Tahirim-pitaovana
Lesona 47: Jakôba 5:52–77; Jakôba 6


Lesona 47

Jakoba 5:52 Jakoba 6

Fampidirana

Tao amin’ny lesona mialohan’ity ireo mpianatra dia nanomboka nandalina ilay fanoharana nataon’i Zenôsa ny amin’ireo hazo oliva voakolokolo sy ireo hazo oliva dia. Ao amin’ity lesona ity izy ireo no handalina ny ampahany farany amin’ilay fanoharana, izay ahitana fa miara-miasa farany amin’ireo mpanompony ilay tompon’ny tanimboly mba hahafahan’ireo hazo hamoa voa tsara. Ho halalinin’izy ireo ihany koa ny Jakôba 6, izay ahitana ny fanazavan’i Jakôba an’ilay fanoharana sy ny fitaomany ny vahoakany mba hibebaka.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jakôba 5:52–60

Ao amin’ilay fanoharana mikasika ilay hazo oliva voakolokolo sy ireo hazo oliva dia, ilay tompon’ny tanimboly dia mitsimbina ireo hazo ary manao izay hamoazany voa tsara.

Mialoha ny fampianarana dia manaova sarina hazo telo eo amin’ny solaitrabe.

Sary
hazo oliva telo

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tao amin’ny lesona mialohan’ity izy ireo dia nanomboka nandalina ilay fanoharana nataon’i Zenôsa mikasika ireo hazo oliva voakolokolo sy dia ao amin’ny Jakôba 5. Tany amin’ny faran’io lesona io dia namoa voa ratsy avokoa ireo hazo tao amin’ilay tanimboly (jereo ny Jakôba 5:30–42). Izany dia maneho ilay Apôstazia Lehibe.

Mba hamerenana kely ny lesona teo aloha dia zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asaivo mifanakalo hevitra mikasika ny valinteniny ho an’ireto filazana misy banga manaraka ireto ny vondron’olon-droa tsirairay (azonao atao ny mandika ireo filazana ireo eo amin’ny solaitrabe):

  1. Ilay tompon’ny tanimboly dia maneho an’i …

  2. Ny ezaka ataon’ilay tompon’ny tanimboly hitsimbinana ireo hazony dia maneho ny …

  3. Ny zavatra iray nianarako mikasika an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo teny sy fihetsik’ilay tompon’ny tanimboly dia hoe …

  4. Rehefa niharatsy daholo ny voan’ireo hazo rehetra dia nanapa-kevitra ilay tompony …

Rehefa samy avy nifanakalo hevitra tsiroaroa mikasika ireo filazana ireo ny mpianatra dia iaraho mijery fotoana fohy miaraka amin’ny mpianatra manontolo ny valintenin’izy ireo. Rehefa mitatitra ny valintenin’izy ireo ho an’ireo filazana roa voalohany ireo mpianatra dia ataovy izay hampazava tsara fa ilay tompon’ny tanimboly dia maneho an’i Jesoa Kristy ary ny ezaka ataony hitsimbinana ireo hazony dia maneho ny ezaka ataon’ny Mpamonjy hanampiana ny vahoakany hiverina any Aminy. Afaka mizara lesona tsara samihafa ireo mpianatra rehefa mameno ilay filazana fahatelo. Asaivo hamarinin’ireo mpianatra ny valintenin’izy ireo ho an’ny filazana fahefatra amin’ny alalan’ny fijerena ao amin’ny Jakôba 5:51, izay milaza fa nanapa-kevitra ilay tompony hitsimbina ny tanimboliny “mandritra ny fotoana fohy.”

Hazavao fa ny lesona anio dia mahasahana ny ampahany farany amin’ilay fanoharana, izay maneho ireo andro farany, tafiditra amin’izany ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Mariho fa nanapa-kevitra ny hitsimbina ny tanimboliny ilay tompony tamin’ny alalan’ny fanaovana grefy sampa-kazo maromaro fanampiny. Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Jakôba 5:52–58. Asaivo tadiavin’ireo mpianatra izay nataon’ilay tompony mba hanatanjahana ireo sampana sy ireo fakany. (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa sampana avy tamin’ny hazo voajanahary no naverin’ilay tompon’ny tanimboly natao grefy teo amin’ny ilay hazo tany am-boalohany—ilay hazo izay maneho ny mpianakavin’i Isiraely. Avy teo izy dia naka sampana tamin’io hazo io hatao grefy eny amin’ireo hazo voajanahary hafa. Natsipiny tany anaty afo ihany koa ireo sampana izay efa lò. Azonao ampiasaina ireo sary hazo telo eny amin’ny solaitrabe mba hanehoana izany fanazavana izany. Ohatra, afaka mamafa sampana iray amin’ny hazo iray ianao ary manao sarina sampana iray vaovao eo amin’ny hazo irao hafa.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jakôba 5:59. Asaivo henoin’ireo mpianatra izay nantenain’ilay tompon’ny tanimboly fa ho vokatr’ireo asa ireo eo amin’ireo fakan’ireo hazo.

  • Inona no nantenain’ilay tompony hitranga amin’ireo fakany? (Tiany “hahazo hery” izy ireo.)

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’io fotoana io dia namoa voa ratsy avokoa ireo hazo rehetra, izay maneho izao tontolo izao tao anatin’ny apôstazia. Hazavao fa rehefa mahazo hery ireo faka dia hiova ireo sampana manerana ilay tanimboly “mba hahazoan’ny tsara mandresy ny ratsy” (Jakôba 5:59).

Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa ireo andininy ireo dia mampianatra fa ny herin’ireo fanekempihavanan’ny filazantsara dia ahafahan’ireo zanaky ny Ray any an-danitra mandresy ny fahotana ary mitondra fahamarinana.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo fanekempihavanan’ny filazantsara manamafy orina antsika? Inona no fiantraikan’ireo fanekempihavanana nataonao teo amin’ny fiainanao? (Azonao atao ny mizara ny fahatsapanao manokana sy ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ity fitsipika ity.)

Jakôba 5:61–77

Miasa ao amin’ny tanimboly miaraka amin’ireo mpanompony ilay tompon’ny tanimboly

Asaivo mamaky mangina ny Jakôba 5:61–62 ireo mpianatra, sady mitady izay toromarika nomen’ilay tompon’ny tanimboly mba ho hotanterahin’ireo mpanompony sy ny antony nangatahany azy ireo hanao izany.

  • Ilay mpanompo tany amin’ny fiandohan’ilay fanoharana dia maneho ireo mpaminanin’ny Tompo. Mety maneho an’iza ireo mpanompo maromaro ao amin’ny Jakôba 5:61? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ireo mpanompo ireo dia mety maneho ireo mpikambana rehetra ato amin’ny Fiangonana: ireo mpaminany sy apôstôly, ireo mpitarika any amin’ny foibe sy eo an-toerana, ireo misiônera, ireo mpampianatra isan-tokantrano, ireo rahavavy mpamangy isan-tokantrano, ary na iza na iza mety ho mpandray anjara amin’ny asan’ny Tompo.)

  • Inona no zava-dehibe amin’ireo teny hoe isika sy antsika ao amin’ny Jakôba 5:61–62? (Miara-miasa amintsika ny Tompo. Tsy avelany irery hanao ny Asany isika.)

  • Araka ny ao amin’ny Jakôba 5:62, inona no mampiavaka ny fotoana izay niantsoana ireo mpanompo ireo hiasa? (Io no “fotoana farany” izay handrantsanan’ny tompony an’ilay tanimboly. Voalazan’ireo mpaminany io “fotoana farany” io hoe “fitantanan’ny fotoam-pahafenoana.” Ohatra, jereo ny Efesiana 1:10 sy F&F 128:20.)

Sary
Loholona Dean L. Larsen

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra hoe miresaka momba azy ireo io ampahany amin’ny fanoharana io, dia manasà mpianatra iray hamaky ity fanambarana nataon’ny Loholona Dean L. Larsen ity, izay ao amin’ny Fitopololahy:

“[Izao] no fotoana izay hanaovan’ny Tompo sy ireo mpanompony ilay ezaka lehibe farany hitondrana ilay hafatry ny fahamarinana mankany amin’ny olona rehetra eto an-tany sy hakana indray ireo taranak’i Isiraely fahiny izay nanary ny tena maha izy azy. …

“Tonga eto an-tany amin’ny fotoana izay efa nanorenana ny fototr’ity asa lehibe ity ianareo. Naverina farany tamin’ny laoniny ny filazantsara. Voaorina saika manerana ny faritra rehetra eto amin’izao tontolo izao ny Fiangonana. Efa voaomana ny sehatra mba hilalaovana ireo ampahany lehibe farany amin’ny tantara. Ianareo no ho mpilalao fototra. Anisan’ireo mpanompo farany ao amin’ny tanimboly ianareo. … Io no asa fanompoana nisafidianana anareo” (“A Royal Generation,” Ensign, Mey 1983, 33).

  • Rehefa mahafantatra ianao fa voaantso hiaraka hanompo amin’ny Tompo mandritra izao fotoana hiasana farany izao, dia inona no fiantraikan’izany eo aminao?

  • Oviana ianao no nahatsapa fa niara-niasa taminao ny Tompo teo am-pandraisanao anjara tamin’ny Asany?

  • Inona avy ireo fomba ahafahanao manompo ny Tompo sy manampy ny hafa hamoa “voa tsara”? (Mety holazain’ireo mpianatra ny antso sy asa nampandraiketina azy ireo ato Am-piangonana; sy ny adidin’izy ireo hanampy ireo olona ao amin’ny fianakaviana sy ireo namana ary ireo hafa hanatona bebe kokoa ny Mpamonjy; ary ny fahafahana hananan’izy ireo hanompo ny Tompo amin’ny maha misiônera amin’ny fotoana feno.)

Soraty eo amin’ny solaitrabe ny hoe Jakôba 5:70–75. Ampahafantaro ireo andinin-tsoratra ireo amin’ny alalan’ny fanazavana fa mampianatra mikasika ny fifandraisan’ny Tompo amin’ireo mpanompony izy ireo. Izy ireo ihany koa dia mamaritra izay azon’ny Tompo sy ireo Mpanompony tanterahina amin’ny alalan’ny fiarahan’izy ireo miasa. Asao ireo mpianatra hamaky mangina ireto andininy ireto ary hisafidy andininy iray izay manome ny famaritana tian’izy ireo indrindra mikasika ny fifandraisan’ny Tompo amin’ireo mpanompony. Rehefa nahazo fotoana ampy ireo mpianatra hamakiana dia manasà vitsivitsy amin’izy ireo hilaza izay andininy nosafidiany, sy ny antony hitiavany izany ary ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo eo am-panompoan’izy ireo ny Tompo.

Rehefa mandray anjara amin’io asa atao io ireo mpianatra dia ataovy izay hahatakaran’izy ireo fa mampanantena fifaliana amintsika ny Tompo rehefa miara-miasa Aminy isika eo am-panatanterahana ny Asany. Mba hanampiana ireo mpianatra hanatevina ny fahatakaran’izy ireo ny Jakôba 5:70–75, dia apetraho ny sasantsasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nampanantenain’ny tompon’ny tanimboly an’ireo izay miara-miasa aminy? (Jereo ny Jakôba 5:71, 75.) Oviana ianao no nahatsapa fifaliana teo am-panaovana ny asan’ny Tompo?

  • Fa nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny hiasan’ireo mpanompo “amin’ny herin’[izy ireo]” sy amin’ny “zotom-po rehetra”? (Jereo ny Jakôba 5:72, 74.) Inona avy ireo lesona azonao sintonina avy amin’ireo teny ireo rehefa manompo ny Tompo ianao?

Farano ity ampahany amin’ny lesona ity amin’ny alalan’ny fangatahana ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity ao amin’ny diary fandalinany soratra masina na kahieny ao an-dakilasy (azonao soratana eo amin’ny solaitrabe izany):

  • Rehefa mandinika ireo fomba ahafahanao manompo ny Tompo ianao dia ahoana no fomba hampiharanao ireo fahamarinana izay noresahantsika tao amin’ny Jakôba 5?

Rehefa nahazo fotoana ampy ireo mpianatra hanoratana dia azonao atao ny mangataka ny iray na roa amin’izy ireo hamaky ny valinteniny amin’ireo mpiara-mianatra.

Jakôba 6

Mampianatra mikasika ny famindram-pon’ny Tompo sy ny fahamarinany i Jakôba ary manasa ny vahoakany hibebaka

Ampahafantaro fohifohy ny Jakôba 6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa hita ao ny famintinana nataon’i Jakôba an’ireo fahamarinana manan-danja nosintonina avy tamin’ilay fanoharan’ny hazo oliva voajanahary sy ny hazo oliva dia.

Manasà mpianatra iray hamaky ny Jakôba 6:4–6. Angataho ny antsasaky ny mpianatra hitady izay tian’i Jakôba hianaran’ny vahoakany mikasika ny Tompo. (Hoe mahatsiaro ny Vahoakany Izy, ka mifikitra amin’izy ireo Izy ary “mitolotra amin’[izy ireo] ny sandrin’ny famindram-pony.” Mety ilaina ny hanazavanao fa ao amin’ireto andalana ireto ny teny hoe mifikitra dia midika hoe miraikitra tsara amin’ny zavatra iray na olona iray.) Angataho ilay antsasany hafa amin’ny mpianatra hitady izay zavatra nandrisihan’i Jakôba mba hataon’ny vahoakany noho izany fahalalana izany. (Tsy manamafy ny fony, hibebaka, hanatona ny Tompo “amin’ny fo feno finiavana,” ary “hifiki[tra] amin’Andriamanitra, toy ny ifikirany amin’[izy ireo].”) Rehefa avy nilaza tamin’ny mpiara-mianatra aminy mikasika ny zavatra nianaran’izy ireo ny mpianatra dia anontanio hoe:

  • Ahoana no fomba namaritan’i Jakôba ny Tompo? Midika inona aminao ny hoe “mitolotra amina[o] ny sandrin’ny famindram-pon’ [ny Tompo]”?

  • Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Tompo avy tamin’ilay fanoharana mikasika ireo hazo oliva izay maneho ny fomba ifikirany aminao? Inona no azonao atao mba hanehoana fa mifikitra amin’ny Tompo ianao?

Fintino ny Jakôba 6:7–10 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa avy “nofahanana tamin’ny teny soa an’Andriamanitra” isika dia tsy tokony hamoa voa ratsy. Tokony hanaraka ny tenin’ireo mpaminany isika. Raha tsy mibebaka isika, hoy i Jakôba nampitandrina, dia horaisina ho tompon’andraikitra amin’ny fahotantsika eo anoloan’ny toeram-pitsaran’ny Tompo. Entano ireo mpianatra hamaky mangina ny Jakôba 6:11–13 ary hitady ny torohevitra farany nataon’i Jakôba. Rehefa avy nizara izay zavatra hitany izy ireo dia anontanio hoe:

  • Fa nahoana no fahendrena ny misafidy ny hibebaka sy hiomana amin’izao fotoana izao hijoro eo anoloan’ny Tompo sy hotsarainy?

Lazao fa fahendrena ho antsika ny miomana amin’izao fotoana izao ho amin’ny fitsarana amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fandraisana ny famindram-pon’ny Tompo.

Mba hamaranana ny lesona dia antitrantero fa ny fibebahana dia manomana antsika tsy hoe ho amin’ny fitsarana izay ho avy fotsiny fa mba ho afaka hanompo ny Tompo koa amin’izao fotoana izao. Mijoroa ho vavolombelona amin’ireo mpianatra fa tian’ny Tompo izy ireo hiara-hanompo Aminy sy hiara-hifaly Aminy ary hoe afaka ny ho mendrika izy ireo hanao izany rehefa mankato ireo Didiny sy mibebaka ary mandray ny famindram-pony.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Jakôba 5 Topimaso ankapobeny mikasika ilay fanoharana eo amin’ilay hazo oliva voajanahary sy ireo hazo oliva dia

Sary
fanoharana mikasika ilay hazo oliva

Hamoaka printy