Tahirim-pitaovana
Lesona 107: Helamàna 3–4


Lesona 107

Helamàna 3–4

Fampidirana

Nandritra io fotoana io tao anatin’ny tantaran’ny Bokin’i Môrmôna, dia niaina fotoana nahitana fandriampahalemana izy ireo nefa nandalo fotoana nisian’ny fifandirana koa. Nefita an’arivorivony no lasa mpikamban’ny Fiangonana nandritra ilay fotoana nisian’ny fandriampahalemana. Taorian’izay vanim-potoana nisian’ny firoboroboana izay dia nanomboka niditra tao am-pon’ny olona ny fiavonavonana. Kanefa nitombo ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana manetry tena kokoa na dia teo aza ny fanenjehana ataon’ireo izay miavonavona amin’izy ireo. Noho ny faharatsiana teo anivon’ny maro tamin’ireo Nefita dia lasan’ny Lamanita ny taniny rehetra tany amin’ny faritra atsimo.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 3

Nefita maro no nifindra monina tany amin’ny faritra avaratra, raha niroborobo kosa teo anivon’ny faharatsiana sy fanenjehana ny Fiangonana.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto teny manaraka ireto (azonao atao alohan’ny fotoam-pianarana izany):

Olona any … (anaran’ny firenenao)

Olona any … (anaran’ny tanànanao)

Olona ao amin’ny paroasiko na sampako

Olona ao amin’ny fianakaviako

Ny tenako

Anontanio ny mpianatra hoe iza amin’ireo olona voatanisa teny amin’ny solaitrabe no eritreretin’izy ireo fa azony fehezina. Dia angataho izy ireo mba hanangana ny tanany raha toa efa nisy fotoana nahakivy azy ireo noho ny zavatra nataon’ny hafa. Asaivo atsangan’izy ireo eo ihany ny tanany raha toa ka nisy fotoana vao haingana nahakivy azy ireo noho ny zavatra ratsy nataon’ny hafa. Hazavao fa rehefa mandalina ny Helamàna 3 izy ireo dia hahita hevi-baovao mikasika ny zavatra azon’izy ireo atao rehefa tsy miaina araka ny filazantsara ny olona manodidina azy ireo.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 3:1–2. Angataho ny mpianatra rehetra ambiny mba hanaraka izany ka hitady hoe aiza daholo no ahitana ilay andian-teny hoe “tsy nisy fifandirana.” Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Helamàna 3:3,19 ka hitady teny na andian-teny izay maneho ny fiovan-javatra teo anivon’ny Nefita.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tena haingana ilay fialan’ny Nefita tao anatin’ilay fotoana tsy nisy fifandirana nankany amin’ilay fotoana tena feno fifandirana?

Fintino ny Helamàna 3:3–16 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nandritra io fotoana nisian’ny fifandirana io dia maro ireo Nefita nifindra monina tany avaratra.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 3:20. Angataho ny mpianatra mba hitady hoe ahoana no namaritana an’i Helamàna nandritra io fotoana nisian’ny fifandirana io.

  • Inona no zavatra manaitra anao mikasika ny ohatra nasehon’i Helamàna nandritra io fotoana nisian’ny fifandirana io? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika ny teny hoe lalandava ao amin’ny Helamàna 3:20.)

Asao ny mpianatra mba hamaky amim-pahanginana ny Helamàna 3:22–26 ary hitady ny fiovan’ny toe-javatra teo anivon’ny Nefita.

  • Inona no nahatonga ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ho taitra?

  • Inona no azontsika ianarana avy ao amin’ireo andininy ireo mikasika ny hery lehibe ananan’ny Fiangonana mba hitarihana ny olona?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa rehefa nandrindra ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna i Môrmôna, dia matetika nambarany ireo lesona tiany hianaran’ireo mpamaky avy ao amin’ny tantara sasany. Raha ny momba ny Helamàna 3, dia nampiasa andian-teny toy ny hoe “dia toy izany no ahazoantsika mahita,” “toy izany no ahitantsika,” ary “hitantsika” mba hampahafantarany ny lesona tiany hozaraina. Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Helamàna 3:27–30 ary hitady izay lesona tian’i Môrmôna hianarantsika. Rehefa manao tatitra ny zavatra hitany ny mpianatra dia anontanio hoe:

  • Inona no tian’i Môrmôna ho fantatsika mikasika ny tenin’Andriamanitra?

Omeo fotoana ny mpianatra mba hisaintsainana ny fomba nahafahan’izy ireo nahazo fitahiana toy ireo nampanantenaina ao amin’ny Helamàna 3:29 tamin’ny alalan’ny fandalinany soratra masina. Mangataha mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra niainany.

Hazavao fa ny ambin’ny Helamàna 3 dia mitantara ny fihanahan’ny avonavona teo anivon’ny Nefita taorian’ny firoboroboana lehibe. Maro tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana be fanetren-tena no nianjadian’ny fanenjehana avy tamin’ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana izay tafiditry ny avonavona ny fony. Vakio mafy ireto toe-javatra manaraka ireto. Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina hoe oviana izy ireo no efa nahita na niaina toe-javatra toy izany.

  1. Misy zatovovavy iray manarabiraby ankizivivavy iray ao amin’ny paroasiny.

  2. Misy zatovolahy iray maneso mpikambana iray ao amin’ny kôlejiny hoe miseho mazoto be mamaly fanontaniana ao am-pianarana na miseho manolo-tena foana amin’ny fanatanterahana ny andraikitry ny fisoronana.

  3. Misy andian-jatovolahy ao amin’ny paroasy iray izay manilika zatovolahy iray tsy handray anjara amin’ny resaka ifanaovan’izy ireo sy izay zavatra ataon’izy ireo any ivelan’ny fiangonana.

  4. Misy andian-jatovovavy manao teny maharary mikasika ny akanjo anaovan’ireo zatovovavy hafa.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Helamàna 3:33–34. Angataho ny mpianatra mba hitady ireo zavatra mampitovy ilay toe-javatra niseho teo amin’ny Nefita sy ireo toe-javatra nofaritana tetsy ambony. Rehefa nanana fotoana namaliana ny mpianatra dia apetraho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no noraisina ho toy ny “faharatsiana lehibe” teo anivon’ny Nefita ilay fanenjehana mpikamban’ny Fiangonana nataon’ireo mpikambana hafa tao amin’ny Fiangonana?

  • Inona no fitsipiky ny filazantsara dikaintsika rehefa tsy manaja na maneho haratsiam-panahy amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny Fiangonana isika? Ahoana no ahafahantsika manamafy orina ny fitiavantsika ireo Olomasina namantsika?

Asao ny mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Helamàna 3:35 ary hitady ny fihetsika nasehon’ireo manetry tena teo anivon’ny Nefita teo anatrehan’ny fanenjehana azy.

  • Nitombo ve sa nihena, sa tsy niova ny finoan’ireo olona nenjehina?

  • Inona no zavatra nataon’ireo olona nenjehina izay nahatonga ny fitomboan’ny finoan’izy ireo? (Nifady hanina sy nivavaka matetika izy ireo ary nikatsaka ny hanana fanetren-tena sy nanolotra ny fony tamin’Andriamanitra.)

  • Ankoatra ny fitomboan’ny finoana dia nitondra inona koa ny zavatra nataon’ireo Nefita manetry tena? (Fifaliana, fiononana ary fanadiovana sy fanamasinana ny fony.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe izao zavatra manaraka izao: Rehefa … isika, dia hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana. Angataho ny mpianatra mba hameno io fanambarana io ka miainga avy amin’ny zavatra nianarany tao amin’ny Helamàna 3:33–35 izy ireo. Azonao atao ny manasa mpianatra maro mba hizara ny namenoany izany fanambarana izany. Na dia mety tsy mitovy aza ny valinteny omen’ny mpianatra dia ataovy izay ilazan’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa mikatsaka ny hiaina amim-pahamarinana isika dia hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra lalina ny fampianarana ao anatin’ireo fampianarana ireo, dia azonao atao ny mametraka ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba nanampian’ny vavaka sy ny fifadian-kanina anao tao anatin’ny fotoana nisian’ny fanenjehana na fitsapana?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manolotra ny fonao amin’Andriamanitra?

  • Nahoana no ilaina ny manolotra ny fonao amin’Andriamanitra mba hampitomboana ny finoanao ao anatin’ny fotoana isian’ny fanenjehana na fitsapana?

Anontanio ny mpianatra raha efa nahatsapa izy ireo fa nitombo ny finoany rehefa naneho fihetsika tsara teo anatrehan’ny fanenjehana izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nianarany. Azonao atao koa ny mizara zavatra niainanao manokana.

Mba hanomanana ny mpianatra handalina ny Helamàna 4, dia asao izy ireo hamaky amim-pahanginana ny Helamàna 3:36. Angataho izy ireo mba hitady ny toe-javatra nisy teo amin’ny Nefita tamin’ny ankapobeny. (Nitombo ny fiavonavonan’ny Nefita na dia teo aza ny ohatra nasehon’ireo mpanara-dia an’i Kristy izay feno fanetren-tena.)

Helamàna 4

Noho ny faharatsiana dia niala teo amin’ny Nefita ny Fanahin’ny Tompo ary nalain’ny Lamanita ireo tanin’ny Nefita rehetra tany amin’ny faritra atsimo.

Hazavao fa ny Helamàna 4:4–8 dia miresaka momba ny ady iray ka ny Nefita no niady tamin’ireo Lamanita sy mpiendaka Nefita tamin’izay. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ireo andininy ireo. Angataho ny mpianatra rehetra ambiny hanaraka izany ka hitady hoe tanin’ny Nefita taiza avy no lasa nandritra izany ady izany.

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto torolalana manaraka ireto. (Azonao atao alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana izany.) Asao ny mpianatra mba hanoratra azy ireo ao anatin’ny kahieny na diary fandalinany soratra masina.

Manorata andian-teny telo izay maneho ny toetran’ny Nefita sy ny zavatra nataon’izy ireo.

Manorata andian-teny telo izay maneho ny zavatra nitranga noho ireo zavatra natao ireo.

Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra. Angataho ireo mpianatra mandeha tsiroaroa ireo mba hiaraka hamaky ny Helamàna 4:11–13, 23–26 ka hitady sy hanoratra ireo andian-teny manan-danja araka ireo torolalana eo amin’ny solaitrabe.

Manasà olon-droa miara-miasa vitsivitsy mba hizara ny valinteniny. Rehefa mizara ny zavatra nosoratany ny mpianatra dia azonao atao ny manoro hevitra azy ireo mba hanisy marika ireto andian-teny manaraka ireto ao amin’ny soratra masiny: “navela tao amin’ny heriny ihany” (Helamàna 4:13), “nalemy izy” (Helamàna 4:24), ary “toy izany no nahatonga azy ho malemy” (Helamàna 4:26).

Anontanio ny mpianatra hoe inona avy ireo fitsipika tokony ho hitan’izy ireo avy amin’ny fandalinana ny Helamàna 4. Ampio izy ireo hahita ity fitsipika manaraka ity: Ny fiavonavonana sy ny faharatsiana dia mampisaraka antsika amin’ny Fanahin’ny Tompo ary mamela antsika ao amin’ny herintsika irery ihany. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo amin’ny solaitrabe. Azonao atao koa ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra izany ao anatin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Helamàna 4:23–24.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia asao ny iray amin’izy ireo mba handeha ho eny aloha. Angataho ilay mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe nofidiana mba hiady irery amin’ny Lamanita izy. Anontanio ilay mpianatra hoe aiza ho aiza ny fahafahany mandresy eo anatrehan’izany tafika lehibe izany. Mangataha mpianatra iray hafa handeha eny aloha ary hijoro eo akaikin’ilay mpianatra voalohany. Anontanio ilay mpianatra voalohany raha toa ka mety hampitombo ny fahafahany handresy ilay tafiky ny fahavalo ny fanampian’io mpianatra faharoa io. (Raha eo anatrehan’izany tafika lehibe izany dia tsy tena hampitombo be ny fahafahany mahazo fandresena akory ny fanampiana mpianatra iray.) Dia soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Ny Tompo. Anontanio ilay mpianatra voalohany hoe:

  • Aiza ho aiza araka ny eritreritrao ny fahafahanao mahazo fandresena raha toa ka manana ny Tompo eo akaikinao ianao?

Anontanio ny mpianatra hoe inona no ifandraisan’io asa natao io amin’ilay fitsipika hita ao amin’ny Helamàna 4. Apetraho ity fanontaniana manaraka ity:

  • Raha tao anatin’ny zavatra niainan’ny Nefita dia midika hoe resy tamin’ny ady sy namoy ireo taniny ilay hoe: navela ho tao amin’ny heriny ihany. Mety ho inona ireo “ady” izay tsy hahazoantsika fandresena raha toa ka tsy manana ny Fanahy Masina miaraka amintsika isika?

Angataho ny mpianatra mba hieritreritra zavatra iray azon’izy ireo atao mba hihazonana ny Fanahy Masina ho namana ao amin’ny fiainan’izy ireo ary asao izy ireo mba hanao izany. Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny maha zava-dehibe ny Fanahy eo amin’ny fiainanao.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Helamàna 3:33–34, 36; 4:12. Ny voka-dratsin’ny fiavonavonana eo amin’ny Fiangonana

Nohazavain’i Môrmôna fa tsy tao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ny fiavonavonana fa noho ny harena lehibe izaitsizy dia nanomboka niditra tao am-pon’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonana izany (jereo ny Helamàna 3:33, 36).

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

“Eritrereto hoe inona no voka-dratsin’ny fiavonavonana taloha ary inona no voka-dratsin’izany ankehitriny eo amin’ny fiainantsika manokana sy ny fianakaviana ary ny Fiangonana.

“Eritrereto ny fibebahana tokony ho natao izay mitondra fiovam-piainana sy fanambadiana voaro ary tokantrano mafy orina raha toa ka tsy teo ny fiavonavonana izay nanakana antsika tsy hibaboka amin’ny fahotantsika sy tsy hahafoy izany. (Jereo ny F&F 58:43.)

“Eritrereto ireo olona maro izay lasa mpikamban’ny Fiangonana malaindaina satria tafintohina izy ireo ary ny fiavonavonan’izy ireo dia tsy hamela azy ireo hamela heloka na hiara-hisakafo tanteraka eo amin’ny latabatry ny Tompo.

“Eritrereto ireo zatovolahy sy mpivady fanampiny tokony ho afaka nanao asa fitoriana raha toa ka tsy nosakanan’ny fiavonavonana hanolotra ny fony ho an’ Andriamanitra izy ireo. (Jereo ny Almà 10:6; Hel. 3:34–35.)

“Eritrereto ny mety ho fitombon’ny asa atao any amin’ny tempoly raha toa ka nomena lanja bebe kokoa ny fotoana laniana amin’ ny fanaovana izany asa fanompoana masina izany noho ireo fanenjehan-javatra maro miteraka avonavona izay mameno ny fotoantsika” (“Beware of Pride,” Ensign, May 1989, 6).

Hamoaka printy