Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano Fizarana 5


Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

1 Nefia 202 Nefia 3 (Fizarana 5)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana ireo fotopampianarana sy fitsipika manaraka ity izay nianaran’ny mpianatra rehefa nandalina ny 1 Nefia 20 ka hatramin’ny 2 Nefia 3 (fizarana 5) izy ireo dia tsy natao ho ampianarina ao anatin’ny lesonao. Ny lesona ampianarinao ho an’ny fizarana 5 dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ny sasantsasany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo fotsiny. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Andro 1 (1 Nefia 20–22)

Rehefa nitatitra ny sasany tamin’ireo faminanian’i Isaia tamin’ny rahalahiny i Nefia dia nianatra ny mpianatra fa ny Tompo dia manasa an’ireo izay tsy nankatò mba hibebaka sy hiverina any Aminy. Mampiseho amintsika izany fa tia antsika ny Tompo ary tsy hanadino antsika velively. Nianatra koa ny mpianatra fa na dia haely aza i Isiraely noho ny tsy fankatoavany, dia nampanantena ny Tompo fa hamerina amin’ny laoniny ny filazantsara Izy ary hanangona an’i Isiraely amin’ny andro farany.

Andro 2 (2 Nefia 1)

Nandalina ireo fampianarana farany nomen’i Lehia ny fianakaviany talohan’ny nahafatesany ny mpianatra. Nohamafisin’i Lehia fa mitahy antsika ny Tompo rehefa mitandrina ny didiny isika ary hazoniny ireo fitahiana rehefa tsy mitandrina ny didiny isika. namporisihin’i Lehia ny fianakaviany mba hanaraka an’i Nefia rehefa fantany fa tsy ho ela izy dia ho faty. Hitan’ny mpianatra fa rehefa manaraka an’ireo izay nantsoin’Andriamanitra mba hitarika antsika isika, dia mahazo firoboroboana sy fiarovana ara-panahy.

Andro 3 (2 Nefia 2)

Nanazava fahamarinana lehibe roa tamin’i Jakôba zanakalahiny i Lehia, dia ny hoe: (1) anisan’ny lafiny manan-danja ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ary (2) manavotra antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana sy manolotra famonjena amin’ny fahotantsika i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Nohazavain’i Lehia fa noho ny vokatry ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana dia afaka ny olona na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay na ny fahababoana sy ny fahafatesana (jereo ny 2 Nefia 2 :27).

Andro 4 (2 Nefia 3)

Rehefa niresaka tamin’i Josefa zanany lahy i Lehia dia nitantara ny faminaniana nataon’i Josefa tany Egypta izay hita teo amin’ny takela-barahina. Io faminaniana io dia nilaza mialoha fa nanangana ny Mpaminany Joseph Smith ny Tompo mba hitondra ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara. Nangatahana ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny maha manan-danja lehibe ny anjara biriky nentin’ny Mpaminany Joseph Smith ho azy ireo.

Fampidirana

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ireo tanjon’Andriamanitra mandrakizay. Fantatr’i Lehia fa tsy ho afaka ny hanao ireo safidy izay hitondra azy ireo any amin’ny fifaliana sy fahafahana ary fiainana mandrakizay ny taranany raha tsy takany sy inoany ireo fotopampianarana manan-danja —toy ny Fahalavoana, Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ny fahafahana misafidy ary ny fankatoavana (jereo ny 2 Nefia 2:25, 27). Amporisiho ny mpianatra mba hisafidy ny fiainana mandrakizay mba hahafahan’izy ireo any amin’ny farany “ho sakambinina mandrakizay amin’ireo sandrim-pitiavan’ [Andriamanitra]” (2 Nefia1:15), toa an’i Lehia.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 1–2

Namporisika ny zanany i Lehia talohan’ny nahafatesany mba hitandrina ny didin’Andriamanitra ary hampianatra ireo fotopampianarana lehibe ao amin’ny drafitry ny famonjena

Atombohy amin’ny alalan’ny fangatahana ny ankizy hamaky ilay fehezanteny farany ao amin’ny 2 Nefia 3:25 izany (“Tsarovy ny tenin’ity rainao efa miala aina”). Anontanio azy ireo hoe ahoana no mety hiovan’ny fampifantohan’izy ireo ny sainy amin’ny torohevitry ny mpikambana iray ao amin’ny fianakaviany raha fantatr’izy ireo fa akaiky ho faty izany olona izany.

Ity asa atao manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny hafatra izay nohamafisin’i Lehia tao anatin’ny teniny farany ho an’ny fianakaviany. Hanampy azy ireo koa izany hifampizara hoe ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy azy ireo hanaraka ny drafitry ny Ray any an-danitra ho an’ny famonjena azy ireo.

  1. Zarao amin’ny mpianatra tsirairay na mpiara-miasa ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto: 2 Nefia 1:16–20; 2 Nefia 2:6–10; 2 Nefia 2:19–20, 22–25; sy 2 Nefia 2:11–13, 27–29. (Raha toa ka latsaky ny efatra ny mpianatra ao aminao dia azonao amboarina ity asa atao ity amin’ny alalan’ny fanomezanao andian-tsoratra masina mihoatra ny iray an’ireo mpianatra na amin’ny alalan’ny fisafidianana andian-tsoratra masina vitsivitsy mba hifanakalozana hevitra.)

  2. Rehefa mandalina ireo andian-tsoratra masina ireo ny mpianatra dia asaivo valian’izy ireo ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto. (Azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe.)

    1. Inona ireo fahamarinana lehibe nampianarin’i Lehia?

    2. Nahoana no zava-dehibe ho an’izay mahasoa antsika mandrakizay ireo fahamarinana manan-danja ireo?

  3. Aorian’ny fanomezana fotoana ny mpianatra mba hamitana ireo asa ampanaovina ireo dia asao ny mpianatra tsirairay na ny mpiara-miasa mba hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo. Mamporisiha mpianatra faran’izay betsaka mba hizara ny zavatra hitan’izy ireo sy ny antony maha manan-danja izany ho azy ireo.

Aorian’ilay asa atao dia soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Lafiny iray manan-danja ao amin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva.

Zarao ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Fielding Smith ity:

“Tsy nanao afa-tsy izay tokony nataony i Adama. Nihinana tamin’ilay voakanzo izy noho ny antony tsara iray dia ny mba hanokafana ilay varavarana hitondrana ahy sy ianao ary ny olona tsirairay ho eto amin’ity izao tontolo izao ity. …

“… Raha tsy nanao izany i Adama, dia tsy ho tonga teto aho, tsy ho tonga teto ianao ary ho fanahy niandry tany an-danitra isika” (ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1967, 121–22).

Apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo vokatra sasantsasany nateraky ny Fahalavoana izay nofaritan’i Lehia ao amin’ny 2 Nefia 2:21–24?

  • Ahoana no fomba hanaovan’ireo vokany ireo izay hivoarantsika araka ny drafitry ny Ray any an-danitra ho an’ny famonjena antsika?

Ampio an’ity fahamarinana manaraka ity eny amin’ny solaitrabe: Manavotra antsika amin’ny Fahalavoana sy manolotra famonjena noho ny fahotantsika i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra lalina kokoa izany fahamarinana izany dia asaivo vakian’ny mpianatra iray mafy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Ilay Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay fihetsika maneho fitiavana madio dia nandresy ny vokatry ny Fahalavoana sy nanome fomba hiverenana eo anatrehan’Andriamanitra ho an’ny olona rehetra. Tafiditra ao anatin’ny Sorompanavotana ny nandresen’ny Mpamonjy ny fahafatesan’ny vatana sy nanomezany ny tsy fahafatesana ho an’ny zanak’Andriamanitra tsirairay rehetra amin’ny alalan’ny Fitsanganana amin’ny maty. Nandresy ny fahafatesan’ny vatana koa izy ary nanome fahafahana ahazoana ilay fiainana mandrakizay, izay fiainana iainan’Andriamanitra ary fanomezana lehibe indrindra amin’ireo fanomezan’Andriamanitra” (“Christians in Belief and Action,” Ensign, Nôv. 1996, 71).

Anontanio ny mpianatra hoe: Inona avy ireo fitahiana sasantsasany avy amin’ny Sorompanavotana?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny safidy malalaka ao amin’ny drafitry ny Ray any an-danitra, dia vakio ity teny manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Tsy ho nisy ilay tena fiainana raha toa ka tsy nisy ny safidy sy ny fahafahantsika misafidy ary ny fifanoherana. … Izany dia toe-javatra iray ahitana hoe sady tsy afaka hivoatra ara-panahy isika no tsy afaka ho tena faly raha tsy mampiasa na mandra-pampiasantsika amim-pahendrena ny fahafahantsika misafidy” (One More Strain of Praise [1999], 80).

Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Isika dia afaka hifidy fahafahana sy fiainana mandrakizay na fahababoana sy fahafatesana.

Asaivo mankany amin’ny asa ampanaovina 4 eo ambanin’ny andro 3 ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Asao ny sasantsasany amin’izy ireo mba hanazava ny zavatra nianarany mikasika ny fahafahana misafidy avy ao amin’ny 2 Nefia 2:26–29.

Vakio mafy ity teny manaraka nataon’ny Mpaminany Joseph Smith ity:

“Tsy hoe tokony hanao zavatra sasantsasany fotsiny isika mba hahazoana famonjena fa tokony hanao ny zavatra rehetra nodidian’Andriamanitra” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 161).

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fankatoavana dia azonao apetraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no nohamafisin’i Lehia ny fankatoavana tao anatin’ny torohevitra farany nomeny ny fianakaviany talohan’ny nahafatesany?

  • Inona no zavatra niainanao izay nanampy anao hahafantatra fa mitahy antsika ny Tompo rehefa mitandrina ny didiny isika ary hazoniny ireo fitahiana rehefa tsy mitandrina ny didiny isika? (Ampidiro ao anatin’ilay lisitra eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Hamaranana ity lesona ity dia vakio ity teny manaraka nataon’ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Fanafody mahery vaika ara-panahy ny fankatoavana. Saika mahasitrana ny zava-drehetra izany” (“Balm of Gilead,” Ensign, Nôv. 1987, 18).

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fitiavan’Andriamanitra ny mpianatrao ary ny faniriany hanampy azy ireo handresy ny vokatry ny Fahalavoana sy hahazo ny fiainana mandrakizay.

Fizarana Manaraka (2 Nefia 4–10)

Nikasa ny hanaisotra ny ain’i Nefia indray i Lamàna sy i Lemoela taorian’ny nahafatesan’i Lehia. Inona no fampitandremana nomen’ny Tompo ka nanavotra ny ain’i Nefia? Inona koa no hitranga amin’ny vatantsika sy ny fanahintsika raha toa ka tsy nisy ny Sorompanavotana? Hahita ny valin’izany fanontaniana izany ao amin’ny 2 Nefia 9:7–9 ny mpianatra.

Hamoaka printy