Tahirim-pitaovana
Lesona 37: 2 Nefia 27


Lesona 37

2 Nefia 27

Fampidirana

Raha nampiasa matetika ny tenin’i Isaia i Nefia dia naminany izy fa “hanao asa iray mahatalanjona sy mahagaga ny Tompo” amin’ny andro farany. Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izany asa iray mahatalanjona izany. Ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna no ivon’ny faminanian’i Nefia. Nilaza mialoha i Nefia fa hisy vavolombelona hahita ny Bokin’i Môrmôna ary hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinany. Nijoro ho vavolombelona koa mikasika ny anjara asa lehiben’ny Bokin’i Môrmôna ao anatin’ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany izy—fa ho fanomezana mahagaga ho an’izao tontolo izao izany. (Fanamarihana: Ny 2 Nefia 27 dia tena mitovitovy amin’ny Isaia 29. Manome hevi-baovao tena manampy mba handalinana ireo toko roa ireo ny fanovozan-kevitra eny amin’ny ambanin’ny pejy ao amin’ny Isaia 29 ao amin’ny Baiboly navoakan’ny Olomasin’ny Andro Farany.)

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 27:1–5

Naminany i Nefia fa ho heniky ny faharatsiana ny tany amin’ny andro farany

Asehoy ireto zavatra manaraka ireto: ranomanitra manala fofona, fandiova-nify sy savony. Hazavao fa ireo zavatra tsirairay ireo dia natao hitondrana vahaolana ho an’ny olana iray. Angataho ny mpianatra mba hamantatra ny olana izay natao hovahan’ireo zavatra tsirairay ireo. (Azonao atao ny misafidy zavatra hafa izay azo raisina ho vahaolana ho an’ny olana manokana.)

Hazavao fa ny faminanian’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 27 dia miresaka mikasika ireo olana izay hisy amin’izao androntsika izao. Nampianatra izy fa ho tafintohina ara-panahy ny olona noho ny haratsian-toetrany ary hianjadian’ny fahajambana ara-panahy izy ireo sy handa ireo mpaminany. Naminany koa mikasika ny zavatra hataon’Andriamanitra i Nefia mba hamahana ireo olana ireo.

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hifandimby hamaky mafy ny 2 Nefia 27:1–5. Angataho ny mpianatra mba hitady teny sy fehezanteny izay mamaritra ireo olana sasan’ny andro farany. Angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ireo fehezanteny hitan’izy ireo. Azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra handinika ireo ffehezanteny ireo:

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mamon’ny heloka”?

  • Araka ny ao anatin’ny 2 Nefia 27:3, misy olona sasany amin’ny andro farany oharina amin’ny olona noana izay manofy mihinan-javatra na olona mangetaheta izay manofy misotro saingy taitra avy eo ary mahatsapa fa noana sy mangetaheta ny fanahiny. Inona no azontsika ianarana avy amin’izany? (Tsy manome fahafaham-po maharitra ny fihinanana na fisotroana zavatra ao anatin’ny nofy iray ary tsy mahatanteraka na inona na inona satria mitoetra ihany ny hanoanana sy ny hetaheta aorian’ilay nofy. Toy izany koa ireo izay “miady amin’ny Tendrombohitr’i Ziona” dia tsy hanana fahafaham-po maharitra ary tsy hahatanteraka zavatra manan-danja.)

  • Inona no dikan’ilay fehezanteny hoe “efa nakimpinareo ny masonareo” araka ny eritreritrao?

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ireo fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny 2 Nefia 27:1–5 dia asao izy ireo mba hamintina ny zavatra nianarany avy ao amin’ireo andininy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny. Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa olona maro no ho feno faharatsiana sy handà ny mpaminany amin’ny andro farany.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra izany faminaniana izany sy ny fahatanterahany?

2 Nefia 27:6–23

Naminany mikasika ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna i Nefia

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 27:6–7. Angataho izy ireo mba hitady zavatra izay homen’ny Tompo entina hamahana ireo olana ara-panahin’ny olona amin’ny andro farany.

  • Inona no homen’ny Tompo?

  • Inona no ho ao anatin’ilay boky?

  • Inona ilay boky lazain’ireto andinin-tsoratra masina ireto araka ny eritreritrao? (Mba hanampiana ny mpianatra hamaly io fanontaniana io dia azonao toroana hevitra izy ireo mba hamaky ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny 2 Nefia 27:6, ao amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy b. Azonao atao koa ny manazava fa ilay andian-teny hoe “ireo izay efa matory” dia ilazana ireo mpaminany efa nodimandry izay nanao rakitsoratra ka lasa ny Bokin’i Môrmôna.)

Mihazòna Bokin’i Môrmôna iray. Hazavao fa namoaka io boky io ny Tompo mba hamahana ireo olana amin’ny andro farany ary hitondrana hazavana ho an’ilay izao tontolo izao izay rakotry ny haizina. Nambaran’ny Tompo tamin’ireo mpaminany fahiny ny antsipiriany mikasika ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna. Noraketin’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 27 ny antsipirian’izany. Hazavao fa misy faminaniana mitovy amin’izany ao amin’ny Isaia 29. (Azonao atao ny manazava fa nisy olona sasany nanakiana ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny fanontaniana hoe nahoana no tsy milaza momba izany ny Baiboly. Hazavao fa ilay faminaniana ao amin’ny Isaia 29 dia mampiseho fa tena mijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna tokoa ny Baiboly.)

Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny 2 Nefia 27:12–14. Angataho ny mpianatra mba hitady ilay hoe iza no nolazain’i Nefia fa hahazo alalana hahita ilay boky.

  • Iza avy ireo vavolombelona telo izay navela hahita ny Bokin’i Môrmôna amin’ny alalan’ny “herin’Andriamanitra”? (I Oliver Cowdery, i David Whitmer, ary i Martin Harris. Jereo “Ny Tenivavolombelon’ny Vavolombelona Telo,” Bokin’i Môrmôna.)

Hazavao fa nilaza koa i Nefia hoe hisy olona hafa “vitsivitsy” havela hahita ilay boky.

  • Iza ireo vavolombelona hafa ireo araka ny eritreritrao? (Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra mikasika ireo vavolombelona valo fanampiny nahita ny Bokin’i Môrmôna. Jereo “Ny Tenivavolombelon’ny Vavolombelona Telo,” Bokin’i Môrmôna.)

Hazavao fa ny 2 Nefia 27:14 dia milaza hoe “hampiorina ny teniny” ny Tompo “eo am-bavan’ny vavolombelona maro araka izay heveriny ho mety.”

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Nefia holazaina rehefa nilaza izy fa vavolombelona no hampiorina ny teniny? (Ireo izay mandray sy manaiky ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Bokin’i Môrmôna dia hizara izany amin’ny hafa ary hijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinany.)

  • Mety ho iza ireo vavolombelona ireo?

  • Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ny anarany eny amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny 2 Nefia 27:14 mba hanampiana azy ireo hifaly fa afaka ny ho vavolombelon’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna koa izy ireo. Ahoana no ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana tsirairay, ary tafiditra ao anatin’izany ianao, mampiorina ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna?

  • Oviana ianao no nizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny hafa?

Mety efa namporisika ny mpianatra ianao tao anatin’ny lesona tany aloha tany mba hizara amin’olon-kafa ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna. Raha efa nanao izany ianao dia fantaro ny fivoaran’ny fanatanterahana izany asa ampanaovina izany amin’ny alalan’ny fanasana mpianatra maro hizara ny zavatra nataon’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra mba hanohy hitady fahafahana mizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa ka tafiditra ao anatin’izay ireo izay hafa finoana.

Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tabilao ity. (Azonao atomboka amin’ity zavatra ity ny fotoam-pianarana mba hananana fotoana.)

Faminanian’i Nefia mikasika ny zavatra hataon’ilay olona iray

Ny anaran’ilay olona

Ny fahatanterahan’ny faminaniana

Joseph Smith—Tantara 1:63–65

Lehilahy Voalohany (“tsy mahavaky teny”)

2 Nefia 27:9, 15, 19

Olona faha 2 (“olon-kafa”)

2 Nefia 27:15, 17

Olona faha 3 (“olo-mahay”)

2 Nefia 27:15–18

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Hazavao fa ny olona roa miara-miasa dia samy handalina faminaniana iray mikasika ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna ary koa ny fahatanterahan’izany faminaniana izany. Asaivo adikan’ny mpianatra ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy ilay tabilao ary asaivo soratany ny valiny amin’ny alalan’ny fampiasana ireo andinin-tsoratra masina nomena. (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe endri-tsoratra, hita ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:63–65, dia ilazana ireo soratra voasokitra teo amin’ny takela-bolamena izay nentina nandikana ny Bokin’i Môrmôna.) Asao ny mpianatra mba hizara ny valinteniny amin’ny mpianatra rehetra rehefa nahavita izy ireo.

  • Araka ny 2 Nefia 27:15 sy Joseph Smith—Tantara 1:64, iza ilay olo-mahay nitondran’i Martin Harris ireo teny tao amin’ilay boky? (Charles Anthon.)

  • Inona avy ireo mety antony maha tsara kokoa ny handikan’ny olona iray tsy dia nandia fianarana ambony toy an’i Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna toy izay olona manam-pahaizana toa an’i Charles Anthon?

Asaivo vakian’ny mpianatra amim-pahanginana ny 2 Nefia 27:20–21, ka tadiaviny amin’izany ny fehezanteny iray izay miverina ao amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay. (“Mahavita ny asako ihany aho.”)

  • Midika inona ho anao ny hoe “mahavita ny asako ihany aho”?

  • Ahoana no mahatonga ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara sy ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna ho toy ny fanamafisana fa mahavita ny asany Andriamanitra?

  • Inona avy ireo fitsipika sasantsasany ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Rehefa mizara ny heviny ny mpianatra dia hamafiso fa ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna dia fomba iray hanatanterahan’Andriamanitra ny asany amin’ny andro farany.)

  • Ahoana no fomba hampatanjan’io fahatanterahan’ny faminaniana io ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny anjara asany eo amin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Tompo?

2 Nefia 27:24–35

Naminany mikasika ny fiantraikany tsara entin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny sy ny Bokin’i Môrmôna i Nefia

Vakio mafy ny 2 Nefia 27:24–26 ka manaraka izany ao anatin’ny soratra masiny ny mpianatra.

  • Efa nahatsiaro hoe naheno ireo teny ireo ve ianao taloha? Raha eny dia taiza? (Raha sahirana ny mpianatra mamaly izany dia hazavao fa nampiasa teny nitovy tamin’izany koa ny Tompo rehefa niresaka tamin’i Joseph Smith tao amin’ilay Ala Kely Masina; jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:19.)

Asehoy ireo zavatra nampiasainao tany am-piandohan’ity lesona ity ary ampahatsiahivo ny mpianatra fa natao izany mba hamahana olana manokana.

  • Inona no olana lazain’ny Tompo fa hitranga eo anivon’ireo olon’ny andro farany araka ny hita ao amin’ny 2 Nefia 27:25? (Azonao atao ny manoratra ny valintenin’ireo mpianatra eo amin’ny solaitrabe.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra ireo olana ara-panahy hafa amin’ny andro farany izay voalaza ao amin’ny 2 Nefia 27:5. (Azonao ampiana hoe faharatsiana, fahajambana ara-panahy, ary fandavana ny mpaminany ny lisitra eny amin’ny solaitrabe.)

  • Ahoana no fomba hamahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo olana ireo?

Angataho ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny 2 Nefia 27:29–30, 34–35, ka hitady ireo fomba izay nolazain’ny Tompo fa hitahian’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny sy ny Bokin’ny Môrmôna ireo olon’ny andro farany. Asao ny mpianatra iray mba hitanisa ireo fitahiana ireo eo amin’ny solaitrabe.

  • Araka ny 2 Nefia 27:29, ny Bokin’i Môrmôna dia “[hampahita ny mason’ny jamba] avy ao amin’ ny haizina sy avy ao amin’ny haizim-pito.” Inona no dikan’izany araka ny eritreritrao?

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny Bokin’i Môrmôna sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia mitondra fifaliana sy fahatakarana eo amin’ireo izay mandalina sy manaiky azy ireo. Amporisiho ny mpianatra mba hitady ireo vahaolana momba ny olan’izy ireo ao anatin’ny Bokin’ny Môrmôna ary hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna amin’ny hafa.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 27:1–2. “Heloka sy ny fomba fahavetavetana rehetra”

Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia naneho ny ahiahiny mikasika ny fihanahan’ny fahasimban’ny soatoavina ara-pitondrantena ary ny loza manambana ny fiainam-panahy izay manodidina antsika amin’izao andro farany izao:

“Tsy mahafantatra zavatra hafa aho tao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana na ny an’izao tontolo izao izay azo oharina amin’ny toe-javatra iainantsika amin’izao fotoana izao. Tsy nisy zavatra nitranga tany Sodoma sy Gomora izay nihoatra ny faharatsiana manodidina antsika ankehitriny.

“Heno na aiza na aiza ny teny feno fahavetavetana, teny vantambantana ary teny feno faniratsirana. Nafenina taloha ireo faharatsiana sy faharatsiam-panahy maharikoriko saingy ankehitriny dia miharihary izy ireo ary mahazo fiarovana ara-dalàna mihitsy aza.

“Tany Sodoma sy Gomora no hita ireo zavatra ireo. Miely eran’izao tontolo izao izany ankehitriny ary eo anivontsika” (“The One Pure Defense” [address to CES religious educators, 6 Feb. 2004], 4, si.lds.org).

2 Nefia 27:10–11. “Fa ilay boky dia hasiana tombo-kase”

Niresaka momba ireo soratra masina mbola ho ambara ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Mbola hisy soratra masina maro hafa ho tonga eo amintsika ka ao anatin’izany ny an’i Enôka (jereo ny F&F 107:57), ireo zavatra nosoratan’ny Apôstôly Jaona (jereo ny Etera 4:16), ny rakitsoratr’ireo fokon’i Isiraely very (jereo ny 2 Nefia 29:13), ary ny roa ampahatelon’ny Bokin’i Môrmôna eo ho eo izay voaisy tombo-kase: ‘Ary avy ny andro izay hamakiana ny tenin’ilay boky izay voaisy tombo-kase eny ambony tafon-trano; ary hovakiana amin’ny herin’i Kristy izany; ary hambara amin’ny zanak’olombelona ny zavatra rehetra izay efa nisy teo amin’ny zanak’olombelona sy mbola hisy ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao’ (2 Nefia 27:11). Mitondra soratra masina efatra mitambatra isika amin’izao fotoana izao izay zaka tsara saingy indray andro any noho ny fisian’ireo soratra masina izay mbola ho avy dia mety mila mitarika kalesy kely menamena fitondrana entana izay feno boky isika” (A Wonderful Flood of Light [1990], 18).

2 Nefia 27:14. Hisy vavolombelona hampiorina ny tenin’ny Tompo

Nizara ny fijoroana ho vavolombelona tsy voahozongozona mikasika ny Bokin’i Môrmôna ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy afaka ny hanana finoana feno ny olona iray ao amin’ity asan’ny andro farany ity … raha tsy manaiky ny fahamasinan’ny Bokin’i Môrmôna sy i Jesoa Kristy Tompo izay ijoroan’izany ho vavolombelona. …

“… Tsy teo anivon’ny vahoaka Nefita izay nikasika ny ratran’ilay Tompo tafatsangana tamin’ny maty aho. … Saingy ny fijoroako ho vavolombelona momba izany rakitsoratra izany sy ny fiadanana entiny ao am-pon’ny olona dia mamatotra sy mazava toy ny azy ireo. Toa azy ireo dia ‘Ome[ko] izao tontolo izao [ny anarako] ho vavolombelona amin’izao tontolo izao ny zavatra izay efa hita[ko].’ Ary toa azy ireo koa dia ‘tsy mandainga [aho] fa Andriamanitra no vavolombelona manambara izany.’ [“Ny tenivavolombelon’ireo vavolombelona valo,” Bokin’i Môrmôna; nampiana fanamafisana.]

“Mangataka aho mba horaketin’ny olona eto an-tany sy ny anjely any an-danitra ny fijoroako ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna sy ny zavatra rehetra fonosin’izany, izay nolazaina ao amin’ity lahateny ity androany miaraka amin’ny fianianako sy araka ny anjara fanompoako ao amin’ny fisoronana. … Tiako hazava tanteraka rehefa mijoro eo amin’ny toeram-pitsaran’ Andriamanitra aho fa nanambara tamin’izao tontolo izao tamin’ny fiteny tena mivantana faran’izay vitako, fa marina ny Bokin’i Môrmôna ary tonga tamin’ny fomba nolazain’i Joseph fa hahatongavany izany” (“Antoka ho an’ny fanahy,” Ensign na Liahona,, Nôv. 2009, 89–90).

Hamoaka printy