Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano Fizarana 7


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

2 Nefia 11–25 (Fizarana 7)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Tsy natao ho ampianarina ao anatin’ny lesonao ity famintinana manaraka ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ny mpianatra ity rehefa nandalina ny 2 Nefia 11–25 (fizarana 7) izy ireo. Ny lesona ampianarinao dia mifantoka amin’ny sasantsasany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo fotsiny ihany. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ireo zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (2 Nefia 11–16)

Notantarain’i Isaia ny fiavonavonan’i Isiraely sy ny faharatsiany ary ireo fitsarana izay niandry azy ireo. Naminany koa momba ny tempoly iray izy izay hatsangana amin’ny andro farany ary nampianatra fa manorina tempoly Andriamanitra mba hampianarana antsika ny fombany sy hanampiana antsika handeha amin’ny lalany. Nahita ny Tompo i Isaia ary voadio ny fahotany. Ny mpianatra dia nianatra avy amin’ny zavatra niainan’i Isaia fa afaka ny ho voadio amin’ny tsy fahamendrehantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Andro 2 (2 Nefia 17–20)

Notezeran’i Isaia ny fanjakan’i Joda noho ny tsy fahaizan’izy ireo nametraka ny fitokiany tamin’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy. Nianatra ny mpianatra fa hiaraka amintsika Andriamanitra rehefa mametraka fitokiana Aminy isika na dia mandritra ny fotoam-pahasahiranana sy isian’ny tahotra aza. Notantarain’i Isaia ny famongorana ny olon-dratsy amin’ny Fiaviana Fanindroany ary nampianariny fa Andriamanitry ny fahaiza-mandanjalanja sy ny fahasoavana i Jesoa Kristy, ary ny fahasoavany dia atolotra ireo izay mibebaka sy mitandrina ny didiny.

Andro 3 (2 Nefia 21–24)

Ny mpianatra ao anatin’ity lesona ity dia nianatra fa hitsara amim-pahamarinana i Jesoa Kristy ary hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonany ny Tompo amin’ny farany amin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith mba hanangonana ny vahoakany amin’ny andro farany. Nifaly tamin’ny faminanian’i Isaia koa i Nefia mikasika ny hoe hanenika ny tany ny fiadanana sy ny fahalalana ny Tompo mandritra ny Arivotaona. Namporisihina ny mpianatra mba hieritreritra mikasika izany fahamarinana izany sy ny fomba hahafahan’izy ireo hiomana bebe kokoa amin’izany fotoana izany.

Andro 4 (2 Nefia 25)

Rehefa namintina ireo hafatra lehibe tao amin’ny zavatra nosoratan’i Isaia i Nefia dia namerina ireo fahamarinana tsotra mikasika ny asan’Andriamanitra eo anivon’ny zanak’olombelona izy: Tsy misy anarana hafa ankoatra ny an’i Jesoa Kristy eto ambanin’ny lanitra “hahafahana mamonjy ny olona” (2 Nefia 25:20), ary i Jesoa Kristy ihany no hany loharano azontsika itodihana mba hahazoana ny famelana ny fahotantsika. Tian’i Nefia ny olona rehetra mba hahafantatra fa rehefa manao “ny zavatra rehetra azontsika atao,” isika dia homen’i Jesoa Kristy fahasoavana izay —fanampiana sy hery masina (jereo ny 2 Nefia 25:23).

Fampidirana

Tamin’ity herinandro ity ny mpianatra dia nandalina ireo toko nofantenina avy ao amin’i Isaia izay nampidirin’i Nefia tao amin’ny zavatra nosoratany. Toy izao no nolazain’ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ireo tokon’i Isaia ireo: “Aza mitsahatra mamaky! Mirosoa ao anatin’ireo toko sarotra takarina avy ao amin’ny Testamenta Taloha ireo na dia kely fotsiny aza no takatra. Tohizo izany na dia mamaky haingana na mitsimpontsimpona etsy sy eroa fotsiny aza no ataonao” (“The Things of My Soul,” Ensign, Mey 1986, 61).

Rehefa mihaona amin’ny mpianatra ianao amin’ity herinandro ity dia amporisiho izy ireo mba hanana faharetana rehefa mandalina ny tenin’i Isaia. Azonao atao koa ny manasa azy ireo hizara ny fomba nanampian’ny zavatra nosoratan’i Isaia azy ireo mba “hanandratra ny fony ka hifaly” amin’ny hatsaran’Andriamanitra (2 Nefia 11:8).

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 11–25

Nambaran’i Nefia ny sasany tamin’ireo faminanian’i Isaia momba an’i Jesoa Kristy

Mampisehoa loupe iray (fitaratra manalehibe) na manaova sarin’izany eny amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 25:13. Angataho ny mpianatra mba hitady ny zavatra “nomen’i Nefia toerana lehibe.” Hazavao fa ny antony niraketan’i Nefia ny tenin’i Isaia hita ao amin’ny 2 Nefia 11–25 dia ny hanomezana toerana lehibe ny anaran’i Jesoa Kristy, ny asa fanompoany ary ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainan’ireo izay hamaky ny tenin’i Nefia.

Asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ny 2 Nefia 11:4–8. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo andian-teny izay mampiseho ny tanjon’i Nefia tamin’ny nampiasany ny tenin’i Isaia.

Nangatahana ny mpianatra nandritra ny fandalinany any an-trano mba hanisy marika ny anarana hoe “Kristy” isaky ny niseho tao amin’ny 2 Nefia 25:20–30 izany. Asao izy ireo mba hamaky ny 2 Nefia 25:28–29 ary hitady andian-teny iray izay miverimberina ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. (“Ny lala-mahitsy dia ny mino an’i Kristy fa tsy mandà Azy.”)

Anontanio ny mpianatra hoe: Inona avy ireo zavatra niseho teo amin’ny fiainanareo izay nampianatra anareo fa ny mino sy manaraka an’i Jesoa Kristy no fomba tsara iainana?

Ity lisitra manaraka ity dia ahitana ireo fahamarinana, fotopampianarana ary fitsipika nohalalinin’ny mpianatra tao amin’ny 2 Nefia 11–25 tamin’ity herinandro ity. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanambarana sivy manaraka ireto na ataovy ao anatin’ny taratasy hozaraina amin’ny mpianatra tsirairay izany. Asao ny mpianatra mba hamaky izany lisitra izany ary hitady ireo fahamarinana sy fotopampianarana ary fitsipika ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina voatanisa ireo.

Manakatra ireo Fampianaran’i Isaia amin’izao Androntsika izao

  1. Nanorina tempoly Andriamanitra mba hampianarana antsika mikasika ny lalany sy hanampiana antsika handeha eo amin’izany (jereo ny 2 Nefia 12:2–3).

  2. Afaka ny ho voadio amin’ny tsy fahamendrehantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Nefia 16:5–7).

  3. Hiaraka amintsika Andriamanitra rehefa mahatoky Azy isika na dia mandritra ireo fotoana sarotra sy ahatsapana tahotra aza (jereo ny 2 Nefia 17:4, 7, 14).

  4. Andriamanitry ny fahaiza-mandanjalanja sy ny famindram-po i Jesoa Kristy. Atolotra ireo izay mibebaka sy mitandrina ny didiny ny famindram-pony (jereo ny 2 Nefia 19:12, 17, 21; 20:4).

  5. Naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ary manangona ny vahoakany amin’izao andro farany izao Izy ankehitriny (jereo ny 2 Nefia 21:10, 12).

  6. Ho fotoam-piadanana ny tany mandritra ny Arivotaona satria ho henika ny fahalalana ny Tompo izany (jereo ny 2 Nefia 21:6–9).

  7. Hamindra fo amin’ny olony ny Tompo saingy hofongorana kosa ny olon-dratsy (jereo ny 2 Nefia 23:22).

Fampianaran’i Nefia

  1. Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavana isika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao (jereo ny 2 Nefia 25:23).

  2. Afaka mahazo ny famelana ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy (jereo ny 2 Nefia 25:26).

Apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa avy nomena fotoana nandinihana ireo zavatra ireo ny mpianatra:

  • Inona avy ireo lohahevitra hitanao ao anatin’ireo fampianaran’i Isaia ireo? (Ireto ireo lohahevitra azo lazaina: Nandefa ny Zanany Lahy, Jesoa Kristy, mba hanolotra famonjena sy fiadanana ho an’ny zanany ny Ray any an-danitra. Afaka mahatoky an’Andriamanitra isika ao anatin’izay toe-javatra miseho rehetra. Mampianatra antsika momba an’Andriamanitra ny tempoly.)

  • Inona amin’ireo fanambarana sivy ireo no hitanao fa tena manan-danja indrindra? Nahoana?

Omeo fotopampianarana iray na fitsipika iray avy ao amin’ilay lisitra etsy ambony ny mpianatra tsirairay ary asaivo manao izao zavatra manaraka izao ny mpianatra:

  1. Vakio ilay andinin-tsoratra masina nisintonana ilay fotopampianarana na fitsipika.

  2. Valio ity fanontaniana ity: Ahoana ahafahan’ity fotopampianarana na fitsipika ity manampy anao “hifaly” amin’ny Tompo? (Jereo ny 2 Nefia 11:4–6.)

  3. Mieritrereta toe-javatra iray izay ahafahan’ny fahalalana izany fotopampianarana na fitsipika izany mitondra fanantenana sy hery ho anao.

Asao ireo mpianatra mba hizara izay eritreriny. Rehefa manao izany izy ireo dia afaka manontany ianao hoe: “Iza koa no manana fijoroana ho vavolombelona na hevi-baovao mikasika ny zavatra vao nampianarina teo?” Ny famelana azy ireo hizara hevi-baovao sy fijoroana ho vavolombelona dia hanamafy ny fahamarinana ao am-pon’izy ireo sy ao am-pon’ireo namany mitovy taona aminy. Isaory izy ireo noho ny fandraisany anjara.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 25:13. Angataho ny mpianatra mba hanaraka izany ka hitady ny antony nahatonga an’i Nefia nifaly tamin’ny fanandrianana ny anaran’ny Tompo. Angataho ny mpianatra mba hilaza ny zavatra hitany.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity fijoroana ho vavolombelona manaraka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

“Mino aho fa tsy misy amintsika afaka mahatakatra ny tena lanjan’ny zavatra nataon’i Kristy ho antsika tao Getsemane, saingy feno fankasitrahana isan’andro aho eo amin’ny fiainako noho ny sorompanavotana nataony ho antsika.

“Afaka nihemotra Izy tamin’ny fotoana farany. Saingy tsy nanao izany Izy.Nidina tambanin’ny zava-drehetra Izy mba hahafahany mamonjy ny zavatra rehetra. Rehefa nanao izany Izy dia nanome antsika fiainana any ankoatr’ity fiainana eto an-tany ity. Novonjeny tamin’ny Fahalavoan’i Adama isika.

“Mankasitraka lalina Azy ny foko. Nampianatra antsika ny fomba tokony hiainana Izy. Nampianatra antsika ny fomba hahafatesana Izy. Niantoka ny famonjena antsika Izy” (“At Parting,” Ensign, Mey 2011, 114).

Anontanio hoe: Inona avy ireo zavatra mitovy hitanao eo amin’ny tenin’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 25:13 sy ny an’ny Filoha Monson?

Farano ny lesona androany amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra mba hamaritra fomba ahafahan’ny tanora Olomasin’ny Andro Farany manandriana ny anaran’ny Tompo. Rehefa avy namaly ny mpianatra dia amporisiho izy ireo mba hanandriana ny anaran’ny Tompo isan’andro.

Fizarana Manaraka (2 Nefia 26–31)

Ao anatin’ny fizarana manaraka dia handalina ireo faminaniana vitsivitsy nataon’i Nefia mikasika ny andro farany ny mpianatra. Hitan’i Nefia fa ho maro dia maro ireo fiangonana diso sy ireo tsikombakomba miafina. Hitany koa fa ny Tompo dia hanao “asa iray mahatalanjona sy mahagaga” (2 Nefia 27:26) ary maro ireo handà ny Bokin’i Môrmôna satria efa manana ny Baiboly izy ireo. Ankoatra izany dia nohazavain’i Nefia ny fotopampianaran’i Kristy.

Hamoaka printy