Tahirim-pitaovana
Lesona 26: 2 Nefia 4


Lesona 26

2 Nefia 4

Fampidirana

Taorian’ny nahafatesan’i Lehia dia lasa tezitra tamin’i Nefia i Lamàna sy i Lemoela “noho ny fananaran’ny Tompo” izay nolazain’i Nefia tamin’izy ireo (jereo ny 2 Nefia 4:13–14). Noraketin’i Nefia tao anatin’ny fiteny mazava sy miendrika tononkalo ny zavatra tsapany rehefa sahiran-tsaina tamin’ny toetra sy ny fihetsik’ireo rahalahiny ary tamin’ny fahalemeny sy ny fahotany manokana izy. Nambarany ny fitiavany ny soratra masina sy ny fankasitrahany an’ireo fitahiana sy hery izay noraisiny avy amin’ny Tompo (jereo ny 2 Nefia 4:15–35).

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 4:1–11

Nanoro hevitra sy nitsodrano ny fianakaviany i Lehia

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana:

Raha toa ianao ka dadabe mahatoky ary tsy miaina araka ny fitsipiky ny filazantsara ny zanakao, dia inona no torohevitra azonao omena ny zafikelinao?

Atombohy amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra hamaly ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe izany. Rehefa avy namaly ny mpianatra dia anontanio hoe:

  • Inona no andraikitry ny ray aman-dreny sy ny ray aman-drenibe eo amin’ny fampianarana sy fanoroana hevitra ny zanany sy ny zafikeliny?

Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny mamaky na mangataka mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka ity:

“Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo, ary ny hampianatra azy mba hifankatia sy hifanompo, sy hitandrina ny didin’Andriamanitra ary ho olom-pirenena vanona na aiza na aiza hitoerany. Ny mpivady—ireo reny sy ireo ray—dia raisina ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fanatanterahana izany didy izany. … Ireo havana dia tokony hanome fanampiana raha ilaina.” (“Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Ensign, Nôv. 2010, 129).

Ampahafantaro ny 2 Nefia 4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa talohan’ny nahafatesan’i Lehia dia nanoro hevitra ny taranany izy mba hitandrina ny didy. Asao ny mpianatra hamaky ny 2 Nefia 4:3–11, ka hamantatra izay olona nampianarin’i Lehia sy ny torohevitra nomeny azy ireo.

  • Iza no nampianarin’i Lehia? (Jereo ny 2 Nefia 4:3, 8, 10–11.)

  • Inona no fampanantenana nomen’i Lehia ny zanak’i Lamàna sy i Lemoela? (Jereo ny 2 Nefia 4:7, 9.)

  • Raha mifototra amin’ny 2 Nefia 4:5 dia inona no holazainao hoe andraikitra nomen’ny Tompo ny ray aman-dreny? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra hamaliana ity fanontaniana ity, saingy ataovy izay ahatakaran’izy ireo fa manana andraikitra avy amin’Andriamanitra ny ray aman-dreny mba hampianatra ny zanany ny filazantsara.)

  • Inona avy ireo fahamarinana sasany izay nianaranareo avy amin’ny ray aman-dreninareo sy ny ray aman-drenibenareo?

Amporisiho ny mpianatra mba ho mason-drojo matanjaka ao amin’ilay rojon’ny fianakaviany—mba hiaina ny filazantsara sy hiomana ny ho ray aman-dreny marin-toetra. Azonao atao ny mampiseho ilay sary mitondra ny lohateny hoe “Be a Strong Link” (jereo ny http://lds.org/liahona/2003/09/poster?lang=eng).

2 Nefia 4:12–35

Niaiky ireo fahalemeny i Nefia ary naneho ny fahatokiany ny Tompo

Soraty eo amin’ny solaitrabe hoe Ny fanahiko dia finaritra amin’ny …

Angataho ny mpianatra mba hanoratra io andian-teny io ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny any am-pianarana ary hitanisa ireo zavatra izay mahafinaritra ny fanahiny.

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 4:15–16 mba hahafantarana ny fomba namenoan’i Nefia io andian-teny io.

  • Inona avy ireo zavatra sasantsasany azontsika atao raha toa ka finaritra amin’ny soratra masina ny fanahintsika?

  • Midika inona aminao ny hoe finaritra amin’ny zavatry ny Tompo?

  • Nilaza i Nefia fa nisaintsaina ny zavatra hitany sy reny izy. Midika inona aminao izany?

Hamafiso fa niaina fifaliana lehibe i Nefia teo amin’ny fiainany. Kanefa tratran’ny fahasarotana koa izy. Asaivo vakian’ny mpianatra amim-pahanginana ny 2 Nefia 4:12–13 mba hahitana ny sasany amin’ireo olana natrehin’i Nefia tamin’io fotoana teo amin’ny fiainany io. (Ny fahafatesan’i Lehia, ny hatezeran’i Lamàna sy i Lemoela ary ireo zanakalahin’i Isimaela.)

Ny ankamaroan’ireo fitsapan’i Nefia dia vokatry ny fihetsika sy toetran’ireo zokiny lahy. Saingy nahatsapa alahelo koa i Nefia noho ny fahalemeny manokana. Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Malahelo ny foko noho ny …

Asao ny mpianatra hamaky ny 2 Nefia 4:17–18 ary hitady ireo antony nahatonga an’i Nefia hahatsapa alahelo.

Rehefa nanana fotoana namakiana ireo andininy ireo ny mpianatra dia anontanio azy ireo izay zavatra hitany.

  • Inona avy ireo olana sasantsasany mpahazo antsika? (Mety ho valin’izany ny hoe olana ao an-trano, fisarihan’ny namana, fianarana sarotra ary fakam-panahy.)

Asaivo vakian’ny mpianatra ny 2 Nefia 4:19. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hanisy marika ilay hoe “Kanefa, fantatro izay efa nitokiako.” Lazao fa ny tenin’i Nefia nifono alahelo dia niova teny feno fanantenana ao amin’ny 2 Nefia 4:19.

  • Inona no tian’i Nefia holazaina araka ny eritreritrao rehefa niteny izy hoe “Fantatro izay efa nitokiako”?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ny Tompo sy ny hatsarany manampy antsika mandritra ny fotoam-pahakiviana?

Vakio mafy ny 2 Nefia 4:20–25. Angataho ny mpianatra mba hanaraka ao anatin’ny soratra masiny. Asao izy ireo mba hikaroka teny sy andian-teny izay maneho hoe Manohana an’ireo izay matoky Azy Andriamanitra.

  • Inona ireo teny na andian-teny ao amin’ny 2 Nefia 4:20–25 izay hitanao fa manan-danja? Nahoana?

  • Mieritrereta fotoana iray izay nanohanan’ny Tompo anao na nanampiany anao tao anatin’ny fahasarotana. Tamin’ ny fomba ahoana no nanampian’ izany anareo? Inona no fiantraikan’izany zavatra niainana izany teo aminao?

Mety hanampy ny fanomezana ny mpianatra fotoana hieritreretana mikasika ny zavatra niainana toy izany ary hiraketana azy ireny ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Mety hahazo tombontsoa koa ny mpianatra rehefa miresaka momba ny fotoana iray nanohanan’Andriamanitra anao ianao.

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fahafahan’i Nefia nahatsiaro sy nankasitraka ny zavatra nataon’ny Tompo taminy taloha dia nanome fanantenana azy ary namporisika azy ho lasa tsara kokoa. Ampio ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 4:26–30, ary hitady ny fiantraikan’ireo zavatra niainan’i Nefia teo amin’ny faniriany ho marin-toetra. Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra hitany.

Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky ny 2 Nefia 4:30–35. Asaivo tadiavin’ny mpianatra rehetra ny fanoloran-tena nataon’i Nefia tamin’ny Tompo sy ny fitahiana nangatahiny.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’io vavaka io izay afaka manampy antsika ao anatin’ny vavaka manokana ataontsika? (Mety hampiasa teny samihafa ny mpianatra mba hamaliana izany fanontaniana izany, saingy ataovy izay hahatakarany fa afaka mampatanjaka ny fanoloran-tenantsika handresy ny fahotana sy hakiviana ny vavaka atao amin-kitsimpo.)

Asao ny mpianatra mba hieritreritra mikasika ny fotoana iray izay nanampian’ny vavaka azy ireo handresy ny fahotana na hakiviana. Azonao toroana hevitra izy ireo mba hizara ireo zavatra niainany na hirakitra izany ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.

Omeo fotoana fohy ny mpianatra mba hitady andininy ao amin’ny 2 Nefia 4 izay maneho ny faniriana iray ananan’izy ireo. Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia vakio ity teny manaraka nambaran’ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity izay mikasika ny fomba ahafahan’ny vavaka mikolokolo ny fivoarana ara-panahy:

“Mety misy zavatra eo amin’ny toetrantsika na ny fitondrantenantsika na mikasika ny fivoarantsika ara-panahy izay ilantsika torohevitra amin’ny Ray any an-danitra ao anatin’ny vavaka ataontsika. Aorian’ny fanehoana fisaorana araka ny tokony ho izy noho ireo fitahiana azo dia mangataka isika mba hanana fahatakaran-tsaina sy hahazo torolalana ary fanampiana hanaovana ireo zavatra izay tsy vitantsika amin’ny herintsika irery. Ohatra, rehefa mivavaka isika dia afaka:

“• Mieritreritra ireo fotoana izay nanaovantsika teny henjana sy tsy mendrika tamin’ireo olona tena tiantsika.

“• Miaiky fa mahafantatra zavatra tsara kokoa isika saingy tsy manao foana ilay zavatra mifanaraka amin’ny zavatra fantatsika.

“• Maneho nenina noho ireo fahalementsika sy noho ny tsy fanesorana amim-pahavitrihana bebe kokoa ny maha olona araka ny nofo.

“• Manapa-kevitra ny handamina tanteraka ny fiainana araka ny lalan’ny Mpamonjy.

“• Mangataka hery lehibe kokoa mba hanaovana zavatra tsara kokoa sy mba ho lasa tsara kokoa” (“Pray Always,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 41).

Farano izany amin’ny alalan’ny firesahana an’ireo andian-teny izay nosoratanao teny amin’ny solaitrabe tany am-piandohan’ny lesona (“Ny fanahiko dia finaritra amin’ny …” ary “Malahelo ny foko noho ny …”). Zarao ny fanananao fahatokiana fa na dia miatrika toe-javatra sarotra aza isika dia afaka miaina fifaliana sy fiadanana rehefa mikatsaka ny fanampian’ny Tompo.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Fanamarihana: Ny halavan’ity lesona ity dia mety hananana fotoana hanaovana ity famerenana ny soratra masina fehezina manaraka ity. Azonao atao ny manao ilay asa any am-piantombohan’ny fotoam-pianarana, na ho toy ny fanelanelanana kely ny fizarana anankiroa ao anatin’ny lesona, na any amin’ny faran’ny fotoam-pianarana. Ataovy izay hahafohy izany mba hananana fotoana hanaovana ny lesona. Jereo ny torolalana fanampiny any amin’ny faran’ity boky ity mikasika ireo fanaovana zavatra hafa hanaovana famerenana.

Ny fametraham-panontaniana miendrika kilalao dia afaka manampy ny mpianatra hahatsiaro ny zavatra nianarany sy handrefy ny fahalalany. Mifidiana soratra masina fehezina vitsivitsy vaovao ary asao ny mpianatra hamaky sy hanisy marika azy ireo ao amin’ny soratra masiny. Dia hametraho fanontaniana am-bava mikasika ireo andinin-tsoratra masina ireo sy ireo andinin-tsoratra masina fehezina hafa izay efa hainy izy ireo. Mamakia teny na andian-teny manan-danja iray avy ao amin’ny fanamariham-pejy ho an’ny seminera ho an’ny soratra masina tsirairay. Dia angataho avy eo ny mpianatra mba hitady ilay andinin-tsoratra masiny feno ao anatin’ny soratra masiny.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 4:16–35. Mandresy ny fahotantsika sy ny fahalementsika

Rehefa nandalina ny fitalahoan’i Nefia mafy tamin’ny Tompo isika mba handreseny ny fahotany sy ny fahalemeny, dia hitantsika fa afaka manatona ny Tompo isika mba hahazo fanampiana toy izany. Hita ao anatin’ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany ireo tenin’i Nefia.

Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith hoe:

“Rehefa manakaiky kokoa ny fahalavorariana ny olona iray, dia hazava kokoa ny heviny ary ho lehibe kokoa ny fifaliany mandra-pandresiny ny zava-dratsin’ny fiainana sy mandra-pamoizany ilay faniriana rehetra hanota” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 210–11).

Ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay azontsika rehefa mibebaka isika:

“Nahoana no nodidian’ny Raintsika any an-danitra sy ny Zanany hibebaka isika? Satria tia antsika izy ireo. Fantatr’izy ireo fa handika ireo lalàna mandrakizay isika rehetra. Na lehibe ny fahotana na kely dia takian’ny fahamarinana ny hanomezana fahafaham-po ny lalàna nodikaina rehetra mba hitazonana ilay fampanantenana fifaliana eto amin’ity fiainana ity sy ny fahafahana hiverina any amin’ny Ray any An-danitra. Raha tsy omena fahafaham-po ny fahamarinana dia hanao izay handroahana antsika tsy ho eo anatrehan’ Andriamanitra fa ho eo ambany fifehezan’i Satana izany amin’ny Andro Fitsarana [jereo ny 2 Nefia 9:8–10; 2 Nefia 2:5].

“Ilay Mpampianatra antsika sy ny asany mitondra fanavotana no manao izay ahafahantsika misoroka ny fanamelohana toy izany. Tanteraka amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fankatoavana ny didiny ary ny faharetana ao anatin’ny fahamarinana hatramin’ny farany izany.

“Moa ve ianao eo amin’ny fiainanao migoka tanteraka ny tombontsoa avy amin’ilay herin’ny fibebahana izay mitondra fanavotana mba hahafahanao mahazo fiadanana sy fifaliana lehibe kokoa? Ireo fahatsapana fikorontanana sy hakiviana matetika dia mariky ny filana fibebahana. Ny tsy fisian’ny fitarihana ara-panahy izay katsahinao eo amin’ny fiainana koa dia mety vokatry ny fandikan-dalàna. Ny fibebahana feno rehefa ilaina no handamina ny fiainanao. Hanasitrana ireo fanaintainana ara-panahy sarotra rehetra avy amin’ny fandikan-dalàna izany. Saingy tsy afaka ny hitsabo ny vokany ara-batana sasantsasany izay mety hiseho avy amin’ny fahotana mamohehatra izany. Aoka ianao ho hendry ary mipetraha tsara foana ao anatin’ny faritry ny fahamarinana izay nofaritan’ny Tompo” (“The Path to Peace and Joy,” Ensign, Nôv. 2000, 25).

Hamoaka printy