Tahirim-pitaovana
Lesona 113: Helamàna 13


Lesona 113

Helamàna 13

Fampidirana

Taona vitsivitsy talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia naniraka mpaminany Lamanita iray nantsoina hoe Samoela ny Tompo mba hitory fibebahana amin’ireo Nefita. Nanambara tamin’ny Nefita tany Zarahemlà ilay vaovao mahafaly mikasika ny fanavotana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy. Nampifanatrehany koa tamin’ny fandavan’izy ireo ny mpaminany sy ny fahavononan’izy ireo hikatsaka fahasambarana ao anatin’ny fanaovana heloka izany. Nampitandrina azy ireo izy fa hofongorana raha toa tsy mibebaka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 13

Nampitandrina ny Nefita i Samoela fa hofongorana izy ireo raha toa tsy mibebaka

Omano ilay taratasy zaraina hita any amin’ny faran’ity lesona ity alohan’ny fotoam-pianarana. Azonao atao ny mizara telo ilay taratasy zaraina ka mahazo taratasy iray ny vondron’olona iray miara-miasa. Alohan’ny fotoam-pianarana dia adikao eny amin’ny solaitrabe ireto hevi-dehibe manaraka ao anatin’ny Helamàna 13 ireto.

Helamàna 13:1–4. Nantsoin’ny Tompo i Samoela ilay Lamanita mba hitory amin’ny Nefita.

Helamàna 13:5–23. Nampitandrina ny Nefita mikasika ny famongorana hianjady amin’izy ireo i Samoela raha toa ka tsy mibebaka izy ireo.

Helamàna 13:24–39. Nampitandrina ny vahoaka mikasika ireo voka-dratsy ateraky ny fandavana ny mpaminany sy ny tsy fibebahana i Samoela.

Sary
Samoela ilay Lamanita Mitsangana eo ambonin’ny Manda

Atombohy ny lesona amin’ny alalan’ny fampisehoana ilay sary, Samoela ilay Lamanita Mitsangana eo ambonin’ny Manda (62370; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], faha 81). Anontanio ny mpianatra raha fantatr’izy ireo ny antony nitadiavan’ny Nefita hamonoana an’i Samoela. Rehefa avy namaly ny mpianatra dia hazavao fa ny Helamàna 13–16 dia ahitana ny tantaran’i Samoela ilay mpaminany Lamanita. Miavaka io tantara io satria izany no hany fotoana ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna hahafantarantsika momba ny mpaminany Lamanita iray izay nangataka ny Nefita mba hibebaka. Marin-toetra kokoa noho ny Nefita ny Lamanita tao anatin’izany fotoana izany. Ampiasao ireo hevi-dehibe eny amin’ny solaitrabe mba hanaovana topimaso fohy ny Helamàna 13 ho an’ny mpianatra.

Zarao ho vondrona telo ny mpianatra. (Raha azo atao dia tokony hitovy ny isan’ny mpianatra ao anatin’ny vondrona tsirairay.) Omeo tahadikan’ny asa ampanaovina azy ao anatin’ny vondrony ny mpianatra tsirairay (hita any amin’ny faran’ny lesona.) Lazao ny mpianatra fa handalina ampahany iray ao anatin’ny Helamàna 13 izy ireo, dia hifampianatra ny zavatra nianarany. Angataho ny mpianatra tsirairay mba hiomana hampianatra fitsipika avy amin’ny andinin-tsoratra masina nampiandraiketina azy ireo ary hanomana ny valin’ny fanontaniana miaraka amin’izany. Omeo fahafahana hanoratra ny valinteniny ny mpianatra. (Hanome fahafahana ny mpianatra rehetra handray anjara ity asa atao ity ary hampisy tontolo azo antoka iray izay ahafahan’ny mpianatra hifampizara ny zavatra tsapa, ny hevitra ary ny fijoroana ho vavolombelona.)

Rehefa nanana fotoana ampy tsara handalinana manokana ny mpianatra dia zarao ho vondrona telo izy ireo mba hiasa. Raha azo atao ny vondrona tsirairay dia tokony hahitana mpianatra iray nandalina ny Helamàna 13:1–7, 11, mpianatra iray nandalina ny Helamàna 13:17–23, ary mpianatra iray nandalina ny Helamàna 13:24–33. Omeo fotoana ampy ny mpianatra tsirairay hizara ny valinteniny amin’ireo olona hafa ao amin’ilay vondrona. Mandritra ny fifanakalozan-kevitra atao ao anatin’ireo vondrona kely dia mandehandehana ao an-dakilasy ary araho maso ny valinteny omen’ny mpianatra. Raha mety dia ampidiro ao anatin’ireo fifanakalozan-kevitra henonao ny hevi-baovao anananao.

Rehefa nanana fotoana ampy nifampianarana ny mpianatra dia asao ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara amin’ny mpianatra rehetra fahamarinana iray na hevi-baovao iray izay nianaran’izy ireo avy amin’ny mpianatra iray hafa nandritra ilay asa natao.

Fintino ny Helamàna 13:9–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa hofongorana ny Nefita rehefa afaka 400 taona (jereo ny Helamàna 13:9–10), ary ny hany antony tsy namongorana azy mialoha dia satria mbola nisy olo-marina nitoetra teo anivon’izy ireo (jereo ny Helamàna 13:13–14). Mijoroa ho vavolombelona fa nalefan’ny Tompo teo anivon’ny Nefita i Samoela ary nilaza izay zavatra napetraky ny Tompo tao am-pony rehefa nasainy mba hibebaka sy hiverina amin’ny Tompo ny Nefita (jereo ny Helamàna 13:11).

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 13:27–28. Angataho ny mpianatra mba hanaraka izany ary hitady ny fihetsika nasehon’ny Nefita teo anatrehan’ireo mpaminany sandoka.

  • Arak’i Samoela dia inona no fihetsika nasehon’ny Nefita an’ireo izay nampianatra zavatra diso? Nahoana araka ny eritreritrao no nandray ny fananarana nataony ny olona sasany ary nandà izany ny hafa?

  • Ahoana no fisehon’ireo zavatra nambara sy toetra hitantsika ao amin’ny Helamàna 13:27 amin’izao androntsika izao?

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:

“Fitsapana ny fahatokiantsika ny fihetsika asehontsika eo anatrehan’ireo tenin’ny mpaminany velona rehefa milaza amintsika ny tokony ho fantatsika izy nefa tsy te hihaino izany isika” (“Fourteen Fundamentals in Following the Prophet” [BYU devotional address, Feb. 26, 1980], 3–4, speeches.byu.edu).

  • Inona ny torohevitra avy amin’ireo mpaminany izay mety ho sarotra ho an’ny olona sasany ny manaraka azy amin’izao fotoana izao?

  • Inona ohatra ny torohevitra iray avy amin’ny mpaminany izay nosafidianao mba hankatoavina? Inona no fitahiana azonao noho ny fanarahanao izany torohevitra izany?

Asao ny mpianatra mba hanoratra ao anatin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina mikasika ny fomba iray ahafahan’izy ireo mivoatra eo amin’ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany velona.

Rehefa nanana fotoana ampy nanoratana ny mpianatra dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 13:33–37. Angataho ny mpianatra mba hanaraka izany ka hitady ny zavatra hianjady amin’ireo Nefita tsy nibebaka amin’ny farany ary ny zavatra holazain’izy ireo momba ny tenany. Dia asao ny mpianatra iray hafa mba hamaky mafy ny Helamàna 13:38. Angataho ny mpianatra mba hitady ilay fahamarinana mampalahelo izay nambaran’i Samoela mikasika ireo taranaka hoavin’ny Nefita.

  • Inona ilay fahamarinana mampalahelo nambaran’i Samoela momba ireo taranaka hoavin’ny Nefita?

  • Inona araka ny eritreritrao no tian’i Samoela lazaina rehefa nilaza izy fa “efa lasana ny andron’ny fizahan-toetra”? (Hanemotra ny fibebahany ireo taranaka hoavin’ny Nefita mandra-pahatongan’izany ho efa tratra aoriana loatra mba hibebahan’izy ireo.) Ary satria tsy hibebaka izy ireo dia hitondra azy ireo any amin’ny famongorana ny fahotan’izy ireo.)

  • Inona no maha ratsy ny fikatsahana “fahasambarana amin’ny fanaovana heloka”? (Ampio ny mpianatra hahita fa ilay fahasambarana marina dia tsy tonga raha tsy mitandrina ny didin’Andriamanitra isika.)

  • Inona ireo fomba sasany entin’ny olona hikatsahana fahasambarana amin’ny fanaovana heloka?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ireo tantara hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay ahitana olona mikiry ao anatin’ny fikomiana sy ny faharatsiana mandra-pahatonga ny fony ho lasa mandà ny fitarihan’ny Fanahy Masina. (Mety hahitana ireto ny ohatra: I Lamana sy Lemoela izay lasa “donto” [1 Nefia 17:45] ka nandà tsy hihaino ny tenin’ny Tompo, ary i Noà Mpanjaka nandà tsy hibebaka na dia nampitandreman’ny mpaminany Abinadia aza.) Nanamafy i Samoela fa ny fandavan’ny Nefita tsy hibebaka dia hitondra famongorana ny vahoakany ao anatin’ireo taranaka ho avy.

Ampio ny mpianatra hahatakatra fa raha ho an’ny olona tsirairay manokana dia misy ny fanantenana ho an’ireo rehetra izay misafidy ny hibebaka. Afaka mahazo ny famelan’ny Tompo isika ary afaka misoroka ny tsy hahatonga antsika ho mafy fo amin’ny alalan’ny fibebahana. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa afaka manitsy ny lalantsika isika amin’ny alalan’ny fibebahana dia vakio ity teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:

“Nandritra ny fanofanana ahy mba ho lasa kapitenin’ny sidina ana habakabaka dia tsy maintsy nianatra ny fomba fitondrana fiaramanidina amin’ny dia lavitra dia lavitra aho. Ny zotra ana habakabaka misidina eo ambonin’ny ranomasimbe mangeniheny sy mitety ny tany foana midadasika ary mandeha miala amin’ny kaontinanta iray mankany amin’ny kaontinanta iray hafa dia mila fandaminana maty paika mba hiantohana ny fahatongavana soa aman-tsara any amin’ny toerana voatondro haleha. Ny sasany amin’izany zotra ana habakabaka tsy an-kijanona izany dia mety maharitra hatramin’ny 16 ora ary mahavita efa manakaikin’ny 14.500 kilaometatra eo ho eo.

Misy fotoam-panapahan-kevitra lehibe mandritra ny zotra lavitra toy izany, izay fantatra araka ny mahazatra amin’ny hoe ny fotoam-piverenana hieren-doza. Amin’izany fotoana izany ny fiaramanidina dia manana lasantsy ampy mba hihodinana sy hiverenana soa aman-tsara any amin’ny seranam-piaramanidina niaingana. Raha tafahoatra an’ilay fotoam-piverenana hieren-doza, dia tsy manana izany safidy izany intsony ilay kapiteny ary tsy maintsy manohy. Izay no antony ilazana io fotoana io ho toy ny fotoana tsy ahafahana miverina intsony.

“… Tian’i Satana isika hieritreritra hoe rehefa nanota dia efa nihoatra an’ilay ’fotoana tsy ahafahana miverina intsony’—ary efa tara loatra raha hanova ny lalantsika. …

“… Mba hanaovana izay tsy hananantsika fanantenana sy hahatsapantsika ho ory toa azy ary hinoantsika fa tsy hahazo famelan-keloka intsony isika dia mety hampiasa amin’ny fomba diso ireo teny avy ao amin’ny soratra masina mihitsy i Satana hanamafisana ny fitsaran’Andriamanitra mba hilazana fa tsy misy ny famindram-po. …

“Tonga mba hamonjy antsika i Kristy. Raha nandeha tamin’ny lalana tsy izy isika, dia afaka manome fahatokiana antsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa ny fahotana dia tsy hoe fotoana tsy ahafahana miverina intsony. Tena misy ny fiverenana hieren-doza raha toa ka manaraka ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika isika” (“Fotoam-piverenana Hieren-doza,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 99).

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hitondran’ny zavatra nambaran’ny Filoha Uchtdorf fanantenana ho an’ny olona iray izay nanota?

Amporisiho ny mpianatra hisaintsaina ireo fahamarinana nifanakalozany hevitra. Amporisiho izy ireo mba handray andraikitra eo anatrehan’izay fahatsapana voarain’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina. Mijoroa ho vavolombelona fa ho tonga eo amin’ireo izay manaiky ny fanasan’ny Tompo mba hibebaka ny fahasambarana.

Fanamarihana: Omano ireto taratasy zaraina manaraka ireto ho an’ireo vondrona telo izay voafaritra tany amin’ny voalohandohan’ny lesona.

Vondrona 1—Helamàna 13:1–7, 11

Milaza ireo hafatra napetrak’Andriamanitra ao am-pony ireo mpaminany.

  1. Iza amin’ireo andininy ireo no tsapanao fa mampianatra io fahamarinana io?

  2. Inona ilay hafatra napetrak’Andriamanitra tao am-pon’i Samoela?

  3. Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho sarotra tamin’i Samoela ny nampita izany hafatra izany?

  4. Inona no nantenain’i Samoela fa ho fiantraikan’ilay hafany teo amin’ny Nefita?

  5. Oviana ianao no nahatsapa fa nentanim-panahy mba hanome hafatra ho anao ny ray aman-dreny iray na mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana? Tamin’ ny fomba ahoana no nanampian’ izany anao?

  6. Inona avy ireo fahamarinana fanampiny hitanao ao anatin’ireo andininy ireo?

Vondrona 2—Helamàna 13:17–23

Rehefa tsy mahatsiaro ny Tompo isika dia mora mirona any amin’ny fiavonavonana sy ny fanaovana heloka.

  1. Iza amin’ireo andininy ireo no tsapanao fa mampianatra io fahamarinana io?

  2. Inona no ozona nolazain’i Samoela fa hitranga eo amin’ny Nefita raha toa ka mikiry amin’ny fanaovana heloka izy ireo?

  3. Inona koa ireo fahotana hafa nentin’ny fitiavan’ny Nefita harena?

  4. Inona avy ireo zavatra sasantsasany izay mety hametrahan’ny zatovo ny fony ka mitondra azy any amin’ny fiavonavonana sy fahotana?

  5. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny “mahatsiaro ny Tompo Andriamanitra[ao] amin’ny zavatra izay efa nitahiany anao”? (Helamàna 13:22).

  6. Inona avy ireo fahamarinana fanampiny hitanao ao anatin’ireo andininy ireo?

Vondrona 3—Helamàna 13:24–33

Raha mandà ny tenin’ireo mpaminanin’ny Tompo isika dia hiaina nenina sy alahelo.

  1. Iza amin’ireo andininy ireo no tsapanao fa mampianatra izany fahamarinana izany?

  2. Arak’i Samoela dia nahoana no nandà ireo mpaminany marina ny Nefita?

  3. Nahoana araka ny eritreritrao no misy olona sasany manaiky mpaminany sandoka araka ny nofaritan’i Samoela?

  4. Inona avy ireo fampianarana manokana sasantsasany avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly velona?

  5. Inona avy ireo “mpitarika adala sy jamba” sasany (Helamàna 13:29) izay nampitandreman’ny mpaminany sy apôstôly antsika fa tokony halavirina?

  6. Inona avy ireo fahamarinana fanampiny hitanao ao anatin’ireo andininy ireo?

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Helamàna 13:3. “Na inona na inona zavatra ho tonga ao am-pony”

Tsy nanapa-kevitra manokana mikasika izay zavatra hampianariny ny Nefita i Samoela mpaminany. Hitantsika ao amin’ny Helamàna 13:3 fa izy dia nampianatra “na inona na inona zavatra ho tonga ao am-pony.” Ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba fahatongavan’ny fanambarana toy izany eo amintsika matetika:

“Ny fanambarana dia tonga amin’ny teny izay tsapantsika kokoa fa tsy dia hoe re. Hoy i Nefia tamin’ireo rahalahiny mafy loha izay novangian’ny anjely iray hoe: ‘Efa donto, ianareo hany ka tsy nahatsapa ny teniny.’ [1 Nefia 17:45; nampiana fanamafisana.]

“Ny soratra masina dia fanehoan-javatra toy izany tahaka ny hoe: ‘Nesorina hiala ny sainay ny voaly ary nosokafana ny mason’ny fahatakaranay,’ [F&F 110:1] na ‘hiteny anao ao an-tsainao sy ao am-ponao Aho,’ [F&F 8:2] na ‘nanazava ny sainao Aho,’ [F&F 6:15] na ‘Teneno ny eritreritra izay hapetrako ao am-ponareo.’ [F&F 100:5.] Misy andininy an-jatony mampianatra mikasika ny fanambarana” (“Personal Revelation: The Gift, the Test, and the Promise,” Ensign, Nôv. 1994, 60).

Helamàna 13:27–29. Manaraka ny mpaminany velona

Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fanarahana ny mpaminany velona sy ny apôstôly ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ry rahalahy sy anabavy malala, aoka ianareo hifantoka amin’ireo zavatra izay nampianarin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana. … Ampiharo ireo fampianarana izay hanampy anareo sy ny fianakavianareo. Aoka isika rehetra, na inona na inona toe-javatra iainan’ny fianakaviantsika, mba hitondra ao an-tokantranontsika ireo fampianaran’ny mpaminany sy apôstôly mba hanamafisana orina ny fifandraisana amintsika samy isika ary ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any an-danitra sy i Jesoa Kristy Tompo. Mampanantena anareo aho amin’ny anaran’ny Tompo fa raha toa ianareo ka tsy mihaino fotsiny amin’ny sofinareo fa mihaino koa amin’ny fonareo, dia hasehon’ny Fanahy masina aminareo ny fahamarinan’ireo hafatra izay zaraina amin’ny alalan’ny [Filohan’ny Fiangonana], ireo mpanolotsaina azy sy ireo Apôstôly ary ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana. Hibitsika aminareo ny Fanahy mba hahafantaranareo izay tokony hataonareo manokana sy amin’ny maha-fianakaviana mba hahafahana manaraka ny torohevitra omenay ary mba hahamafy orina ny fijoroanareo ho vavolombelona sy hahazoanareo fiadanana sy fifaliana” (“His Word Ye Shall Receive,” Ensign, Mey 2001, 67).

Helamàna 13:38. Tsy ho hita ao anatin’ny fanaovana heloka ny fahasambarana

Nampitandrina ny Nefita i Samoela fa raha toa izy ireo ka mikiry mikatsaka fahasambarana ao anatin’ny fanaovana heloka dia hofongorana. Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa amin’ny alalan’ny fahamarinana ihany no hahatongavan’ny fahasambarana:

“Moa ve ianao efa nahatsikarika ny fomba fiasan’i Satana mba hambaboana ny saintsika sy ny fihetsehampontsika amin’ny alalan’ny sary manaitra, mozika mafy ary ny fanaitairana ny retsipamantarana ara-batana rehetra mba hihoa-pefy. Miezaka mafy mameno ny fiainana amin’ny alalan’ny hetsika sy fialamboly ary fanaitairana izy mba tsy hahafahan’ny olona hisaintsaina ny voka-dratsy aterak’ireo fanasana mampitsiriritra ataony. Eritrereto izany. Ny sasany alaim-panahy handika ireo didy fototr’ Andriamanitra noho ireo zavatra mahasodoka izay aseho ho toy ny azo ekena. Atao izay hahatonga azy ireo ho toy ny mahasodoka sy mampitsiriritra mihitsy aza. Toy ny hoe tsy misy voka-dratsy mihitsy izany fa toa fifaliana sy fahasambarana maharitra aza no hita ety ivelany. Saingy fantaro fa ireo zavatra atao ireo dia efa voafehin’ny lahatsoratra sy ny mpilalao. Ny vokatry ny fanapahan-kevitra noraisina koa dia ampifanarahana amin’izay tian’ny mpamokatra.

“Tsy toy izany ny fiainana. Eny, ny safidy ara-pitondrantena dia manome fahafahana anao hisafidy hoe ho lasa inona ianao saingy tsy afaka mifehy ny vokatra aterak’ireo safidy ireo ianao. Ny Raintsika any an-danitra dia mamaritra ny vokatry ny safidy ataontsika fa tsy toy ny hita amin’ireo zavatra sandoka noforonin’ny olombelona. Hitondra fahasambarana ny fankatoavana raha toa kosa ka tsy hitondra izany ny fandikana ny didiny” (“How to Live Well amid Increasing Evil,” Ensign na ny Liahona, Mey 2004, 102).

Helamàna 13:38. “Tratra aoriana mandrakizay”

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball hoe:

“Marina fa eo foana ilay fitsipika lehiben’ny fibebahana, saingy mifono fepetra lehibe ihany izany fanambarana izany ho an’ireo olon-dratsy sy mpikomy. Ohatra, ny fahotana dia fiforonam-pahazarana mahery vaika izay indraindray mitarika ny olona mankany amin’ilay fotoana mahatsiravina tsy ahafahana miverina intsony. Tsy misy ny famelan-keloka rehefa tsy misy ny fibebahana ary tandindomin-doza ireo fitahiana rehetra an’ny mandrakizay rehefa tsy misy ny famelan-keloka. Rehefa mirotsaka lalina kokoa hatrany ao anatin’ny fahotany ilay mpandika lalàna dia latsa-paka bebe kokoa ilay fahadisoana atao ary mihena ny faniriana hiova, ka efa manakaiky hatrany ny tsy fisian’ny fanantenana intsony. Migorisa ambany dia ambany izy mandra-pahatonga azy tsy hanana faniriana hiverina hihanika intsony na tsy hanana hery hanaovana izany intsony” (The Miracle of Forgiveness [1969], 117).

Hamoaka printy