ny famelana ny otantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 25:23 sy ny 2 Nefia 10:24. Mariho manokana fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ahitana ny teny hoe mihavana, hihavanany izay midika hoe mampirindra zavatra na mampifanara-tsaina olona.

  • Mamporisika antsika ny mpaminany ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo mba hihavana amin’Andriamanitra. Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao?

Hazavao fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia samy ahitana ny teny hoe fahasoavana. Ny fahasoavana dia fanomezana avy amin’ny Ray any an-danitra izay nomena amin’ny alalan’ny Zanany Jesoa Kristy. Ny teny hoe fahasoavana, araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina dia ilazana voalohany indrindra ilay hery manome fahafahana hanao zavatra sy ilay fahasitranana ara-panahy atolotra amin’ny alalan’ny famindram-po sy fitiavan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no ampianarin’ny 2 Nefia 10:24 sy ny 25:23 mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ny fahasoavana sy ny ezaka ataontsika?

Asao ny mpianatra mba hampihatra ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny fanoratana ny valin’ity fanontaniana manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy. Azonao atao ny manoratra ilay fanontaniana eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona no dikan’ny hoe voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavana ho anao?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fanambarana nataon’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 25:24–25 fa ny lalàna dia tonga maty amin’ny olony, dia hazavao fa ny lalàn’i Mosesy no tiany holazaina. Izany lalàna izany, miaraka amin’ireo fombafomba, tandindona sy didy ary ahitana ny fanaovana sorona biby dia mbola nampiharina tamin’ny andron’i Nefia. Fantatr’i Nefia sy ny hafa fa ho tanteraka izany lalàna izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tsy hotakiana hitandrina ny lalàn’i Mosesy intsony ireo mpanara-dia ny Mpamonjy aorian’ny Sorompanavotana. Saingy nanohy nanaja izany lalàna izany ireo Nefita mahatoky tamin’izany fotoana izany, na dia nahafantatra aza fa io lalàna io dia hosoloina indray andro any.

Rehefa nilaza i Nefia fa tonga maty aminy sy amin’ny hafa ilay lalàna, ny tiany holazaina dia hoe tsy hahavonjy azy ireo ilay lalàna. Notandreman’izy ireo izany lalàna izany satria te hankato izy ireo ary satria fantatr’izy ireo fa hitondra azy ireo any amin’i Jesoa Kristy izay hitondra famonjena ho azy ireo izany.

  • Inona no azontsika ianarana avy ao amin’ny 2 Nefia 25:23–26 mikasika ny antony tokony hitandremantsika ny didy?

  • Inona no hataonao mba “hiresahanao an’i Kristy” sy “hifalianao amin’i Kristy”? (2 Nefia 25:26). Inona no hataonao mba hanampiana ny hafa hino an’i Kristy?

Angataho ny mpianatra mba hizara ny zavatra notsongainy tao amin’ireo andian-tsoratra masina izay hanampy azy ireo hamaly ny filazana fa tsy mino an’i Jesoa Kristy ny Olomasin’ny Andro Farany. Anontanio azy ireo ny antony mahatonga azy ireo ho tia ireo zavatra notsongaina ireo.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ireo fahamarinana noresahanao androany. Azonao atao koa ny manome fahafahana ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana ireo.

Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 25:23, 26

Fanamarihana: Ampiasao ity hevitra enti-mampianatra ity mandritra ilay fizarana farany ao anatin’ny lesona. Raha toa ka tsy manana fotoana ianao hampiasana io hevitra io ao anatin’ny lesona, dia azonao atao ny mampiasa izany ao anatin’ny lesona iray hafa ho toy ny famerenana.

Mba hanampiana ny mpianatra hahay tsianjery ny 2 Nefia 25:26, izay iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fehezina dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity manaraka ity:

Miresaka

Mifaly

Mitory

Maminany

Manoratra

Mba … ny zanatsika

Ny loharano …

Ho famelana …

Asao ny mpianatra hanao kilalao famenoana teny eny amin’ny solaitrabe mba hitanisana ny 2 Nefia 25:26. Rehefa avy naverimberina ilay andinin-tsoratra masina dia anontanio raha toa misy olona ao an-dakilasy vonona ny hanandrana hamerina tsy an-kijery ilay andinin-tsoratra masina. Dia asao ny mpianatra ambiny avy eo mba hiaraka hanambara ilay andinin-tsoratra masina tsy an-kijery eny amin’ilay solaitrabe. Hamaranana azy dia azonao atao ny manoro hevitra hoe misy lanjany ny fihainoana tsara rehefa manao ezaka handresena lahatra antsika ny ray aman-dreny, ny mpitarika sy ny mpampianatra hitodika any amin’ny Mpamonjy.

Omeo taratasy iray ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra mba hanoratra taratasy iray ho an’ny zanany any aoriana, ka hamporisika azy ireo mba hampifantoka ny fiainany amin’i Jesoa Kristy. Azon’ny mpianatra atao ny mitahiry ny taratasiny ao anatin’ny soratra masiny mba ho ampiasaina amin’ny hoavy.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 25:23. Ny fotopampianaran’ny fahasoavana

Ny hevi-dehiben’ilay teny hoe: fahasoavanadia hoe fomba masina entina hanampiana na hanomezana hery, omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy izay miavosa.

“Amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Tompo izay tanteraka tamin’ny alalan’ny sorompanavotany no hananganana ny olombelona amin’ny tsy fahafatesana ka handray ny vatany avy ao am-pasana ny olona rehetra ao anatin’ny toetry ny fiainana mandrakizay. Amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Tompo toy izany koa no handraisan’ny olona tsirairay, amin’ny alalan’ny finoana ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana amin’ny otany, hery sy fanampiana mba hanao asa tsara fa raha tsy izany dia tsy afaka ny hanohy hanao izany izy ireo raha avela irery miaraka amin’izay hery ananany eo. Io fahasoavana io dia hery manampy izay manome fahafahana ny lehilahy sy ny vehivavy mba hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana rehefa nanao ezaka tsara indrindra avy aminy izy ireo.”

“Ilain’ny fanahy tsirairay ny fahasoavana masina vokatry ny fahalavoan’i Adama ary koa noho ny fahalemen’ny olona sy ny kilemany. Noho izany dia tsy ampy ny fahasoavana raha tsy misy ny ezaka feno avy amin’ilay hahazo tombontsoa. Noho izany dia izao ny fanazavana hoe: ‘Noho ny fahasoavana no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao’ (2 Ne. 25:23). Tena ny fahasoavan’i Jesoa Kristy marina no ahafahana manatanteraka ny famonjena” (Bible Dictionary, “Grace”).

Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nilaza hoe:

“Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ilay fiarovana, fiadanana, fifaliana katsahintsika dia tsy hita raha tsy ao anatin’ny fanekena sy finoana amin-kitsimpo ny fiainana sy ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra Tsitoha. Rehefa mandray ny fampianarany isika dia manajanona ny fahotantsika rehetra dia mibebaka ary manao izay vitan’ny herintsika isika mba hanatonana Azy ao anatin’ny toe-tsaina amam-panahy marin’ny maha-mpianatra ary mahafantatra tsara fa amin’ny alalan’ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao. Ary rehefa manolotra tanteraka ny tenantsika amin’i Kristy isika dia mahita fiarovana, fiadanana, ary fifaliana ao Aminy” (ao amin’ny “Latter-day Counsel,” Ensign, Jiona 2001, 74).

2 Nefia 25:26. “Mifaly amin’i Kristy isika”

Nanamarika ny Filoha Gordon B. Hinckley fa ny fahalalana azo avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia manome fahafahana antsika hifaly marina ao amin’ny Mpamonjy antsika:

“Misy mpitsikera maro isika amin’ny maha-Fiangonana antsika. Milaza izy ireo fa tsy mino an’ilay Kristy nentim-paharazan’ny antokom-pinoana Kristianina isika. Marina amin’ny ampahany ny zavatra lazainy. Ny finoana sy ny fahalalantsika dia tsy mifototra amin’ny fomba nentim-paharazana, amin’ny finoana avy amin’ny fahatakarana voafetra sy avy amin’ny ady hevitra tsy misy fiafarany ataon’ny olombelona izay miezaka ny ho tonga eo amin’ny famaritana an’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty. Ny finoantsika sy ny fahalalantsika dia avy amin’ny fijoroana ho vavolombelon’ny mpaminany iray tao amin’ity fotoampitantanana ity izay nahita teo anoloany ilay Andriamanitra lehiben’izao tontolo izao sy ilay Zanaka Malalany, Jesoa Kristy Tompo nitsangana tamin’ny maty. Niresaka taminy Izy ireo. Niresaka tamin’izy ireo izy. Nijoro ho vavolombelona an-karihary sy tsy tamim-pisalasalana ary ampahibemaso mikasika izany fahitana lehibe izany izy. Fahitana an’ilay Tsitoha sy Mpanavotra an’izao tontolo izao izany, izay tena lehibe mihoatra ny fahatakarantsika saingy azo antoka sy tsy mampisalasala noho ny fahalalana izay nentin’izany. Avy ao amin’izany fahalalana izay miorim-paka lalina ao amin’ny fanambarana maoderina izany isika araka ny tenin’i Nefia no ‘miresaka an’i Kristy, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran[tsika] sy ny zanatsika ny loharano azon[tsika] andrandraina ho famelana ny fahota[ntsika] (2 Ne. 25:26)” (“We Look to Christ,” Ensign, Mey 2002, 90–91).

Hamoaka printy