Tahirim-pitaovana
Lesona 28: 2 Nefia 6–8


Lesona 28

2 Nefia 6–8

Fampidirana

Rehefa nirakitra ny asa fanompoana nataon’ny vahoakany i Nefia dia nampidiriny tao ny toriteny nandritra ny roa andro nataon’ny zandriny lahy Jakôba. Hita ao amin’ny 2 Nefia 6–10 ilay toriteny ary ity no iray amin’ireo lesona telo mikasika izany. Tany am-piantombohan’ilay toriteny dia namaky ireo faminanian’i Isaia mikasika ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely i Jakôba ka nampiseho fa “hanatanteraka ny fanekempihavanana izay efa nataony tamin’ny zanany ny Tompo Andriamanitra” (2 Nefia 6:12).

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 6

Nijoro ho vavolombelona ny Tompo fa hahatsiaro ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Tompo

Mba hanampiana ny mpianatra hahita fa misy ifandraisany amin’ny fiainany ny fampianaran’i Jakôba, dia angataho izy ireo mba hisaintsaina hoe inona no fihetsika hataon’izy ireo raha toa misy namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay naneho haratsian-toetra tamin’izy ireo, na nandà ny hino ny zavatra nolazain’izy ireo, na nampiseho tamin’ny alalan’ny zavatra nataony na ny toetrany fa tsy manan-danja amin’izy ireo intsony ilay fifandraisana.

Angataho ny mpianatra mba handinika ity fanontaniana manaraka ity:

  • Moa ve efa naneho tamin’ny Tompo fihetsika na toetra mitovy amin’izany ianao?

Hazavao fa hitantsika ao amin’ny 2 Nefia 6–8 ny fomba hamalian’ny Tompo an’ireo izay nanalavitra Azy. Ireo toko ireo dia ahitana ny firaketan’i Nefia ny ampahan’ny toriteny nataon’i Jakôba rahalahiny. Ny ambin’ny toritenin’i Jakôba dia voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 9–10. Ireo toko ireo dia horesahina ao anatin’ny lesona roa manaraka.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 6:3–4 sy 9:1, 3. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo antony nanaovan’i Jakôba an’io toriteny io.

Asao ny mpianatra iray mba hanao mpandika soratra. Angataho izy mba hanoratra eo amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe Tanjon’ny Toritenin’i Jakôba. Dia angataho ny mpianatra mba hizara ny zavatra hitany avy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina izay vao avy novakiana ireo. Asaivo manoratra ny valinteny omen’izy ireo eo ambanin’ilay lohateny ilay mpandika soratra. Ampio ny mpianatra hahita fa nampianaran’i Jakôba ny olony “hiadanan’ny fanahin’[izy ireo]” (2 Nefia 6:3). Te hanampy azy ireo mba “[h]ankalaza ny anaran’Andriamani[ny]” izy (2 Nefia 6:4), sy “[h]ahafantatra mikasika ny fanekempihavanan’ny Tompo” (2 Nefia 9:1), ary “[h]iravoravo sy hanatraka mandrakizay ny lohany” (2 Nefia 9:3). Ataovy izay hampidirana ireo tanjona ireo ao amin’ireo zavatra notanisain’ny mpianatra. Manolora hevitra hoe rehefa mandalina ny toritenin’i Jakôba ny mpianatra dia azon’izy ireo atao ny mitady fampianarana izay manampy amin’ny fanatanterahana ireo tanjona ireo.

Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tsipika maneho vanim-potoana ity. (Azonao atao ny mandika izany alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana.) Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny 2 Nefia 6:4. Hazavao fa i Jakôba dia nanomboka ny toriteniny tamin’ny alalan’ny filazana fa handeha hiresaka momba ireo toe-javatra niseho tamin’izany androny izany izy ary mbola hiseho any amin’ny hoavy (“zavatra izay misy sy izay mbola ho avy koa”).

Sary
Timeline

Tondroy ny tarehimarika 1 eo amin’ilay tsipika maneho vanim-potoana.

  • Ao amin’ny 2 Nefia 6:8, inona no nolazain’i Jakôba fa niseho tamin’ireo Jiosy tany Jerosalema satria nanalavitra ny Tompo izy ireo? (Novonoina ny sasany ary nentina ho babo ny sasany. Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa i Lehia sy i Jeremia ary ireo mpaminany hafa dia naminany fa hiseho ireo zavatra ireo. Tanteraka teo amin’ny 587 talohan’i J.K. ny faminanian’izy ireo rehefa notafihan’ny Babyloniana i Jerosalema ary nitondra Jiosy maro ho babo tany Babylona. Jereo ny hoe “Vanim-potoana” mikasika io daty io ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.)

Tondroy ny tarehimarika 2.

  • Araka ilay fehezanteny voalohany ao amin’ny 2 Nefia 6:9, inona no hitranga amin’ireo taranaky ny Jiosy izay nentina ho babo amin’ny farany? (Hiverina any Jerosalema izy ireo. Tanteraka io faminaniana io teo amin’ny 537 talohan’i J.K. rehefa navelan’ny Mpanjaka Kirosy hiverina tany an-tanindrazany ireo Jiosy.)

Tondroy ny tarehimarika 3 ary hazavao fa naminany i Jakôba hoe hiaina ny fiainany eto an-tany eo anivon’ireo Jiosy ny Mpamonjy.

  • Inona avy ireo andian-teny ao amin’ny 2 Nefia 6:9–10 izay mamaritra ny zavatra hataon’ny Jiosy sasany amin’ny Mpamonjy sy ho tsapany momba Azy mandritra ny asa fanompoany eto an-tany? (Mety ahitana ireto ny valiny: “hokaravasiny,” “hohomboany Izy” ary “nanamafy ny fony sy nampihenjana ny hatony” taminy.)

  • Araka ny 2 Nefia 6:10–11, inona no hitranga amin’ny Jiosy izay handà ny Mesia? (Hampijaliana ao amin’ny nofo sy haely patrana izy ireo ary hokapohina sy hankahalaina.)

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 6:6–7, 11–12, 14, 17. Azonao atao ny manazava fa i Jakôba ao amin’ny andininy 6–7 dia mamaky faminaniana iray nataon’i Isaia mikasika ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely. Angataho ny mpianatra mba hikaroka andian-teny izay mamaritra ny zavatra hataon’ny Tompo amin’ny mpianakavin’i Isiraely, ilay vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo, na dia handà Azy aza izy ireo. Angataho ny mpianatra mba hizara ireo andian-teny hitany. Ampio izy ireo hahatakatra ny dikan’ny sasantsasany amin’ireo fanontaniana ireo amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana hoe:

  • Inona no dikan’ny hoe “miandry” ny Tompo ao amin’ny 2 Nefia 6:7 araka ny eritreritrao?

  • Nampanantena i Jakôba fa “ho feno famindram-po amin’i [Isiraely] ny Tompo” (2 Nefia 6:11). Ahoana no ilazana fa entina hanambarana ny famindram-pon’ny Tompo ny sasany amin’ireo andian-teny izay hitanao?

  • Nampanantena koa i Jakôba fa “homba” an’i Isiraely ny Tompo (2 Nefia 6:14). Midika inona amin’ny Mpamonjy araka ny eritreritrao ny hoe ombainy ny olona iray?

  • Araka ny 2 Nefia 6:11–12, 14, inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny famindram-pon’ny Tompo?

Rehefa mizara ny zava-baovao hitany ny mpianatra dia ataovy izay hahatakarany fa feno famindram-po amin’ireo izay miverina any Aminy ny Tompo.

Hazavao fa ao amin’ny 2 Nefia 6 dia lazain’i Jakôba ny fanehoan’ny Tompo famindram-po an’ilay vahoakan’ny fanekempihavanany na dia efa naneho haratsian-toetra aza izy ireo. Omeo toky ny mpianatra fa raha naneho famindram-po tamin’ireo olona ny Tompo dia azo antoka fa haneho famindram-po amintsika tsirairay koa Izy rehefa manatona Azy isika ary mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika taminy. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireo fomba nanehoan’ny Tompo famindram-po tamin’izy ireo. Angataho izy ireo mba hanoratra ity fehezanteny manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy: Fantatro fa be famindram-po ny Tompo satria. … Dia asao izy ireo mba hanoratra ny eritreriny sy ny zavatra tsapany mba hamenoana izany fanambarana izany. Rehefa nanana fotoana ampy tsara nanoratana izy ireo dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nosoratany.

2 Nefia 7–8

Nozarain’i Jakôba ny faminanian’i Isaia mikasika ny fahafahan’ny Tompo manavotra ny vahoakan’ny fanekempihavanany

Hazavao fa mamaky faminaniana iray avy amin’ny rakitsoratr’i Isaia i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 7 sy 8. Ny toko 7 dia ahitana ny teny nolazain’ny Tompo tamin’ireo olona tao amin’ny mpianakavin’i Isiraely izay niparitaka sy nobaboina vokatry ny fahotany. Angataho ny mpianatra iray mba hamaky ny 2 Nefia 7:1. Azonao atao ny manasa ny mpianatra mba hanisy marika an’ireo fanontaniana izay napetraky ny Tompo.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo fanontaniana ao amin’ny andininy 1 dia hazavao fa ireo andian-teny hoe “nandroaka anao,” “ny taratasim-pisaraham-panambadian-dreninao,” ary “nivarotako anao” dia entina ilazana ilay hevitra hoe nandika na nanapaka ny fanekempihavanana. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa azo ambara amin’ny teny hafa toy izao manaraka izao ireo fanontanian’ny Tompo ireo: “Moa ve Aho efa nanalavitra anareo? Efa nanadino ny fanekempihavanana nataoko taminareo ve aho?

  • Inona no valin’ireo fanontaniana ireo? (Tsia ny valiny. Tsy hanalavitra antsika velively izany ny Tompo na hanadino ny fanekempihavanana nataony.)

  • Araka ny fehezanteny farany ao amin’ny 2 Nefia 7:1, nahoana ireo olona ireo no tafasaraka tamin’ny Tompo ary nijaly tao anatin’ny fahababoana? (Satria nanota izy ireo ary nanalavitra ny Tompo.)

Hazavao fa nametraka fanontaniana iray hafa ny Tompo ao amin’ny 2 Nefia 7:2, izay afaka manampy antsika hahita fa te hanampy antsika Izy ary manana ny hery hanaovana izany. Asao ny mpianatra mba hitady sy hanipika ilay fanontaniana. (“Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy afaka manavotra sa tsy manana hery aho ho enti-manafaka?”)

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fanontaniana io dia anontanio azy ireo ny fomba mety hametrahan’izy ireo io fanontaniana io amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana. (Raha toa izy ireo ka manana fahasahiranana eo amin’ny fahatakarana ilay filazana hoe “moa fohy tokoa va ny tanako,” dia asao ny mpianatra iray mba haninjitra ny tanany iray eny amin’ny mpianatra iray hafa toy ireny hoe manolotra fanampiana ireny. Dia angataho ny mpianatra iray avy eo mba “hanafohy” ny tanany, entina hanehoana ilay hevitra hoe manaisotra ilay fanampiana na mihazona izany.) Azon’ny mpianatra averina apetraka io fanontaniana io amin’ny filazana zavatra toy izao: “Moa ve aho mihemotra na tsy manolo-tanana amin’ny fanavotana anareo?” Moa ve mino ianareo fa manana hery hamonjena anareo aho?”

Lazao ny mpianatra fa mba hamaliana izany fanontaniana izany dia ahitana ohatra maro izay mampiseho ny fanirian’ny Mpamonjy hanavotra ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny ambin’ny 2 Nefia 7 sy ny 8 ary ohatra mampiseho fa manana ny hery hanaovana izany izy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahita porofo fa maniry ny hanavotra ny vahoakan’ny fanekempihavanany ny Mpamonjy ary manana ny hery hanaovana izany, dia zarao eo anivon’ireo vondron’ny mpianatra ireto andinin-tsoratra masina enina manaraka ireto izay avy ao amin’ny 2 Nefia 8: andininy 1–3, 4–6, 7–8, 10–11, 12–13, ary 14–16. (Raha toa ianao ka manana mpianatra 12 na mihoatra ao amin’ny kilasinao dia omeo an’ireo mpianatra mandeha tsiroaroa na ireo vondrona kely hafa ireo andinin-tsoratra masina ireo. Raha latsaky ny 12 ny mpianatrao dia omeo andinin-tsoratra masina mihoatra ny iray ny vondrona sasantsasany.) Angataho ny vondrona tsirairay mba hitady andian-teny iray ao anatin’ilay andinin-tsoratra masina na ireo andinin-tsoratra masina nomena azy ireo izay mampiseho ny fanirian’ny Tompo hanavotra antsika sy ny fananany hery hanaovana izany. Rehefa ampy tsara ny fotoana nanaovana izany dia asao ny vondrona tsirairay mba hamaky amin’ny mpianatra rehetra ilay andian-teny nofidian’izy ireo. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra nianarany avy tamin’ilay andinin-tsoratra masina. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanisy marika ireo andian-teny izay nozarain’ny namany.

Mba hamaranana izany dia jereo ilay lisitry ny tanjon’i Jakôba nosoratana teny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra mba hieritreritra ireo fanekempihavanana izay nataony tamin’ny Tompo sy ireo fitahiana izay nampanantenainy azy ireo raha toa ka mitandrina ireo fanekempihavanana ireo izy ireo. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fahatokian’ny Tompo eo anatrehantsika sy ny fanekempihavanana nataony tamintsika ary mijoroa ho vavolombelona mikasika ilay famindram-po sy fanavotana izay ho azontsika rehefa mahatoky amin’ny fanekempihavanana nataontsika Taminy isika.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 6:2. Inona no fisoronana nohazonin’i Lehia sy i Nefia ary i Jakôba?

Nolazain’i Jakôba fa “nantsoin’ Andriamanitra [izy] sy natokana araka ny fomban’ny laminy masina” ary efa “nohamasinin’i Nefia rahalahi[ny]” (2 Nefia 6:2). Ny Fisoranana Melkizedeka no tiany holazaina tamin’ilay hoe “lamina masina.” Nanoratra ny Filoha Joseph Fielding Smith fa “ny Nefita dia nanao asa fanompoana tamin’ny alalan’ny Fisoronana Melkizedeka nanomboka tamin’ny andron’i Lehia ka hatrany amin’ny fotoana nisehoan’ny Mpamonjy antsika teo anivon’izy ireo” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 1:124).

2 Nefia 8. Ny fanangonana amin’ny andro farany

Ilay faminanian’i Isaia izay ambara ao amin’ny 2 Nefia 8 dia miresaka momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra mikasika ny toetra ara-panahin’io fanangonana io:

“Inona izany no tafiditra ao anatin’ny fanangonana an’i Isiraely? Ny fanangonana an’i Isiraely dia mifototra amin’ny finoana sy fanekena ary ny fiainana mifanaraka amin’ny zavatra rehetra izay ny fotoana iray nomen’ny Tompo an’ilay vahoaka nofidiny fahiny. Izany dia mifototra amin’ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny fanaovana batisa ary ny fandraisana ny fanomezan’ny Fanahy Masina ary ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra. Izany dia mifototra amin’ny finoana ny filazantsara, ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana ary ny fidirana ao amin’ny fanjakana. Izany dia mifototra amin’ny fandraisana ny fisoronana masina, ny fandraisana ny fanafiana masina any amin’ireo toerana masina miaraka amin’ny hery avy any ambony ary ny fandraisana ireo fitahiana rehetra avy amin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakôba amin’ny alalan’ny ôdônansin’ny fanambadiana selestialy” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 515).

Hamoaka printy