Tahirim-pitaovana
Lesona 23: 2 Nefia 2 (Fizarana 1)


Lesona 23

2 Nefia 2 (Fizarana 1)

Fampidirana

Ahitana ny fitohizan’ny fampianaran’i Lehia talohakelin’ny nahafatesany ny 2 Nefia 2. Raha niresaka mivantana tamin’i Jakôba zanakalahiny i Lehia dia nijoro ho vavolombelona izy mikasika ny fahafahan’ny Tompo hanokana ny fahoriantsika ho tombontsoantsika. Nampianatra mikasika ny Fahalavoan’i Adama izy raha niresaka tamin’ireo zanany lahy rehetra—nahoana no nilaina izany ary inona no fiantraikan’izany eo amin’ny olombelona—ary nampianatra mikasika ny filana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. (Nampianatra mikasika ny fotopampianaran’ny fahafahana misafidy koa i Lehia. Horesahana ao amin’ny lesona manaraka izany fotopampianarana izany.)

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 2:1–4

Niresaka momba ireo fahoriana sy fitahiana tamin’i Jakôba i Lehia

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra olona iray fantany izay miatrika olana sy fahoriana lehibe mba hanampiana azy ireo hahita fa manan-danja eo amin’ny fiainany ny 2 Nefia 2. Asao izy ireo mba hisaintsaina ny zavatra mety holazain’izy ireo mba hampaherezana izany olona izany. Angataho izy ireo mba hiomana ny hizara ny heviny amin’ny mpianatra.

Hazavao fa ahitana ny rakitsoratr’i Lehia niresaka tamin’ny zanany lahy izay niatrika olana ny 2 Nefia 2. Asao hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 2:1 ny mpianatra. Angataho izy ireo mba hitady hoe iza ilay zanakalahiny nampianaran’i Lehia (Jakôba) ary inona no nahatonga ny fahorian’io zanakalahy iray io (ny haratsiam-panahin’ny rahalahiny). Dia ampio ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 2:2–3. Azonao atao ny manome hevitra azy ireo mba hanisy marika ireo teny sy andian-teny ary fehezanteny izay mamaritra ny zavatra ho ataon’ny Tompo ho an’i Jakôba.

Angataho ny mpianatra mba hizara ireo andian-teny na fehezanteny hitany. Dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa afaka manokana ny fahoriantsika ny Tompo ho tombontsoantsika:

  • Inona no dikan’ny fehezanteny hoe “hanokana ny fahorianao ho tombontsoanao” raha ho anao? (Mety ho ilainao ny manazava fa ny dikan’ny hoe manokana dia manolotra na manamasina.)

  • Oviana ianao no nahita fa afaka manokana ny fahoriantsika ho tombontsoantsika ny Tompo?

2 Nefia 2:5–25

Nampianatra ilay zanany lahy mikasika ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Lehia

Hazavao fa nampianarin’i Lehia mikasika ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva i Jakôba sy ireo zanany lahy hafa. Mety ilaina ny manazava fa ilazana ny toe-javatra nianjady tamin’i Adama sy i Eva sy ny taranany ilay andian-teny hoe “ny Fahalavoana,” noho ny safidin’i Adama sy i Eva hihinana ilay voankazo voarara tao amin’ny Saha Edena.

  • Inona no safidy nomen’ny Tompo an’i Adama sy i Eva tao amin’ny Saha Edena? (Navelany izy ireo hisafidy na hihinana na tsy hihinana ilay voankazo voarara.)

  • Nahoana no nomen’ny Tompo izany safidy izany izy ireo araka ny 2 Nefia 2:15? (“Mba hahatontosa ny fikasany mandrakizay momba ny hoavin’olombelona.” Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika izany fehezanteny izany.)

  • Inona no fikasana mandrakizain’Andriamanitra ho antsika? (Ny hanome ansika fahafahana hahazo ny fiainana mandrakizay ary ho lasa tahaka Azy.) Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanoratra an’izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ilay andian-teny hoe “fikasany mandrakizay.” Azonao atao koa ny mampamaky azy ireo ny Mosesy 1:39.)

Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity, ka aza asiana soratra ilay efitrefitra roa ambany. (Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba handika ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy.)

Raha tsy nisy ny Fahalavoana

Noho ny Fahalavoana

Ny zavatra rehetra nohariana dia tsy maintsy ho tafajanona araka ny toetra izay nananany taorian’ny nahariana azy ireny (jereo ny 2 Nefia 2:22).

Tsy ho nanan-janaka i Adama sy i Eva (jereo ny 2 Nefia 2:23).

Ho tafajanona tamin’ny toetry ny tsy fananan-tsiny i Adama sy i Eva, sy tsy ho nahafantatra ny fifaliana na ny fahoriana ary tsy ho nahafantatra ny tsara na ny fahotana (jereo ny 2 Nefia 2:23).

Noroahina hiala ny saha Edena izy ireo mba hiasa ny tany (jereo ny 2 Nefia 2:19).

Nanan-janaka i Adama sy i Eva—fianakavian’ny tany manontolo (jereo ny 2 Nefia 2:20).

I Adama sy i Eva ary ny taranany dia hiaina ny fiainana eto an-tany, izay ahitana fahoriana, fifaliana, ary fahafahana hanao ny tsara sy hanota (jereo ny 2 Nefia 2:23, 25).

Ho tratran’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy isika (jereo ny 2 Nefia 9:6; Helamàna 14:16).

Asao ny mpianatra iray mba handroso eny amin’ny solaitrabe ary ho mpandika soratra ho an’ny kilasy. Angataho ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 2:19–25, ka hitady (1) ireo voka-javatra niseho raha toa ka tsy nihinana ilay voankazo voarara i Adama sy i Eva ary tsy lavo, sy (2) ireo voka-javatra nateraky ny Fahalavoana. Angataho ilay mpandika soratra mba hanoratra ny valintenin’ireo mpianatra ao anatin’ilay tabilao. Tokony hahitana ireto valiny notanisaina etsy ambany etsy izany (afa-tsy ny fampahalalana mikasika ny fahafatesan’ny vatana sy fahafatesana ara-panahy izay hatsofoka ao aoriana ao).

Asao ny mpianatra hiverina hijery ny valinteniny eo ambanin’ilay lohateny hoe “Raha tsy nisy ny Fahalavoana.”

  • Inona ireo toe-javatra tao amin’ny Saha Edena izay mety ho nanakana an’i Adama sy i Eva tsy hivoatra ao amin’ilay drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra? (Jereo ny 2 Nefia 2: 22–23.)

Asao ny mpianatra mba hiverina hijery ireo zavatra notanisaina eo ambanin’ny lohateny hoe “Noho ny Fahalavoana.” Ataovy izay hahatakarany fa noho isika taranak’i Adama sy i Eva dia ianjadian’ireo toe-javatra izay niseho teo amin’izy ireo taorian’ny Fahalavoana isika (jereo ny 2 Nefia 2:21).

  • Ilay fehezanteny hoe “hiasa ny tany” dia midika fa taorian’ny nandroahana an’i Adama sy i Eva tao amin’ny saha dia tsy maintsy niasa izy ireo mba hahazoana sakafo. Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny asa antsika hivoatra ao amin’ny Drafitry ny Ray any an-danitra?

  • Ahoana no hanampian’ny fananan-janaka an’i Adama sy i Eva mba hitovy bebe kokoa amin’ny Ray any an-danitra? Amin’ny fomba ahoana no maha zava-dehibe ny fianakaviana ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafahana miaina fifaliana sy fahoriana manampy antsika hivoatra ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra?

Hamafiso aorian’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ireo fanontaniana ireo fa lafiny tena manan-danja ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva.

Lazao fa andinin-tsoratra masina fehezina ny 2 Nefia 2:25. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika izany. Azonao atao ny manokana fotoana hanampiana ny mpianatra hitadidy izany satria fohy ilay izy.

Hazavao fa na dia nanokatra ny lalana mba hivoarantsika aza ny Fahalavoana, dia nampiditra teo amin’izao tontolo izao ihany koa ny fanaintainana, ny fijaliana sy ny fahotana ary ny fahafatesana izany. Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 9:6 mba hanampiana ireo mpianatra hampivelatra ny fahatakarany izany fahamarinana izany. Dia angataho ny mpianatra iray hafa mba hamaky mafy ny Helamàna 14:15–17. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo vokatry ny Fahalavoana nofaritana tao amin’ireo andininy ireo.

  • Inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny Fahalavoana? (Nitondra fahafatesan’ny vatana izany ary fahafatesana ara-panahy izay midika hoe fanesorana ny tena tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra intsony. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny “Noho ny Fahalavoana” ny hoe Ianjadian’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesana ara-panahy isika.

Amporisiho mba hisaintsaina amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra mba hanampiana azy ireo hieritreritra mikasika ny fomba niainan’izy ireo ny vokatry ny Fahalavoana. (Vakio miadana ireo fanontaniana ary mijanona kely eny anelanelany eny mba hanomezana ny mpianatra fotoana ampy hieritreretana.)

  • Inona avy ireo antony mahatonga ny fahoriana eto amin’ity fiainana ity?

  • Nahoana no lafiny iray tsy maintsy ilaina ao amin’ny drafitry ny famonjena ny fahafatesana?

  • Ahoana no ahafahan’ny olana sy ny alahelo manampy antsika hianatra sy hivoatra?

Hazavao fa rehefa takatsika ny fiantraikan’ny Fahalavoana eo amintsika dia tsapantsika fa ilaina ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Vakio ity teny nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Raha toa ny olona iray ka tsy tena maniry hisakafo raha tsy hoe noana, dia tsy maniry ny famonjen’i Kristy koa izy raha tsy efa fantany ny antony ilana an’i Kristy.

“Tsy misy olona tena mahafantatra tsara ny antony ilany an’i Kristy raha tsy rehefa takany sy ekeny ilay fotopampianaran’ny Fahalavoana sy ny vokany eo amin’ny olombelona. Ary tsy misy boky hafa eto amin’izao tontolo izao izay saika mamintina tsara kokoa izany fotopampianarana lehibe izany noho ny Bokin’i Môrmôna (“The Book of Mormon and the Doctrine and Covenants,” Ensign, Mey 1987, 85).

Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy iray rehefa nanana fotoana ampy nisaintsainana ireo fanontaniana ireo ny mpianatra. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa manavotra antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana sy manolotra fanavotana amin’ny fahotantsika i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana.

Manasa mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny 2 Nefia 2:5–10, 21 ary Almà 7:11–13. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo andian-teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay mampiseho ny zavatra nataon’ny Mpamonjy mba hamonjena antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana sy amin’ny fahotantsika tsirairay. (Mety ho ilainao ho an’ny andininy faha 9 ny manazava fa ny andian-teny hoe “manao fanalalànana” dia midika hoe mitalaho ho an’ny olona iray hafa na manao zavatra eo amin’ny toeran’ny olona iray hafa.) Mba hanampiana ireo mpianatra hamakafaka ireo andian-teny hitany dia anontanio hoe:

  • Inona avy ireo andian-teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay maneho fa hanavotra antsika amin’ny fahafatesan’ny vatana ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana?

  • Inona avy ireo andian-teny izay maneho fa hamonjy antsika amin’ny fahafatesan’ny vatana ny Mpamonjy (nesorina hiala tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra)?

  • Inona avy ireo andian-teny izay maneho fa afaka mamonjy antsika amin’ny fahotantsika ny Mpamonjy?

  • Inona avy ireo andian-teny izay maneho fa afaka manampy antsika ao anatin’ireo fotoam-pitsapana ny Mpamonjy toy ny aretina na fahoriana?

Inona no tokony hataontsika mba hahazoana ireo fitahiana rehetra misy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana, araka ny 2 Nefia 2:7–9, 21? (Mety ho ilainao ny manazava ho an’ny andininy faha 7 fa ny olona iray izay manana “fo torotoro sy fanahy manenina” dia manetry tena sy vonona ny hanaraka ny sitrapon’Andriamanitra. Mahatsapa alahelo lalina ny olona toy izany noho ny fahotana ary maniry ny hibebaka amin-kitsimpo.)

Asaivo dinihin’ny mpianatra amim-pahanginana ireo andinin-tsoratra masina ireo rehefa avy nifanakalo hevitra mikasika ireo fanontaniana ireo izy ireo, ka asaivo tadiaviny ireo andian-teny izay manan-danja manokana ho azy ireo. Angataho ny mpianatra mba hizara tsiroaroa ary hifampizara ireo andian-teny izay nosafidian’izy ireo. Asao izy ireo mba hizara ny antony maha manan-danja ireo andian-teny ireo ho azy ireo.

Manasà mpianatra iray na roa mba hamintina amin’ny mpianatra rehetra ny antony mahatonga ny Fahalavoana ho lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any an-danitra. Dia angataho izy ireo mba hizara ny zavatra tsapany momba ny fomba hanavotan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika amin’ny Fahalavoana.

Soratra Masina Fehezina —2 Nefia 2:25

Azonao atao ny mampiasa ity asa atao ity amin’ny andro iray hafa rehefa manana fotoana bebe kokoa ianao, noho ny firafitry lesona sy ny halavany androany. Fanamarihana: Ampiasao ity asa atao iray ity mba hanampiana ny mpianatra hampiasa ny 2 Nefia 2:25 rehefa mampianatra ny filazantsara izy ireo.

Asao ny mpianatra mba hanomana lesona iray mikasika ny fotopampianaran’ny Fahalavoana amin’ny alalan’ny fampiasana ny 2 Nefia 2:25. Afaka mampianatra io lesona io mandritra ny takarivan’ny mpianakavy isika na ao anatin’ny fotoana iray hafa. Anontanio ny mpianatra vitsivitsy raha toa izy ireo ka mba vonona ny hanao tatitra ny zavatra niainany aorian’ny ampianarany. Avelao ny mpianatra hanomboka ny fanomanany mandritra ny fotoam-pianarana raha misy ny fotoana.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 2:27 Ilay voankazo voarara

Nanaja ny safidin’i Adama sy i Eva ny Tompo taorian’ny nampianarany azy ireo ny vokatry ny fihinanana ilay voankazo voarara. Hoy Andriamanitra hoe: “Mahazo mifidy ho an’ny tenanao ianao” (Mosesy 3:17). Manampy antsika hahatakatra ireo torolalan’ny Tompo nomena an’i Adama sy i Eva mikasika ilay voankazo voarara ny Filoha Joseph Fielding Smith:

“Ilay antony nilazan’ny Tompo an’i Adama fa rarany tsy hihinana ny voan’izany hazo izany izy dia tsy mazava tsara ao amin’ny tantaran’ny Baiboly [jereo ny Genesisy 2:17], saingy tena mazava tsara avy any ifotony izany raha ny fanehoan’ny Bokin’i Mosesy antsika azy [jereo ny Mosesy 3:17]. Ny votoatin’izany dia hoe, nolazain’ny Tompo i Adama fa raha toa izy ka maniry ny hijanona toa azy ihany ao amin’ilay saha, dia tsy tokony hihinana ilay voankazo izy, saingy raha maniry ny hihinana izany sy handalo fahafatesana izy dia malalaka raha hanao izany” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky 5. [1957–66], 4:81).

2 Nefia 2:14, 25–26. Ny Fahariana, ny Fahalavoana, ary ny Sorompanavotana

Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly hoe:

“Ireo toe-javatra tena manan-danja indrindra niseho hatramin’izay na hiseho any amin’ny mandrakizay rehetra … dia ny Fahariana sy ny Fahalavoana ary ny Sorompanavotana.

“Alohan’ny hahafahantsika mba manomboka manakatra an-tsaina ny fahariana ara-batana ny zavatra rehetra dia tsy maintsy fantatsika hoe amin’ny fomba ahoana no mahatonga ireo fahamarinana telo ireo hifatotra tsy hay sarahana —ny Fahariana, ny Fahalavoana, sy ny Sorompanavotana—mba hanorenana drafitry ny famonjena iray. Tsy misy na dia iray aza mandeha irery amin’izy ireo. Mamatotra ilay roa hafa ny tsirairay avy amin’izy ireo; ary tsy afaka mahafantatra ny fahamarinana mikasika ny iray amin’izy ireo raha tsy manana fahalalana mikasika azy rehetra. …

“… Aoka ho tsaroana fa tonga ny Sorompanavotana noho ny Fahalavoana. Nanonitra ny fandikan-dalàna nataon’i Adama i Kristy. Raha tsy nisy ny Fahalavoana dia tsy ho nisy ny Sorompanavotana miaraka amin’ny tsy fahafatesana sy fiainana mandrakizay izay vokatr’izany. Noho izany, toy ny hananana antoka amin’ny hahatongavan’ny famonjena noho ny Sorompanavotana, no hahatongavan’ny famonjena koa noho ny Fahalavoana” (“Christ and the Creation,” Ensign, Jiona 1982, 9).

2 Nefia 2:24. “Araka ny fahendren’Ilay mahafantatra ny zava-drehetra”

Nohazavain’ny Filoha Brigham Young fa lafin-javatra iray ao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva:

“Moa ve [i Adama sy i Eva] nivoaka tany amin’ny lalana mifanohitra mivantana tamin’ny an’ Andriamanitra sy ny fanjakany? Tsia. Saingy nandika ny didin’ny Tompo iray izy ireo ary tonga teto amin’izao tontolo izao tamin’ny alalan’izany fandikan-dalàna izany ny fahotana. Fantatry ny Tompo fa hanao izany izy ireo ary efa nalaminy ny tokony hanaovan’izy ireo izany” (Discourses of Brigham Young, nofantenan’i John A. Widtsoe [1954], 103).

Hamoaka printy