Tahirim-pitaovana
Lesona 39: 2 Nefia 29–30


Lesona 39

2 Nefia 29–30

Fampidirana

I Nefia dia naminany mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany, izay nolazain’ny Tompo fa ho “asa iray mahatalanjona” (2 Nefia 29:1). Nijoro ho vavolombelona i Nefia fa amin’ny andro farany dia hiara-hiasa ny soratra masina rehetra mba hampiseho fa mahatsiaro ny zanany Andriamanitra. Naminany izy fa ho maro ny handà ny Bokin’i Môrmôna saingy ireo izay mino izany dia hangonina ao amin’ny Fiangonana. Ankoatra izany dia nampianatra izy fa ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra dia ireo izay mibebaka sy mino ny Zanak’Andriamanitra. Ankoatra izany dia nampianatra izy fa ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra dia ireo izay mibebaka sy mino ny Zanak’Andriamanitra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 29

Naminany i Nefia fa maro no handà ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany

Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe misy namana iray any am-pianarana manontany amin-kitsimpo hoe: “Nahoana no manana Baiboly iray ny Môrmôna?” Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hanangana ny tanany raha toa efa nametrahana fanontaniana toy izany izy. Dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fomba namaliany izany fanontaniana izany.

Hazavao fa nanome valiny sasantsasany an’io fanontaniana io i Nefia tamin’ny alalan’ny firaketana ireo tenin’ny Tompo mikasika ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany izay nantsoin’ny Tompo hoe “asa iray mahatalanjona.” Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 29:1–2 ary hamantatra ny zavatra hataon’ny Tompo amin’ny andro farany. (“Hiloaka ny vavan’ny” taranak’i Nefia izy ireo ary koa “hisiaka hatrany am-paran’ny tany.”) Nanazava ny Filoha Ezra Taft Benson fa “isika mpikamban’ny Fiangonana ary indrindra indrindra ny misiônera dia tokony ho ’mpisiaka,’ na mpiresaka na mpijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna hatrany am-paran’ny tany” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, Mey 1975, 65).

Hazavao fa ilay teny hoe faneva ao amin’ny 2 Nefia 29:2 dia ilazana zavatra iray ampiasaina mba hanangonana sy hampiraisana ny olona. Ny saina matetika no antsointsika hoe faneva. (Jereo ny fanazavana ny teny hoe faneva ao amin’ny lesona 32.)

  • Araka ny 2 Nefia 29:2, inona ilay “faneva” izay handeha “hatrany am-paran’ny tany” mba hanangona ny vahoakan’ny Tompo? (Ny Bokin’i Môrmôna—tenin’ny taranak’i Nefia.)

  • Araka ny 2 Nefia 29:1–2, inona no tanjon’ny Tompo amin’ny fanomezana soratra masina fanampiny toy ny Bokin’i Môrmôna? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa manome soratra masina ny Tompo ho toy ny vavolombelona faharoa ary mba hanangonana ny vahoaka ho ao anatin’ny fanekempihavanany.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity (avy amin’ny Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 4.):

“Ny Bokin’i Môrmôna dia fanehoana tena manan-danja mikasika ny fanekempihavanan’Andriamanitra ataony amin’ny zanany eto an-tany sy ny fitiavany azy ireo.” (Loholona Jeffrey R. Holland)

Hazavao fa ao anatin’ny 2 Nefia 29, ny teny hoe Jentilisa dia ilazana ny olona izay tsy avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely. Ny teny hoe Jiosy dia ilazana ireo olona izay avy ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ka tafiditra ao anatin’izany ny fianakavian’i Lehia sy ny taranany. Asaivo vakian’ny mpianatra amim-pahanginana ny 2 Nefia 29:3–6 ka tadiaviny amin’izany ny fihetsika hasehon’ny Jentilisa sasantsasany eo anatrehan’ny soratra masina fanampiny.

  • Inona no ho fihetsiky ny olona sasany eo anatrehan’ny soratra masina fanampiny?

  • Inona no nolazain’ny Tompo mikasika ny olona izay maneho fihetsika toy izany?

Hazavao fa faminaniana no nataon’i Nefia tao anatin’ny famaritany ny fihetsiky ny olona eo anatrehan’ny Bokin’i Môrmôna. Matetika ny olona amin’izao fotoana izao no maneho ahiahy mikasika ny Bokin’i Môrmôna satria efa manana ny Baiboly izy ireo.

Asaivo mandeha tsiroaroa mandalina ny 2 Nefia 29:7–11 ny mpianatra. Asao izy ireo hitady ireo tanjon’ny Tompo tamin’ny fanomezana soratra masina ho fanampin’ny Baiboly. Afaka minitra vitsivitsy dia angataho izy ireo mba hizara ny zavatra hitany. Mety ahitana ireto ny valiny: (1) mahatsiaro ny vahoakany rehetra ny Tompo ary mandefa ny teniny manerana ny firenena rehetra (jereo ny andininy 7); (2) hafatra mitovy no lazain’ny Tompo any amin’ny firenena rehetra ary ny Bokin’i Môrmôna dia vavolombelona faharoan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly (jereo ny andininy 8); (3) tsy miova ny Tompo ary miteny araka ny sitrapony Izy (jereo ny andininy 9); (4) mbola tsy vita ny asan’Andriamanitra ary hanohy hiteny Izy mandra-pahavitan’ny asany (jereo nyandininy 9); (5) tsy tokony hihevitra ny olona fa ahitana ny tenin’ny Tompo rehetra ny Baiboly na tsy nampanoratra misimisy kokoa ny Tompo (jereo ny andininy 10); ary (6) nandidy ny olony manerana an’izao tontolo izao ny Tompo mba hirakitra ny teniny (jereo ny andininy 11). Mba hanampiana ny mpianatra hamintina sy hampihatra ny zavatra nianarany tao amin’ity ampahan’ny lesona ity dia apetraho ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra:

  • Ahoana no ahafahana mampiasa ny 2 Nefia 29 ho fitaovana hamahana ireo ahiahy mikasika ny Bokin’i Môrmôna amin’ny maha boky soratra masina fanampiny azy?

  • Moa ve nampitombo ny fankasitrahanao ny Bokin’i Môrmôna ireo andininy ireo?

Zarao ho tsiroaroa indray ny mpianatra. Angataho izy ireo mba hanao fampiharana amin’ny famaliana ilay fanontaniana hoe: “Nahoana no manana Baiboly iray hafa ny Môrmôna?” Asao ny olona iray hametraka ilay fanontaniana ary mamaly izany kosa ilay iray hafa. Dia angataho izy ireo mba hifamadika ary hamerina indray ilay fifanakalozan-kevitra. Any amin’ny faran’ity asa atao ity dia azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hieritreritra olona izay fantatr’izy ireo ka afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo fitsipika ireo ary mba hikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ny fomba hiresahana amin’ireo olona ireo.

Rehefa mamarana ity ampahany iray ao anatin’ny lesona ity ianao dia ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa mahatsiaro ny olony rehetra ny Tompo ary handefa ny teniny any amin’izy rehetra Izy.

2 Nefia 30:1–8

Naminany mikasika ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany i Nefia.

Hazavao fa taorian’ny nampianaran’i Nefia fa hahatsiaro ny mpianakavin’i Isiraely Andriamanitra, dia nampitandrina ny olony izy mba tsy hieritreritra hoe marina kokoa noho ireo Jentilisa izy ireo. Nampahatsiahiviny koa izy ireo fa afaka ny ho tonga olon’ny fanekempihavanan’Andriamanitra ny olona rehetra. Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 30:2 ary asao ny mpianatra rehetra mba hitady zavatra roa tokony hataontsika mba hahatonga antsika ho isan’ny olon’ny fanekempihavanan’Andriamanitra. Asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra hitany. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa lasa olon’ny fanekempihavanan’Andriamanitra isika rehefa mibebaka sy mino an’i Jesoa Kristy.

Hazavao fa ao amin’ny 2 Nefia 30:3, i Nefia dia mamaritra ny fomba hanangonan’ny Tompo ny vahoakany ao anatin’ny fanekempihavanana amin’ny andro farany. Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 30:3 ary hitady io lamina io. (Nandefa ny Bokin’i Môrmôna ny Tompo. Maro no mino izany ary mizara izany amin’ny hafa.) Azonao atao ny manazava hoe nambaran’i Nefia manokana fa ny tenin’ny Bokin’i Môrmôna dia hoentina any amin’ny “taranatsika sisa” izay midika hoe ny taranak’i Lehia.

Amporisiho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 30:4–8 ka hitady andian-teny izay mampiseho ny fomba hitahiana ny olona rehefa mandray ny Bokin’i Môrmôna izy ireo.

  • Inona no fitahiana ho azon’ny taranak’i Lehia rehefa mianatra mikasika ny razambeny izy ireo?

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ny olona rehetra?

Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra fa ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy ny olona rehetra hahafantatra an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Azonao atao ny manoratra izany fehezanteny izany eo amin’ny solaitrabe.

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ahoana no fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao hahafantatra ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra hitantara zavatra iray niainan’izy ireo tamin’ny fizarana ny Bokin’i Môrmôna. Amporisiho ny mpianatra mba hivavaka hangataka fahafahana hizara ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa.

2 Nefia 30:9–18

Naminany ny zavatra hitranga eto an-tany mandritra ny Arivotaona i Nefia

Hazavao fa i Nefia koa dia naminany mikasika ny Arivotaona—ireo arivo taona aorian’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Fintino ny 2 Nefia 30:9–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany dia hofongorana ny olon-dratsy. Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 30:12–18 ka hitady ireo famaritana ny fiainana mandritra ny Arivotaona. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe manoratra lahatsoratra an-gazety mikasika ny Arivotaona izy ireo ka mamaritra ny zavatra iray hitranga izay hitan’izy ireo. Angataho izy ireo mba hanoratra lohateny lehibe ho an’ilay lahatsoratra ary hifampizara ireo lohateny ireo.

  • Ao anatin’ireo zavatra hitranga amin’ny arivotaona izay nohalalininao tao amin’ny 2 Nefia dia iza amin’izy ireo no tena andrandrainao? Nahoana?

Sariho any amin’ity fanambarana manaraka ao amin’ny 2 Nefia 30:18 ity ny sain’ny mpianatra: “Tsy hanana fahefana amin’ny fon’ny zanak’olombelona intsony i Satana mandritra ny fotoana maharitra.” Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika izany fanambarana izany ao anatin’ny soratra masiny.

  • Nahoana no ilaina ny fahafantarana fa handresy ny ratsy ny fahamarinana amin’ny farany?

Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia mijoroa ho vavolombelona fa tsy hanana fahefana amin’ny fon’ny olona i Satana mandritra ny Arivotaona ary hanjaka ny fahamarinana sy ny fiadanana. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha George Q. Cannon tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Angataho ny mpianatra mba hihaino ny antony tsy hananan’i Satana fahefana mandritra ny Arivotaona.

“Miresaka momba ny famatorana an’i Satana isika. Hofatorana amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra i Satana, saingy ho voafatotra koa izy amin’ny alalan’ny fahavononan’ny olon’Andriamanitra tsy hihaino azy sy hanaiky hotarihiny. Tsy hamatotra an’i Satana sy hanala ny fahefany eto an-tany ny Tompo raha misy lehilahy sy vehivavy vonona ny hotarihiny. Mifanohitra amin’ny drafitry ny famonjena izany. Ny fanakanana ny olona tsy hanana fahafahana misafidy dia mifanohitra amin’ny tanjon’Andriamanitra. Nisy fotoana teto amin’ity kaontinanta ity, ary anananantsika ny tantara momba izany, olona tena marin-toetra ka tsy nanana fahefana teo amin’izy ireo i Satana. Taranaka efatra teo ho eo no nifandimby niaina tao anatin’ny fahamarinana. Niaina tao anatin’ny fahadiovana izy ireo ary maty tsy nanam-pahotana. Izany dia vokatry ny fandavany hanaraka an’i Satana. Tsy voarakitra ny mikasika ny hoe tsy nanana fahefana tany amin’ireo faritra hafa teto an-tany i Satana tamin’izany vanim-potoana izany. Araka ny tantara rehetra izay ananantsika dia nanana io fahefana io ihany teo amin’ny olona izay vonona ny hihaino azy i Satana. Saingy tsy nanana fahefana izy teo amin’ity tany ity ary voafatotra ara-bakiteny. Mino aho fa izany no hitranga mandritra ny arivotaona ary manohana izany aho toy ny hanohanako ilay zavatra tsara hitranga izay nofaritana ao anatin’ilay rakitsoratra nolazaiko. Manantena aho fa alohan’ny hamatorana tanteraka an’i Satana dia hofongorana ny olon-dratsy” (ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1897, 65).

  • Ahoana no fomba hamatorana an’i Satana mandritra ny Arivotaona?

Amporisiho ny mpianatra hiaina amim-pahamarinana mba tsy hananan’ny fahavalo fahefana eo amin’izy ireo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 30:9–10. “Hampanjary fizarazarana lehibe Andriamanitra”

I Nefia ao amin’ny 2 Nefia 30:9–10 dia naminany mikasika ny fotoana iray izay “hampanjarian’ny Tompo Andriamanitra fizarazarana lehibe eo anivon’ny vahoaka, ka ny olon-dratsy dia ho ringaniny; ary hitsimbina ny olony Izy.” Ampio ny mpianatra hahatakatra fa mba hahatonga antsika ho anisan’ny vahoakan’ny Tompo amin’izany andro izany dia mila manala ny tenantsika tsy hanaraka ny fomban’izao tontolo izao isika ankehitriny. Hoy ny Filoha Boyd K. Packer avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Hitombo hatrany ny elanelana misy eo amin’ny Fiangonana sy izao tontolo izao izay napetraka eo amin’ny lalana iray tsy azontsika arahana” (“The Father and the Family,” Ensign, Mey 1994, 21).

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Amin’ny maha Olomasin’ny Andro Farany antsika dia tsy ilaintsika ny hitovizana amin’izao tontolo izao. Tsy ilaina ny ialana voly tahaka ny an’izao tontolo izao. Tokony ho hafa mihitsy ny zavatra mahazatra fanaon’ny tenantsika manokana. Tokony ho hafa mihitsy ny fialam-bolintsika” (“Gifts of the Spirit,” Ensign, Feb. 2002, 17).

Nampianatra ny Loholona Larry W. Gibbons ao amin’ny Fitopololahy hoe:

“Amin’izao andron’ny tsy fahatomombanan’ny fahadiovam-pitondrantena izao dia tsy maintsy miezaka isika hijoro sy hilaza hoe: ‘Izao no marina ary izao no diso.’ Tsy afaka ny hanara-drenirano isika! Mazava ho azy fa tsy manoro hevitra akory aho hoe mila mifindra any an’efitra isika ary manidy ny varavarantsika. Afaka ny ho ao anatin’izao tontolo izao isika, mandeha mianatra, miasa, miditra ao anatin’ireo fikambanana ara-piaraha-monina mahasoa sy ny sisa. Saingy tsy maintsy manaraka ireo fitsipiky ny Tompo isika. …

“Ry rahalahy sy anabavy mijanòna eo amin’ny lalana ety sy tery. Tsia, mijanòna eo afovoan’ilay lalana ety sy tery. Aza mihataka ny lalana, aza mirenireny, aza varindriana ary aoka ianao hitandrina.

“Tsarovy hoe aza misangisangy amin’ny ratsy. Mijanonà any ivelan’ny faritry ny devoly. Aza omena sehatra handreseny i Satana. Ny fanajana ny didy dia hitondra ilay fifaliana ho anao izay tadiavin’ny olona maro loatra any amin’ny toeran-kafa.” (“Wherefore, Settle This in Your Hearts,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 103–4).

2 Nefia 30:9–18. Inona no atao hoe Arivotaona?

“Ny Arivotaona dia vanim-potoana iray maharitra 1.000 taona. Rehefa miresaka “ny Arivotaona” isika dia miresaka mikasika ny 1.000 taona aorian’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany (jereo ny Apokalypsy 20:4; F&F 29:11). Mandritra ny Arivotaona, dia i “Kristy tenany mihitsy no hanjaka ety an-tany” (Fanekem-pinoana 1:10).

“Ho fotoana hisian’ny fahamarinana sy fiadanana eto an-tany ny Arivotaona. Nanambara ny Tompo fa “amin’ izay andro izay ny fifandrafian’ ny olona sy ny fifandrafian’ ny biby, eny, ny fifandrafian’ ny nofo rehetra dia hitsahatra” (F&F 101:26; jereo koa ny Isaia 11:6–9). “Hofatorana i Satana ka tsy hanana toerana ao am-pon’ ny zanak’ olombelona” (F&F 45:55; jereo koa ny Apokalypsy 20:1–3).

“Mandritra ny Arivotaona dia ho olona tsara sy marina ny olon-drehetra eto an-tany, kanefa mbola ho maro no tsy nandray ny fahafenoan’ny filazantsara. Noho izany dia handray anjara amin’ny asa fitoriana ny filazantsara ireo mpikamban’ny Fiangonana.

“Handray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly koa ireo mpikamban’ny Fiangonana mandritra ny Arivotaona. Hitohy hanorina tempoly ireo Olomasina ary handray ireo ôrdônansy eo amin’ny toeran’ireo taranaka efa nodimandry. Hanomana ny boky firaketana mikasika ireo razambeny hatrany amin’i Adama sy i Eva izy ireo eo ambany fitarihan’ny fanambarana.

“Hitohy hatrany amin’ny faran’ny 1.000 taona ny fahamarinana sy fiadanana feno, dia ‘hovahana mandritra ny fotoana fohy i [Satana] mba hahazoany manangona ny miaramilany.’ Hiady amin’ny tafiky ny lanitra, izay hotarihin’i Mikaela na i Adama ny miaramilan’i Satana. Ho resy ary horoahina mandrakizay i Satana sy ny mpanara-dia azy. (Jereo ny F&F 88:111–115.)” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 103–4).

Hamoaka printy