Tahirim-pitaovana
Lesona 29: 2 Nefia 9:1–26


Lesona 29

2 Nefia 9:1–26

Fampidirana

Tao anatin’ny toriteny iray nataony tamin’ny Nefita dia nanomboka nanambara ny sasany tamin’ireo fanambaran’i Isaia mikasika ny fanavotana ny vahoakan’ny fanekempihavanany i Jakôba. Io ampahan’ny toritenin’i Jakôba io dia hita ao amin’ny 2 Nefia 6–8 (jereo ny lesona 28 ao amin’ity boky ity). Ny tohin’io toriteny nandritra ny roa andro io dia hita ao amin’ny 2 Nefia 9–10. Rehefa avy nindrana ny tenin’i Isaia i Jakôba dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona manokana momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy—sy momba ny herin’ny Mpamonjy hanavotana antsika avy amin’ny vokatry ny Fahalavoana sy ny fahotantsika. Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ny 2 Nefia 9 dia ahitana “iray amin’ireo lahateny tena manita-tsaina hatramin’izay mikasika ny sorompanavotana.” Hoy izy hoe: “Tokony hovakian’ny olona rehetra izay mikatsaka famonjena tsara izany” (Answers to Gospel Questions, comp. Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 4:57).

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 9:1–9

Manazava ny vokatry ny Fahalavoana i Jakôba

Soraty eo afovoan’ny solaitrabe ny hoe biby mahatsiravina alohan’ny fiatombohan’ny fotoam-pianarana.

Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny 2 Nefia 9 dia ahitana ny tohin’ny toriteny izay natomboky ny mpianatra nohalalinina tany amin’ny lesona teo aloha. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ao anatin’ny ampahany voalohan’ilay toriteny hita ao amin’ny 2 Nefia 6–8, dia nindrana ny tenin’i Isaia i Jakôba mba hampianarana momba ny famindram-pon’ny Mpamonjy sy ny hery ananany hanavotana ny vahoakan’ny fanekempihavanany amin’ny fahaverezany sy ny fiparitahany. Rehefa nanohy ny toriteniny i Jakôba dia nampianatra ny fomba hanavotan’ny Mpamonjy antsika ao anatin’ilay toetry ny fahalavoantsika sy ny amin’ny maha mpanota antsika.

Sariho ho eny amin’ilay andian-teny voasoratra eny amin’ny solaitrabe ny sain’ny mpianatra.

  • Inona no tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra hoe biby mahatsiravina ianao?

Mba hamaliana io fanontaniana io dia mety hilaza biby alainy sary an’eritreritra ny mpianatra. Raha manao izany izy ireo dia hazavao fa ny zavatra tena azo tsapain-tanana dia mampitahotra kokoa noho ny biby alaina sary an’eritreritra satria afaka ny hampisy fahavoazana maharitra izy ireo. Ampahafantaro ny mpianatra fa nampiasain’i Jakôba ny andian-teny hoe “biby mahatsiravina” mba hamaritana ny toe-javatra iray izay atrehantsika sy ilay fahavoazana mandrakizay izay mety ho azo avy amin’izany. Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 9:10, ka hitady ireo zavatra roa ao amin’ilay biby izay nofaritan’i Jakôba. Rehefa mizara ny zavatra hitany ny mpianatra dia apetraho eny amin’ny solaitrabe toy ny aseho eto ambany ny valiny:

Sary
Awful Monster

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny nampiasan’i Jakôba ny teny hoe fahafatesana sy helo, dia hazavao fa samy maneho karazam-pisarahana ireo teny roa ireo. Rehefa nampiasa ny teny hoe fahafatesana i Jakôba tao anatin’ity toriteny ity dia ny “fahafatesan’ny vatana” no tiany holazaina izay ny fisarahan’ny vatana amin’ny fanahy. Rehefa nampiasa ny teny hoe helo izy dia “ny fahafatesan’ny fanahy” no tiany holazaina izay ny fisarahan’ny olona amin’Andriamanitra tsy ho eo anatrehany. Lazaina hoe “fahafatesana ara-panahy” io fisarahana io matetika ao amin’ny soratra masina.

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 9:6. Angataho izy ireo hamaky ny vokatry ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy.

  • Inona no zava-niseho nentin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy teo amintsika rehetra? (Azonao atao ny manazava fa vokatry ny Fahalavoana dia tsy manana fahafahana ny ho eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra ary ho faty ny olona rehetra amin’ny farany.)

Hazavao fa mampianatra antsika ny zavatra hitranga amintsika i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:7–9 raha toa ka tsy nisy ny Sorompanavotana ary dia ho nitoetra mandrakizay ny vokatry ny Fahalavoana. Mba hanomanana ny mpianatra handalina ireo andininy ireo dia azonao atao ny mamaritra teny vitsivitsy ao amin’ny andininy 7: Rehefa nilaza hoe “ny famaizana voalohany izay nihatra tamin’ny olona” i Jakôba, dia ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva no tiany holazaina. Raha nilaza hoe “fahalovana” izy dia ny vatantsika izay ho faty no tiany holazaina. Rehefa nilaza hoe “tsy fahalovana” izy dia ny vatantsika nitsangana tamin’ny maty izay hiaina mandrakizay no tiany holazaina.

Angataho ny mpianatra mba hamaky mafy ny 2 Nefia 9:7–9. Asao ny mpianatra mba hitady andian-teny izay mamaritra ny hitranga amin’ny vatantsika ary ny fanahintsika raha toa ka mitoetra mandrakizay ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy.

  • Raha toa tsy nisy ny Sorompanavotana dia inona no ho nitranga tamin’ny vatantsika?

  • Raha toa ka tsy nisy ny Sorompanavotana dia inona no ho nitranga tamin’ny fanahintsika?

Mba hanamafisana ny mety ho niafarantsika raha toa ka tsy nisy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kritsy, dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Raha toa ka toe-javatra maharitra ny fisarahantsika amin’Andriamanitra sy ny fahafahatesan’ny vatana dia tsy hisy dikany ny fahafahana misafidy. Eny, afaka manao safidy isika, saingy inona no ilana izany? Tsy maintsy hitovy foana ny vokany any amin’ny farany na inona na inona zavatra ataontsika: fahafatesana tsy misy fanantenana hitsangana amin’ny maty ary tsy misy fanantenana hahazo ny lanitra. Na ny ho tsara na ny ho ratsy ny safidy mety nataontsika dia hiafara ho ’anjelin’ny devoly’ daholo isika. [2 Nefia 9:9.]” (“Moral Agency,” Ensign, Jona 2009, 50).

2 Nefia 9:10–26

Mampianatra i Jakôba fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana dia manavotra antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana sy manolotra famelana ny otantsika ny Mpamonjy.

Angataho ny mpianatra mba hamerina hamaky ny 2 Nefia 9:10.

  • Arak’io andininy io dia inona no nomanin’Andriamanitra ho antsika?

Hamafiso fa ny votoatin’ny hafatr’i Jakôba ao anatin’io toriteny io dia ny hoe nanomana “lalana mba hialantsika amin’ny fihazonan’ny … fahafatesana sy ny helo” Andriamanitra. Azo antoka io fialana—amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy nentin’ny Fahalavoana io—noho ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Zarao ho vondrona roa ireo ankizy ao am-pianarana. Asao ny vondrona voalohany mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 9:5, 19–21 ka hitady famaritana ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho antsika. Asao ilay vondrona faharoa mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 9:11–12, 15, 22 ka hitady ireo andian-teny mikasika ny famonjen’i Jesoa Kristy antsika amin’ny fahafatesan’ny vatana. (Mety hanampy ny fanoratana an’ireo soratra masina ireo eny amin’ny solaitrabe.)

Rehefa nanana fotoana ampy namakiana ny mpianatra dia apetraho amin’ny vondrona voalohany ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Vonona hizaka inona ny Mpamonjy mba hahafahany mamonjy antsika amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy? Inona avy ireo famaritana hitanao izay manan-danja ho anao?

  • Nanamafy i Jakôba fa nizaka ny fanaintainan’ny olona rehetra i Jesoa Kristy. Midika inona ho anao izany? Inona no fiantraikan’izany fahalalana izany eo amin’ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy? (Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny halehiben’ny sorona nataon’ny Mpamonjy, dia azonao atao ny mampijanona kely ny fifanakalozan-kevitra ary hamafisinao fa nizaka ny fanaintainan’ny olona rehetra izay efa niaina sy mbola hiaina eto an-tany ny Mpamonjy. Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny toetoetra manokan’ilay sorona nataon’ny Mpamonjy dia asao izy ireo mba hanoratra ny anarany eny amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny 2 Nefia 9:21, ho fampahatsiahivana fa nizaka ny fanaintainan’izy ireo ny Mpamonjy.)

Apetraho amin’ilay vondrona faharoa ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no andian-teny hitanareo mikasika an’i Jesoa Kristy mamonjy antsika amin’ny fahafatesan’ny vatana?

  • Araka ny 2 Nefia 9:22, iza no hitsangana amin’ny maty ary hoentina hiverina eo anatrehan’Andriamanitra?

Ivereno ilay andian-teny hoe “biby mahatsiravina” eo amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra mba hilaza amin’ny alalan’ny teniny manokana ny zavatra nampianarin’i Jakôba mikasika ny fomba ahafahantsika ho voavonjy amin’ilay “biby.” Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa manavotra ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy izay nentin’ny Fahalavoana i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Asao ny mpianatra iray mba hanoratra izany fahamarinana izany eo amin’ny solaitrabe.

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ankoatra ny famonjena ny olona rehetra amin’ny fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy nateraky ny Fahalavoana, dia afaka manavotra antsika amin’ny fahafatesana ara-panahy nateraky ny fahotantsika manokana i Jesoa Kristy.

Hazavao fa nofaritan’i Jakôba ny toe-javatra hiseho amin’ny olona izay hijoro eo anoloan’Andriamanitra ao anatin’ny fahotany. Asao ny mpianatra mba hitady ireo famaritana ireo mandritra ny famakian’ny mpianatra iray mafy ny 2 Nefia 9:15–16, 27.

  • Ahoana no namaritan’i Jakôba ny toe-javatra hiseho amin’ny olona izay hijoro eo anoloan’Andriamanitra ao anatin’ny fahotany.

Hazavao fa nofaritan’i Jakôba koa ny toe-javatra hiseho amin’ny olona izay hijoro eo anoloan’Andriamanitra ao anatin’ny fahadiovana. Asao ny mpianatra mba hitady ireo famaritana ireo mandritra ny famakian’ny mpianatra iray mafy ny 2 Nefia 9:14, 18.

  • Ahoana no namaritan’i Jakôba ny toe-javatra hiseho amin’ny olona izay hijoro eo anoloan’Andriamanitra ao anatin’ny fahadiovana?

Hazavao fa raha toa ka fanomezana ho an’ny olona rehetra ny fanavotana avy amin’ny Fahalavoana, dia miankina amin’ny ampahany amin’ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika kosa ny fanavotana antsika amin’ireo vokatra nateraky ny fahotantsika. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity zavatra manaraka ity: Afaka mandresy ny vokatra nateraky ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy …

Asao ny mpianatra hamaky mafy ny 2 Nefia 9:21, 23–24. Angataho ny mpianatra hitady andian-teny mba hamenoana ilay fehezanteny eo amin’ny solaitrabe.

  • Araka ireo andininy ireo dia ahoana no fomba hamenoanao io fehezanteny io? (Tokony ho hita taratra ao amin’ny valintenin’ireo mpianatra ity fehezanteny efa feno manaraka ity: Afaka mandresy ny vokatra nateraky ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy rehefa manam-pinoana an’i Jesoa Kristy, mibebaka, atao batisa ary maharitra hatramin’ny farany. Rehefa mizara ny valinteniny izy ireo dia fenoy ilay fanambarana eny amin’ny solaitrabe.)

Farano amin’ny alalan’ny fifidianana iray amin’ireto asa atao manaraka ireto ity lesona ity. Ireo asa atao roa ireo dia natao mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina hoe midika inona ho azy ireo ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary mba hizara ny zavatra tsapany momba Azy.

  1. Angataho ny mpianatra mba hamaky haingana ny 2 Nefia 9:1–22 ary hitady ireo andininy rehetra izay manomboka amin’ny teny hoe Ô. Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ireo fehezanteny voalohany ao amin’ireo andininy ireo.

    Asao ny mpianatra mba hanoratra fanambarana mitovitovy amin’izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy, ka faritan’izy ireo ao anatin’izany ny fahatsapan’izy ireo fankasitrahana manokana ny Mpamonjy sy ny sorompanavotana nataony ho azy ireo. Angataho izy ireo mba hanaraka ilay lamin’i Jakôba ka hanomboka ny fanambarana tsirairay amin’ny alalan’ilay teny hoe Ô ary hamarana izany amin’ny alalan’ny tsoraka. Mangataha mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fanambarana nataony raha mety izany. Ataovy izay hahatakarany fa tsy mila mahatsapa ho voatery hizara fahatsapana na zavatra niainana izay tena an’ny tena manokana loatra izy ireo.

  2. Ampihirao ny mpianatra rehetra na ampamakio azy ireo ny tonon’ny “Endrey mahagaga ahy” (Fihirana sy Hiran’ny Ankizy, lah. 44) na hira hafa momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra mba hisafidy andalana avy ao amin’ilay hira izay maneho ny zavatra tsapany momba ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany. Avelao izy ireo hilaza amin’ny mpianatra ireo andalana nofidiany ary hanazava ny antony itiavany ireo andalana ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 9:7. Inona ilay hoe “sorompanavotana tsisy fetra”?

Ao anatin’ireto fanambarana ireto dia hazavain’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny toetra mandrakizain’ny Sorompanavotana sy ny fananan’ny Mpamonjy hery manokana hanatanterahana ny Sorompanavotana:

“Tsy misy fetra—tsy manam-piafarana ny Sorompanavotany. [Jereo ny 2 Nefia 9:7; 25:16; Almà 34:10, 12, 14.] Tsisy fetra koa izany mba hahafahan’ny olona rehetra ho voavonjy amin’ilay fahafatesana tsy manam-piafarana. Tsisy fetra izany araka ny voambolana noho ilay fijaliany lehibe. Tsisy fetra izany eo amin’ny lafin’ny fotoana satria namarana ilay fomba arahana hanaovana sorona biby taloha. Tsisy fetra izany raha eo amin’ny halehibeny—notanterahana indray mandeha ho an’ny rehetra izany. [Jereo ny Hebreo 10:10.] Ary tsy hoe manenika olona maro tsy tambo isaina fotsiny ny famindram-pon’ny Sorompanavotana fa manenika koa ireo tontolo tsy tambo isaina izay nohariany. [Jereo ny F&F 76:24; Mosesy 1:33.] Izany dia tsisy fetra ary mihoatra izay mety ho mari-drefin’ny olombelona na ny fahatakaran’ny olombelona.

“I Jesoa Kristy no hany afaka nanolotra sorompanavotana tsy misy fetra toy izany satria nateraky ny reny mety maty sy ny Ray tsy mety maty Izy. Noho izany lova tsy manan-tsahala izany dia Olona tsy misy fetra i Jesoa” (“The Atonement,” Ensign, Nôv. 1996, 35).

“Araka ny lalàna mandrakizay dia mitaky ny fanaovana sorona ny tena manokana ataon’ny olona iray tsy mety maty tsy iharam-pahafatesana izany sorompanavotana izany. Tsy maintsy maty Izy ary mamerina indray ny vatany. Ny Mpamonjy irery ihany no afaka nanatanteraka izany. Nandova ny hery mba ho faty avy amin’ny reniny Izy. Nahazo hery handresena ny fahafatesana avy amin’ny Rainy Izy” (“Constancy amid Change,” Ensign, Nôv. 1993, 34).

2 Nefia 9:7. Inona no mety ho fiantraikan’ny Fahalavoana raha tsy nisy Sorompanavotana?

Nanazava ny hoavintsika tsy nisy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny Loholona D. Todd Christofferson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Hamotika antsika sy tsy hampisy dikany ny fahafahantsika misafidy ny fahafatesana, ary na ny mikasika ny fanavotan’i Kristy aza, dia hamela antsika ho very mandrakizay ny fahotantsika sy ny safidy ratsy ataontsika raha tsy misy ny famindram-pony. Tsy misy fomba hafa ahafahantsika manala tanteraka ireo hadisoantsika, ary rehefa tsy madio dia tsy afaka ny hiaina indray eo anatrehan’[Andriamanitra] isika.

“… Mila Mpamonjy isika, Mpanalalana iray izay afaka mandresy ny vokatry ny fahotantsika sy ny hadisoantsika mba tsy ho hoe tsy azo ihodivirana intsony ireo. Noho ny Sorompanavotan’i Kristy no ahafahantsika miala amin’ireo safidy ratsy ary ho afa-diso eo ambanin’ny lalàna, toy ireny hoe tsy nanota ireny isika” (“Moral Agency,” Ensign, Jona 2009, 50).

2 Nefia 9:10. “Ô endrey ny halehiben’ny hatsarampon’ny Andriamanitsika”

Naneho ny fankasitrahany ny anjara asan’ny Mpamonjy teo amin’ny fanatanterahana ny Sorompanavotana ny Filoha Gordon B. Hinckley:

“Isaorana Andriamanitra noho ilay drafiny mandrakizay izay mahatalanjona sy lehibe. Isaory sy omeo voninahitra ilay Zanakalahy Malalany izay tao anatin’ny fijaliana tsy hay lazaina no nanolorany ny ainy teo amin’ny hazofijalian’i Kalvary mba hanonerana ny trosan’ny fahotan’ny olombelona. Izy ilay namaha ny fatotry ny fahafatesana tamin’ny alalan’ny sorompanavotany ary nitsangana avy tao am-pasana tamim-pandresena niaraka tamin’ny hery masina. Mpamonjy antsika Izy, ilay Mpamonjy ny olona rehetra. Izy no Mpamonjy an’izao tontolo izao. Zanak’ Andriamanitra Izy, ilay Mpanatanteraka ny famonjena antsika” (“The Victory over Death,” Ensign, Mey 1985, 51).

2 Nefia 9:22. “Ka hahazoan’ny rehetra mijoro eo anoloany”

Miala eo anatrehan’ Andriamanitra ny olona rehetra vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia hiverina eo anoloan’ Andriamanitra ny olona rehetra mba hotsaraina. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa mikasika io lohahevitra io dia jereo ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: 2 Nefia 2:9–10; 9:15, 22, 38; Almà 11:43–44; 12:12–15, 24; 42:23; Helamàna 14:15–17; 3 Nefia 26:4; Môrmôna 9:12–13.

Hamoaka printy