Tahirim-pitaovana
Lesona 38: 2 Nefia 28


Lesona 38

2 Nefia 28

Fampidirana

Naminany ny sasany amin’ireo toe-javatra sarotra amin’ny andro farany i Nefia ka tafiditra ao anatin’izany ireo fampianarana diso sy ny fiavonavonan’ireo fiangonana maro izay haorina. Nampianatra ny fomba hamantarana ireo fotopampianarana diso sy ny toetra arak’izao tontolo izao izy ary nampitandrina ny amin’ireo fomba hoentin’i Satana handrebirebena antsika hanalavitra ny fahamarinana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 28:1–19

Nofaritan’i Nefia ireo fiangonana diso sy hevi-diso amin’izao androntsika izao

Ataovy sary eo amin’ny solaitrabe ireo marika fampitandremana izay mahazatra ao amin’ny kolontsainao. Ohatra, afaka manao sarin’ny mari-pamantarana iray momba ny fifamoivoizana ianao na marika iray izay mampita fa misy karazan-javatra izay mampidi-doza na misy poizina.

  • Inona no tanjon’ireo mari-pamantarana ireo?

Filoha Ezra Taft Benson

Hazavao fa ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy antsika hahita ireo mari-pamantarana mampitandrina ny fisian’ny zavatra manimba ara-panahy. Nanazava ny Filoha Ezra Taft Benson fa ny iray amin’ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia ny hampiseho ny fomba fiasan’ilay fahavalo sy ireo hafa tsy tia an’i Kristy amin’ny andro farany. Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny nolazain’ny Filoha Benson manaraka ity:

“Ny Bokin’i Môrmôna dia mampiseho ireo fahavalon’i Kristy. Akorontany ireo fotopampianarana diso. … Hampatanjahany eo anatrehan’ireo lamina sy tetika ratsy ary ireo fotopampianaran’ny devoly amin’izao androntsika izao ireo mpanara-dia an’i Kristy sady manetry tena. Ny sokajin’olona nihemotra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mitovy amin’ny sokajin’olona hita amin’izao androntsika izao” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, Jan. 1988, 3).

  • Ahoana no fomba fanehoan’ny Bokin’i Môrmôna ireo fahavalon’i Kristy? (Ahitana ny tantaran’ireo olona izay niezaka nitarika ny hafa hanalavitra ny finoana an’i Kristy izany. Manome fahafahana antsika hahita ny hadisoany sy ireo hevi-disony izany.)

  • Ahoana no fomba entin’ny Bokin’i Môrmôna hanomezana hery antsika hanoherana ny fahavalo?

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Bokin’i Môrmôna dia mampiseho ireo hevi-dison’ny devoly ary manome hery antsika hanoherana ilay laminy izay ratsy. Hazavao fa hahita ohatra momba izany ny mpianatra ao amin’ny 2 Nefia 28. Io toko io dia ahitana ny iray amin’ireo faminanian’i Nefia momba ny andro farany. Nampitandrina mikasika ireo fampianarana diso izay hihanaka amin’izao androntsika izao i Nefia ao anatin’izany faminaniana izany.

Asao ny mpianatra handalina amim-pahanginana ny 2 Nefia 28:3–9 ka hitady ireo fampitandreman’i Nefia mikasika ireo fampianarana diso. Mariho manokana fa ny 2 Nefia 28:7–9 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika amin’ny fomba miavaka ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hahitana azy mora kokoa. Rehefa nanana fotoana ampy nandalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra dia asao ny mpianatra maromaro handeha ho eny amin’ny solaitrabe. Angataho ny tsirairay avy amin’izy ireo mba hanoratra fampianarana na hevi-diso iray avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ary soratana ihany koa ilay andinin-tsoratra masina nahitana izany. Dia anontanio ireo mpianatra hafa raha nahita fampianarana diso na hevi-diso hafa tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo koa izy ireo. Raha toa nahita izy ireo dia asao mba hanampy ny ao anatin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe.

Mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny sasantsasany amin’ireto fotopampianarana diso sy hevi-diso ireto dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ohatra amin’izao andro izao izay maneho ny iray amin’ireo hevi-diso ireo? (Ataovy izay tsy hilazan’ny mpianatra anaram-piangonana manokana rehefa mamaly io fanontaniana io izy ireo.)

  • Ahoana no fomba entin’io hevi-diso io hanakatsakanana ny olona tsy hanaraka ny drafitry ny Raintsika any an-danitra?

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 28:12–14. Asao ny mpianatra mba hitady ny fampitandreman’i Nefia mikasika ny zavatra hitranga amin’ireo fiangonana sy olona maro amin’ny andro farany noho ny fiavonavonana sy ny fampianarana diso.

  • Ahoana no fomba hisarihan’ny avonavona sy ny fampianarana diso ny olona?

  • Nahoana no tsy voasariky ny avonavona sy ny faharatsiana ireo “mpanara-dia manetry tena an’i Kristy”? Ahoana no fomba ahafahantsika misoroka ny famitahana avy amin’ny “fampianaran’olombelona”? (Mety ilainao hazavaina fa ny hoe “fampianaran’olombelona” dia mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Tompo.)

Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 28:15–16, 19 ka hitady ny voka-dratsin’ny fampianarana diso.

  • Inona avy ireo teny sy andian-teny izay hitanao ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay mamaritra ny vokatry ny avonavona sy ny fampianarana diso?

2 Nefia 28:20–32

Mampitandrina amin’ny fomba entin’i Satana mamitaka antsika i Nefia

Zarao amin’ny mpianatra ity tantara manaraka ity:

Fony nampiandraiketina asa tany Afrika ny Filoha Boyd K. Packer dia nandeha nijery biby tany amin’ny valan-javaboary iray. Tsikariny fa nihotakotaka ireo biby teo amin’ny lava-drano marivo iray. Rehefa nanontany ilay mpanoro lalana ny antony tsy nisotroan’ireo biby rano izy dia noho ireo voay hoy ilay mpanoro lalana. Nitantara ny Filoha Packer hoe:

“Fantatro fa mety nivazivazy izy ary nanontany azy tamim-pahamatorana aho hoe: “Fa inona no olana?” Niverina indray ilay valiny hoe: ’voay.’ …

“Hitany aho fa tsy nino azy ary vonona izy araka ny eritreritro ny hampianatra lesona iray ahy. Nitondra fiara nankany amin’ny toerana iray izahay ka teo amin’ny morony ambonin’ny lavaka feno fotaka iray ny fiara ary afaka niondrika nijery izahay. ’Io,’ hoy izy. ’Aleo ianao mihitsy no mijery azy.’

“Tsy nahita na inona na inona aho afa-tsy fotaka dia rano kely ary biby nihotakotaka tery lavitra tery. Dia hitako tampoka ilay izy!—nisy voay ngeza be nipetraka tao anatin’ny fotaka ary niandry izay biby tsy miahiahy mba hangetaheta mafy ka handeha hisotro rano.

Filoha Boyd K. Packer

“Nino azy tampoka teo aho! Rehefa hitany aho fa vonona ny hihaino dia notohizany ny lesona. ’Feno voay manerana ity valan-javaboary ity hoy izy, ’fa tsy ao anatin’ny renirano ihany. Tsy misy rano ato aminay ka hoe tsy misy voay eo akaikikaikiny eo ary mila mino izany ianao.’ …

“Nandritra ny dia iray hafa tany Afrika dia niresaka mikasika izany zavatra niainako izany tamin’ny mpiandry valan-javaboary iray hafa aho. …

“Dia nasehony ahy ny toerana iray nisehoan’ny loza iray. Nisy tovolahy iray avy any Angletera niasa tao amin’ny hotely nandritra ny tonontaona iray. Na dia efa nampitandremana foana aza izy dia nivoaka ny fefy mba hijery zavatra tery am-pitan’ilay faritra marivo petsapetsan’ny rano izay tsy nandrakotra ny kirarony.

“’Tsy mbola tafiditra tao anatin’ilay rano akory izy,’ hoy ilay mpiambina, ’dia nosamborin’ny voay ary tsy afaka nanao na inona na inona izahay mba hamonjena azy’” (“Spiritual Crocodiles,” Ensign, Mey 1976, 30–31).

  • Inona no nahatonga an’io tovolahy io ho voasambotr’ilay voay? Inona no azony natao mba hisorohana izany loza izany? (Nankato ireo fampitandremana izay natao taminy.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity torohevitra manaraka avy amin’ny Filoha Packer ity:

“Ireo izay nialoha lalana anareo teo amin’ny fiainana dia efa nahafantatra kely mikasika ilay lavadrano ary nampitandrina mikasika ireo voay. Tsy hoe ireo voay lehibe miloko volombatolalaka ihany no afaka mandrapaka anao poa toy izay fa eo koa ireo voay ara-panahy, izay tena mampidi-doza kokoa, ary mamitaka sy zara raha hita kokoa noho ireo biby mandady tsara afina any Afrika aza.

“Afaka mamono na manimba ny fanahinao ireo voay ara-panahy ireo. Afaka mandrava ny filaminan-tsainao sy ny filaminan-tsain’ireo izay tia anao izy ireo. Ireo no zavatra ampitandremana antsika ary tena vitsy ny toerana eto amin’izao tontolo izao izay tsy ahitana ireo zavatra ireo” (“Spiritual Crocodiles,” 31).

  • Inona no mampitovy ireo voay tao anatin’ny tantaran’ny Filoha Packer amin’ireo fakam-panahy sy paikan’i Satana? Inona avy ireo fampitandremana omena antsika mba hanampiana antsika hisoroka ireo loza ara-panahy?

Vakio mafy ny 2 Nefia 28:19 ka asaina manaraka izany ny mpianatra. Dia soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Mikatsaka ny hisambotra antsika ho eo ambany fahefany i Satana amin’ny alalan’ny …

Hazavao fa rehefa nanohy ny faminaniany i Nefia dia nolazainy ireo paika izay hampiasain’i Satana hahazoana antsika amin’izao andro farany izao. Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Asao ny mpinamana roa tsirairay mba hamaky ny 2 Nefia 28:20–29, ka hitady ny fomba hamenoana ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe.

Afaka minitra vitsivitsy dia asao ireo mpiara-miasa mba hanao tatitra momba ny fomba namenoany ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe. Mandritra ny fifanakalozan-kevitra dia ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa i Satana dia mampiasa tetika maro mba handresena antsika amin’ny alalan’ny famporisihina antsika mba ho tezitra, amin’ny alalan’ny fampitoniana sy fandrotsirotsiana antsika ary amin’ny alalan’ny fandokafana antsika.

  • Inona avy ireo ohatra sasantsasany izay mampiseho an’i Satana miezaka ny “[h]amporisika [ny olona] ho tezitra amin’izay tsara”? Amin’ny fomba ahoana no hanakorontanan’ny hatezerana ny sain’ny olona mikasika ny tsara sy ny ratsy?

  • Nahoana no mampidi-doza ho an’ny olona ny hoe “mandry fehizay ao Ziona,” ka mieritreritra hoe tsy ilaina ny mivoatra? Nahoana araka ny eritreritrao no afaka nitarika ny olona toy izany “amim-pahamalinana hidina any amin’ny helo” i Satana?

  • Inona no dikan’ny hoe mandoka olona? (Midera olona tsy amin-kitsimpo sy manindrahindra.) Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mitarika ny olona sasany hanalavitra ny Tompo ny fandokafana?

  • Nahoana i Satana no miezaka mandresy lahatra ny olona fa tsy misy izy?

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany azontsika atao hiarovan-tena amin’ny fahatezerana? Inona no azontsika atao hiarovan-tena amin’ny fieritreretana hoe mandry fehizay ny zava-drehetra? Inona no azontsika atao hiarovan-tena amin’ny fandokafana?

Ho famaranana ny lesona dia ampahafantaro ny mpianatra fa ny ampahany farany ao amin’ny 2 Nefia 28 dia ahitana fampitandremana farany sy fanomezan-toky avy amin’ny Tompo. Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 28:30–32.

  • Manaja ny fahafahantsika misafidy ny Tompo ary ny ezaka ataontsika mba hianatra avy Aminy. Araka ny 2 Nefia 28:30, Izy dia mampianatra antsika “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, fitsipika anampy fitsipika.” Inona no dikan’izany aminao? Arak’io andinin-tsoratra masina io dia inona no mitranga amin’ireo izay milaza hoe “Manana ny ampy izahay”?

  • Ao amin’ny 2 Nefia 28:32, ny Tompo dia miresaka amin’ireo olona izay nandà Azy. Inona araka ny eritreritrao no tiany holazaina ao anatin’io andinin-tsoratra masina io rehefa nanambara izy hoe: “Ny tanako dia mitolotra mandritra ny manontolo andro”? (Ao anatin’io andinin-tsoratra masina io, ny Tompo dia miresaka momba ny famidram-pony sy ny fahavononany hanampy antsika isan’andro rehefa mikatsaka ny hanaraka ny sitrapony isika na dia efa nolavintsika aza izy taloha. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ho feno famindram-po amin’ny olona rehetra izay mibebaka sy manatona Azy ny Tompo.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Izaho dia … noho ny zavatra nianarako androany. Asao ny mpianatra mba hameno izany fehezanteny izany ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy amin’ny alalan’ny famaritana ny zavatra hataon’izy ireo vokatry ny fandalinany ny faminanian’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 28. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hizara amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra nosoratany. Ataovy anefa izay ahatakarany fa tsy tokony hahatsapa ho voatery hizara eritreritra na zavatra niainana izay natao ho an’ny tena manokana izy ireo.

Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mandresy ny fakam-panahy isika miaraka amin’ny fitarihan’ny Tompo sy ny heriny. Ary na rehefa manota aza isika dia ho feno famindram-po amintsika ny Tompo raha toa mibebaka amin-kitsimpo isika.

sary famantarana ny andinin-tsoratra masina fehezinaSoratra Masina Fehezina—2 Nefia 28:7–9

Hazavao fa indraindray tsotsorin’ny olona ny fahotana amin’ny alalan’ny filazany amin’ny tenany hoe, manao izany ny olona rehetra, na afaka mibebaka izy ireo any aoriana. Zarao ho vondrona kely vitsivitsy ny mpianatra. Asao ireo vondrona ireo hiaraka hamaky ny 2 Nefia 28:7–9 ka hitady teny sy andian-teny izay misy ifandraisany amin’ireo hevitra diso ireo. Asao ny mpianatra mba hiresaka mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny vondrona misy azy ireo (azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana):

  • Inona no loza ateraky ny fanaovana “fahotana” madinika?

  • Moa ve hanome rariny ny fanaovantsika fahotana madinika na fahotana atao mahalana Andriamanitra? (Angataho ny mpianatra mba hamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31 mba hahitana zava-baovao fanampiny.)

  • Ahoana no mety “hanararaotan’ny [olona iray] ny hafa noho ny teniny”? Amin’ny fomba ahoana no mety “[hamandrihantsika] longoa ho an’ny naman[tsika]”?

Asao ny vondrona tsirairay mba hamerina hanoratra ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny fiteny izay ampiasain’ny olona amin’izao fotoana izao mba handresen-dahatra ny tanora hanaraka ireo fotopampianarana diso ireo.

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra fotoana izay nihazonany ny tanjany ara-panahy na dia teo aza ireo hevitra diso any an-tsekoly na ao anatin’ny fampitam-baovao na avy amin’ny namana. Asao izy ireo mba hanoratra mikasika ireo zavatra niainana ireo ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na ny kahieny ao an-dakilasy. Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nosoratany.

Fanamarihana: Azonao ampiasaina io hevitra io mandritra ny lesona rehefa mampahafantatra ny soratra masina fehezina ianao na azonao ampiasaina izany any amin’ny faran’ny lesona.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 28:7–9. Ireo loza ateraky ny fanaovana fahotana

Namelabelatra ny sasany amin’ireo “fotopampianarana diso sy tsy ilaina” (2 Nefia 28:9) izay ambaran’i Satana ary mbola ampiasainy foana i Nefia. Ny andian-teny tsirairay hita ao amin’ny 2 Nefia 28:7–9 dia mampita hevitra mampidi-doza ara-panahy. Hitan’ireo mpaminanin’ny andro farany koa ireo lainga ireo ary nanakiana izany izy ireo.

“Mihinàna, misotroa, ary mifalia, fa ho faty isika rahampitso” (2 Nefia 28:7). Nampitandrina mikasika izany toetra izany ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ny fotokevitra ijoroan’ny fombafomban’ny fandanindaniam-poana dia ny hoe ‘mihinàna, misotroa ary mifalia, … dia hofaizin’ Andriamanitra amin’ny dian-kapoka vitsivitsy [isika].’ Fomba fijery tsy misy henatra sy marivo salosana mikasika an’ Andriamanitra sy ny tenantsika ary ny fiainana izany. Tsy manome rariny antsika velively eo amin’ny ‘fanaovana fahotana madinika’ Andriamanitra.’ (2 Ne. 28:8.) Andriamanitr’izao tontolo izao Izy fa tsy mpitsara ambany izay azonao hiadiana varotra!

“Mazava ho azy fa mamela heloka Andriamanitra! Saingy fantany ny fikasan’ny fontsika. Fantany koa ny zavatra tsara tokony ho nataontsika tao anatin’ilay fotoana tsy nahateo antsika nefa tsy nahazo fahazoan-dalana. Na izany na tsy izany, ny zavatra ataon’ny hafa dia tsy fialan-tsiny mihitsy ho an’ireo mpanara-dia izay takiana zavatra betsaka. (Jereo Almà 39:4.) Ankoatra izany, tsy misy faritra dinganina tsotra fotsiny ao amin’ilay lalana ety sy tery. (Jereo F&F 82:3.)” (“Answer Me,” Ensign, Nôv. 1988, 33).

“Andriamanitra … [dia hanome rariny] ny fanaovana fahotana madinika” (2 Nefia 28:8). Mazava ny nolazain’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana:

“Fa izaho Tompo dia tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra. Na izany aza anefa, izay mibebaka sy mankatò ny didin’ny Tompo dia havela heloka” (F&F 1:31–32).

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ny heviny mikasika ny maha hadalana ny fieritreretana fa olona tsara kokoa rehefa avy nanota satria nianatra avy amin’ilay zava-niseho isika:

“Lainga ratsin’ny fahavalo ilay hevitra hoe lasa tsara kokoa ny olona iray rehefa nanota sy nibebaka. Moa ve misy olona eto mieritreritra fa tsara kokoa ny tonga dia miaina mivantana ilay hoe hanapaka ny taolana ny fidonana amin-javatra sasantsasany na hoe ny fampifangaroana zavatra simika sasantsasany dia hipoaka ka handoro ny hoditra? Moa ve isika tsara kokoa rehefa avy nianjadian’izany dia avy eo sitrana tamin’izany ratra izany? Mino aho fa hitantsika rehetra hoe tsara kokoa ny manaraka ireo fampitandremana omen’ny olon-kendry izay mahafantatra ny vokany eo amin’ny vatantsika” (“Sin and Suffering,” [lahateny nandritra ny takariva amorom-patana tao Brigham Young University, 5 Aog. 1990], 6, speeches.byu.edu).

“Mandaingà kely” (2 Nefia 28:8). Nampitandrina antsika ny Filoha Gordon B. Hinckley mba hanohitra ilay fakam-panahy handainga kely:

“Nofaritan’i Nefia toy izany ny olona tamin’ny androny ary nofaritany toy izany koa ny olona maro amin’izao androntsika izao. Tena mora amintsika ny milaza hoe: ‘Mino isika fa tokony ho marina, ho mahatoky, ho madio fitondrantena, ho antra olona.’ (Fanek 1:13.) Saingy tena sarotra ho an’ny olona maro ny manohitra ilay fakam-panahy mba handainga kely, hanao hafetsifetsena kely, hangalatra kely, hijoro ho vavolombelona diso amin’ny alalan’ny fifosana ny olon-kafa. Mihoara an’izany. … Aoka ianao hatanjaka ao anatin’ny soatoavina tsotran’ny fahitsim-po aman-tsaina” (“Building Your Tabernacle,” Ensign, Nôv. 1992, 52).

“Hofaizin’ Andriamanitra amin’ny dian-kapoka vitsivitsy [isika] ary dia hovonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ihany amin’ny farany” (2 Nefia 28:8). Nanakiana izany lainga izany ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

“[Ny fitaka] voalohany dia ilay antsoin’ny sasany tsy ara-drariny hoe ‘fibebahana novolavolaina mialoha.’ Tsy misy fotopampianarana toy izany ao amin’ity Fiangonana ity. Mety mahasarika tampoka izany saingy raha ny marina dia hevitra mandoza sy diso izany. Ny tanjony dia ny handresen-dahatra antsika fa afaka minia mandika lalàna isika miaraka amin’ny fieritreretana mialoha fa ny fibebahana haingana avy eo dia hanome fahafahana antsika hahazo ireo fitahiana rehetra avy amin’ny filazantsara, toy ny fitahiana avy amin’ny tempoly na ny fanaovana asa fitoriana. Mety ho dingana lava sy henjana ny fibebahana marina. Hitan’i Nefia mialoha izany fotopampianarana diso izany:

“‘Ary hisy maro koa ireo izay hilaza hoe: Mihinàna, misotroa, ary mifalia; kanefa matahora an’ Andriamanitra —homeny rariny ny fanaovana fahotana madinidinika; … fa tsy misy faharatsiana amin’izany; dia ataovy avokoa ireo zavatra ireo fa ho faty isika rahampitso; ary raha toa aza ka meloka isika, dia hofaizin’ Andriamanitra amin’ny dian-kapoka vitsivitsy, ary dia hovonjena ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra ihany isika amin’ny farany’ [2 Nefia 28:8].

“… Ny fanekempihavanantsika rehetra dia tsy hoe tokony ho raisina amin’ny alalan’ny ôrdônansy fotsiny fa tsy maintsy fehezina amin’ny alalan’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana mba hahatonga izany ho mandrakizay. Izany fitomboka masina maneho fa ankatoavina izany dia tsy apetraka eo amin’ny ôrdônansintsika sy ny fanekempihavanantsika raha tsy amin’ny alalan’ny fahatokiantsika. Ilay hevi-diso izay antsoina hoe fibebahana novolavolaina mialoha dia ahitana ny singan’ny fitaka, saingy tsy azo fitahana ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana” (“The Enemy Within,” Ensign, Nôv. 2000, 46).

2 Nefia 28:21–22. “Hampitoniany ny sasany. … Tarihiny amin’ny fandokafana ny sasany”

Ny Eveka Richard C. Edgley, mpanolotsaina iray tao amin’ny Episkôpà Mpiahy, dia niresaka momba ireo loza ateraky ny fampitoniana sy ny fandokafana:

“Ny zavatra rehetra atao na tsara na ratsy dia misy vokany. Ny zavatra tsara rehetra atao dia mampivoatra ny fahafahantsika hanao ny tsara sy hahatohitra mafy kokoa ny fahotana na ny tsy fahombiazana. Ny fandikana lalàna na kely toy ny inona aza izany dia mahatonga antsika ho mora voasarik’i Satana rehefa alainy fanahy indray isika amin’ny manaraka. Alain’i Satana tsikelikely isika ka fitahany mikasika ny vokatra aterak’ilay heverina hoe fahotana madinika mandra-pahazoany antsika ao anatin’ny fandikana lalàna goavana. Izany tetika izany dia nofaritan’i Nefia ho toy ny fampitoniana sy fandrotsirotsiana ary fandokafana antsika ‘mandra-pisamboran’i [Satana] antsika amin’ny gadrany mahatsiravina izay tsy misy fanafahana’ (2 Ne. 28:22; jereo koa ny v. 21)” (“That Thy Confidence Wax Strong,” Ensign, nôv. 1994, 40).