Tahirim-pitaovana
Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano Fizarana 22


Lesona ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny Mpianatra any An-trano

Helamàna 1–9 (Fizarana 22)

Fitaovana Fanomanana ilain’ny Mpampianatra amin’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Famintinana ireo Lesona isan’andro ho an’ny Fandaharam-pianaran’ny mpianatra any An-trano

Tsy natao ho ampianarina ao anatin’ny lesonao ity famintinana ny fotopampianarana sy fitsipika manaraka ity izay nianaran’ny mpianatra rehefa nandalina ny Helamàna 1–9 (fizarana 22) izy ireo. Ny lesona ampianarinao dia tsy mifantoka afa-tsy vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo. Araho ny bitsiky ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra ny zavatra ilain’ny mpianatra ianao.

Andro 1 (Helamàna 1–2)

Rehefa nandalina ny korontana ara-pôlitika sy vono olona teo anivon’ny Nefita sy ny fakan’ny Lamanita ny tanànan’i Zarahemlà ny mpianatra dia nianatra izy ireo fa mampisaratsaraka ny fifandirana ary mahatonga antsika ho mora voasariky ny fahavalo. Nianatra koa izy ireo fa ny tsikombakomba miafina dia mety mitondra fahapotehan’ny fiarahamonina.

Andro 2 (Helamàna 3–4)

Tamin’ny alalan’ny fandalinana ny fiaretan’ireo Nefita mpanara-dia be fanetren-tena an’i Jesoa Kristy ny fanenjehana maro dia nianatra ny mpianatra fa afaka mitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana rehefa miantso an’Andriamanitra isika ary manolotra ny fontsika ho Azy. Rehefa nohalalinin’ny mpianatra ny fomba nahafahan’ny Lamanita hahazo ny antsasaky ny tanin’ny Nefita noho ny fitomboan’ny fiavonavonan’ireto farany dia nianatra izy ireo fa ny fiavonavonana sy ny faharatsiana dia manasaraka antsika amin’ny Fanahin’ny Tompo ary mamela antsika ao amin’ny herintsika ihany.

Andro 3 (Helamàna 5)

Tamin’ny alalan’ny fandalinana ny torohevitr’i Helamàna nomeny izay nomeny an’i Nefia sy i Lehia zanany dia nianatra ny mpianatra fa raha toa ka manorina ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy hanana hery eo amintsika i Satana. Nibebaka ny Lamanita maro tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra sy ny finoana ary ny asa fitoriana nataon’i Nefia sy i Lehia. Nianatra ny mpianatra fa raha mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka amin’ny fahotantsika isika, dia hameno fiadanana sy fifaliana ny fontsika ny Fanahy Masina.

Andro 4 (Helamàna 6–9)

Nianatra ny mpianatra fa rehefa mino ny tenin’ny Tompo isika ary mankatò izany dia handrotsaka ny Fanahiny eo amintsika Izy. Nampitandrina an’ireo Nefita ratsy fanahy mikasika ny voka-dratsin’ny faharatsiana i Nefia ary nanamafy fa raha mandà tsy hibebaka amin’ny fahotantsika isika dia hamoy ny fiarovan’ny Tompo sy ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay. Nisy olona sasany nanohana an’i Nefia rehefa avy nihaino ny teniny izy ireo. Nianatra ny mpianatra fa rehefa mahatohitra ny ratsy isika dia afaka misoroka ny fivoaran’izany. Nampahatsiahy ny vahoaka i Nefia fa mpaminany maro no nijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy ary nampianatra fa rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika ary mampihatra ny finoana Azy dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Ny mpianatra dia nianatra avy amin’ireo fampianaran’i Nefia voarakitra ao anatin’ny Helamàna 7–9, fa ho tanteraka ny tenin’ireo mpaminany.

Fampidirana

Teo anivon’ny fifandirana sy ny faharatsiana no nampianaran’i Nefia ireo zanany lahy fa i Jesoa Kristy no tokony ho fototry ny finoan’izy ireo. Ny fampianaran’i Nefia mikasika ny fibebahana sy ny fihainoana ny tenin’ny mpaminanin’ny Tompo dia zava-dehibe ho an’ny fifalian’ny vahoaka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 1–5

Nianjadian’ny faharesena ny Nefita noho ny fifandirana sy ny faharatsiana ary Lamanita maro no niova fo rehefa nitory ny filazantsara i Nefia sy i Lehia

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra hoe nahoana ny tranobe sasany no mijoro maharitra ela ary ny sasany kosa mianjera. Dia anontanio hoe: Nahoana no zava-dehibe ho an’ny tranobe iray ny fananana fototra mafy tsara?

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 5:12. Noho izy ity soratra masina fehezina dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanandrana hitanisa izany araka ny fitadidiany azy. Amporisiho izy ireo mba hanandrana na dia mety tsy tadidin’izy ireo tanteraka aza izany. Dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

  • Inona no ampanantenaina ao anatin’ity andininy ity raha toa isika ka manorina ny fiainantsika eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy? (Ny valinteny omen’ny mpianatra dia tokony hahitana ny hoe: raha toa ka manorina ny fototsika eo amin’i Jesoa Kristy isika dia tsy hanana hery eo amintsika i Satana.)

  • Inona no nataonao mba hanorenana ny fiainanao eo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy?

Asao ny mpianatra mba hiresaka momba ireo fotoana izay nanampian’ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Mpamonjy azy ireo mba hanohitra ny fakam-panahy na hahazaka fitsapana. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny hery ara-panahy voarainao noho ny fanorenanao ny fiainanao teo amin’ny fototr’i Jesoa Kristy. Amporisiho ny mpianatra mba hieritreritra fomba iray na mihoatra izay hiezahan’izy ireo hatao mba hanorenan’izy ireo tsara kokoa ny fiainany eo amin’ny vatolampin’i Kristy.

Helamàna 6–7

Lasa olo-marina kokoa ny Lamanita raha lasa niharatsy fanahy kosa ny Nefita. Nitory tamin’ireo Nefita ratsy fanahy i Nefia ary nandidy azy ireo mba hibebaka

Ampahatsiahivo fa raha Lamanita maro no nibebaka sy nihamafy orina tao amin’ny filazantsara dia niaina tao anatin’ny faharatsiana kosa ny Nefita ary niala teo amin’izy ireo ny Fanahy masina. Angataho ny mpianatra mba hieritreritra mikasika ny fotoana iray teo amin’ny fiainan’izy ireo izay nahatsapany fa niala teo amin’izy ireo ny Fanahy noho ny safidy nataon’izy ireo.

Hazavao fa rehefa nahita ny toetran’ny vahoakany i Nefia dia, “vonton’alahelo ny fony” (Helamàna 7:6). Niakatra teny amin’ny tilikambo iray tao amin’ny sahany mba hivavaka sy haneho ny alahelony noho ny faharatsian’ny vahoakany izy. Nisy olona maro tafavory nanodidina azy ary narararaotiny izany fotoana izany mba hampianarana azy ireo.

Asao ny mpianatra iray mba handeha eny aloha ka hilalao an-tsehatra an’i Nefia teny amin’ilay tilikambo. Angataho ny mpianatra mba hamaky mafy ny Helamàna 7:15–22, 26–28 ka manaraka izany ny mpianatra ambiny. Alohan’ny hamakiana dia zarao roa ny mpianatra. Angataho ny antsasany mba hitady ny zavatra nampianarin’i Nefia mikasika ireo fahotan’ny Nefita ary angataho ilay antsasany iray hafa mba hitady ny voka-dratsy hiseho izay nijoroan’i Nefia ho vavolombelona fa hitranga raha toa ka tsy mibebaka ny Nefita. Dia angataho ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

Rehefa avy namaly ny mpianatra dia asao izy ireo mba hilaza ireo fitsipika azontsika ianarana ao anatin’io tantara io. Mety hizara fitsipika isan-karazany ny mpianatra saingy tokony hilaza izy ireo fa raha mandà tsy hibebaka amin’ny fahotantsika isika dia tsy hanana ny fiarovan’ny Tompo sy ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ity fitsipika ity dia asao izy ireo mba hanazava ny voka-dratsy mety hihatra amin’ny olona ao anatin’ireto toe-javatra manaraka ireto: (1) Mandà tsy hibebaka noho ny fiankinan-dohany amin’ny pôrnôgrafia ny zatovolahy iray. (2) Ny ho be mpahafantatra sy halaza no tanjon’ny ambony indrindran’ny zatovovavy iray na dia tsy izany aza no nampianarin’ny ray aman-dreniny azy. (3) Nihaino ny torolalan’ny mpaminany mba handalina ny soratra masina sy hivavaka ny zatovolahy iray sainga mandà tsy hanao ireo zavatra roa ireo izy.

Asao ny mpianatra hisaintsaina raha toa ka misy zavatra hafa tokony hibebahan’izy ireo mba hahafahan’izy ireo manana ny herin’ny Tompo feno kokoa eo amin’ny fiainany.

Helamàna 8

Nampianatra i Nefia fa mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ireo mpaminany rehetra

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny teny hoe manaiky sy mandà. Angataho ny mpianatra mba hanazava ny fahasamihafana misy eo amin’ireo teny roa ireo. Asao ny mpianatra iray mba hamaky ny Helamàna 8:13 ka tadiavin’ny mpianatra sisa ao anatin’izany ny zavatra lazain’i Nefia fa nolavin’ny olona. Azonao atao ny manentana ny mpianatra mba hanisy marika ny zavatra hitany.

Asehoy ny mpianatra ilay sary hoe: Mosesy sy ny Menarana Varahina (62202; Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], faha 16). Asao izy ireo mba hamaky ny Helamàna 8:14–15 ary hitady ny zavatra nampianaran’i Mosesy momba ny Mpamonjy. Asao izy ireo mba hanao tatitra ny zavatra hitany. Dia anontanio hoe:

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny olona iray miandrandra ny Mpamonjy amin’ny finoana?

  • Inona no dikan’ny hoe manana “fanahy manenina”? (Manetry tena, mibebaka ary manaiky ny sitrapon’ny Tompo.) Nahoana no zava-dehibe izany toetra izany rehefa miandrandra ny Mpamonjy isika?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy manampy antsika mba hanohitra ny ratsy sy hibebaka rehefa manota isika?

Asao ny mpianatra mba hilaza fitsipika iray izay azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo. Afaka mampiasa teny samihafa ny mpianatra saingy tokony haneho izy ireo fa rehefa mifantoka amin’i Jesoa Kristy isika ary mampihatra ny finoana Azy dia hahazo ny fiainana mandrakizay.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 8:16 ary angataho ny mpianatra ambiny mba hitady hoe iza koa no nampianatra mikasika ny asa nanirahana ny Mpamonjy. Asaivo tadiavin’ny mpianatra haingana ao amin’ny Helamàna 8:17–22 ireo anaran’ireo mpaminany hafa izay nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny fomba nijoroan’ireo mpaminany fahiny ary amin’izao androntsika izao ho vavolombelona momba ny asa nanirahana ny Mpamonjy sy ny sorompanavotana.

Asao ny mpianatra hizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny lanjan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Azonao atao koa ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona.

Fizarana manaraka (Helamàna 10–16)

Angataho ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe nampanantena azy ireo ny Tompo fa hanao izay rehetra angatahan’izy ireo Azy. Tena nahatoky i Nefia ka nanao izany fampanantenana izany taminy ny Tompo ary nanome azy ny fahefaha hifehy. Amporisiho ny mpianatra mba handalina ny Helamàna 10–11 amin’ity herinandro ity ka hitady ireo fomba nampiasan’i Nefia ilay fahefana izay nomen’ny Tompo azy mba hanampiana ny olony. Asao koa izy ireo mba hitady hoe firy ireo mari-pamantarana mikasika ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy mety ho hitan’izy ireo rehefa mandalina ny faminanian’i Samoela Lamanita ao amin’ny Helamàna 13–16.

Hamoaka printy