Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano Fizarana 23


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Helamàna 10–16 (Fizarana 23)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Ity famintinana manaraka ireo fotopampianarana sy fitsipika izay nianaran’ny mpianatra ity rehefa nandalina ny Helamàna 10–16 (fizarana 23) izy ireo dia tsy natao ho ampianarina ao anatin’ny lesonao. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa-tsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika vitsivitsy amin’izy ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mandinika ireo zavatra ilain’ny mpianatra ianao.

Andro 1 (Helamàna 10)

Helamàna 10 manome fahafahana ny mpianatra mba hianatra bebe kokoa mikasika ny hery ara-panahin’i Nefia. Tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony dia nianatra ny mpianatra fa ny fisaintsainana ireo zavatra mifandray amin’ny Tompo dia manomana antsika handray fanambarana. Nianatra koa izy ireo fa omen’ny Tompo fitahiana sy andraikitra isika rehefa manao ho lohalaharana ny sitrapony. Rehefa nataon’i Nefia ho lohalaharana ny sitrapon’ny Tompo dia nomen’ny Tompo ilay fahefana hifehy izy.

Andro 2 (Helamàna 11–12)

Rehefa nandalina ny tantaran’ny Nefita tao anatin’ny 14 taona ny mpianatra dia nianatra fa afaka misoroka ny fiavonavonana sy ny famongorana isika amin’ny alalan’ny fanetren-tena sy ny fibebahana. Raha tsy mitandrina isika dia mety hitarika antsika hanadino ny Tompo ny firoboroboantsika. I Nefia dia nampianatra fa mba hanampiana ny olona hisoroka izany hadisoana izany dia faizin’ny Tompo ny olona mba hanairana azy ho amin’ny fahatsiarovana Azy.

Andro 3 (Helamàna 13–14)

Nasehon’i Samoela ilay mpaminany Lamanita fa ny mpaminany dia milaza ireo hafatra napetrak’Andriamanitra ao am-pony. Rehefa nandalina ireo fampitandreman’ny mpaminany ny mpianatra dia nianatra fa raha mandà ny tenin’ireo mpaminanin’ny Tompo isika dia hianjadian’ny nenina sy alahelo. Nanentana ny olona i Samoela mba hino an’i Jesoa Kristy ary nijoro ho vavolombelona izy fa manome famantarana sy zava-mahagaga ny Tompo mba hanampiana ny olona hino Azy.

Andro 4 (Helamàna 15–16)

Satria nomen’ny Tompo fitahiana maro ny Nefita dia niezaka i Samoela mba hanampy azy ireo hahatakatra ny fitsaran’Andriamanitra hiandry azy ireo raha toa tsy mibebaka izy ireo. Nianatra avy amin’izany ny mpianatra fa raha toa ny olona ka lasa tsy mino rehefa avy nandray ny fahafenoan’ny filazantsara dia hahazo fanamelohana lehibe izy ireo. Ny mpianatra dia nianatra avy tamin’ny fihetsika nasehon’ireo Nefita an’i Samoela fa rehefa misafidy ny handà ireo vavolombelon’ny Tompo isika dia manome vahana an’i Satana mba hahazo ny fontsika.

Fampidirana

Nohamafisina ao amin’ny Helamàna 10–16 ny anjara asan’ny mpaminany eo amin’ny fitoriana fibebahana. Ny mpianatra dia nanana fahafahana nandritra ity herinandro ity mba handalina ny fahatokiana nananan’ireo mpaminany, dia i Nefia sy i Samoela ilay Lamanita izany. Ireo lehilahy ireo dia samy nahazo fahitana ara-panahy ary nanana fahefana hitory teo anivon’ireo Nefita mafy loha. Na dia teo aza ny hamafin’ny fon’ireo olona dia samy nitory fibebahana izy roalahy. Nampianatra izy ireo fa ny fahasambarana dia hita ao anatin’ny fiainana ireo fitsipika navoitran’i Jesoa Kristy fa tsy ao anatin’ny fanaovana heloka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 10–16

Nitory teo anivon’ilay vahoaka tamim-pahatokiana i Nefia sy i Samoela

Anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo efa tao anatin’ny toe-javatra iray izay nahitana fa halan’ny namana izy ireo rehefa nanohana ireo fitsipika ampianarina ao anatin’ny bokikely Jeunes Soyez Forts. Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany ary hilaza ny zavatra tsapany sy nianarany.

Lazao ny mpianatra fa ny Helamàna 10–16 dia manome ohatra mikasika ny lehilahy anankiroa izay nijoro tamin’ireo fitsipiky ny Tompo na dia tsy tian’ny olona aza izany. Ampio ny mpianatra mba hieritreritra ny zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia sy i Samoela ilay Lamanita ka afaka manampy azy ireo raha ao anatin’ny toe-javatra toy izany izy ireo.

Adikao eo amin’ny solaitrabe ity tabilao ity na amin’ny taratasy iray:

Toe-javatra nitovy teo amin’i Nefia sy i Samoela ilay Lamanita

Nefia (Helamàna 10:1–5, 12, 15–16)

Samoela (Helamàna 13:1–6; 16:1–2)

Angataho ny mpianatra mba hikaroka ireo andininy voatanisa ao anatin’ilay tabilao ka hitady ny toe-javatra nitovy teo amin’i Nefia sy i Samoela. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hitanisa ireo toe-javatra nitovy ireo ao anatin’ilay faritra banga eo amin’ilay tabilao. Mety hahitana izao manaraka izao izany fitanisana izany: nolavin’ny olona; nandre ny feon’ny Tompo; nanaraka avy hatrany ireo torolalan’ny Tompo; niteny izay zavatra napetraky ny Tompo tao am-pony; nampitandrina ny Nefita fa raha toa izy ireo ka tsy mibebaka dia hofongorana; voaro tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo mampita ny hafany.

Rehefa avy nitanisa ireo zavatra nitovy hitany ny mpianatra dia angataho ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 10:4. Dia mametraha an’ ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona avy no mety ho antony sasantsasany nahatonga an’i Nefia hoe tsy nitandro hasasarana?

  • Ahoana koa no fomba nampisehoan’i Samoela fa tsy nitandro hasasarana izy? Ahoana no ahafahantsika manana izany toetra tsy mitandro hasasarana izany?

Angataho ny mpianatra iray mba hamaky amin’ny mpianatra ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay ampianarany antsika ny fomba ahafahantsika manana izany toetra izany:

“Raha mifantoka amin’i Jesoa sy ny asany isika dia hitombo ny halehiben’ny fifaliantsika sy ny fahaizantsika miaritra. … Tsy nikatsaka tamim-pitiavan-tena ’ny ainy samirery’ i Nefia fa nikatsaka kosa ny sitrapon’Andriamanitra. Izany dia nanome azy hery fanampiny sy tsy voazarazara izay nahatonga ilay fanaovany ezaka niaraka tamin’ny fahavitrihana fatratra araka izay vita. Fantatr’i Nefia hoe mankaiza ny lalana halehany: mankany amin’Andriamanitra” (If Thou Endure It Well [1996], 116).

Anontanio hoe:

  • Araka ny nolazain’ny Loholona Maxwell dia inona no azontsika atao mba hanompoana amim-pahavitrihana fatratra?

  • Inona avy ireo andian-teny ao amin’ny Helamàna 10:4 izay mampiseho fa “nitodika nankany amin’Andriamanitra,” i Nefia na amin’ny teny hafa dia hoe nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra izy?

  • Inona avy ireo andian-teny ao amin’ny Helamàna 13:3–5 izay mampiseho fa nanao ho lohalaharana ny sitrapon’Andriamanitra i Samoela?

  • Inona avy ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Nefia sy i Samoela? (Ity misy valinteny azo omena iray izay afaka maneho ny fahamarinana iray izay nianaran’ireo mpianatra tamin’ity herinandro ity nandritra ny fandalinany manokana: Manome antsika fitahiana sy andraikitra ny Tompo rehefa manao ho lohalaharana ny sitrapony isika.)

Vakio ity tantara manaraka notantarain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay mikasika ny ankizivavy iray 12 taona izay nanaiky ny hanao ho lohalaharana ny sitrapon’Andriamanitra:

“Tsy afaka ny hanana finoana marina ny Tompo isika raha tsy manana fahatokiana tanteraka koa ny sitrapon’ny Tompo sy ny fotoany. Rehefa manana izany karazana finoana sy fahatokiana ny Tompo izany isika dia manana fiarovana marina eo amin’ny fiainantsika. …

“Namaky zavatra mikasika ny zatovovavy iray izay nampihatra izany karazana finoana sy fahatokiana izany aho. Narary mafy ny reniny nandritra ny volana maro. Farany dia nantsoin’ilay ray mahatoky ny zanany mba ho eo an-doham-pandrian’ny reniny ary hanao veloma azy satria teo am-pialana aina izy. Tsy nanaiky ilay zatovovavy roa ambin’ny folo taona:

“Tsy tiako ho faty ny neniko ry Dada a! Niaraka taminy tany amin’ny hopitaly aho… nandritra ny enim-bolana; nametra-tanana azy matetika ianao dia afakafaka ny fanaintainany ary matory amim-pahatoniana izy. Tiako ny mba hametrahanao tanana eo amin’ny neniko ary hanasitrana azy.

“Nolazain’ilay raim-pianakaviana, izay ny Loholona Heber J. Grant, tamin’ny zanany fa tsapany tao am-pony hoe tonga ny fotoana handehanan’ny reniny. Lasa nivoaka ny zanany ary nandohalika teo an-doham-pandrian’ny vadiny izy. Taty aoriana dia notantarainy ilay vavaka nataony: ’Nolazaiko tamin’ny Tompo fa manaiky ny fiasan’ny tanany aho eo amin’ny fiainana [ary] eo amin’ny fahafatesana. … Saingy nolazaiko tamin’ny Tompo fa tsy ampy ny hery hiatrehako ny fahafatesan’ny vadiko sy ny vokatr’izany eo amin’ny finoan’ireo zanako kely.’ Nitalaho tamin’ny Tompo izy mba hanome ilay zanany vavy ’fahalalana fa avy Aminy sy sitrapony ny hahatonga ny reniny ho faty.’

“Maty adiny iray taorian’izay ilay renim-pianakaviana. Rehefa nantsoin’ny Loholona Grant ny zanany mba hiverina tao amin’ilay efitranon-dreniny ary nolazainy tamin’izy ireo ny fahafatesany dia nanomboka nigogogogo nitomany ilay zanany lahy kely enin-taona [nantsoina hoe Heber]. Nofihinin’ilay zokiny vavy roa ambin’ny folo taona teny an-tsandriny izy ary nolazainy hoe: ’Aza mitomany ry Heber! Rehefa nivoaka ity efitrano ity aho dia nilaza tamiko ny feon’ny Tompo avy any an-danitra hoe: ny fahafatesan’ny reninao no ho sitrapon’ny Tompo’ (Bryant S. Hinckley, Heber J. Grant: Highlights in the Life of a Great Leader, Salt Lake City: Deseret Book Co., 1951, pp. 243–44).

“Rehefa manana karazana finoana sy fahatokiana toy ny nasehon’io zatovovavy io isika dia manana ny hery hanohanana antsika ao anatin’ny zava-miseho lehibe eo amin’ny fiainantsika” (“Faith in the Lord Jesus Christ,” Ensign, Mey 1994, 100).

Anontanio hoe:

  • Inona no nanampy ny Filoha Heber J. Grant sy ny fianakaviany mba hanao ho lohalaharana ny sitrapon’ny Tompo?

  • Moa ve ianao efa niaina toe-javatra izay tsy maintsy nametrahanao fitokiana tamin’Andriamanitra sy nanaovanao ho lohalaharana ny sitrapony? (Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra niainany. Ampahatsiahivo izy ireo fa tsy tokony hizara zavatra mahakasika loatra ny tena manokana.)

Omeo toky ny mpianatra fa rehefa mametraka ny fitokiantsika amin’Andriamanitra isika ary manao ny sitrapony ho lohalaharana dia hanohana antsika izy ao anatin’ny fotoan-tsarotra.

Hazavao fa anisan’ny lafiny iray manan-danja tao anatin’ny asa fanompoana nataon’i Nefia ny manampy ny olona hahatsiaro an’Andriamanitra sy hibebaka amin’ny fahotany. Kanefa nanamafy ny fony hatrany izy ireo ary tsy naniry ny mba hahitsy.

Zarao ho vondrona roa ny mpianatra. Angataho ny vondrona iray mba hamaky ny Helamàna 10:15–18; 11:3–10 ary ilay vondrona hafa hamaky ny Helamàna 11:30–37; 12:1–3. (Azonao atao ny manoratra ireo soratra masina ireo eo amin’ny solaitrabe.) Angataho ny vondrona tsirairay mba hivonona hifanakalo hevitra mikasika ireo antony namaizan’ny Tompo ny vahoakany. Mety hilaza antony vitsivitsy samihafa ny mpianatra saingy ataovy izay hanehoan’izy ireo fa faizin’ny Tompo ny olona mba hanairana azy ireo ho amin’ny fahatsiarovana Azy.

  • Kazarana famaizana inona no nampiasain’ny Tompo mba hisarihana ny sain’ny olona?

  • Araka ny Helamàna 12:3, dia maro ny olona no tsy mahatsiaro ny Tompo raha tsy faizina. Nahoana no izany no miseho araka ny eritreritrao?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 15:3.

  • Ahoana no mahatonga ny famaizan’ny Tompo ho toy ny fanehoam-pitiavana?

Angataho ny mpianatra mba hizara ny valintenin’izy ireo mikasika ilay asa nampanaovina 5 ao anatin’ny andro 2 amin’ity herinandro ity. Azonao atao ny mamerina fa amin’ny alalan’ny fanetren-tena sy ny fibebahana dia afaka misoroka ny fiavonavonana sy ny famongorana isika ary raha tsy mitandrina isika dia hitarika antsika hanadino ny Tompo ny firoboroboantsika.

Fizarana Manaraka (3 Nefia 1–11)

Ao anatin’ilay asa hampanaovina ny mpianatra manaraka dia hamaky mikasika ny firenena Nefita iray manontolo izy ireo izay nivondrona mba hiady amin’ireo jirik’i Gadiantôna tao anatin’ny ady nanehoan-kerimpo iray. Ahoana no fomba nahafahan’ny Nefita nandresy ireo jirika ratsy fanahy ireo? Ny mpianatra koa dia hamaky mikasika ilay faharavana goavana izay niseho tany Amerika tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesoa Kristy tany Jerosalema. Naheno ny feon’i Jesoa Kristy ny vahoaka tao anatin’ny haizina. Dia tonga ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty mba hanompo manokana teo anivon’izy ireo. Angataho ny mpianatra mba hieritreritra ny mety ho tsapan’izy ireo raha teo izy ireo tamin’izany fotoana izany.

Hamoaka printy