Tahirim-pitaovana
Lesona 40: 2 Nefia 31


Lesona 40

2 Nefia 31

Fampidirana

Taona maro talohan’ny nahaterahan’i Jesoa Kristy dia nahazo fanambarana mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy i Nefia. Rehefa nilaza tamin’ny olony mikasika izany fanambarana izany i Nefia dia nampianatra ilay nantsoiny hoe “ny fotopampianaran’i Kristy” —izay ahitana ny hoe mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika, mibebaka amin’ny fahotantsika, atao batisa, mandray ny Fanahy Masina ary maharitra hatramin’ny farany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

2 Nefia 31: 1–13

Nampianatra i Nefia fa rehefa atao batisa isika dia manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy

Atombohy ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tsaroanao mikasika ny batisanao? Inona no tsapanao rehefa natao batisa?

Hazavao fa rehefa natao batisa ny mpianatra dia nanaraka lamina iray efa tao anatin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy foana izy ireo. Nampiasa karazana andian-teny mba hilazana io lamina io i Nefia. Asao ny mpianatra mba hikaroka andian-teny iray izay sady hita ao amin’ny 2 Nefia 31:2 no hita ao amin’ny 2 Nefia 31:21. Rehefa avy nahita ilay andian-teny hoe “ny fotopampianaran’i Kristy” izy ireo dia anontanio hoe:

  • Inona avy ireo teny na andian-teny ao amin’ny 2 Nefia 31:2, 21 izay maneho ny maha zava-dehibe ny “fotopampianaran’i Kristy”? (Mety ahitana izao ny valiny “tsy maintsy lazaiko momba ny,” “tsy misy lalana” ary “ny hany fotopampianarana marina.”)

Asehoy ilay sarin’i Jaona Mpanao Batisa Manao Batisa an’i Jesoa (62133; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], lah 35). Asao ny mpianatra mba handalina amim-pahanginana ny 2 Nefia 31:5–9 ka hitady ireo andian-teny izay maneho ny antony nanaovana batisa an’i Jesoa Kristy. (Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika ireto andian-teny ireto.) Rehefa afaka minitra vitsivitsy dia angataho ny mpianatra mba hamaky ny zavatra hitan’izy ireo.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa Manao Batisa an’i Jesoa
  • Inona no dikan’ny hoe “[mana]tanteraka ny fahamarinana rehetra”? (Rehefa avy namaly ny mpianatra dia azonao atao ny manazava fa midika hoe mitandrina ny didy izany. Nilaza ny Filoha Joseph F. Smith fa ny hoe “[mana]tanteraka ny fahamarinana rehetra” dia “manatanteraka ny lalàna” [ao amin’ny Conference Report, Apr. 1912, 9].)

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Nefia 31:10–12.

  • Inona no fanazavana entin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny maha zava-dehibe ny batisa? (Nampianatra i Nefia fa ny batisa dia didy iray avy amin’ny Ray any an-danitra izay takiana mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ilaina izany ao anatin’ny ezaka ataontsika mba hanaraka an’i Jesoa Kristy.)

Angataho ny mpianatra mba hamintina ireo fotopampianarana sy fitsipika nianaran’izy ireo avy amin’ny 2 Nefia 31:5–12. Rehefa mizara ny heviny izy ireo dia ataovy izay hahatakarany ireto fitsipika manaraka ireto:

Naneho ohatra tonga lafatra ho antsika mikasika ny fankatoavana izay tokony harahina i Jesoa Kristy.

Tokony hanaraka an’i Jesoa Kristy isika ary hatao batisa sy handray ny Fanahy Masina.

Na dia tsy nanota aza i Jesoa Kristy dia natao batisa hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.

Angataho ny mpianatra mba hamaky mafy ny 2 Nefia 31:13. Sariho any amin’ireto andian-teny ireto ny sain’ny mpianatra: “finiavan’ny fonareo manontolo,” “tsy manao amin’ny fihatsarambelatsihy sady tsy misy fitaka eo anoloan’Andriamanitra,” ary “omban’ny fikasana marina.” Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika ireo andian-teny ireo.

  • Inona no dikan’ireo andian-teny ireo ho anao? (Azonao atao ny manazava fa ireo andian-teny telo ireo dia maneho ny filana ny fahitsim-po aman-tsaina ao anatin’ny ezaka ataontsika eo amin’ny fampiharana ny finoana ny Mpamonjy, ny fibebahana amin’ny fahotana ary ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy.)

Mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fahatakarany mikasika ny fomba hanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ao anatin’ny toe-javatra maro samihafa dia mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Ahoana no fiantefan’ireo andian-teny ireo any amin’ireo zavatra atao toy ny fandalinana ny soratra masina isan’andro na ny fandehanana miangona?

  • Inona no maha samy hafa ny “manao vavaka” sy “mivavaka amin’ny finiavan’ny fo manontolo”?

  • Inona no maha samy hafa ny mihinana ny mofon’ny Fanasan’ny Tompo sy mandray ny mofon’ny Fanasan’ny Tompo “omban’ny tena finiavana”?

  • Inona no maha samy hafa ny maneho fialan-tsiny noho ny zavatra nataonao sy ny mibebaka “omban’ny tena finiavana”?

2 Nefia 31: 14–21

Nampianatra i Nefia fa aorian’ny batisa dia mila mandray ny Fanahy Masina isika ary manohy manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy

Hazavao fa niresaka momba ny vavavahady iray misokatra mankany amin’ny lalana iray i Nefia. Mangataha mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 31:17–18. Rehefa avy namaky ilay mpianatra dia manaova sary tsotsotra toy ity manaraka ity eo amin’ny solaitrabe:

Sary
vavahady sy lalana
  • Raha mifototra amin’ny 2 Nefia 31:17, dia inona ilay vavahady? (Fibebahana sy batisa. Soraty eo ambanin’ilay vavahady ny hoe Fibebahana sy Batisa.) Ahoana no mahatonga ny fibebahana sy ny batisa ho toy ny vavahady?

  • Araka ny 2 Nefia 31:18, dia mitondra aiza ilay lalana? (Fiainana mandrakizay. Soraty hoe Fiainana Mandrakizay any amin’ny faran’ilay lalana. Azonao atao ny manazava fa ilay andian-teny hoe “fiainana mandrakizay” dia ilazana ny fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy.)

  • Nampianatra i Nefia fa aorian’ny batisa dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika (jereo ny 2 Nefia 31:13–14). Araka ny 2 Nefia 31:17–18, inona no ataon’ny Fanahy Masina ho antsika? (Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ary mitondra ny famelana ny fahotana.)

  • Nahoana no tena ilaintsika ny mahazo fijoroana ho vavolombelona mikasika ny Ray sy ny Zanaka amin’ny alalan’ny Fanahy Masina?

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ny Fanahy Masina ao anatin’ny famelana ny fahotana dia mety ilaina hazavaina ilay andian-teny hoe “batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina” (2 Nefia 31:13–14; jereo koa ny andininy 17). Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nambaran’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity. Angataho ny mpianatra hihaino ny dikan’ny hoe atao batisa amin’ny alalan’ny afo sy ny Fanahy Masina.

“Ny vavahadin’ny batisa dia mitondra any amin’ilay lalana ety sy tery. …

“Nomena didy sy torolalana isika ka hiaino izany mba hanovana ilay toetry ny fahalavoantsika amin’ny alalan’ilay hery manamasin’ny Fanahy Masina. Nampianatra ny Filoha Marion G. Romney fa ny batisan’ny afo amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia ’manova ny maha olona araka ny nofo antsika ho lasa olona ara-panahy. Manadio sy manasitrana ny fanahy izany. … Ny finoana an’i Jesoa Kristy, ny fibebahana ary ny batisan’ny rano dia zavatra atao sy takiana mialohan’izany fa [ny batisan’ny afo] no mamarana azy. Ny hoe mandray ny [batisan’ny afo] dia midika hoe voadio tamin’ny alalan’ny ran’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo ny fitafian’ilay olona (Learning for the Eternities, natambatr’i George J. Romney [1977], 133; jereo koa ny 3 Nefia 27:19–20).

“Noho izany rehefa nateraka indray isika sy miezaka mandrakariva ny hanana ny Fanahiny miaraka amintsika, dia manamasina sy manadio amin’ny alalan’ny afo ny fanahintsika ny Fanahy Masina (jereo ny 2 Nefia 31:13–14, 17). Hijoro tsy misy pentina eo anatrehan’Andriamanitra isika amin’ny farany” (“Clean Hands and a Pure Heart,” Ensign na Liahona, Nôv. 2007, 81).

  • Inona no nolazain’ny Loholona Bednar sy ny Filoha Romney mikasika ny zavatra ataon’ny “batisan’ny afo” ho antsika?

  • Inona avy ireo fitahiana fanampiny azontsika amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

  • Ahoana no fomba “hiezahanao mba hananana mandrakariva ny Fanahiny” miaraka aminao?

  • Oviana ianao no nahatsapa ny Fanahy Masina niasa teo amin’ny fiainanao?

Hazavao fa ao anatin’ny 2 Nefia 31:18, ilay teny hoe ety dia midika hoe tery, mazava sy marina ary tsy ahitana fivilian-dalana. Nampiasa izany teny izany i Nefia mba hamaritana ilay lalana tokony horaisintsika aorian’ny batisa mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina amim-pahanginana ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no ilaina mba hataontsika aorian’ny batisa mba hijanonana eo amin’ilay lalana izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay?

Rehefa misaintsaina io fanontaniana io ny mpianatra dia asao izy ireo mba hitady ny valiny ao amin’ny 2 Nefia 31:15–16, 19–21. Azonao toroana hevitra izy ireo mba hanisy marika ireo teny na andian-teny izay manazava ny zavatra tokony hataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Rehefa nanana fotoana ampy nanaovana izany izy ireo dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nasiany marika. Rehefa mamaly izy ireo dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny valinteniny. Tokony ho toy izao ny fampisehoanao izany:

Sary
Eternal Life Steps

Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa raha miaina araka ny fotopampianaran’i Kristy isika dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

Mba hamaranana ny lesona dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 31:20. Mariho manokana fa ny 2 Nefia 31:19–20 dia soratra masina fehezina. Azonao amporisihana ny mpianatra mba hanisy marika amin’ny fomba miavaka io soratra masina io mba hahamora ny fahitan’izy ireo izany. Asao izy ireo mba hamaly ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy:

  • Raha mifototra amin’ny lesona izay nohalalininao dia inona no manome fanantenana anao fa afaka mahazo ny fiainana mandrakizay ianao?

  • Inona no fiantraikan’ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa teo amin’ny fiainanao?

Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 31:19–20

Zarao ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

“Afaka ny ho tonga amin’ny alalan’ny fitadidiana soratra masina ny hery lehibe. Ny hoe mitadidy soratra masina iray dia midika hoe mamorona namana vaovao. Toy ny mahita olona vaovao iray izany izay afaka manampy amin’ny fotoana maha sahirana, sy afaka manentana ny fanahy sy mitondra fampaherezana ary afaka ny ho loharanon’ny fahavononana hanao fanovana ilaina” (“The Power of Scripture,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 6).

Soraty eo amin’ny sary peta-drindrina iray (na taratasy iray), ny hoe Haiko tsianjery ny 2 Nefia 31:19–20. Apetaho amin’ny toerana izay mora hitan’ny mpianatra izany sary izany. Amporisiho ny mpianatra mba hitadidy manokana na miaraka amin’ny fianakaviany ireo andinin-tsoratra masina ireo. Asao izy ireo mba hanisy sonia ilay peta-drindrina rehefa hainy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina ireo. Raha toa ka miara-miasa amin’ny fianakaviany izy ireo eo amin’ny fanaovana tsianjery izany dia afaka manoratra koa ny anaran’ny olona ao amin’ny fianakaviany eo amin’ilay sary peta-drindrina izy ireo. Tsarovy ny tokony hampifanarahana izany asa asaina atao izany amin’ny fahafaha-manaon’ny olona tsirairay sy ny toe-javatra iainany mba hahafahan’ny mpianatra tsirairay hahomby.

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny maha zava-dehibe ny fitadidiana soratra masina toy ny 2 Nefia 31:19–20, izay ahitana teny feno fanantenana.

Fanamarihana: Azonao atao ny mampiasa ity asa atao ity amin’ny andro iray hafa rehefa manana fotoana bebe kokoa ianao, noho ny firafitry lesona sy ny halavany androany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

2 Nefia 31:2, 21. “Ny fotopampianaran’i Kristy”

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

“Ny ‘fotopampianaran’i Kristy’ araka ny nampianarin’i Nefia tao anatin’ilay toriteny famintinana lehibe nataony dia mifantoka amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, ny fibebahana, ny batisa asitrika, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany. Ao anatin’ity fanambarana ity dia tsy misy akory ny fikasana hivalampatra amin’ny drafitry ny famonjena iray manontolo, ny soatoavina rehetra ao anatin’ny fiainana Kristianina, na ireo valisoa izay miandry antsika ao anatin’ny ambaratongam-boninahitra samihafa any an-danitra. Ao anatin’ity fanambarana ity dia tsy misy akory ny firesahana mikasika ireo anjara fanompoan’ny fisoronana, ireo ôrdônansin’ny tempoly na ireo fotopampianarana marina maro hafa. Zava-dehibe daholo izy ireo saingy araka ny nampiasaina ao amin’ny Bokin’i Mormôna, dia tsotra sy mivantana ‘ny fotopampianaran’i Kristy.’ Tsy mifantoka afa-tsy amin’ireo fitsipika voalohan’ny filazantsara ihany izany izay ahitana ny fanehoana famporisihana mba haharitra sy handroso hatrany. Mazava ho azy fa ao anatin’ny fahazavan’ny ‘fotopampianaran’i Kristy’ sy ny fahatsorany no ahitana ny fiantraikany. Fantatr’i Nefia fa ho toy izany ny fisehony. Nanoratra izy hoe: ‘hiteny aminareo mazava tsara aho, araka ny fahazavan’ny faminaniako’ [2 Nefia 31:2]” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 49–50).

2 Nefia 31:13. “Tsy manao amin’ny fihatsarambelatsihy”

Niresaka mikasika ny hoe manao zavatra tsy misy fihatsarambelatsihy ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Moa ve isika tena miaina tokoa ny filazantsara sa maneho fotsiny ilay endriky ny fahamarinan-toetra mba hieritreretan’ ny manodidina antsika fa mahatoky isika, nefa raha ny marina, ny fontsika sy ireo zavatra tsy hita ataontsika dia tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Tompo?

“Moa ve ilay ‘fomban’ny toetra araka an’ Andriamanitra’ ihany no raisintsika dia lavintsika ‘ny heriny’? [Joseph Smith—Tantara 1:19.]

“Moa ve isika tena marin-toetra eo amin’ny zavatra atao sa mody manao hoe mankato rehefa fantatsika fa jeren’ny hafa isika?

“Nolazain’ny Tompo mazava tsara fa tsy hofitahana amin’ny fihetsika ety ivelany Izy ary nampitandrina antsika Izy mba tsy hamitaka Azy na ny hafa. Nampitandrina antsika Izy mba ho mailo amin’ireo izay mampiseho endrika ivelany izay tsy tena izy sy ireo izay mampiseho sarisarin-toetra manaitra izay manafina zavatra maizina” (“True to the Truth,” Ensign, Mey 1997, 15–16).

Raha nanoro hevitra ny mpikambana mba hanao zavatra amin-kitsimpo ary tsy hanara-drenirano fotsiny ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao:

“Ny fanarahana ireo fampianarana tena fototra ireo dia manokatra fifandraisana tena tsara amin’i Kristy ho antsika amin’ny fomba maro samihafa: mivavaka sy mifady hanina ary mandinika ny tanjony, mankafy ny soratra masina, manompo ny hafa, ‘[m]amonjy ny osa, [m]ampiakatra ny tanana izay miraviravy, … mampatanjaka ny lohalika malemy.’ [F&F 81:5.] Ary ny zava-dehibe indrindra dia ny mitia amin’ny ‘fitiavana madion’i Kristy,’ ilay fanomezana izay ‘tsy ho levona mandrakizay,’ ilay fanomezana izay ‘mizaka ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra [ary] miaritra ny zavatra rehetra.’ [Jereo ny Môrônia 7:45–47.] Vetivety foana miaraka amin’izany karazana fitiavana izany dia tsapantsika fa misy fomba maro samihafa mitondra any amin’ilay Mpampianatra eo amin’ny fiainantsika ary rehefa mitady Azy isika na malemy toy ny inona aza dia hitantsika fa niezaka tamim-pahamaizana nitady antsika Izy. …

“Ny faniriako androany ho antsika rehetra … dia ny hananantsika zavatra niainana mivantana manokana mikasika ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Matetika isika mikatsaka lanitra amin’ny fomba misompirana loatra [tsy mivantana] ka mifantoka amin’ny fandaharan’asan’ny hafa na tantaran’ny hafa na zavatra niainan’ny hafa. Manan-danja ireo saingy tsy manan-danja kokoa noho ny zavatra niainana manokana, ny maha mpanara-dia marina ary ny tanjaka azo avy amin’ny fiainana mivantana ny herin’ny fikasihany” (“Broken Things to Mend,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 70).

2 Nefia 31:13, 17–18. “Raiso ny Fanahy Masina”

Ny Loholona David A. Bednar dia nampianatra hoe:

“Sady tsotra no lalina ny ôrdônansin’ny fandraisana ny olona iray ho mpikambana vaovao ao amin’ny Fiangonana sy ny fanomezana ny Fanahy Masina. Apetrak’ireo Mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka mendrika eo ambonin’ny lohan’ilay olona ny tanany ary antsoiny amin’ny anarany izy. Dia amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana masina sy amin’ny anaran’ny Mpamonjy no andraisana ilay olona ho mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary ambara ity fehezan-teny manan-danja ity: ‘Raiso ny Fanahy Masina.’

“Ny fahatsoran’io ôrdônansy io dia mety hahatonga antsika tsy hiraharaha ny lanjany. Ireto teny efatra— ‘Raiso ny Fanahy Masina’ ireto—dia tsy teny tonontononina fotsiny; fa mifono baiko avy amin’ny fisoronana kosa izany—fampitandremana feno fahefana mba hihetsika ho azy fa tsy hetsehina (jereo 2 Nefia 2:26). Tsy tonga dia hiasa tsotra fotsiny eo amin’ny fiainantsika ny Fanahy Masina satria nametrahan-tanana ny lohantsika ary nolazaina ireo teny efatra manan-danja ireo. Rehefa mandray izany ôrdônansy izany isika dia ekentsika tsirairay avy ilay andraikitra masina sy mitohy mba haniry, hikatsaka, hiasa, ary hiaina amim-pahamendrehana mba tena ‘[handraisantsika] ny Fanahy Masina’ sy ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy miaraka aminy. …

“Ny vavaka, fianarana, fivoriana, fivavahana, fanompoana sy ny fankatoavana dia tsy singa mitokana sy mahaleo tena amin’ny lisitry ny zavatra tokony atao ao amin’ny filazantsara. Ny tsirairay amin’ireo fomba marina ireo kosa dia singa manan-danja amin’ny fikatsahana lehibe ara-panahy ny hanatanteraka ilay baiko ny handray ny Fanahy Masina. Ireo didy avy amin’ Andriamanitra izay ankatoavintsika sy ny torohevitra tena tsara avy amin’ny Mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay arahantsika dia mifantoka voalohany indrindra amin’ny fahazoana ny Fanahy ho namana. Ireo fampianarana sy asa atao ao anatin’ny filazantsara dia mifototra any ifotony amin’ny fanatonana an’i Kristy amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika” (“Receive the Holy Ghost,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 95, 97).

Ity fanambarana manaraka ity dia mitanisa ireo fitahiana sasantsasany azontsika raisina rehefa mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana isika:

“Afaka mitantana anao eo amin’ireo fanapahan-kevitrao [ny Fanahy Masina] ary miaro anao amin’ireo loza ara-nofo sy ara-panahy. …

Izy no Mpampionona (Jaona 14:26). … Ny bitsiky ny Fanahy dia afaka mampitony ny tahotra anananao, mampihena ireo tebiteby mampikorontan-tsaina eo amin’ny fiainanao ary mankahery anao rehefa malahelo ianao. Afaka mameno anao “amin’ ny fanantenana sy fitiavana tanteraka” ny Fanahy Masina ary “hampianatra anao ireo zavatra mandry fehizay momba ny fanjakana” (Môrônia 8:26; F&F 36:2).

“Ny hoe mianoka tanteraka ao anatin’ny fananana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia ahitana ny fandraisana fanambarana sy fampiononana, fanompoana sy fitahiana ny hafa amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanahy, ary fahamasinana fa voadio amin’ny fahotana sy fahamendrehana hahazo fisandratana any amin’ny fanjakana selestialy” (Miorim-paka amin’ny Finoana: Boky fanovozan-kevitra momba ny filazantsara [2004], 82–83).

2 Nefia 31:15–16. “Mahareta hatramin’ny Farany”

Ny teny hoe “maharitra hatramin’ny farany” dia matetika ampiasaina mba hilazana ny filana miaritra amim-paharetana ireo zava-tsarotra mandritra ny fiainantsika. Nanazava ny Loholona Joseph B. Wirthlin fa ny dikan’ny hoe maharitra hatramin’ny farany dia manohy amim-pahatokiana ao amin’i Kristy:

“Ny faharetana hatramin’ny farany dia fotopampianaran’ny fanohizana mandeha eo amin’ilay lalana mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay rehefa nandray ilay lalana tamin’ny alalan’ny finoana, fibebahana, batisa ary fandraisana ny Fanahy Masina ilay olona. Mitaky ny fontsika iray manontolo ny faharetana hatramin’ny farany na araka ny nampianarin’i Amalekia izay mpaminany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia tsy maintsy ‘[m]anatona Azy [isika] sy manolotra ho toy ny fanatitra ho Azy ny fanahin[tsika] manontolo, ary manohy ny fifadiana hanina sy ny fivavahana ary maharitra hatramin’ny farany; ary raha velona koa ny Tompo, dia hovonjena [isika].’ [Ômnia 1:26.]

“Ny faharetana hatramin’ny farany dia midika hoe nanorina mafy ny fiainantsika teo ambonin’ireo fotopampianaran’ny filazantsara isika, manaja ireo fotopampianarana nekena an’ny Fiangonana, manompo amim-panetren-tena ny namantsika, manana fiainana ahitana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy ary mitandrina ireo fanekempihavanantsika. Ireo izay maharitra dia mahay mandanjalanja, tsy miovaova, manetry tena, mivoatra tsy tapaka ary tsy misy fitaka. Ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona dia tsy mifototra amin’ny zavatra ankasitrahan’izao tontolo izao—mifototra amin’ny fahamarinana, fahalalana, zavatra niainana ary ny Fanahy izany” (“Press On,” Ensign na Liahona, Nôv. 2004, 101).

2 Nefia 31–33. Ny Fanahy Masina

Ny fampianarana farany nataon’i Nefia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia ahitana fahamarinana maro mikasika ny Fanahy Masina. Ohatra:

  1. Ny Fanahy Masina dia manome fahafahana anao hiteny amin’ny “fitenin’ny anjely” (jereo ny 2 Nefia 31:13).

  2. Tonga amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny famelana ny fahotana (jereo ny 2 Nefia 31:17).

  3. Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny 2 Nefia 31:18).

  4. Ny Fanahy Masina dia hampiseho anao ny zavatra rehetra tokony hataonao (jereo ny 2 Nefia 32:5).

  5. Mampianatra ny olona hivavaka ny Fanahy Masina (jereo ny 2 Nefia 32:8).

  6. Rehefa miresaka amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina ny olona iray dia ny Fanahy Masina no mitondra ilay hafatra hankany am-pon’ny hafa (jereo ny 2 Nefia 33:1).

Hamoaka printy