Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano Fizarana 8


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

2 Nefia 26–31 (Fizarana 8)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana manaraka ireo fotopampianarana sy fitsipika ity izay nianaran’ny mpianatra rehefa nandalina ny 2 Nefia 26–31 (fizarana 8) izy ireo dia tsy natao ho ampianarina ao anatin’ny lesonao. Ny lesonao dia tsy mifantoka fotsiny afa-tsy amin’ny sasantsasany amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ny zavatra ilain’ireo mpianatrao ianao.

Andro 1 (2 Nefia 26–27)

Nandalina mikasika ireo faminanian’i Nefia momba ny andro farany ny mpianatra. Nianatra izy ireo fa ny zavatra rehetra ataon’ny Tompo dia ho tombontsoan’izao tontolo izao ary ny Tompo dia tia ny olona rehetra sy manasa ny rehetra hanatona Azy sy handray ny famonjeny. Ny mpianatra koa dia nahita ilay fahamarinana fa ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna dia fomba iray hanatanterahan’Andriamanitra ny asany amin’ny andro farany. Ankoatra izany dia nianatra izy ireo fa ny Bokin’i Môrmôna sy ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny dia hitondra fifaliana sy fahatakaran-javatra ho an’ireo izay mandalina sy manaiky azy ireo.

Andro 2 (2 Nefia 28)

Rehefa nandalina ireo fampitandreman’i Nefia mikasika ireo fampianarana diso miely ao anatin’ny andro farany ny mpianatra, dia nahafantatra izy ireo fa ny Bokin’i Môrmôna dia mamelabelatra ireo hevi-dison’ny devoly sy manome tanjaka antsika hanoherana ireo teti-dratsiny. Ankoatra izany dia nianatra mikasika ny fampiasan’i Satana tetika maro izy ireo mba hifehezana antsika, toy ny famporisihana antsika ho tezitra, fampitoniana sy fandrotsirotsiana antsika ary fandokafana antsika.

Andro 3 (2 Nefia 29–30)

Nianatra ny mpianatra fa ny Tompo dia manome soratra masina mba hanangonana ny olona ao amin’ny Fanekempihavanany ary ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy ny olona rehetra hahafantatra an’i Jesoa Kristy sy hiaina ny filazantsarany. Nasehon’ny Tompo an’i Nefia fa maro ireo olona izay handà ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany. Ny mpianatra dia nanana fahafahana hieritreritra mikasika ny fiainany manokana sy ny hiovan’ny fiaraha-monin’izy ireo mandritra ny arivotaona satria tsy hanana hery hambaboana ny fon’ny olona i Satana ary hanjaka ny fahamarinana sy ny fiadanana.

Andro 4 (2 Nefia 31)

Nohamafisina ireto fahamarinana mikasika ny fotopampianaran’i Kristy sy ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy manaraka ireto: nahatanteraka ny fahamarinana rehetra i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny didy rehetra ary tokony hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy mikasika ny fankatoavana isika amin’ny alalan’ny fanaovana batisa sy fandraisana ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ary mitondra ny famelana ny fahotana. Raha miaina araka ny fotopampianaran’i Kristy isika dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

Fampidirana

Ity lesona ity dia manamafy fa ny zava-drehetra ataon’ny Ray any an-danitra dia ho tombontsoan’izao tontolo izao ary atosiky ny fitiavany ny zanany. Ity lesona ity koa dia miresaka mikasika ny fampisehoan’ny Bokin’i Môrmôna ireo hevi-dison’i Satana izay mihanaka amin’izao androntsika izao ary ny fomba ahazoan’ireo izay manaraka ny fotopampianaran’i Kristy ny fiainana mandrakizay.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Anontanio ny mpianatra sao manana hevitra na zava-baovao avy amin’ny fandalinany ny soratra masina izay tian’izy ireo hozaraina amin’ny mpianatra alohan’ny hanombohan’ny lesona. Amporisiho ny mpianatra mba hametraka izay fanontaniana ananany mikasika ny zavatra nohalalininy. Asao izy ireo mba hanoratra ireo fahatsapana ara-panahy izay azony rehefa namaky sy nandinika ny soratra masina ary ireo asa nampanaovina azy izy ireo. Hanasa ny fanahin’ny fanambarana eo amin’ny fiainany izany.

Asao ny mpianatra mba hanampy anao hitanisa an-tsoratra eo amin’ny solaitrabe na eo amin’ny taratasy iray ny sasantsasany amin’ny valin’ity fanontaniana manaraka ity: Raha fantatrao fa akaiky hifarana ny fotoanao eto an-tany ary afaka manoratra taratasy iray ianao izay azon’ny taranakao sy ny ambiny eto amin’izao tontolo izao vakiana, dia inona avy ireo lohahevitra hofidianao hatao ao anatin’ilay hafatra?

Asao ny mpianatra mba hamaky haingana ny 2 Nefia 26–31 sy ny diary fandalinany soratra masina mba hahitana hoe inona ireo lohahevitra noresahin’i Nefia rehefa akaiky ho faty izy. Ampitahao amin’ny zavatra hitan’izy ireo ny valiny nosoratan’izy ireo teny amin’ny solaitrabe. Ny torohevitra farany nomen’i Nefia dia nosoratana ho antsika izay miaina ao anatin’ny andro farany ary ahitana fanorotoroana mba hanampiana antsika hahafantatra ny fahamarinana sy hisoroka ny vato fahatafintohinan’i Satana ary hanaraka ny fotopampianaran’i Jesoa Kristy.

2 Nefia 26

Rehefa avy naminany mikasika ny famongorana ny olony i Nefia dia naminany mikasika ny andro farany ary nanasa ny rehetra hanatona an’i Kristy

Asao ny mpianatra hamaky ny 2 Nefia 26:29–31 ary hitady ny iray amin’ireo tetik’i Satana izay nampitandreman’i Nefia antsika. Rehefa avy nanome valiny tamin’ny alalan’ny zavatra hitany ny mpianatra vitsivitsy dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny 2 Nefia 26:29, inona no atao hoe komiberaky ny mpisorona?

  • Inona no mety ho zavatra manosika ny sasany hampiasa ny komiberaky ny mpisorona?

  • Zavatra inona no antenain’ny Tompo fa manosika antsika hanompo ao amin’ny Fiangonana? Iza no fantatrao fa ohatra tsara maneho izany?

Avereno vakiana ny 2 Nefia 26:23–28, 33 ary ny andro 1, asa nampanaovina 3. Anontanio hoe: Inona no manosika ny Tompo hanao ny Asany?

Rehefa avy namaly izany ny mpianatra vitsivitsy dia asaivo valian’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo andian-teny ao amin’ny 2 Nefia 26:23–28, 33 izay mampianatra antsika fa tia ny olona rehetra ny Tompo ary manasa ny rehetra hanatona Azy sy handray ny famonjeny ary ny zavatra rehetra ataon’ny Tompo dia ho tombontsoan’izao tontolo izao?

  • Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mianatra hoe atosiky ny fitiavana ny hafa toy izay atosiky ny fitsiriritana na faniriana hahazo dera avy amin’ny hafa?

  • Ahoana no ahafahantsika hiantra sy hitia bebe kokoa ary hanana bebe kokoa ny toetra tahaka ny an’i Kristy ao anatin’ny asa fanompoantsika ao amin’ny Fiangonana?

2 Nefia 28

Nampitandrina mikasika ireo fitak’i Satana i Nefia

Lazao ny mpianatra fa ao amin’ny 2 Nefia 28 dia nanohy nampiseho ireo hevi-diso ampianarin’ny devoly i Nefia. Diniho indray ilay hoe “fotopampianarana diso sy tsy ilaina” voafaritra ao amin’ny 2 Nefia 28:3–9, ary apetraho amin’ny mpianatra ireto fanontaniana manaraka ireto. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ireo valiny izay nosoratan’izy ireo tao anatin’ny diary fandalinany soratra masina tamin’ny herinandro lasa.

  • Inona no dikan’ny hoe “manararaotra ny hafa noho ny teniny”? (2 Nefia 28:8). (Ireo ohatra lazaina dia mety ahitana hoe manaraby ny hafa sy mamadika na manitatra ny zavatra lazain’ny hafa.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety “hamandrihan’ny [olona] amin’ny longoa” (2 Nefia 28:8) ny namany amin’izao fotoana izao?

  • Inona no loza avy amin’ny fanandramana manafina ny fahotana amin’ny Tompo na mitazona ny asantsika ho ao amin’ny maizina? (Jereo ny 2 Nefia 28:9.)

  • Inona araka ny eritreritrao ilay fampianarana diso ao amin’ny 2 Nefia 28:3–9 izay tena manimba ny tanora amin’izao fotoana izao? Nahoana no manimba izany araka ny eritreritrao? Ahoana no mahatonga ny tanora ho voatarik’izany fampianarana diso izany? (Jereo ny andro 2, asa nampanaovina 1.)

Diniho indray ny 2 Nefia 28:20–23 sy ny tantaran’ny Filoha Boyd K. Packer mikasika ireo voay ara-panahy avy ao amin’ny leson’ny andro 2. Asao ny mpianatra hizara amin’ny mpianatra rehetra ireo marika fampitandremana nataony sary tao anatin’ny diary fandalinany soratra masina (andro 2, asa nampanaovina 5) izay mampiseho ireo loza ara-panahy izay eritreretin’izy ireo fa ilana ampitandremana ny tanora amin’izao fotoana izao.

Anontanio hoe: Raha jerena ny zavatra rehetra azon’i Nefia nosoratana rehefa namarana ny rakitsorany izy, dia nahoana araka ny eritreritrao no nanoratra mikasika ireo fitaka sy tetik’i Satana izy? (Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona mikasika ny fanampiana sy ny hery azontsika mba hanoherana ireo tetik’i Satana rehefa mandalina tsara ny Bokin’i Môrmôna isika.) (Azonao atao ny mijoro ho vavolombelona mikasika ny fanampiana sy ny hery azontsika mba hanoherana ireo tetik’i Satana rehefa mandalina tsara ny Bokin’i Môrmôna isika.)

2 Nefia 31

Nampianatra ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ohatra tonga lafatra ho antsika i Nefia

Ataovy tsotsotra ny sarin’ny lalana izay mitondra mankeo amin’ny vavahady iray. Asao ny mpianatra mba hamaky ny 2 Nefia 31:17–18 ary hitady ny fomba nampiasan’i Nefia io sarin’ny lalana iray sy vavahady iray io mba hanamafisana ilay hany lalana hanatonana an’i Jesoa Kristy. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Araka ireo andininy ireo dia maneho inona ilay vavahady sy lalana? (Ilay vavahady dia maneho fibebahana, batisa ary ny fandraisana ny Fanahy Masina.)

  • Raha araka ny zavatra nianaranao tao anatin’ny fandalinanao manokana ny 2 Nefia 31, nahoana no antsoina hoe “batisan’ny afo” ny fandraisana ny Fanahy Masina? (Jereo ny 2 Nefia 31:13; jereo koa ny andininy 17.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny 2 Nefia 31:19–21. Angataho ny mpianatra mba hitady ny zavatra takiana amintsika rehefa niditra ny “vavahady” isika. Rehefa avy nanome ny valin’ny zavatra hitany ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Nefia lazaina rehefa nanoratra izy hoe: “Izany no fotopampianaran’i Kristy”? (2 Nefia 31:21).

  • Raha dinihina ny zavatra nianaranao androany dia inona araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any an-danitra hataonao mba hanampiana anao handroso hatrany eo amin’ilay lalana ety sy tery? (Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra mba hametraka tanjona iray ho valin’izany fanontaniana izany.)

Fizarana Manaraka (2 Nefia 32Jakôba 4)

Tia misakafo ve ianao? Ny mpianatra dia hianatra mikasika ny dikan’ny hoe “mivoky amin’ny tenin’i Kristy” (2 Nefia 32:3) ao anatin’ny fizarana manaraka. Ahoana no tokony hanitsian’ny mpaminany iray ny vahoaka izay manomboka voasariky ny fitiavan-karena na voasariky ny olona izay mandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena? Diniho ny fomba niresahan’i Jakôba ireo olana ireo.

Hamoaka printy