Tahirim-pitaovana
Lesona 22: 2 Nefia 1


Lesona 22

2 Nefia 1

Fampidirana

Ireo fahamarinana ao amin’ny 2 Nefia 1 dia nambaran’ny ray aman-dreny sy mpitarika be fitiavana iray izay efa ho faty. Nitalaho tamin’ireo zanakalahiny sy ny zanakalahin’i Isimaela sy i Zôrama i Lehia mba hankato ny didin’Andriamanitra. Nampanantenainy izy ireo fa raha mitandrina ny didin’Andriamanitra dia hiroborobo eo amin’ny tany. Nentaniny koa izy ireo mba hanaraka ny fitarihan’i Nefia izay mifono faminaniana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 1:1–23

Nanentana ny vahoakany mba hiaina amim-pahamarinana i Lehia

Angataho ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe tsy maintsy handao tampoka ireo olona ao amin’ny fianakaviany izy ary mety tsy hahita azy ireo intsony.

  • Raha toa ka hametraka teny farany mifono torohevitra amin’ny fianakavianao ianao dia inona no holazainao? Nahoana?

Aorian’ny fihainoana mpianatra vitsivitsy dia hazavao fa ny toko 1–4 ao amin’ny 2 Nefia dia ahitana ny firatekan’i Nefia ny torohevitra farany nomen-drainy. Ity lesona ity dia mifantoka amin’ny 2 Nefia 1, izay ahitana torohevitra nozarain’i Lehia tamin’ireo zanakalahiny sy ny zanakalahin’i Isimaela ary i Zôrama.

  • Nahoana no mety ho zava-dehibe manokana ny torohevitra farany omen’ny ray aman-dreny na mpaminany iray?

Angataho ny mpianatra ao amin’ny kilasy mba hitady ireo “zavatra lehibe efa nataon’ny Tompo” tamin’ny fianakavian’i Lehia. Manasà mpianatra iray mba hamaky mafy 2 Nefia 1:1–5.

  • Inona no famindram-pon’ny Tompo hita ao amin’ireo zavatra lehibe ireo?

  • Inona ny zavatra lehibe iray izay nataon’ny Tompo ho anao na ny fianakavianao?

  • Inona avy ireo zavatra tsapanao rehefa mieritreritra mikasika ny famindram-po asehon’Andriamanitra aminao sy ny fianakavianao ianao?

Soraty eo amin’ny faritra ilan’ny solaitrabe ny teny hoe Zavatra atao. Ary ery amin’ny faritra ilan’ny solaitrabe kosa dia soraty ny teny hoe Vokany. Zarao ho vondrona roa ny mpianatra. Asao ny vondrona voalohany mba hamaky ny 2 Nefia 1:6–9 ary ny vondrona faharoa mba hamaky ny 2 Nefia 1:10–12. Angataho ireo vondrona roa mba hitady zavatra nolazain’i Lehia fa azon’ny zanany atao. Angataho koa izy ireo mba hitady ny vokatr’ireo zavatra natao ireo. Rehefa manome ny valinteniny ny mpianatra dia asaivo misy mpianatra iray manoratra izany eny amin’ny solaitrabe. Ohatra, nilaza i Lehia fa raha toa ny vahoaka ka manompo ny Tompo araka ny didiny dia ho tanim-pahafahana ho azy ireo ilay tany (jereo ny 2 Nefia 1:7). Rehefa manome ny valinteniny ny mpianatra dia asaivo misy mpianatra iray manoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

  • Rehefa mandinika ireo valinteny eo amin’ny solaitrabe ianao dia ahoana no hamintinanao ny hafatr’i Lehia sy ny fianakaviany? (Afaka mamaly amin’ny alalan’ny fampiasana teny hafa ireo mpianatra saingy ataovy izay hampazava ity hafatra manaraka ity: Ny Tompo dia mitahy antsika rehefa mitandrina ny didiny isika ary hazoniny ireo fitahiana rehefa tsy mitandrina ny didiny isika.)

  • Iantsoana an’i Amerika ilay andian-teny hoe “ity tany ity” ao amin’ny 2 Nefia 1:9. Inona no nampanantenain’ny Tompo an’izay mpankato hipetraka ao amin’io “tany” io?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ilay fanoharana nampiasain’i Lehia mba hamporisihana ireo zanany lahy hitandrina ny didin’ny Tompo dia mampisehoa famantaranandro iray sy rojo ary zavatra ahitana vovoka eo aminy (ataovy izay hampiavaka tsara ilay vovoka fa tsy ilay zavatra).

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 1:13–14 ka hitady ireo teny sy andian-teny izay mifandray amin’ireo zavatra telo ireo. Rehefa avy mamaky izy ireo dia atsangano tsirairay ireo zavatra ireo ary angataho ny mpianatra mba hizara ireo teny sy andian-teny hitany. (Mety ahitana izao ny valinteny, “hifoha,” “torimason’ny helo,” “manifika ny gadra mahatsiravina izay ifatoranareo,” ary “miarena avy eo amin’ny vovoka.”) Anontanio ny mpianatra hoe mety ho inona ny dikan’ny hoe ao anatin’ny “torimaso lalina,” na voafatotry ny “gadra mahatsiravina,” na mila “miarina avy eo amin’ny vovoka.”

  • Inona no nangatahan’i Lehia mba hataon’ireo zanany lahy rehefa nampiasa ireo teny sy andian-teny ireo izy? (Mibebaka, manova ny fombany.)

  • Inona no nambaran’i Lehia fa mety hitranga raha toa ka tsy “manifika ny gadra[ny]” ireo zanany lahy? (Jereo ny 2 Nefia 1:13.)

Asao ny mpianatra mba handalina amim-pahanginana ny 2 Nefia 1:14–18. Hazavao fa nanome torohevitra tamin-katsaram-panahy sy tamim-pitiavana i Lehia ary niaraka tamin’ny fiahiahiana lehibe (“fitaintainana”) mikasika izay mahasoa ny zanany. Angataho ny mpianatra mba hikaroka ireo antony nanirian’i Lehia mafy ny mba hitandreman’ny fianakaviany ireo didin’ny Tompo.

  • Nahoana i Lehia no niahiahy momba ny taranany? (Niahiahy mikasika ireo voka-dratsy hianjady amin’izy ireo izy noho ireo zavatra nataon’izy ireo, ary niriany ny mba hiainan’izy ireo ilay fitiavan’Andriamanitra toy ny efa niainany izany.)

Asaivo mamaky manokana indray ny 2 Nefia 1:15 ny mpianatra.

  • Inona no fitahiana azon’i Lehia noho ny fahatokiany?

  • Oviana ianao no nahatsapa ho nosakambinin’ny sandrim-pitiavan’Andriamanitra?

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Angataho ny mpianatra iray ao anatin’ny vondrona tsirairay ahitana olon-droa mba hikaroka ao anatin’ny 2 Nefia 1:19–22 ireo fampanantenana izay nanentana ny fanahin’ireo zanakalahin’i Lehia mba hibebaka. Angataho indray ilay mpianatra iray hafa ao anatin’ny vondrona tsirairay ahitana olon-droa mba hikaroka ao anatin’ireo andininy ireo ihany ireo vokany nolazain’i Lehia fa hitranga raha toa ka misafidy ny handà ny toroheviny ireo zanany lahy. (Azonao atao ny manoratra io asa ampanaovina io eny amin’ny solaitrabe.) Omeo telo na efatra minitra ny mpianatra mba hanatanterahany an’io asa ampanaovina io ary mba hifampizarany ny zavatra hitany. Azonao atao ny mandehandeha manerana ny efitrano fianarana rehefa manao tatitra izy ireo mba hahafahanao mitarika ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo.

Vakio mafy amin’ny mpianatra ny fanentanana nataon’i Lehia ao amin’ny 2 Nefia 1:23. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika an’io andinin-tsoratra masina io. Azonao atao koa ny mamporisika azy ireo hanoratra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahie ao an-dakilasy mikasika ny zavatra iray izay mety ilain’izy ireo ny manao azy mba “hifo[hazana]” na “[hanifihana] ny gadra” na “[hiarenana] avy eo amin’ny vovoka” mba hahafahan’izy ireo mahazo ireo fitahiana izay noresahin’i Lehia.

  • Inona no dikan’ny hoe “[mitafy] ny fiarovantenan’ny fahamarinana”? (Jereo koa ny F&F 27:15–18.)

2 Nefia 1:24–32

Nentanin’i Lehia ireo zanany lahy mba hanaraka ny fitarihan’i Nefia izay mifono faminaniana

Hazavao fa nampianatra mikasika ny loharano iray ahazoana hery sy fanentanam-panahy izay nomen’ny Tompo ny fianakaviany i Lehia. Asao ireo mpianatra mba hitady izany loharano izany ao amin’ny 2 Nefia 1:24. (I Nefia izany loharano izany izay lasa mpaminanin’izy ireo taorian’ny nahafatesan’i Lehia.)

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 1:25–28. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo antony tokony hanarahana an’i Nefia izay nomen’i Lehia ny olony.

  • Inona avy ireo toetra tsara namafisin’i Lehia rehefa niresaka momba ny fitarihan’i Nefia izy? Nahoana ianao no hatoky mpitarika iray izay manana ireo toetra tsara ireo?

  • Oviana ianao no nahita mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay naneho ireo toetra tsara ireo?

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 1:30–32. Angataho izy ireo mba hikaroka ireo fampanantenana izay nomen’i Lehia an’i Zôrama.

  • Inona avy ireo fampanantenana hitanao?

  • Ahoana no mety ho fiantefan’ireo fampanantenana ireo amintsika sy ny fianakaviantsika rehefa manaraka ny mpaminany isika?

Aorian’izany fifanakalozan-kevitra izany dia ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa rehefa manaraka an’ireo izay nantsoin’Andriamanitra mba hitarika antsika isika dia hahazo firoboroboana sy fiarovana ara-panahy. Mba hanohanana izany fitsipika izany dia zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitahiana izay tonga rehefa manaraka ireo mpitarika antsika ao amin’ny Fiangonana isika.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

(2 Nefia 1:4.) “Fandringanana mandrakizay”

Miresaka momba ny “fandringanana mandrakizain’ny fanahy sy ny vatana” i Lehia ao amin’ny 2 Nefia 1:22. Mety hanampy anao hanazava ny teny nambaran’i Lehia ity teny manaraka nambaran’i Joseph Fielding Smith ity:

“Ny fandringanana dia tsy midika hoe famotehana. Fantatsika, satria nampianarina izany isika ao anatin’ireo fanambaran’ny Tompo, fa tsy afaka ny hopotehina izany ny fanahy.

Ny fanahy teraka rehetra eto amin’ity izao tontolo izao ity dia hahazo ny fitsanganana amin’ny maty sy ny tsy fahafatesana ary haharitra mandrakizay. Noho izany ny fandringanana dia tsy midika hoe famotehana. Raha niteny ny Tompo hoe horinganina izy ireo, dia hoesorina tsy ho eo anatrehany no tiany holazaina sy tsy hanana hazavana sy fahamarinana ary tsy hanana ilay tombontsoa hahazo ny fiainana mandrakizay, ary dia izany no atao hoe “fandringanana” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky 3. [1954–56], 2:227–28).

2 Nefia 4:28 “Ary raha mety mihaino ny feon’i Nefia ianareo dia tsy ho faty”

Nampanantena i Lehia fa ireo izay “mihaino ny feon’i Nefia” dia ho voatahy (jereo ny 2 Nefia 1:28). Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:5–6 mba hamakiana mikasika ireo fampanantenana nataon’ny Tompo tamin’ireo izay manaraka ireo mpaminany velona amin’izao androntsika izao.

Nilaza ny Filoha Wilford Woodruff hoe: “Manantena aho fa ho afaka ny hanaraka ilay lalana napetrak’ireo mpanompon’ny Tompo ho antsika isika, satria raha manao izany isika dia fantatro fa ho voaro eto amin’ity izao tontolo izao ity ary hahazo fahasambarana sy fisandratana any amin’ilay tontolo ho avy. … Hitarika antsika eo amin’ny lalan’ny fiainana izy ireo raha mahatoky isika, ary raha manana finoana ao amin’ny torolalana omeny isika sy ao amin’ireo fampianaran’ny Fanahy Masina avy amin’ny alalan’izy ireo, dia ho voaro foana eny an-dalana ary hanana antoka fa hahazo ny valisoantsika” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Wilford Woodruff [2004], 199).

Hamoaka printy