Tahirim-pitaovana
Lesona 111: Helamàna 10


Lesona 111

Helamàna 10

Fampidirana

Ilay fotoam-pitsarana mba hahalalana izay namono ny lohan’ny mpitsara dia nifarana rehefa voamarina ny fanambaran’i Nefia mikasika ilay olona tena namono. Rehefa afa-niala tamin’ilay fanasaziana noho ireo fiampangana diso azy i Nefia dia lasa nandeha an-tongotra nody izy. Nisaintsaina ny zavatra nasehon’ny Tompo taminy izy ary nahatsapa hakiviana noho ny faharatsian’ilay vahoaka. Tao anatin’izany fotoana nisaintsainana sy nahatsapana alahelo izany dia naheno ny feon’ny Tompo izy. Nomen’ny Tompo fahefana hifehy izy ary nodidiany mba hanohy hitory ny fibebahana amin’ny vahoaka. Tonga dia nankatò ny didin’ny Tompo i Nefia.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Helamàna 10:1–11

Nomena ny fahefana hifehy i Nefia

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny fanambaran’i Nefia mikasika ny namonoana ny lohan’ny mpitsara izay voarakitra ao amin’ny Helamàna 8–9. Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny tenan’izy ireo hoe eo amin’ny toeran’i Nefia fotoana fohy taorian’ny nanambarany ilay olona namono ny lohan’ny mpitsara.

  • Inona no mety ho tsapanao? Inona no fihetsika eritreretinao fa hasehon’ny hafa eo anatrehan’izany?

  • Inona no ho tianao lazaina amin’ny olona?

  • Inona no ho tsapanao raha toa ka tsy miraharaha anao ny olona ary avelan’izy ireo irery eo ianao?

Hazavao fa rehefa afaka madiodio tamin’ny fiampangana azy ho nanomo ilay lohan’ny mpitsara i Nefia dia nandeha nankany an-tranony. Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 10:1–3 ary angataho ny mpianatra ambiny mba hitady ny zavatra nataon’i Nefia rehefa nandeha nody izy. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny hoe nisaintsaina isaky ny miseho ao anatin’ireo andininy ireo izany.

  • Nahoana no “nitanondrika fatratra” i Nefia?

  • Inona no zava-nitranga rehefa nisaintsaina i Nefia? (Tonga taminy ny feon’ny Tompo.) Inona no fifandraisana misy eo amin’ny misaintsaina sy ny mandray fanambarana?

Rehefa mamaly ny mpianatra dia ampio izy ireo mba hahita ity fitsipika manaraka ity: Manomana antsika handray fanambarana ny fisaintsainana ireo zavatra mifandray amin’ny Tompo. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eo amin’ny solaitrabe.

Anontanio ny mpianatra raha afaka mieritreritra tantara ao amin’ny soratra masina na tao anatin’ny tantaran’ny Fiangonana izy ireo izay nahitana ny nandraisan’ny olona fanambarana rehefa nisaintsaina ireo zavatra mifandray amin’ny Tompo izy ireo. (Ireo ohatra mikasika izany dia ahitana an’i Nefia, zanakalahin’i Lehia izay nahita fahitana taorian’ny faniriany mba hahita ireo zavatra hitan’ny rainy ary taorian’ny “nandiniha[ny] tao am-po” [jereo ny 1 Nefia 10:17; 11:1]; I Joseph Smith izay nitongavan’ny Fahitana Voalohany taorian’ny “nieritreret[any] ombieny ombieny” ny Jakoba 1:5 [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:11–17]; ary i Joseph F. Smith izay nahita fahitana mikasika ny fanavotana ny maty taorian’ny fisaintsainany sy fandinihany ny tenin’ny Tompo [jereo ny F&F 138:1–6, 11].)

  • Oviana no nanampy anao mba hahazo fanambarana manokana ny fisaintsainana? (Azonao atao ny milaza fa tsy miseho amin’ny fomba mampitolagaga foana toy ireo ohatra sasany hita ao amin’ny soratra masina akory ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana. Matetika ny fahazoana fanambarana dia ao anatin’ny fotoana ahazoana fahazavan-tsaina tampoka toy ny rehefa mahatakatra zavatra iray izay nanahirana antsika teo aloha isika.)

  • Inona avy ireo fotoana sy toe-javatra izay mampahamety manokana ny fisaintsainana ireo zavatra mifandray amin’ny Tompo? (Izany fotoana izany dia mety hoe mandritra sy alohan’ny fivoriana fanasan’ny Tompo, aloha sy aorian’ny vavaka sy fandalinana ny soratra masina ataon’ny tena manokana, aorian’ny fijerena sy fihainoana ny fihaonamben’ny Fiangonana, rehefa mifady hanina, rehefa manompo any amin’ny Tempoly ary rehefa manaja ny Tompo amin’ny Sabata.)

Entano ny mpianatra mba hanokana fotoana mba hisaintsainana tsy tapaka. Asaivo manoratra ireo zavatra voarainy mandritra ny fisaintsainany izy ireo.

Mba hanomanana ny mpianatra hanohy handalina ny zavatra niainan’i Nefia dia asao izy ireo mody hieritreritra hoe handeha any amin’ny toeran-kafa mandritra ny fe-potoana iray ny mpifanolobodirindrina amin’izy ireo ary mila olona hiambina ny tranony sy ny fananany.

  • Karazan’olona toy ny inona araka ny eritreritrao no tian’ireo mpifanolobodirindrina aminao mba hiambina ny tranony?

  • Ahoana no ahafahanao mampiseho amin’ny mpifanolobodirindrina aminao fa efa niomana ny mba ho azo atokisana amin’ny andraikitra toy izany ianao?

Angataho ny mpianatra mba hamaky mangina ny Helamàna 10:4–5, ka hitady ny antony nanomezan’ny Tompo fitahiana sy andraikitra lehibe an’i Nefia. (Azonao atao ny manazava fa ny hoe tsy nitandro hahasasarana dia midika hoe tsy mba reraka na hoe navitrika.) Asao ny mpianatra mba hanao tatitra ny zavatra hitany.

  • Ahoana no fomba ampisehoan’ny fanaovana asa fanompoana tsy itandroana hasasarana fa ny Tompo dia afaka manome fitahiana sy andraikitra ho antsika?

  • Ahoana no mety hanampiana antsika hiomana amin’ny andraikitra ao amin’ny fanjakan’ny Tompo amin’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Nefia mba tsy hatahotra ny olona?

  • Midika inona aminao ny andian-teny hoe “tsy nikatsaka ny ainao samirery”?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny manaraka ity: Manome fitahiana sy andraikitra antsika ny Tompo raha toa isika ka . … Anontanio ny mpianatra ny fomba hamenoany io fehezan-teny io amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika an’i Nefia ao amin’ny Helamàna 10:4–5. Toy izao manaraka izao ny fomba iray ahafahan’ny mpianatra mameno io fehezanteny io: Manome fitahiana sy andraikitra antsika ny Tompo raha toa isika ka manao ho lohalaharana ny sitrapony fa tsy ny antsika. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra izany fahamarinana izany ao amin’ny soratra masiny na ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy na diary fandalinany soratra masina.

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto ary hanoratra ny valinteniny ho an’ny iray amin’izy ireo:

  • Inona no zavatra nataonao faramparany teo mba hampisehoana amin’ny Tompo fa manan-danja lehibe kokoa noho ny anao ny sitrapony?

  • Inona ny lafiny iray eo amin’ny fiainanao izay azonao hikatsahana tsara kokoa ny sitrapon’ny Tompo?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ny fahavononan’ny Tompo hanome fitahiana lehibe hatrany hatrany raha toa ka mikatsaka ny sitrapony sy mankatò ny didiny isika.

Asao ny mpianatra mba hamaky mangina ny Helamàna 10:5–7, ka hitady ireo fitahiana sy andraikitra nomen’ny Tompo an’i Nefia. Rehefa eo am-pamakiana ny mpianatra dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:

Andinin-tsoratra masina 5

Andinin-tsoratra masina 6

Andinin-tsoratra masina 7

Asao ny mpianatra vitsivitsy mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fitahiana nomen’ny Tompo an’i Nefia ka ataovy eo akaikin’ilay laharan’ny andininy mifandray aminy izany.

Hamafiso fa ny iray amin’ireo fitahiana nomen’ny Tompo an’i Nefia dia ny fahefana hifehy. Dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Ny fahefana hifehy dia afaka mamehy sy mamaha eto an-tany sy any an-danitra. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra ny fahamarinana ao anatin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Helamàna 10:7.

Anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo ka mahafantatra olona hafa ankoatra an’i Nefia izay nomena ny fahefana hifehy. Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia azonao asaina izy ireo mba hampifandray ny Helamàna 10:7 amin’ireto soratra masina manaraka izay hozahana ireto: 1 Mpanjaka 17:1 (Elià); Matio 16:15–19 (Petera); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:46 (Joseph Smith).

Hazavao fa io fahefana io koa dia hazonin’ny Filohan’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ankehitriny. Ireo filohan’ny Fiangonana koa tahaka an’i Nefia dia tsy nitandro hasasarana tamin’ny fanompoana ary nampiseho fa afaka manome azy ireo fitahiana sy andraikitra lehibe ny Tompo. Ampifandraisintsika matetika amin’ny famehezana ny fianakaviana amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny tempoly ny fahefana hifehy.

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fahefana hifehy dia asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

“Tafaverina tsara tokoa araka ny faminaniana ireo tempoly, ôrdônansy, fanekempihavanana sy fanafiana masina ary famehezana. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia manome fomba hihavanana amin’ny Tompo ary mamehy ny fianakaviana hiaraka mandrakizay. Ny fanajana ireo fanekempihavanana masina izay natao tany amin’ny tempoly dia manome fahafahana antsika hahazo ny fiainana mandrakizay—ilay fanomezana lehibe indrindra nomen’Andriamanitra ny olombelona” (“Prepare for the Blessings of the Temple,” Ensign, Ôkt. 2010, 42).

  • Inona no fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny fahalalana fa afaka ny hiaraka mandrakizay ny fianakaviana?

  • Ahoana no ahafahanao mikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny fahefana hifehy amin’ny ho avy? (Toy izao no mety ho valin’izany: afaka miomana amin’ny fanambadiana mandrakizay ny mpianatra ary afaka manao asa any amin’ny tempoly sy manao tantaram-pianakaviana amin’izao fotoana izao izay hanome fahafahana azy ireo hofehezina amin’ireo razambeny.)

Zarao ny zavatra tsapanao momba ireo fitahiana avy amin’ny fahefana hifehy ary ny maha zava-dehibe ny fandraisana ireo ôrdônansin’ny famehezana any amin’ny tempoly.

Helamàna 10:12–19

Nankatò ny didin’ny Tompo mba hitory fibebahana tamin’ny olona i Nefia

Anontanio ny mpianatra raha toa izy ireo efa nanemotra ny fanaovana zavatra iray izay nangatahana mba hataon’izy ireo. (Toy izao ireo ohatra mety ho hita: manemotra ny fanatanterahana raharaha iray ao an-trano na andraikitra iray any am-pianarana na any am-piasana.)

  • Inona no hafatra mety holazaintsika amin’ny hafa rehefa manemotra ny fanaovana zavatra iray nasainy nataontsika isika?

Asao ny mpianatra mba hamaky mafy ny Helamàna 10:11–12. Angataho ny mpianatra mba hanaraka izany ka hitady ny fihetsika nasehon’i Nefia rehefa nodidian’ny Tompo izy mba hitory fibebahana tamin’ny olona.

  • Inona no asehontsika amin’ny Tompo rehefa mandray andraikitra haingana isika eo anatrehan’ny torohevitra sy ny didy omeny.

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Helamàna 10:13–14 . Dia angataho ny mpianatra iray hafa mba hamaky mafy ny Helamàna 10:15–17.

  • Inona no zavatra ampianarin’ny ohatra nasehon’i Nefia antsika ao amin’ireo andininy ireo?

  • Ahoana no fomba nanampian’ ny Tompo an’ i Nefia?

Ampio ny mpianatra hahita fa noho ny fahatokian’i Nefia dia niaro azy sy nanome azy hery lehibe ny Tompo. Vonona ny hanatanteraka ny asa nanirahan’ny Tompo azy i Nefia.

  • Ahoana no ahafahanao mampiseho ny fahavononanao hanompo ny Tompo?

Amporisiho ny mpianatra mba hitady fomba hametrahana ny sitrapon’ny Tompo ho voalohan-daharana sy hankatoavana haingana. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fitahiana izay azo rehefa mankatò ny Tompo isika.

Famerenana ny Soratra Masina Fehezina

Ny halavan’io lesona io dia mety hanome fahafahana ny hanaovana ity famerenana ny soratra masina fehezina manaraka ity.

Omeo ny iray amin’ireto soratra masina fehezina manaraka ireto ny mpianatra tsirairay mba hovakiany mangina: 1 Nefia 3:7; 2 Nefia 2:27; 2 Nefia 31:19–20; Môsià 2:17. Angataho ny mpianatra mba hamaky ilay andinin-tsoratra masina nomena azy ireo ary hieritreritra ny fifandraisan’izany amin’i Nefia sy ny asa fanompoana nataony araka ny voarakitra ao amin’ny Helamàna 10. Rehefa ampy ny fotoana nanaovana izany dia asao ny mpianatra vitsivitsy mba hamaly.

Hamoaka printy