Tahirim-pitaovana
Lesona 42: 2 Nefia 33


Lesona 42

2 Nefia 33

Fampidirana

Ny rakitsoratr’i Nefia dia nofaranany tamin’ny alalan’ny fanambarana fa ireo teny nosoratany dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mandresy lahatra ny olona hanao ny tsara sy haharitra hatramin’ny farany. Nilaza izy fa na dia nosoratany “tamin’ny fahalemena,” aza ny teniny dia “misy lanjany lehibe” izany ary “hatanjahina” ho an’ireo izay hamaky azy (jereo ny 2 Nefia 33:3–4). Nijoro ho vavolombelona izy fa ny teniny dia “tenin’i Kristy” ary ny olona dia ho tompon’andraikitra amin’ny fandraisany azy ireo (jereo ny 2 Nefia 33:10–15).

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 33:1–2

Nampianatra mikasika ny herin’ny Fanahy Masina izay mitondra ny fahamarinana mankany am-pontsika i Nefia

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity sary manaraka ity:

Sary
Heart
  • Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny hafatra izay mankany amin’ny fon’ny olona iray sy ny hafatra izay mankao amin’ny fon’ny olona iray?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 33:1. Dia angataho ny mpianatra mba hisaintsaina amim-pahanginana ity fanontaniana manaraka ity.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fitondran’ny Fanahy Masina ny fahamarinana mankany amin’ny fontsika fa tsy hoe mankao amin’ny fontsika?

Rehefa misaintsaina io fanontaniana io ny mpianatra dia vakio mafy ity teny nambara manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Hazavao fa miresaka momba ny 2 Nefia 33:1 ny Loholona Bednar ao anatin’izany teny nambarany izany.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mba diniho ilay hoe entin’ny herin’ny Fanahy mankany amin’ny fo ilay hafatra fa tsy voatery hoe mankao amin’ny fo. Ny mpampianatra iray dia afaka manazava, mampiseho, mandresy lahatra sy mijoro ho vavolombelona ary manao izany miaraka amin’ny hery ara-panahy lehibe sy amim-pahombiazana. Amin’ny farany anefa, ilay votoatin’ny hafatra sy ny fijoroana ho vavolombelon’ny Fanahy Masina dia tsy hiditra ao am-po raha tsy avelan’ilay mpandray hiditra” (“Seek Learning by Faith” [address to CES religious educators, Feb. 3, 2006], 1, si.lds.org).

Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ity teny izay nambaran’ny Loholona Gerald N. Lund ao amin’ny Fitopololahy ity:

“Nahoana no hoe mankany amin’ny fo fotsiny? Tena masina ny fahafahan’ny tena manokana misafidy ka tsy hanery velively ny fon’olombelona ny Ray any an-danitra na dia miaraka amin’ny heriny tsy manam-petra rehetra aza. … Avelan’Andriamanitra ho mpiambina ny fontsika manokana isika. Tokony hanokatra amin-tsitrapo malalaka ny fontsika amin’ny Fanahy isika” (“Opening Our Hearts,” Ensign na Liahona, Mey 2008, 33).

  • Inona no mamaritra hoe niditra ao am-pon’ny olona iray ilay hafatra?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa nisy hafatry ny filazantsara niditra tao am-ponao? Maneho inona mikasika ny fonao izany tamin’izay fotoana izay?

Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 33:2 ka hitady ny fihetsika asehon’ny olona eo anatrehan’ny Fanahy Masina rehefa manamafy ny fony izy ireo.

  • Inona avy ireo fihetsika sy toetra asehon’ny olona mafy fo?

  • Inona ny hafatra ao amin’ny 2 Nefia 33:2? (Mety hamaly ny mpianatra hoe na isika mifidy ny hanokatra ny fontsika handray ny fitaoman’ny Fanahy Masina na hanidy izany. Ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa rehefa manokatra ny fontsika isika dia afaka miditra ao am-pontsika ireo hafatra avy amin’ny Fanahy Masina.)

Alohan’ny hanohizana ny lesona dia omena fotoana kely ny mpianatra mba handinihany amim-pahanginana ny toe-pony ary hamantarany raha toa ka mamela ireo hafatry ny fahamarinana hiditra ao am-pony izy ireo.

2 Nefia 33:3–15

Nanazava ny tanjon’ny rakitsorany i Nefia ary ny fanantenany mba hinoan’ireo mpamaky azy an’i Kristy

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto manaraka ireto:

2 Nefia 33:3—Mivavaka lalandava ho … aho

2 Nefia 33:4—Fantatro …

2 Nefia 33:6—Mirehareha …

2 Nefia 33:7—Manana …

Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 33:3–7 ka hitady ireo fampanantenan’i Nefia ho an’ireo izay hamaky ny teniny. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba handeha ho eny amin’ny solaitrabe ary hameno ireo fehezanteny amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana na ny tenin’i Nefia. (Ny sasany amin’ireo andian-teny eo amin’ny solaitrabe dia mitondra any amin’ny valiny mihoatra ny anankiray.)

  • Ahoana no ahafahantsika manamafy orina ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany?

Asaivo mifandimby mamaky mafy ny 2 Nefia 33:10–14 ny mpianatra dimy. Angataho ny mpianatra mba hanaraka izany ka hitady ireo andian-teny ao anatin’ny fanaovam-beloman’i Nefia izay manan-danja amin’izy ireo. Afaka manoro hevitra ny mpianatra ianao mba hanisy marika ireo andian-teny ireo.

  • Inona avy ireo andian-teny izay manan-danja aminao? Nahoana?

  • Raha toa ka mino an’i Kristy ny olona dia inona no ho tsapany mikasika ny Bokin’i Môrmôna? (Jereo ny 2 Nefia 33:10.)

  • Inona no nampitandreman’i Nefia fa hitranga amin’ireo izay mandà ny teniny? (Rehefa mamaly io fanontaniana io ny mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo ny mba hieritreretany koa ny zavatra ho tsapany eo anatrehan’ny Tompo raha toa ka nino sy nanaraka ny tenin’i Nefia sy ireo mpaminany hafa izy ireo.)

Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 33:15 sy hisaintsaina mikasika ilay teny faran’i Nefia hoe: “Tsy maintsy mankatò aho.” Dia omeo minitra vitsy izy ireo mba hamerenany hijery ao anatin’ny 1 sy 2 Nefia ireo ohatra maneho ny fankatoavan’i Nefia. Aorian’ny minitra vitsivitsy dia angataho ny mpianatra mba hizara ny zavatra hitany. Mety ahitana ireto ny valiny: ny fandaozana an’i Jerosalema, ny fiverenana tany Jerosalema mba haka ireo takelaka metaly, ny fiverenana indray tany Jerosalema mba hangataka ny fianakavian’i Ismaela mba hiaraka amin’izy ireo, ny fihazonana takelaka roa, ny fanarahana ny fitarihan’ny Liahôna, ny fanorenana sambo, ny fanaovana dia nankany amin’ny tany nampanantenaina, ny fisarahana tamin’i Lamàna sy i Lemoela, ny fitarihana ny olony ao anatin’ny fahamarinana. Rehefa manome ohatra ny mpianatra dia azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe izany.

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: Izaho dia tokony …

Asao ny mpianatra mba hameno io fehezanteny io ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy. Asehoy ny fahatokianao fa afaka misafidy ny hankatò izy ireo. Zarao ny hevitrao mikasika ny fomba ahafahan’ireo tenin’i Nefia ireo manamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy ary mampitombo ny fahafahan’izy ireo manao ny tsara.

Fanavaona famerenana ny 2 Nefia

Maka fotoana fohy hanampiana ny mpianatra hanao famerenana ny 2 Nefia. Angataho izy ireo mba hieritreritra ny zavatra nianarany avy amin’io boky io tao anatin’ny seminera sy nandritra ny fandalinany manokana ny soratra masina. Raha ilaina dia amporisiho ny mpianatra hamaky haingana ny 2 Nefia mba hanampiana azy ireo hahatsiaro izany. Ampio izy ireo mba hizara zavatra avy amin’ny 2 Nefia zay nitaona azy ireo hanao ny tsara ary hanana finoana an’i Jesoa Kristy araka ny nolazain’i Nefia (jereo ny 2 Nefia 33:4). Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia angataho ny mpianatra maromaro mba hizara ny heviny sy ny zavatra tsapany.

Zarao ireto teny nambara manaraka ireto izay mikasika ny andraikitsika mba hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fitahiana izay tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa manatanteraka izany andraikitra izany isika:

Hoy ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Ho ahy dia tsy hisy mpikamban’ity Fiangonana ity ho afa-po na oviana na oviana raha tsy efa namerimberina namaky ny Bokin’i Môrmôna, ary nandinika izany lalina mba hahafahany mijoro ho vavolombelona fa tena rakitsoratra omban’ny fitarihan’ny Fanahin’Ilay Tsitoha tokoa izany, ary marina ny tantarany” (in Conference Report, Ôkt. 1961, 18).

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley fa raha toa ka mamaky ny Bokin’i Môrmôna ny mpikamban’ny Fiangonana dia “hiseho eo amin’ny fiaina[ny] sy ao an-tokantrano[ny] ny firotsahan’ny Fanahin’ny Tompo bebe kokoa sy ny fahavononana bebe kokoa hankatò ny didiny ary ny fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa mikasika ny fisian’ny Zanak’Andriamanitra marina” (“A Testimony Vibrant and True,” Ensign, Aog. 2005, 6).

Hamaranana ny lesona, dia azonao atao ny mizara zavatra niainana manokana ho fijoroana ho vavolombelona fa tanteraka teo amin’ny fiainanao ny tenin’i Nefia.

Hamoaka printy