Tahirim-pitaovana
Lesona 136: 4 Nefia 1


Lesona 136

4 Nefia

Fampidirana

Taorian’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy teo anivon’ny taranak’i Lehia dia nampihatra ny fampianarany sy niaina firaisan-kina sy firoboroboana ary fahasambarana nandritra ny 100 taona mahery ny vahoaka. Niray hina ho toy “ny zanak’i Kristy” izy ireo ary tsy nifampiantso ny tenany ho Nefita na Lamanita intsony (4 Nefia 1:17). Na izany aza anefa dia nirehareha sy nitombo tanatin’ny faharatsiana izy ireo ny farany, ary dia nizarazara ho Nefita sy Lamanita indray. 300 taona taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy dia zary niaina tanatin’ny faharatsiana avokoa ny olon-drehetra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

4 Nefia 1:1–18

Niova fo sy niaina tanatin’ny fiadanana sy fahasambarana ny olon-drehetra

Manomàna taratasy ho an’ny mpianatra tsirairay—raha mety, alohan’ny fotoam-pianarana, iray fotsy ary iray miloko hafa (tapa-taratasy dia efa ampy). Apetraho eo amin’ny latabatra na sezan’ny mpianatra alohan’ny hidiran’izy ireo ny efitrano ny taratasy fotsy. Apetraho amin’ny toeran-kafa aloha ilay taratasy miloko mba ho ampiasaina ao amin’ny lesona rehefa kelikely. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Inona no tena mahafaly anao? Asao hanoratra eo amin’ny solaitrabe ny valinteniny amin’izany fanontaniana izany ireo mpianatra rehefa tonga.

Atombohy amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny valintenin’izy ireo ny fotoam-pianarana. Apetraho amin’izy ireo ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona no fahasamihafana eo amin’ireo zavatra izay mitondra fifaliana voafetra eo amintsika sy mitondra fahasambarana maharitra ho antsika? (Rehefa mamaly ireo mpianatra dia afaka manamafy ianao fa tsy azo avy amin’ny zavatra ara-nofo toy ny laza, harena ary fananana velively ny fahasambarana maharitra.)

Hazavao fa ny 4 Nefia dia rakitsoratry ny taranak’i Lehia maromaro nifandimby izay niaina taorian’ny fitsidihan’i Jesoa Kristy. Asao hamaky am-pahanginana ny 4 Nefia 1:16 ireo mpianatra ary hikaroka ny fomba namaritan’i Môrmôna ny vahoaka izay niaina 100 taona taorian’ny fitsidihan’ny Mpamonjy. Afaka asainao asian’ny mpianatra marika ny andian-teny hoe: “fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ ny vahoaka rehetra.” Asaivo soratan’ny mpianatra eo an-tampon’ilay taratasy nomenao azy ireo ny hoe: Fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ ny vahoaka rehetra. Asaivo manao faribolana lehibe eo afovoan’ny taratasiny izy ireo avy eo.

Sary
faribolana

Asaivo vakian’ireo mpianatra ny 4 Nefia 1:1–2 ary karohiny ny zavatra nataon’ireo vahoaka ka nahatonga ity fahasambarana ity ho tanteraka. Asaivo soratan’izy ireo ao anatin’ny faribolana ny zavatra hitany. (Tokony ho tafiditra ao amin’ny valintenin’izy ireo ny hoe nibebaka ny vahoaka, natao batisa ary nandray ny Fanahy Masina, ary “samy niova fo ho an’ny Tompo avokoa.”

  • Inona no dikan’ny hoe niova fo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra fa ny fiovam-po dia mihoatra noho ny fananana fijoroana ho vavolombelona fotsiny na maha mpikamban’ny Fiangonana dia asao ny mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Raha mety dia omeo ny tahadikan’ity fanambarana ity ny mpianatra ary amporisiho izy ireo hamantatra ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny fiovam-po.

“Miankina amin’ny halalin’ny fiovam-po sy ny fiovana izay entin’izany eo amin’ny fiainana ny fahasambaranao ankehitriny sy ho amin’ny mandrakizay. Ahoana ary no ahafahanao ho tena niova fo marina? Nofaritan’ny Filoha [Marion G.] Romney ireo dingana tsy maintsy arahinao:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“’Ny maha mpikamban’ny Fiangonana sy ny fiovam-po dia tsy voatery mitovy. Ny hoe miova fo sy manana fijoroana ho vavolombelona koa dia tsy voatery ho zavatra iray. Tonga ny fijoroana ho vavolombelona rehefa manome vavolombelona amin’ny fahamarinana ho an’ireo mpikatsaka amim-piniavana ny Fanahy Masina. Mahatonga ny finoana ho mahery vaika ny fijoroana ho vavolombelona marina. Izany dia miteraka fibebahana sy fankatoavana ireo didy. Vokatsoa na valisoa amin’ny fibebahana sy fankatoavana ny fiovam-po.’ [Ao amin’ny Conference Report, Guatemala Area Conference 1977, 8–9.]

“Raha lazaina amin’ny fomba tsotra dia hoe vokatry ny finoana, fibebahana, ary fankatoavana tsy tapaka … ny fiovam-po marina.

“Mitondra fahasambarana maharitra izay afaka ankafizina ny fiovam-po marina eny fa na dia ao anatin’ny korontana aza izao tontolo izao ary ny ankamaroan’ny olona dia tsy mahatsapa ho falifaly mihitsy” (“Full Conversion Brings Happiness,” Ensign, Mey 2002, 25, 26).

  • Inona ireo teny sy andian-teny henonao izay mamaritra ny fiovam-po?

  • Mety hanao ahoana araka ny eritreritrao raha toa ka niova fo ho an’ny Tompo daholo ny olona manodidina anao?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: 4 Nefia 1:2–3, 5, 7, 10–13, 15–18. Asao hifandimbidimby hamaky mafy ireo andininy ireo ny mpianatra maromaro. Angataho mba hanaraka izany ireo hafa sady hitady ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny zavatra niainan’ny olona rehefa niova ho an’ny Tompo izy rehetra. Asao hanoratra ireo teny sy andian-teny ireo manodidina ny faribolana eo amin’ny taratasiny ireo mpianatra. (Mety ahitana valiny toy izao manaraka izao izany: tsy nisy fifandirana na fifanjihirana, nifampitondra araka ny hitsiny ny olona, niarahana nanana avokoa ny zava-drehetra, maro ireo fahagagana natao tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy, nampiroborobo ny vahoakany ny Tompo, nanorina indray ireo tanàna simba izy ireo, nifampakatra ho vady izy ireo ary nanorina fianakaviana, nihamaro sy nihanatanjaka izy ireo, nitoetra tao am-pony ny fitiavan’Andriamanitra ary sambatra sy niray hina izy ireo.)

Asaivo mamantatra fitsipika iray mikasika ny fahasambarana izay nianarany avy tamin’ny ampahany voalohan’ny 4 Nefia 1 ireo mpianatra. Na dia mety hahita fitsipika maromaro aza ireo mpianatra dia ataovy izay hilazan’izy ireo fa rehefa miasa miaraka mba hiova ho an’ny Tompo ny vahoaka dia manjary miray hina sy mahatsapa fahasambarana sesehena izy ireo. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona ireo fitahiana mety ho azontsika ato am-pianarana araka ny eritreritrareo raha toa ka niaina araka ny fomba niainan’ireo vahoaka ireo isika? Inona ireo fitahiana mety ho azon’ny fianakaviantsika? Inona ireo fitahiana mety ho azon’ny paroasy na sampana misy antsika?

Asao hilaza fotoana iray izay naha-iray tamin’ny fahamarinana ny vondrona nisy azy ireo mpianatra, toy ny fianakaviany, kôlejy na kilasy iray, na vondron’ny mpinamana. Afaka mizara zavatra niainanao koa ianao.

  • Ahoana no ahafahan’ny ezakao hiaina am-pahamarinana hisy fiantraikany eo amin’ny fahasambarana sy hatsaran-toetran’ireo manodidina anao? (Ataovy takatr’ireo mpianatra fa tsy manampy ho an’ny fahasambarantsika fotsiny ny fiovam-po sy fiainantsika am-pahamarinana fa manampy koa ho amin’ny fahasambarana sy fiadanan’ny hafa. Rehefa miray hina miaina am-pahamarinana ny olona ao amin’ny fianakaviana iray, na kôlejy na kilasy na vondrona hafa dia afaka miaina fahasambarana bebe kokoa mihoatra ny mety tsapany irery izy ireo.)

  • Ahoana no ahafahan’ny otan’ny olona iray hisy fiantraikany eo amin’ireo olona ambiny ao amin’ny vondrona iray izay miezaka ny hiaina am-pahamarinana?

Amporisiho hanamafy ny fiovam-pony amin’ny Tompo ireo mpianatra ary hanampy ireo manodidina azy ireo hanao toy izany koa. Mba hanampiana ireo mpianatra hiatrika ity fanamby ity dia asaivo mamerina mijery ireo teny sy andian-teny izay nosoratany tao amin’ny taratasiny izy ireo. Asao izy ireo hisafidy iray na roa amin’ireo andian-teny izay mamaritra fomba fiainana izay tian’izy ireo hampiharina. Omeo minitra vitsivitsy izy ireo hanoratana ao amin’ny kahieny na diary fandalinany mikasika ny fomba entiny hampiharana izany fomba izany. Mijoroa ho vavolombelona amin’ny fahasambarana izay azo avy amin’ny fiovam-po marina sy azo avy amin’ny firaisana hina miaina am-pahamarinana.

4 Nefia 1:19–49

Tsy nitsaha-niharatsy toetra hatrany ireo Nefita mandra-pahavitsian’ireo olona mbola niaina ny marina

  • Inona araka ny eritreritrareo no zavatra mety handrava ny karazam-piarahamonina iray toy ilay voalaza ao amin’ny 4 Nefia 1:1–18?

Asaivo mamaky am-pahanginana ny 4 Nefia 1:20, 23–24 ireo mpianatra ary hikaroka ny zavatra mety handrava ny firaisan-kina sy fahasambaran’ny vahoaka. Afaka asainao asiany marika ireo zavatra hitany. Soraty eo amin’ny solaitrabe ity teny nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity aorian’ny fizaran’izy ireo ny zavatra hitany. (Izany dia hita ao amin’ny “Ny Fontsika Mitambatra ho Iray,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 68.) Toroy hevitra mba hametaka ny tahadikan’izany teny nambara izany ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny 4 Nefia 1:24 ireo mpianatra.

“Fahavalo lehiben’ny firaisan-kina ny fieboeboana” (Filoha Henry B. Eyring).

  • Amin’ny fomba ahoana no maha fahavalon’ny firaisan-kina ny fiavonavonana?

Asaivo mamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manaraka ity ny mpianatra iray. Angataho hihaino fomba iray izay ahafahan’ny fieboeboana handrava ny firaisan-kina ireo mpianatra.

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny tena fotony dia otan’ny fampitahana ny fieboeboana, satria matetika izany no miatomboka amin’ny hoe: ’Jereo anie ny hatsarako sy ny zavatra goavana vitako e!’ Ary matetika izany miafara amin’ny hoe: ’Tsara lavitra noho ianao aho.’

“Rehefa rakotry ny fieboeboana ny fontsika dia manao fahotana goavana isika, satria mandika ilay didy roa lehibe [jereo ny Matio 22:36–40]. Raha tokony hitsaoka an’Andriamanitra sy hitia ny hafa isika dia mamoaka fa ny tena tanjontsika mazava dia ny hitsaoka sy hitia—ny endrika hitantsika momba antsika eo amin’ny fitaratra” (“Ny Fieboeboana sy ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, Nôv. 2010, 55).

  • Araka io teny nambaran’ny Filoha Uchtdorf io, ahoana no fomba ahafahan’ny fieboeboana mandrava ny firaisan-kina?

Asao mba hifandimby hamaky mafy avy ao amin’ny 4 Nefia 1:24–35, 38–45 ny mpianatra vitsivitsy. Asaivo manaraka ireo mpianatra ambiny ary mikaroka ireo vokatry ny fieboeboana teo anivon’ny vahoaka. Afaka asainao asian’ireo mpianatra marika ireo zavatra hitany. (Mety ahitana valiny toy izao manaraka izao izany: fanaovana akanjo lafo vidy, fizarazana ara-tsaranga na fanavakavahana ao amin’ireo vondron’ny mpinamana, fananganana fiangonana mba hahazoana tombony, fandavana ny fiangonana marina, fanenjehana ireo mpianatra mahatoky, fiforonan’ireo tsikombakomba miafina ary faharatsiana.)

Asaivo milaza tsirairay izay zavatra iray hitany ireo mpianatra. (Afaka mamerina ny efa voalazan’ny hafa ireo mpianatra.) Eo am-pamalian’ireo mpianatra tsirairay dia soraty ao amin’ny taratasy miloko iray izay efa natokanao talohan’ny fotoam-pianarana ny valintenin’izy ireo. Omeo ny mpianatra izany taratasy miloko izany ho solon’ny taratasy fotsy ananany izay ahitana ny fahasambarana sy firaisan-kinan’ny vahoaka. Averimbereno atao hatrany izany mandra-pahazoan’ny mpianatra rehetra ao am-pianarana taratasy miloko ho solon’ny taratasy fotsy ananany.

Asaivo mitodika mijery ny manodidina ireo mpianatra ary mahita fa ny tsirairay ao am-pianarana dia manana taratasy miloko, izay maneho fieboeboana. Asao izy ireo hisaintsaina ny mety ho fahatsapan’ireo mpianatra telon’i Kristy raha nahita ny fieboeboana sy faharatsiana nihanaka teo anivon’ny vahoaka iray izay sambatra sy niray hina fahiny.

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? (Na dia samy mampiasa teny samihafa aza ireo mpianatra dia tokony samy hahita ity fitsipika maranaka ity: Miteraka fizarazana sy mitarika amin’ny faharatsiana ny otan’ny fieboeboana. Azonao atao ny manoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.)

  • Ahoana no ahafahan’ny fieboeboan’ny olom-bitsy hisy fiantraikany eo amin’ny fahasambaran’ny vondron’olona iray manontolo?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fiantraikan’ny fieboeboan’ny olona iray eo amin’ireo olon-kafa ato amin’ireto ohatra manaraka ireto:

  1. Nanapa-kevitra ny hanohy ny zavatra tian’ny tenany manokana ny zanakalahy iray fa tsy nitory filazantsara na dia namporisihin’ny fianakaviana aza.

  2. Manao fanahy iniana manakorontana, mandà tsy handray anjara amin’ny fotoam-pianarana ary manohitra tsy hanaraka ny torolalana ny mpianatra iray ao amin’ny kilasin’ny Zatovovavy na kôlejin’ny Fisoronana Aharôna.

  3. Mananihany na manambanimbany namana iray ao amin’ny vondron’ny mpinamana misy azy hatrany ny zatovolahy na zatovovavy iray.

Asaivo mieritreritra fotoana izay nahitany ny fieboeboana namotika ny fahasambarana sy firaisan-kina ireo mpianatra.

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny anjara andraikiny eo amin’ireo vondrona izay misy azy, toy ny fianakaviany, kôlejy na kilasy, paroasy na sampana ary kilasin’ny seminera. (Afaka manonona vondrona hafa izay maha mpikambana ny mpianatrao koa ianao.) Asaivo halalinin’izy ireo raha toa ka nanao na manao zavatra izay maneho fieboeboana eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa ao amin’ireo vondrona misy azy izy ireo. Amporisiho hibebaka sy hieritreritra fomba ahafahan’izy ireo mandresy ny fieboeboana izy ireo ary hanome vahana ny firaisan-kina sy fahamarinana eo amin’ireo vondrona misy azy. Amporisiho koa izy ireo hisaintsaina ny zavatra nosoratany mikasika ny fomba entin’izy ireo hiainana bebe kokoa tahaka ireo taranak’i Lehia izay niova fo amin’ny Tompo.

Ijoroy ho vavolombelona fa rehefa mikatsaka ny hiova fo bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy isika sy miaina amim-piraisan-kina amin’ny hafa dia afaka ny hahatsapa fahasambarana tahaka ny voafaritra ao amin’ny 4 Nefia 1:1–18.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

4 Nefia 1:1–2. “Niova fo ho an’ny Tompo ny vahoaka rehetra”

Nanazava ny dingan’ny fiovam-po ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

“Tanteraka amin’ny alalan’ny famelan-kelok’ Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotana ny fiovam-po. Toy izao ny fizotran’izany. Mandre ny hafatra ny mpikatsaka ny fahamarinana iray. Manontany an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka izy raha marina izany. Mijoro ho vavolombelona aminy ny Fanahy Masina. Izany no fijoroana ho vavolombelona. Raha toa ka matanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny olona iray dia hibebaka sy hankato ireo didy izy. Amin’ny alalan’ny fankatoavana toy izany no handraisany ny famelan-kelok’ Andriamanitra izay manaisotra ny ota. Vokatr’izany dia niova fo ho amin’ny fiainana vaovao izy. Voadio ny fanahiny” (ao amin’ny Conference Report, Ôkt. 1963, 24).

4 Nefia 1:1–18. Ny filana ny firaisan-kina

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Nanao antso avo amin’ny firaisan-kina foana ny mpaminanin’ny Tompo. Ny filana ny fanomezana izany fanomezam-pahasoavana izany ho antsika sy ny fanamby mba hitazonana azy dia hitombo bebe kokoa amin’ireo andro hoavy, izay hiomanantsika ho olona handray ny anjarany be voninahitra. …

“… Fantatsika avy amin’ny zavatra niainana fa tonga ny fifaliana rehefa misy ny firaisan-kina. Isika dia mikatsaka izany fifaliana efa nananantsika niaraka Taminy izany tany amin’ny fiainana talohan’ity iray ity, amin’ny maha fanahy zanaky ny Ray any An-danitra antsika. Ny faniriany dia ny hanome antsika izany faniriana masina ny mba te ho iray izany noho ny fiitavany antsika.

“Tsy afaka manome izany ho an’ny tenantsika manokana izy. Ny fifalian’ny firaisan-kina izay tiany homena antsika mafy dia tsy natao ho an’olon-tokana. Tsy maintsy mikatsaka izany ary mendrika ny hahazo izany miaraka amin’ny hafa isika. Tsy mahagaga izany raha toa ka mamporisika antsika mba hivondrona Andriamanitra mba ahafahany mitahy antsika. Tiany ny mba hivondronantsika ao anatin’ny fianakaviana. Nanorina kilasy, paroasy sy sampana Izy ary nandidy antsika mba hiara-hivory matetika. Misy tombontsoa lehibe ho antsika ao anatin’ireny fivondronana nalamin’ Andriamanitra ho antsika ireny. Afaka mangataka amim-bavaka an’izany firaisan-kina izany isika sy miasa mba hahatratrarana izany izay hitondra fifaliana ho antsika sy hampitombo ny hery hanompoantsika” (“Ny Fontsika Mitambatra ho Iray,” Ensign na Liahona, Nôv. 2008, 68, 69).

Hamoaka printy